Seminera
Lesona 148: Ny Dia nandalo an’i Iowa; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: 1–18


Lesona 148

Ny Dia namakivaky an’i Iowa; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18

Fampidirana

Ny volana febroary 1846, dia nanomboka nandao an’i Nauvoo sy nizotra niakandrefana mamakivaky ny tanin’i Iowa ny Olomasina. I Brigham Young dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 tao Winter Quarters, Nebraska, ny volana janoary 1847. Ity lesona ity dia miresaka mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18, izay ahitana ny torohevitry ny Tompo ho an’Olomasina amin’ny fanampiana azy ireo mba hifandamina sy hanohy ny fiomanana amin’ny dian’izy ireo miakandrefana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Namakivaky an’i Iowa ireo Olomasin’ny Andro Farany ary nanangana toby tao Winter Quarters

Tapeno ny mason’ny mpianatra iray ary apetraho amin’ny sisin’ny efitra iray izy. Ovao toerana avy eo ny entana sasany ao amin’ny efitrano fianarana, ary ataovy amin’ny fomba mitabataba izany mba hahafahan’ilay mpianatra mahafantatra fa novaina toerana ny entana ao an-dakilasy. Asao ilay mpianatra mitapi-maso hisafidy mpiara-mianatra iray mba hanoro lalana azy am-bava ka hanampy azy hifindra eny amin’ny toerana ilan’ny efitrano. Rehefa misafidy olona iray ilay mpianatra dia anontanio hoe:

  • Nahoana ianao no nifidy an’io olona io?

  • Ahoana no iantefan’ny fahatokisantsika olona hafa amin’ny fanarahantsika akaiky ny torolalana nomeny?

Asao ilay mpitarika hanome torolalana mba hahafahan’ilay mpianatra mitapy maso handeha soa aman-tsara eny amin’ny ilan’ny efitra iray. Dia asaivo miverina eny amin’ny fitoerana nisy azy ireo ny mpianatra roa avy eo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andalan-tsoratra manaraka ity mikasika ny fifindra-monin’ireo Olomasina avy tany Nauvoo. Asao ny mpianatra hihaino ny mampitovy ny zavatra niainan’ny Olomasina amin’ny niainan’ilay mpianatra niampita ny efitrano fianarana.

Noho ny fahatahorana herisetra avy amin’ireo mpihetraketraka tao an-toerana, dia nanomboka nandao an’i Nauvoo ireo Olomasina ny volana febroary 1846, ary nanohy ny dia niankandrefana, namakivaky ny tanànan’i Iowa. “Ny Fandaozana an’i Nauvoo dia fanehoam-pinoan’ireo Olomasina. Nandeha fotsiny tamin’ny tsy fahafantarana mazava tsara ny toerana haleha sy ny fotoana hahatongavana any amin’ny toerana iray hanorenam-ponenana izy ireo. Fantatr’izy ireo fotsiny fa saika ho efa noroahin’ireo fahavalony tao Illinois izy ireo ary nahazo fanambarana ireo mpitarika azy ireo mba hitady toeram-pialofana tany amin’ny Rocky Mountains (Montagnes Rocheuses) tany ho any” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 309).

  • Inona no mampitovy ny zavatra niainan’ny Olomasina tany Nauvoo amin’ny an’ilay mpianatra notarihana hiampita ny efitrano fianarana? (Izy roa dia samy niankina tamin’ny fahitana sy ny torolalan’ny olona iray izay natokisana mba hanampy azy ireo ho tonga any amin’ny toerana alehany.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny Olomasina izay nandao an’i Nauvoo? (Mety ho amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany, fa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity nefa izy ireo: Mampihatra finoana isika rehefa manaraka ireo torohevitra sy fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonantsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity izay mikasika an’i William Clayton. Asao ireo mpianatra mba hihaino ireo ohatra izay maneho ny finoan’ny Rahalahy Clayton.

“I William Clayton no nantsoina ho anisan’ny iray amin’ireo tarika voalohany handao an’i Nauvoo ka hamela ny vadiny izay nantsoina hoe Diantha tamin’ny ray aman-dreniny, iray volana monja talohan’ny niterahany ny zanany voalohany. Fisedrana mafy ho azy ny nieritreretana momba ny mombamomba an’i Diantha vadiny teo am-pamakivakiana ny làlana feno fotaka sy teo am-pilasiana tamin’ny lay mangatsiaka. Roa volana taty aoriana dia tsy mbola fantany ihany raha efa teraka soa aman-tsara ny [zanany] fa nandre ny vaovao mahafaly izy tamin’ny farany fa teraka ny zazalahy ‘salama tsara sady dongadonga’. Raha vantany vao nandre ny vaovao i William dia nipetraka ka namorona hira izay sady nisy dikany manokana ho azy, no nanjary lasa hira faneva maneho fankasitrahana sy nentanim-panahy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny vanim-potoana maro taty aoriana. Izany dia ilay hira manao hoe ‘Ndao ry Olomasina’” (Our Heritage: A Brief History of the Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1996], 71).

Asao ny mpianatra rehetra hiara-hihira ny andininy telo voalohany amin’ny “Ndao ry Olomasina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 4). (Na manatòna mialoha mpianatra iray na andiana mpianatra ka asao izy ireo hiomana hihira ny andininy telo voalohany amin’ilay hira.) Asao ireo mpianatra, alohan’ny fihirana ny hira mba hijery sy hihaino andian-teny izay maneho ny finoan’ny Olomasina an’i Jesoa Kristy sy maneho ny fahatokisan’izy ireo ny mpitarika azy ireo.

Rehefa avy nohiraina ny andininy telo voalohany, dia anontanio hoe:

  • Ahoana no fomba hanehoan’io hira io ny finoan’ny Olomasina an’i Jesoa Kristy sy ny fahatokisan’izy ireo ny mpitarika azy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny tantaran’i Orson sy i Catherine Spencer. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny ohatry ny finoana sy fahatokisana nasehon’i Spencer mivady.

“I [Catherine], izay osa sy marefo hatrany, dia nanjary rendrika vetivety tao anatin’ny fisedrana mafy izay tsy nitsaha-nitombo taorian’ny nandaozana an’i Nauvoo. Ilay vadiny izay nalahelo tokoa dia niangavy an-tsoratra ireo ray aman-drenin’i Catherinemba handray azy ao an-tranon’izy ireo mandra-pahitan’ireo Olomasina toerana afaka hamoronam-ponenana. Ary dia tonga ny valiny, nanao hoe ‘Asaivo mandà ny finoany izay mahatonga azy hijaly aloha izy izay vao afaka miverina mody aty aminay, fa tsy ho raisinay mihitsy izy raha tsy manao izany.’

“Rehefa novakiana taminy ilay taratasy, dia nangataka ny vadiny izy mba haka ny Baiboly ary hanokatra ao amin’ny bokin’i Rota ary hamaky ny toko voalohany, ny andininy faha enina ambin’ny folo sy fito ambin’ny folo: “Aza manery ahy ny handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako. Ny firenenao no ho fireneko ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”‘ (Memoirs of John R. Young: Utah Pioneer 1847 [1920], 17–18). Fotoana tsy ela taoriana kelin’izay dia nodimandry i Catherine Spencer.

Asao ireo mpianatra mba hihira ny andininy fahefatra ao amin’ny “Ndao ry olomasina.” Asao izy ireo hieritreritra mikasika ny fomba ifandraisan’ny teny ao amin’io andininy io amin’i Catherine Spencer. Rehefa avy nihira ilay andininy izy ireo dia anontanio hoe:

  • Inona no ifandraisan’ireo teny tao amin’io andininy io amin’i Catherine Spencer?

Asao ireo mpianatra mba hametraka tanjona ny hampihatra ny finoany an’i Jesoa Kristy ary ny hanaraka bebe kokoa ny torohevitra sy fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Asao ireo mpianatra mba hijery ny Sarintany 6 (“Ny Dian’ny Fiangonana Miankandrefana”) ao amin’ny fizarana Sarin’ny Toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana ao amin’ny soratra masin’izy ireo ary hamantatra ny misy an’i Nauvoo sy Winter Quarters. Hazavao fa noho ny orana mikija be sy ny tsy fahampian’ny vatsy, dia efa-bolana no nanaovan’ireo Olomasina nandao an’i Nauvoo tamin’ny volana febroary 1846 ny dia namakivaky an’ny Iowa izay tokony ho 250 km. Nihamora ny famindran’ny vondrona noho ireo toe-javatra ireo sy noho ny tsy nahafan’ny lehilahy Olomasin’ny Andro Farany matanjaka mihoatra ny 500 manompo intsony. Ireo lehilahy ireo izay fantatra amin’ny hoe Andian-tafika Môrmôna, dia namaly ny antso nataon’ny Filoha Brigham Young ny amin’ny firotsahana ho Miaramilan’i Etazonia mba handraisana vola hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mahantra amin’ny fanaovana ny dia miankandrefana. Tena nanampy tamin’ny fomba maro izany fahafoizan-tena izany, saingy namela fianakaviana maro tsy hisy vady sy ray nandritra ny ampahany amin’ny dia koa anefa izany. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, raha nandinika io famindra miadana io, dia nanapa-kevitra ny tsy hanohy miankandrefana any amin’ny Montagnes Rocheuses intsony hatramin’ny lohataonan’ny 1847. Nanoro hevitra ny Olomasina izy ireo mba hiato kely mandritra ny ririnina. Winter Quarters, iray amin’ireo toeram-ponenana vonjimaika dia teo amin’ny sisiny andrefan’ny Renirano Missouri, izay ao amin’ny fanjakan’ny Nebraska amin’izao fotoana izao.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity famariparitana an’i Winter Quarters manaraka ity sy mikasika ireo toeram-ponenana vonjimaika hafa:

Maro tamin’ireo Olomasina no nipetraka tao anaty tranohazo sy tamin’ny fonenana ambanin’ny tany izay vita tamin’ny hazo kely sy loto. Maro ireo olona tsy nanana fonenana araka ny tokony ho izy noho ny toetrandro mangatsiaka. Ireo aretina toy ny tazo, aretin-tratra, raboka, kôlerà ary ny tsy fahampiana vitamina C dia niteraka fijaliana nihanaka sy fahafatesana. Mihoatra ny olona 700 no namoy ny ainy tao amin’ny toeram-ponenana hatramin’ny faran’ny ririnina voalohany. (Jereo ny Our Heritage, 71–72; Church History in the Fulness of Times Student Manual, 319–20.)

  • Raha toa ianao niaraka tamin’ireo Olomasina tao Winter Quarters, inona no mety fahatsapana nanananao noho ny fahafantarana fa mbola handeha kilaometatra maro ianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18

Ny Tompo dia nanoro hevitra ny Olomasina ny handaminan’izy ireo ny tenan’izy ireo sy ny hiomanan’izy ireo hanohy ny dia miankandrefana.

Asaivo mijery haingana ny ao amin’ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ny mpianatra ka hijery ny toerana nanomezana io fanambarana io sy ny olona nomena izany. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1 ny mpianatra iray.

  • Ahoana araka ny hevitrao ny fomba mety nanampian’ny fahafantaran’ny Olomasina fa ny Tompo dia tsy nitsahatra manambara ny sitrapony amin’izy ireo? (Mety ho anisan’ny valinteny ny nanampian’ity fanambarana ity azy ireo hahafantatra fa ny Tompo dia miahy azy ireo, sy manampy azy ireo mandritra ny dian’izy ireo mankany andrefana, ary miteny amin’ny alalan’ny Filoha Brigham Young tahaka ny niresahany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:2–5. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra, sady hikaroka ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ny Olomasina mba hiomanana amin’ny fanohizana ny dia miankandrefana.

  • Ahoana no fomba tokony nandaminana ny andiany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety nanampy ny fandaminana ireo Olomasina ho andiany ary misy mpitarika voatendry? Inona no itovian’izany amin’ny firafitry ny Fiangonana ankehitriny? (Rehefa avy namaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia nandamina ireo Olomasiny ho andiany mba hahafahan’ny olona tsirairay ho voatarika sy ho voakarakara.)

  • Inona no lazain’ny andininy 4 mikasika ny fomba handraisan’ny Olomasina hery?

Hazavao fa noho ny aretina sy ny fahafatesana tao Winter Quarters sy teo amin’ny toeram-ponenana manodidina, dia maro tamin’ireo fianakaviana sy olon-tokana no nila fanampiana ara-bola mba hahafahana manohy ny dia miakandrefana.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo mba hiara-handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:6–11, ka hitady ny fomba nahafahan’ireo Olomasina nikarakara izay nila fanampiana. Alohan’ny hamakian’ny mpianatra io andinin-tsoratra masina io, dia hazavao fa tsy niaraka nandao an’i Winter Quarters indray mandeha ireo Olomasina. Ny andian-teny manao hoe “ireo izay nijanona” ao amin’ny andininy 6 dia entina ilazana ireo Olomasina tokony nijanona nandritra ny fotoana voafetra tao Winter Quarters sy tao amin’ny toeram-ponenana manodidina.

  • Inona ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 6–11 izay milaza ny fomba tokony hikarakaran’ny Olomasina ireo izay mila fanampiana?

  • Inona ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 7 iantsoana ireo olona izay manomana ny lalana ho an’ny hafa? (Mpisava lalana.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity famaritana manaraka ity. (Izany dia notsoahina avy tamin’ny Oxford English Dictionary, ed. faha-2 [1989], “mpisava lalana.”)

Mpisava lalana: Olona iray mialoha lalana mba hanomanana na hanokatra ny lalana ho an’ny hafa mba ho arahina.

  • Araka ny andininy 11, dia inona no fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay hanampy ny sahirana sy hanomana lalana ho azy ireo? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’izany? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Hitahy antsika ny Tompo rehefa manampy ny sahirana sy manomana lalana ho azy ireo isika.)

Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra mikasika an’ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny namany:

  • Iza no nanomana lalana ho anao mba hahafahanao mandray ireo fitahian’ny filazantsara?

Asaivo misaintsaina ity fanontaniana ity ireo mpianatra: Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

  • Inona no hataonao mba ho lasa mpisava lalana—amin’ny fanampiana ny sahirana sy amin’ny fanomanana lalana ho azy ireo mba handraisany ireo fitahian’ny filazantsara?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:12–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nandidy ireo mpanompony mba hampianatra ity fanambarana ity amin’ireo Olomasina.

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozana hevitra sy amin’ny famporisihana ireo mpianatra mba hampihatra izany fahamarinana izany ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:7, 9. Fanomanana ny lalana ho an’ny hafa

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ny rakibolana iray dia mamaritra ny mpisava lalana ho ‘olona iray mialoha lalana mba hanomanana na hanokafana lalana ho an’ny hafa mba ho arahina’ [Oxford English Dictionary, ed.faha-2 (1989), “mpisava lalana”]. Moa ve isika tsy afaka maka tahaka ny risipo sy fifantohana amin’ny tanjona izay nampiavaka ireo mpamaky lain’ny andro taloha? Moa ve izaho sy ianao, amin’izao toe-javatra iainana izao, afaka ny ho mpamaky lay?

“Fantatro fa afaka isika. Tena mila mpamaky lay mafy izao tontolo izao ankehitriny!” (“Mila mpamaky lay izao tontolo izao ankehitriny,” Ensign, jolay 2013, 5).

Ny Loholona Parley P. Pratt dia nitantara ny zavatra nataon’ireo Olomasina mba hanomanana ny lalana ho an’ireo izay hanaraka izany:

Sary
Parley P. Pratt

“Raha nirindra tsara avokoa ny zavatra rehetra dia niroso ireo andian’Olomasina. Rehefa tonga teny amin’ny faritry Grand River iray izahay dia nijanona tao vetivety, rehefa avy nandeha fotoana maro tao anaty orana mikija sy tsy mety mitsahatra, sy fotaka ary fota-mandrevo. Nijanona teo izahay ary nanangana fambolena sy fiompiana tamin’ny tany midadasika be ary nanomboka ny fanorenam-ponenana ho tombontsoan’ireo izay hijanona eo sy ho an’ireo izay hanaraka avy any Nauvoo. Nantsoinay hoe ‘Garden Grove’ io toerana io” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 342).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:8. Ny Andian-tafika Môrmôna

I Jesse C. Little, mpisolotenan’ny Fiangonana dia nihaona tamin’ireo manam-pahefana tao amin’ny governemantan’i Etazonia tao Washington, D.C. ny volana mey 1846. Nanontany ny Fiangonana raha misy asa na fanampiana mety afaka omen’ny Olomasin’ny Andro Farany ho takalon’ny fanohanana ara-bola ho an’ny fifindra-monin’ny Olomasina miakandrefana. Ny Kôngresin’i Etazonia dia niantso ady tamin’ny Meksika vao tsy ela, ary ny Filoha James Polk dia niresaka tamin’i Jesse C. Little momba ny hoe ireo lehilahy Olomasin’ny Andro Farany dia tokony afaka hirotsaka ho Miaramilan’i Etazonia ary hampiasa ny karaman’izy ireo mba hanampiana ireo Olomasina amin’ny diany. Raha namakivaky an’i Iowa ireo Olomasina, dia nangataka ny mpikamban’ny Fiangonana mba hanompo any amin’ny Adin’i Meksika sy Amerika ireo mpampirotsaka anadin’ny Miaramilan’i Etazonia. Tamin’ny voalohany dia nandà ireo Olomasina, fa ny Filoha Brigham Young dia namporisika ireo lehilahy mba handray anjara mba hahafahana mahita volaho an’ny fanangonana ny mahantra avy any Nauvoo sy hanampiana ny fifindran’ny Olomasina mankany andrefana. Noho izany torohevitry ny Filoha Young izany dia mihoatra ny 500 lahy no nisoratra anarana ho Miaramilan’i Etazonia. Io vondrona io dia nantsoina hoe Andian-tafika Môrmôna. Vehivavy sy zaza maro no niaraka tamin’ny andian-tafika raha nandeha an-tongotra nandritra ny 3.266 km nankany amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny Californie izy ireo, izay toerana niorenana sy narovana.

Tamin’ny 4 jolay 1846 dia nanoratra i Daniel B. Rawson hoe: “Tezitra aho noho ny namelan’ny Governemanta ahy ho voatafika sy voaroaka amin’ny toeram-ponenako. Nanao ny fanamarihana somary masiaka aho fa ‘tiako ho voaozona sy any amin’ny Helo izy ireo.’ Tsy hisoratra anarana ho miaramila aho. Teny an-dalana ho any amin’ny Bluffs dia nifanena tamin’ny Filoha Brigham Young, Heber C. Kimball ary i W. Richards izay niverina niantso lehilahy mba hirotsaka ho miaramila izahay. Nilaza izy ireo fa ny famonjena an’i Isiraely dia miankina amin’ny fananganana ny tafika. Rehefa naheno izany aho dia niova hevitra. Tsapako fa tena adidiko ny mandeha” (ao amin’ny Norma Baldwin Ricketts, The Mormon Battalion [1996], 13).