Seminera
Lesona 47: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–29


Lesona 47

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–29.

Fampidirana

Tamin’ny volana desambra 1830 dia nandidy ny Olomasina hiangona tao Ohio ny Tompo (jereo ny F&F 37:3). Tamin’ny volana janoary 1831 dia nampanantena Izy fa handray ny lalàny izy ireo (jereo ny F&F 38:32). Tamin’ny 9 febroary 1831, fotoana fohy taorian’ny nahatongavana tao Kirtland, dia loholona 12 tao amin’ny Fiangonana no niangona niaraka ary niara-nivavaka, satria nandidy azy ireo hanao izany ny Tompo (jereo ny F&F 41:2–3). Tamin’io fotoana io i Joseph Smith dia nandray fanambarana iray izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–73. Nahazo torolalana fanampiny izy ny faha 23 febroary (jereo ny F&F 42:74–93). Rehefa natambatra ireo fanambarana ireo dia fantatra amin’ny anarana hoe “lalàn’ny Fiangonana” (F&F42sasin-tenin’ny fizarana). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 dia hozaraina ho ao anatin’ny lesona telo. Ity lesona ity dia mahafaoka ny andininy 1–29, izay manome torolalana mikasika ny fampianarana ny filazantsara ary mametraka lalàna ankapobeny mikasika ny fitondrantena ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–10

Miantso ireo loholonamba hampianatra ny filazantsara sy hanorina ny Fiangonany ny Tompo

Soraty eo amin’ny farany ambony eo amin’ny solaitrabe ny hoe Lalàna sy didy.

Soraty eo ambanin’izany ireto teny manaraka ireto:

Faneriterena Fitahiana Enta-mavesatra Fanadalana Fanomezana Fetra Valisoa

Atombohy amin’ny fangatahana ny mpianatra hieritreritra hoe iza amin’ireo teny eo amin’ny solaitrabe no mety hofidian’izy ireo mba hamaritana ireo lalàna sy didy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny teny na ireo teny nofidian’izy ireo sy hanazava ny antony. Rehefa avy mizara ny eritreriny ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny mitandrina ny didy?

  • Nahoana ny olona sasany no mety hahatsapa fa fanomezana na fitahiana ireo lalàna sy didy?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa rehefa avy nandidy ny Olomasina tao New York handeha tany Ohio ny Tompo dia nampanantena fa raha vao tonga any izy ireo dia homeny ny lalàny (jereo ny F&F 38:32). Nankatò ilay didy hiangona tany Ohio ny ankamaroan’ireo Olomasina tao New York. Rehefa tonga tao Kirtland ny sasany tamin’izy ireo dia nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny loholona 12 ka dia niantso ny Tompo izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–3. Amporisiho hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny antony niarahan’ireo loholona nivondrona.

  • Nahoana ireo loholona no niara-nivondrona tamin’io fotoana io? (Nodidian’ny Tompo hiangona miaraka izy ireo mba handray ny lalàny.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:4–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome toromarika an’ireo Loholona ny Tompo mba handeha tsiroaroa toy ny misiônera, mba hizara ny filazantsara sy hanorina ny Fiangonana ao amin’ny faritra tsirairay izay iantsoana azy ireo mandra-pahatongan’ny fotoana maha-voantso ny olona rehetra hiangona ho iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11–17

Nandroso ireo fitsipiky ny fampianarana ny filazantsara ny Tompo

Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mipetraka ao amin’ny trano fiangonana izy ireo ary miandry ny fanombohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tara ireo mpikambana ao amin’ny episkôpa na ny fiadidian’ny sampana ka tsy mbola tonga foana. Mitsangana ny iray amin’ireo mpiangona ary manazava fa te hanome antso vaovao vitsivitsy izy ary hampianatra fotopampianarana vaovao izay nambara taminy.

  • Inona no ho fihetsikareo ao anatin’ity toe-javatra ity ? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny olona izay lazain’ny Tompo fa manana fahefana ny hampianatra sy hanorina ny Fiangonany.

  • Iza no nolazain’ny Tompo fa manana fahefana ny hampianatra sy hanorina ny Fiangonany? (Tokony hahita izao fotopampianarana manaraka izao ny mpianatra: Ireo izay mampianatra sy manorina ny Fiangonana dia tsy maintsy olona voantson’ Andriamanitra sy notendrena na natokana tamin’ny alalan’ireo mpitarika nahazo lalana hanao izany ao amin’ny Fiangonana.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11, ireo izay antsoina hampianatra ny filazantsara dia tokony ho fantatry ny fiangonana ny antsony. Ahoana no ahafantaran’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao fa nahazo antso ao amin’ny paroasy na tsatòka ny olona iray ary hatokana na hotendrena amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana? (Ampahafantarina amin’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hanaovana tsangan-tanana fanohanana ny anaran’ireo olona voantso. Fantatra amin’ny hoe fitsipiky ny faneken’ny rehetra izany. Jereo ny F&F 26:2.)

  • Ahoana no fomba hiarovana ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy amin’ny alalan’ny fizotry ny fanohanana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpampianatra? (Ny fanohanana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manampy antsika hahafantatra hoe iza no nantsoina hitarika sy hampianatra ao amin’ny Fiangonana. Afaka manakana ny olona sasany koa izany mba tsy hiantsoroka andraikitra tsy nomena azy ireo ary tsy hananan’izy ireo fahefana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo andraikitra nomena ireo olona mampianatra sy mitarika ao am-piangonana, ao anatin’izany ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia inona avy ireo andraikitra omen’ny Tompo an’ireo izay antsoiny hampianatra na hitarika ao amin’ny Fiangonana?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ny mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anareo rehefa niaina nifanaraka tamin’ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianariny ireo mpampianatra sy mpitarika anareo?

Asaivo mamerina mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:13 ny mpianatra mba hitady izay tokony hitarika antsika rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa isika. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tokony hataon’ireo izay mampianatra ny filazantsara mba hahazoany ny fitaoman’ny Fanahy.

  • Ahoana no fomba ahafahantsika mahazo ny fitaoman’ny Fanahy mba hanampy antsika hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa? (Raha mivavaka amim-pinoana isika dia afaka mahazo ny Fanahy hanampy antsika hampianatra ny hafa. Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny ao amin’ny andininy 14 izay mampianatra io fitsipika io. Hazavao fa ankoatra ny fivavaky ny finoana dia mila mendrika ny handray ny Fanahy koa isika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Milaza ny soratra masina hoe: ‘Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny fivavaky ny finoana; ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra’ (F&F 42:14). Io dia tsy mampianatra fotsiny ihany fa tsy tokony hampianatra ianao, na tsy afaka mampianatra, na ho ratsy tokoa ny kalitaon’ny fampianarana. Tsia, zavatra mahery kokoa noho izany no lazain’io. Matoanteny miseho amin’ny endrika filaza mandidy io. ‘Ianareo dia tsyhampianatra .’ Didy io” (Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 41).

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14 sy ny teny nolazain’ny Loholona Holland dia iza no ho tena mpampianatra ao amin’ny efitrano fianarana ato amin’ny Fiangonana na aiza izany na aiza? (Ny Fanahy.)

  • Inona ireo fomba sasany izay ahafahan’ireo mpianatra manampy mba hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:16–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny anjara asan’ny Fanahy Masina. Alohan’ny hamakin’ireo mpianatra dia mety hanampy ny mampahatsiahy amin’ny mpianatra rehetra fa ilay teny hoe Mpampionona izay ampiasaina ao amin’ireo andininy ireo dia anarana iray hafa iantsoana ny Fanahy Masina.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 17, dia inona no fantatry ny Fanahy Masina sy ataony? (Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika ity fotopampianarana manaraka ity ao amin’ny soratra masiny: Mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina.)

  • Raha miainga amin’io fotopampianarana io dia nahoana no zava-dehibe ho antsika ny manana ny Fanahy Masina miaraka amintsika rehefa mampianatra ny filazantsara?

  • Ahoana no fomba hanampiana ireo izay ampianarinao amin’ny alalan’ny fanananao ny Fanahy miaraka aminao?

Asao ny mpianatra hieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eo amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana na omano amin’ny taratasy hozaraina izy ireo):

Oviana ianao no nahatsapa ny hery sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa nampianatra (nizara, nanazava, na nijoro ho vavolombelona mikasika) ny filazantsara?

Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona nanambara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hifidy ny iray amin’ireo fanontaniana sy hizara ny zavatra niainany amin’ny mpianatra rehetra. Azonao atao ny manampy izany amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny anjara asa lehibe tanan’ny Fanahy amin’ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:18–29

Manambara lalàna sy didy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto (aza soratana ireo teny anaty fonon-teny):

F&F 42:18–19 (mamono olona); F&F 42:20 (mangalatra); F&F 42:21 (mandainga); F&F 42:22–23 (mitsiriritra olon-kafa); F&F 42:24–26 (fijangajangana); F&F 42:27 (miteny ratsy ny hafa)

Hazavao fa ato amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia manambara ireo lalàna sy didy natao ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana. Zarazarao ho vondron’olona telo na enina ny mpianatra. Omeo ny mpianatra tsirairay ny iray na ny roa amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe, dia hazavao fa mirakitra ireo torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny didy iray voafaritra tsara ny andininy tsirairay. Angataho ny mpianatra handalina ireo andininy nomena azy ary avy eo dia hampiasa ilay toromarika eto ambany mba hiomanany hampianatra an’ny vondrona misy azy ny zavatra hitany. (Azonao atao ny manoratra izany toromarika izany eo amin’ny solaitrabe na manomana izany amin’ny taratasy hozaraina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hampiasa ny kiboky Jeunes, soyez forts na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba ho fanampiana ankoatra izany. Raha vitsy ny mpianatrao dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hampianatra ny mpianatra iray manontolo fa tsy ny vondrona misy azy ireo.)

  1. Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anao hamaky mafy ilay soratra masina nampandraiketina azy. Azonao atao ny milaza amin’ireo olona ao amin’ny vondrona misy anao mba hanisy marika ny didy na ny lalàna ao amin’ilay andininy.

  2. Mitadiava fotopampianarana na fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo.

  3. Hazavao ny antony hahatsapanao fa manan-danja io didy io ary hazavao ny fomba hisian’ny fankatoavantsika izany fiantraikany eo amin’ny fahatomombanan’ny fiainantsika ara-panahy.

  4. Mizarà zavatra iray azontsika rehetra atao mba hitandremana feno kokoa io didy io (na hiaro tena mba tsy handika izany). Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona sisa ao amin’ny vondrona misy anao hizara ny hevitr’izy ireo.

Ataovy izay hanomezana fotoana ampy ho an’ny mpianatra mba hiomanany ary avy eo dia hampianarany ny vondrona misy azy ireo. Rehefa mifampianatra ny mpianatra dia mandehandehana ao an-dakilasy ary manampia sy manomeza fankaherezana rehefa ilaina.

Rehefa mahavita mampianatra ny vondrona misy azy ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Rehefa manompo an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny isika dia mampiseho …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo teny na andian-teny izay mameno io fitsipika io. Asao ny mpianatra iray hameno ny banga eo amin’ny solaitrabe mba hitovian’ilay fehezan-teny amin’izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manompo an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny isika dia mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra. (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Ahoana no fomba hanehoan’ny fitandremana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny didiny ny fitiavantsika Azy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga anareo ho akaiky kokoa ny Tompo tamin’ny alalan’ny fitandremana ny didy?

Asaivo misaintsaina ny fihetsiny eo anatrehan’ireo lalàna sy ny didin’ny Tompo ny mpianatra. Asao izy ireo hifidy didy iray izay hohezahin’izy ireo hotandremana feno kokoa, ho toy ny fomba hanehoany ny fitiavany ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Farano amin’ny fizarana ny fomba nampatanjahana ny fifandraisanao tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fitandremana ny didy izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:4–7 Fahafahana hitory ny filazantsara ho an’ireo zatovolahy sy ireo zatovovavy

Nanantitrantitra ilay didin’ny Tompo mba hitorian’ireo loholona ny filazantsara ny Filoha Thomas S. Monson. Nanazava ny anjara asan’ireo rahavavy amin’ny asa fitoriana ihany koa izy:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Voalohany, ho an’ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna sy ho an’ireo zatovolahy izay ho lasa loholona dia mamerina izay efa nampianarin’—ireo mpaminany hatry ny ela aho fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana ny filazantsara dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay nomena be dia be. Ry zatovolahy, manentana anareo aho mba hiomananareo amin’ny asa fitoriana. Meteza ho madio sy masina ary mendrika [ny] hisolo tena ny Tompo. Kolokoloy ny fahasalamanareo sy ny tanjakareo. Halalino ny soratra masina. Mandraisa anjara amin’ny seminera na institiota amin’ny toerana izay hisian’izany. Fantapantaro ilay boky torolalana ho an’ireo mpitory ny filazantsara hoe: Torio ny Filazantsarako.

“Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny ananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha-mpitory anareo koa ianareo, ary mandray anareo an-tanan-droa ao amin’izany asa izany izahay” (“Eto Am-pihaonana Indray Isika Izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 5–6).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11. “Fantatry ny fiangonana fa manana fahefana izy”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava antony iray maha-zava-dehibe ny fanohanana ireo izay nantsoina hisahana antso ao amin’ny Fiangonana:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ity fombafomba arahina iraisana ity dia mitranga rehefa antsoina na isaorana amin’ny anjara fanompoana ireo mpitarika na mpampianatra, na rehefa misy fandaminana vaovao ao amin’ny tsatòka, na paroasy, na kôlejy iray, na ao amin’ireo vondrona fanampiny (jereo ny F&F 124:123, 144; jereo koa ny F&F 20:65–67; 26:2). Zavatra iray tsy hita afa-tsy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.

“Fantatsika foana ny olona antsoina hitarika na hampianatra ary manana fahafahana hanohana na hanohitra isika. Tsy avy amin’ny zavatra noforonin’olombelona izany fa nampahafantarina tao anatin’ireo fanambarana … ([jereo ny] F&F 42:11). Araka io fomba io dia voaro amin’ny mpisandoka ny Fiangonana na iza izany na iza, izay mitady hitondra kôlejy, na paroasy, na tsatòka iray, na ny Fiangonana” (The Weak and the Simple of the Church,”Ensign na Liahona,nôv. 2007, 6).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22. “Hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa”

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“‘Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa’ (F&F 42:22). Araka ny fahalalako azy dia iray ihany ny zavatra hafa ao amin’ny soratra masina rehetra izay andidiana antsika mba hotiavintsika amin’ny fotsika manontolo, dia Andriamanitra ihany izany. Eritrereto ny dikan’izany!

“Io karazam-pitiavana io dia azonao aseho amin’ny vadinao amin’ny fomba maro tokoa. Voalohany sady manan-danja indrindra dia tsy misy na inona na inona, afa-tsy Andriamanitra irery ihany, mandeha alohan’ny vadinao eo amin’ny fiainanao—tsy ny asa, tsy ny fialam-boly. Ny vadinao no namana sarobidy sy mandrakizay mpanampy anao—namana miara-dia aminao.

“Inona ny dikan’ny hoe mitia olona iray amin’ny fonao manontolo? Izany dia midika hoe mitia amin’ny fihetsehamponao rehetra sy amin’ny fahafoizantenanao rehetra. Azo antoka fa rehefa tia ny vadinao amin’ny fonao manontolo ianao dia tsy afaka ny hanambany azy, hitsikera azy, hahita tsy fahatomombanana eo aminy, na hanao teny maharary aminy, ho tezi-dava aminy, na hampihatra herisetra aminy.

“Inona ny dikan’ny hoe ‘mifikitra aminy’? Ny dikan’izany dia hoe mijanona ho akaiky azy, mahatoky aminy, miresaka aminy, ary milaza aminy ny fitiavanao azy” (“To the Fathers in Israel,” Ensign, nôv. 1987, 50).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–24. “Izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy”

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny fitiavana sy ny fanirian-dratsy:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Fa maninona ny fanirian-dratsy no fahotana mahafaty? Eny, ankoatra ny fiantraikany izay mandrava tanteraka ny fanahintsika dia mihevitra aho fa ota izany satria manimbazimba ny fifandraisana ambony sy masina indrindra izay omen’ Andriamanitra antsika eto amin’ity fiainana an-tany ity—dia ny fitiavana izay misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny faniriana ananan’ny mpivady mba hitondra zaza ao anaty fianakaviana iray izay antenaina ho mandrakizay. Indray maka nisy olona nilaza fa tokony ho tafiditra ao amin’ny fitiavana marina ny hoe faharetana. Ny fitiavana marina dia maharitra. Saingy ny fanirian-dratsy dia miova haingana manaraka ny fihodin’ny pejy pôrnôgrafika na ny topimaso amin’ny zavatra iray izay mitondra fahafaham-po mandalo, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy. Ny fitiavana marina izay tena mahafanina antsika tokoa—tahaka ny fitiavana tsapako ho an-drahavavy Holland dia dradradradraintsika eny amin’ny tafontrano. Saingy ny toetra mampiavaka ny fanirian-dratsy dia ny fahamenarana, ny fisokoana mangina ary araka ny haiaretina dia miseho an-kiafinafina mihitsy [diso miafina loatra]—arakaraka ny maha tara sy ny mahamaizina ny andro no mahatsara azy, miaraka amin’ny varavarana mihidy mafy sao sanatria. Ny fitiavana dia mahatonga antsika hitodika ho azy any amin’ Andriamanitra sy ny hafa. Etsy ankilany, ny fanirian-dratsy dia izay zavatra rehetra ankoatry ny zavatra araka an’ Andriamanitra ary ny fanirian-dratsy koa dia izay zavatra mamporisika ny famelana ny tena hanao izay tiana atao. Ny fitiavana dia tonga miaraka amin’ny tanana sy fo misokatra, ny fanirian-dratsy kosa dia tonga miaraka amin’ny filàna lehibe fotsiny ihany.

“Ireo dia ampahany ihany amin’ireo antony mahatonga ny fanolakolanana ny tena dikan’ny fitiavana—na an’eritreritra izany na miaraka amin’ny olona iray hafa—ho tena mandrava. Mandrava izay manan-danja indrindra aorian’ny finoantsika an’ Andriamanitra izany—dia tsy inona fa ny finoantsika ireo izay tiantsika. Izany dia manozongozona ny andrin’ny fahatokisana izay iorenan’ny fitiavana ankehitriny—na amin’ny ho avy—ary mitaky fotoana lava ny manarina indray izany fahatokisana izany rehefa very. Hitaro izany hevitra izany—na izany eo amin’ny fiainana manokana amin’ny maha-olona iray ao amin’ny fianakaviana, na eo amin’ny besinimaro amin’ny maha-olomanan-kaja, na mpitarika orinasa, na olo-malaza, na mpanao fanatanjahantena malaza—ary dia tsy ho ela dia afaka manantona soratra isika, eo amin’ilay trano lehibe izay naorina mba hitoeran’ireo fiaraha-monina tompon’andraikitra, izay milaza hoe: ‘Tsy misy mipetraka ato amin’ity trano ity’” (Aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny fanahiko,”Ensign na Liahona,mey 2010, 44–45).

Jereo koa ny Hafatra Môrmôna horonan-tsary “Watch Your Step” (LDS.org).