Seminera
Lesona 14: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5


Lesona 14

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

Fampidirana

Na dia nanary ireo takila 116 natao sora-tanana azy i Martin Harris nandritra ny fahavaratry ny taona 1828, dia nitazona ny faniriana hanampy amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna izy. Ny volana martsa 1829 dia nanao dia niainga avy tany an-tranony tany New York i Martin ka nandeha nitsidika an’i Joseph sy i Emma Smith tany Harmony, Pennsylvanie izy. Rehefa tany i Martin dia nangataka tenivavolombelona fa nanana ireo takela-bolamena i Joseph. Nangataka tamin’ny Tompo i Joseph Smith ary nahazo ilay fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5. Nanambara ny Tompo tato anatin’ity fanambarana ity fa hisy vavolombelona telo ho antsoina hijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna, ary nampahafantariny an’i Martin ireo zavatra tsy maintsy atao mba ho mendrika ho tonga iray amin’ireo vavolombelona telo ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–22

Hamoaka ny teniny ny Tompo amin’ny andro farany, ary hisy vavolombelona hijoro

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra iray izay henonao fotsiny kanefa tianao ho hitan’ny masonao mihitsy? Nahoana no tianao ho hita izany?

Rehefa avy mamaky ny mpianatra vitsivitsy dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1, hitady ny zavatra tian’i Martin Harris ho hitany maso. Rehefa fantatry ny ankizy ny zavatra tian’i Martin ho hita dia azonao atao ny manontany azy ireo raha toa ka te hahita ireo takela-bolamena izy ireo. Mangataha mpianatra iray na roa mba hanazava ny valinteniny.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony nikatsahan’i Martin tenivavolombelona fanampiny momba ny fisian’ireo takelaka dia hazavao fa nanao drafitra ny hanao dia niainga avy tao an-tranony tao New York mba hitsidika an’i Joseph sy i Emma Smith tany Harmony, Pennsylvanie i Martin tamin’ny volana martsa 1829. Nampalahelo an’i Lucy Harris vadiny anefa ny fotoana sy ny vola izay natokan’ny vadiny ho an’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Tezitra tamin’i Joseph Smith ihany koa izy noho ny fandavany ireo fangatahany tany aloha mba hahita ireo takela-bolamena. Nameno antontan-taratasy misy fitarainana ara-dalàna mikasika an’i Joseph izy ary nanangona olona maromaro izay vonona hijoro ho vavolombelona fa nandainga momba ny fisian’ireo takelaka i Joseph. Ankoatra ny fampitahorana momba ny fanenjehana ara-panjakana an’i Joseph, dia nampitandrina an’i Martin ireo olona ireo fa raha toa ka tsy miaraka amin’izy ireo amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny famitahana sy fisolokiana niampangana an’i Joseph Smith izy dia ho voarohirohy miaraka amin’i Joseph ka hiara-higadra aminy. Tsy mbola nahita ireo takela-bolamena i Martin hatreto, na dia mpitantsoratr’i Joseph aza izy. Naneho ny faniriany hahazo tenivavolombelona bebe kokoa momba ny fisian’ireo takela-bolamena i Martin rehefa tonga tany an-tranon’i Joseph. Mety ninoany fa ho vonona hijoro ho vavolombelona eo anoloan’ny fitsarana momba ny fisian’izany izy ka hanafaka ny anarany sy ny an’i Joseph tamin’ny fitoriana azy ireo. Rehefa avy nihaino ny fangatahan’i Martin mba hahita ireo takelaka i Joseph dia nangataka tamin’ny Tompo ary nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5 izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:2–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny fomba nasain’ny Tompo namalian’i Joseph Smith ny fangatahan’i Martin Harris.

  • Ahoana no fomba nitenenan’ny Tompo an’i Joseph mba hamaliany an’i Martin?

  • Nahoana no tsy afaka nampiseho ireo takelaka tamin’i Martin Harris i Joseph Smith?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny antony tsy namelan’ny Tompo ireo takelaka ho aseho eo amin’izao tontolo izao. Manasà mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Matetika ny [olona] rehefa … maheno ny tantaran’ny nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna, dia manontany izy ireo raha toa ka napetraka any amin’ny karazana tranom-bakoka azo hijerena azy ireo takelaka. Ny sasany amin’izy ireo izay manana traikefa ara-tsiansa dia [manome torohevitra] fa raha afaka mahita sy manadihady ireo takelaka ireo manam-pahaizana ka mianatra mamaky izany, dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fahamarinan’i Joseph Smith izy ireo, ka ho resy lahatra ny tany manontolo” (Church History and Modern Revelation, 2 vols [1953], 1:40).

Zarazarao ho tsiroaroa ny iray kilasy. Asao ny mpinamana tsirairay mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:5–10, hitady ny antony nitenenan’ny Tompo an’i Joseph Smith mba tsy hampiseho ireo takelaka eo anoloan’izao tontolo izao.

  • Inona ireo antony nolazain’ny Tompo fa tsy tokony hampisehoan’i Joseph Smith ireo takelaka eo anoloan’izao tontolo izao? (Raha tsy nino ny tenin’ny Tompo izay nambarany tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny olona dia tsy mbola hino izy ireo raha nahita ireo takelaka [jereo ny F&F 5:7]; nafenin’ny Tompo tamin’izao tontolo izao ireo takelaka noho ilay fikasana hendry [jereo ny F&F 5:9].)

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10 momba ny antso miavaka nomena an’i Joseph Smith? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hamantarany izao fahamarinana manaraka izao: Niantso an’i Joseph Smith ny Tompo mba hitondra ny teniny amin’izao tontolo izao ny Tompo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanoratra izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amintsika ny manana fijoroana ho vavolombelona momba ity fahamarinana ity?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hataony mba hanohanana ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Joseph Smith momba ny Bokin’i Môrmôna? Rehefa avy manao tatitra ny zavatra nianarany ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Hijoro ho porofon’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11–15 , hitady ny zavatra ho heno sy ho hita ary ho ampiandraiketina an’ireo Vavolombelona Telo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona no fanampiana entin’ny fahafantarana fa ankoatra an’i Joseph Smith dia niantso vavolombelona telo izay nahita ireo takelaka ny Tompo ary naheno Azy nanambara ny fahamarinany?

Hazavao fa ankoatra ny fitenenana an’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo mba hijoro ho vavolombelona dia nanolotra fomba hafa izay ahafahantsika mahafantatra momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:16–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo tamin’ireo izay mino ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no nambaran’ny Tompo fa harotsany amin’ireo izay mino ny teniny? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hamantatra izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Raha toa isika hino ny tenin’ny Tompo dia hanamafy ny fahamarinan’izany amin’ny alalan’ny Fanahiny Izy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba ahafahany mampihatra ireo fahamarinana voalaza etsy ambony ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson izao. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny zavatra tokony hataontsika raha vantany vao nandray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna isika.

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Isika tsirairay dia mila mahazo ny fijoroana ho vavolombelona antsika manokana momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Avy eo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tokony hozaraina amin’ny hafa mba hahafahan’izy ireo mahafantatra koa momba ny fahamarinan’izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, mey 1987, 84).

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hanoratany ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny (1) fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana momba ny Bokin’i Môrmôna na ny (2) zavatra azon’izy ireo atao mba hahazoana na hampiorenam-paka ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:21–22 ka hanolo ny anarana hoe “Joseph” amin’ny anarany. Asaivo mamintina ny zavatra ampianarin’ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ilay mpianatra.

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray tsy milefitra “amin’ny fandresen-dahatry ny olona”?

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo fa horaisin’i Joseph Smith raha toa ka mahatoky izy—na dia “hovonoina” aza izy? (Fiainana mandrakizay.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:23–35

Mety ho voantso ho anisan’ny iray amin’ireo Vavolombelona Telo i Martin Harris raha toa ka mibebaka

Raha azo atao dia mampisehoa takamoa iray amin’ny mpianatra (na ataovy sary eo amin’ny solaitrabe izany). Anontanio hoe inona no tsy maintsy ataontsika mba hampandehanana ilay takamoa. Dia apetraho ao anaty fitoeran-jiro iray izany avy eo. Ampifandraiso amin’ny herinaratra izany dia areheto. Hazavao fa tahaka ny maha-betsaka ireo dingana arahina handrehetana takamoa iray dia nianatra i Martin Harris fa hisy dingana maro hahazoana ilay tenivavolombelona momba ireo takelaka izay niriany tamin’ny Tompo.

Asaivo mamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:23–24 ny mpianatra ka hitady ny fampanantenana misy fepetra izay nomen’ny Tompo an’i Martin Harris ka nampiasany ny teny hoe raha sy dia. Asao ny mpianatra iray mba hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ilay mpianatra atao ny manoratra zavatra toy izao : “Raha toa i Martin Harris ka mivavaka amim-panetrentena sy amim-pinoana ary amin-kitsim-po dia hamela azy hijery ireo takelaka araka ny niriany ny Tompo.” Lazao fa tamin’ny alalan’ity fampanantenana ity dia nanolotra fahafahana ho an’i Martin Harris mba ho vavolombelona iray momba ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mivavaka amim-panetrentena sy amim-pinoana ary amin-kitsim-po?

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:24 dia angataho izy ireo mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ilay teny misy hoe “raha–dia” amin’ny fomba izay ahafahana mampihatra izany amintsika rehetra. Tokony hilaza zavatra mitovy amin’izao fahamarinana izao ny mpianatra: Raha toa isika tena mivavaka amim-panetrentena sy amim-pinoana dia afaka mahazo valiny araka ireo faniriana marina ananantsika.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hanampian’ny mivavaka amim-panetrentena sy amim-pinoana ary amin-kitsim-po antsika mba handray valim-bavaka avy amin’ny Tompo?

  • Oviana no nahenoanao na nanoloranao vavaka iray izay tsapanao fa natolotra tamim-panetrentena sy tamim-pinoana ary tamin-kitsim-po? Inona no nahatonga izany vavaka izany ho samy hafa tamin’ireo vavaka henonao na natolotrao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:25–26. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nandrasan’ny Tompo ho ataon’i Martin Harris taorian’ny nahatongavany ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna? Asaivo zarain’ireo mpianatra ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:27–28, 32 , ka hitady ny toromarika sy fampitandremana fanampiny nomen’ny Tompo an’i Martin Harris.

  • Inona no nasain’ny Tompo nataon’i Martin Harris sy nampitandremany azy?

  • Inona no lazain’ny Tompo fa hitranga amin’i Martin Harris raha toa ka tsy manetry tena ka “tsy mandray ny vavolombelona” (F&F 5:32) avy amin’ny Tompo izy?

  • Ahoana no mety hampifandraisantsika izany toromarika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:32 izany amin’ny tenantsika?

Asao ny mpianatra mba handrakitra izay mety ho fahatsapana tonga tao amin’izy ireo nandritra ny lesona androany ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hifantoka amin’ireo fiovana miavaka izay tsapan’izy ireo fa tokony hataony mba hivavahana amin-panetrentena sy amim-pinoana ary amin-kitsim-po bebe kokoa mba hahafahan’izy ireo mandray valim-bavaka avy amin’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:7, 16. Tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny vavolombelona marina

Nampianatra momba ny tsy tokony hianteherana amin’ny porofo ara-batana sy ara-tsiantifika irery ihany mba hanohanana ny finoantsika ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny porofon’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, ny ny maha-manan-kery azy ato anatin’ity izao tontolo izao izay toa mirona amin’ny fangatahana porofo ity, dia tsy hita ao amin’ny hainifahagola sy ny haiolombelona, na dia mety hanampy ny sasany aza ireo. Tsy hita ao amin’ny fikarohana momba ny teny na ny famakafakana ara-tantara izany, na dia mety hanamafy ny marina aza ireo zavatra ireo. Ao anatin’ilay boky mihitsy, ao amin’ny soratra ao anatiny, no ahitana ny porofon’ny fahamarinany sy ny maha-manan-kery azy. Mba hanamarinana fa marina ny Bokin’i Môrmôna dia tsy maintsy mamaky izany ny olona iray. Bokin’ Andriamanitra izany. Mety hanontany amin-kitsim-po ny fiaviany ny olon’ny saina; saingy ireo namaky izany ombam-bavaka dia mahafantatra amin’ny alalan’ny hery iray mihoatra noho ny retsipamatarana ara-boajanahary fa marina izany, ahitana ny tenin’ Andriamanitra izany, manoritsoritra ireo fahamarinana manavotra ao amin’ny filazantsara mandrakizay izany, ary ‘navoaka noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny izany … mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy’ (Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna)” (“Four Cornerstones of Faith,” Ensign, Feb. 2004, 6).

Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith fa mahery vaika kokoa noho ny zavatra rehetra izay mety ho tsapantsika amin’ny alalan’ny retsipamatarantsika ny famantarana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina:

Sary
Filoha Joseph F. Smith

“Mety hahita zava-dehibe maro amin’ny alalan’ny fijerintsika ara-boajanahary isika kanefa mety ho voafitaka. Mety haheno amin’ny sofintsika isika kanefa mety ho voafitaka. Mety hamitaka antsika ireo retsipamantarana ara-boajanahary ananantsika. … Kanefa mamelà ahy hiteny aminareo fa rehefa mampiseho ny Tenany amin’ny olona ilay Tsitoha dia ataony amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izany, fa tsy amin’ny alalan’ny maso voajanahary na ny sofina voanjanahary. Miresaka amin’ny olona Izy toy ireny miresaka aminy tsy miankina amin’ny vatany ireny; miresaka amin’ny fanahy Izy. Noho izany, raha toa Andriamanitra Tsitoha miresaka aminao ka mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia … hahafantatra toy ny ahafantaran’ Andriamanitra ianao. Tsy ho zavatra inoanao fotsiny izany; zavatra iray izay notenenina taminao tamin’ny alalan’ny retsipamantaranao ara-boajanahary izany, izay mety handiso na hamitaka anao, fa izany dia ho ilay resahin’ Andriamanitra ao am-po, amin’ilay fanahy velona, amin’ilay olona mandrakizay ao amin’ny olona, izay tsy mety rava sy mandrakizay tahaka an’ Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 6).