Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–23 (Fizarana 6)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–23 (Fizarana 6)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–23 (fizarana 6) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36)

Ity lesona ity dia manantitrantitra ny antson’i Joseph Smith avy amin’ Andriamanitra mba hanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nanampy ireo mpianatra izany mba hahatakatra fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Namantatra fahamarinana fototra momba ny toetra sy ny endriky Ny Andriamanitra ihany koa ireo mpianatra.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67)

Nandalina ireo andraikitry ny anjara fanompoan’ny fisoronana ireo mpianatra ary nianatra fa rehefa miditra ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana avoavo kokoa ny zanakalahin’ny Ray any an-danitra dia omena andraikitra sy fahafahana hitahy ny hafa bebe kokoa izy ireo. Nandalina ny andraikitry ny mpihazona ny fisoronana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny filazantsara sy amin’ny fitandremana ary ny fanompoana ny mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ireo mpianatra.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–84)

Nianatra momba ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo ireo mpianatra. Mba hahafahan’ny batisa ho eken’ Andriamanitra dia tsy maintsy ataon’ny olona iray mihazona ny fahefana ilaina amin’izany sy tanterahina araka ny fomba tokony ho izy izany. Nandinika ihany koa ireo mpianatra ny amin’ilay fampanantenana hoe raha mahatoky amin’ny fanekempihavanan’ny batisany izy ireo ka mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana dia afaka hanana ny Fanahy miaraka amin’izy ireo.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21–23)

Rehefa nianatra momba ireo zava-nitranga nanodidina ny fananganana ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy ireo mpianatra dia nandalina ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo: Andriamanitra dia nitaona an’i Joseph Smith am-panahy mba hamerina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny. Raha mampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminany ny olona dia ho voaro amin’ny fahavalo ka handray ireo fitahian’ny lanitra. Ny batisa dia tsy maintsy tanterahin’ny olona mihazona fahefana avy amin’ Andriamanitra. Raha maniry hanompo ny Tompo isika dia afaka mandray fitarihana manokana avy Aminy, ary ny Tompo dia hitahy antsika rehefa manaraka ny fitarihana avy Aminy isika.

Fampidirana

Avy tamin’ireo fanambaran’ny Tompo ho an’ny Mpaminany Joseph Smith no nananganana ny Fiangonana. Ity lesona ity dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fanambaran’ny Tompo ho an’ireo mpaminaniny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21

Manangana ny Fiangonany ny Tompo

Omano amin’ny taratasy roa samy hafa ireto sary nampiarahana eto ireto. Aza avela ho hitan’ny mpianatra ireo sary raha tsy efa narahinao ireo torolalana etsy ambany.

Sary
tsipika nataotao fahatany
Sary
efa-joro maro milahatra

Lazao ireo mpianatra fa hampiseho sary roa ianao ka hanandrana hanao ny sarin’izay zavatra hitany izy ireo. Hazavao fa iray segondra monja no hahitan’izy ireo ny sary tsirairay, noho izany dia tokony hifantoka tsara izy ireo. Asehoy ny sary voalohany, omeo fotoana hanaovany ny sarin’izany izy ireo ary avy eo dia asehoy ny sary faharoa ka omeo fotoana hanaovany ny sarin’izany izy ireo.

  • Inona no sary mora natao indrindra?

Asehoy miaraka ny sary roa. Hamafiso fa mitovy avokoa ny isan’ny tsipika ao amin’ny sary rehetra.

  • Nahoana ilay sary faharoa no mora natao kokoa? (Ireo tsipika roa ambin’ny folo manana filaharana mora fantarina dia mora atao sary kokoa.)

  • Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fanaovana ireo sary roa ireo?

Hazavao fa rehefa namerina ny Fiangonana tamin’ny laoniny i Jesoa Kristy dia nanome fanambarana maromaro mikasika ny fomba tokony hananganana izany ary mikasika ny hoe iza no tokony ho mpitarika ny Fiangonana.

  • Ahoana no hilaminan’ny Fiangonana noho ny fisian’ny mpaminany sy ny apôstôly 12?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–2; dia asao ny mpianatra iray hafa avy eo hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–3. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ireo dingana voalohany noraisin’i Jesoa Kristy amin’ny fametrahana filaminana ao amin’ny Fiangonany.

  • Inona araka ireo andininy ireo no nataon’ny Mpamonjy mba hametrahana filaminana sy mba hanampiana amin’ny fananganana ny Fiangonany? (Niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Izy, nanome azy didy sy nanome fitarihana ny amin’ny tokony hananganana ny Fiangoanana Izy.)

Fintino ny valintenin’ny mpianatra amin’ny fanoratana ny hoe Andriamanitra no nitarika an’i Joseph Smith tamin’ny famerenana ny Fiangonany amin’ny laoniny eny amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amin’ny famerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny fisian’ny mpaminany?

Asao ireo mpianatra hizara ny fomba nanampian’ny fandalinany soratra masina nandritra ny herinandro amin’ny fananana fankasitrahana bebe kokoa ho an’i Joseph Smith sy ny anjara asany amin’ny famerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa i Joseph Smith dia nandray fanambarana sy fitarihana mba hananganana ny Fiangonan’ny Tompo ary tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo no nitondra filaminana ho an’ny fanjakany ety an-tany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5–6 ka hijery ireo fitahiana telo nampanantenaina an’ireo izay mandray ny tenin’ny Mpaminany Joseph Smith amim-paharetana sy amim-pinoana. Rehefa avy namaky izy ireo dia hazavao fa ireo fampanantenana ireo dia mihatra ihany koa amin’ny fanarahana ny mpaminany velona.

  • Ahoana no hamintinanao ireo fitahiana nampanantenana ireo izay mampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminany? (Ity manaraka ity dia fomba iray hilazana ilay fitsipika: Raha mampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminany isika dia ho voaro amin’ny fahavalo ary handray ireo fitahian’ny lanitra.)

  • Nahoana ny fampandriana sofina (fanekena sy fiainana) fa tsy fihainoana ny tenin’ny mpaminany fotsiny no zava-dehibe amin’ny fahafahana mandray ireo fitahiana ireo?

  • Tamin’ny fotoana manao ahoana ianao na ny olona fantatrao no efa voaro tamin’ny fahavalo noho ny fanarahana ny tenin’ny mpaminany velona?

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra fampianaran’ny mpaminany velona iray izay mety ilainy hampandriana sofina na hiainana bebe kokoa. Amporisiho izy ireo hanao zavatra mba hampiharana ny fampianarana androany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe “Fantatsika fa …”.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia novakiana mafy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana sasantsasany tany am-piandohana, izay natao mba hampahatsiahivana an’ireo mpikambana tao amin’ilay fiangonana vao natsangana ireo fahamarinana manan-danja maro ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Zarao ho vondrona efatra ireo mpianatra. Omeo andraikitra hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay, ka hikaroka ireo fotopampianarana izay azo ampidirina eo ambanin’ny lohateny hoe “Fantatsika fa …”

Rehefa avy nomena fotoana handalina ireo andininy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny fotopampianarana hitany. Omeo andraikitra ho mpitantsoratra ny mpianatra iray ary asaivo manoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe izy arakaraka ny hahitan’ny mpianatra izany.

Ireo fotopampianarana hitan’ny mpianatra dia mety ahitana ireto manaraka ireto:

Velona Andriamanitra ary tsisy fetra sy mandrakizay ary tsy miovaova (andininy 17).

Nohariana tahaka ny endrika sy araka ny tarehin’ Andriamanitra isika (andininy 18)

Nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba homboana sy hitsangana indray (andininy 21–23).

Ny olona rehetra dia mila mibebaka, mino an’i Jesoa Kristy, atao batisa ary maharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany mba hovonjena (andininy 25, 29).

Rehefa avy nanao lisitra ny fahamarinana hitany tao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo mba hisafidy anankiray izay manan-danja aminy sy izay fantany ho an’ny tenany manokana fa marina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay nofidiany ka hanazava ny antony maha-zava-dehibe izany fahamarinana izany.

Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra androany sy ny fankasitrahanao ny maha mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny anao.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–29)

Mety hanao ahoana re raha mifankahita amin’ny olona iray izay tsy mpaminany ianao nefa milaza ny tenany ho mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo? Mandritra ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hianatra ny fomba namahan’ny Mpaminany Joseph Smith izany olana izany. Hianatra ihany koa izy ireo momba ny sasantsasany amin’ireo famantara ny Fiaviana Fanindroany.