Seminera
Lesona 145: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, Tapany 2


Lesona 145

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, Tapany 2

Fampidirana

Ity no faharoa amin’ireo lesona anankiroa mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 ary ny fahafatesana maritioran’i Joseph sy i Hyrum Smith tamin’ny 27 jona1844. Ao anatin’ity lesona ity ireo mpianatra dia ifanakalo hevitra momba ny anjara asan’ny Mpaminany Joseph Smith manoloana ny famonjen’ Andriamanitra ny zanany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135

Nampahafantarina ny famonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith ho maritiora

Mialoha ny fampianarana dia asehoy eo anoloan’ny kilasy ny sary Joseph Smith (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 87; jereo koa ny LDS.org). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hihira ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah.100). Alohan’ny hihirana ny hira, dia hazavao fa i W. W. Phelps no nanoratra ny andinin’ny hira ho fahatsiarovana ny Mpaminany Joseph Smith taoriana kelin’ny nahafatesany.

Sary
Joseph Smith

Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto ny lesona:

  • Efa niresaka momba an’i Joseph Smith tamin’olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ve ianao? Raha eny, dia inona no noresahanao? (Raha tsy nisy nanana izany traikefa izany, dia anontanio ireo mpianatra ny tian’izy ireo ho tantaraina amin’ny hafa momba an’i Joseph Smith.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 dia ahitana filazana ny fahafatesana martioran’i Joseph sy i Hyrum Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezan-teny voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra.

  • Inona no hafatra ao amin’io andininy io? (Ireo mpianatra dia tokony hiteny fa i Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity.)

  • Inona no nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny famonjena sy fisandratana antsika? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Asaivo manaraka izany vakinteny izany ny rehetra, ka hitady ireo andian-teny izay mamariparitra ireo zavatra nataon’i Joseph Smith ho an’ny famonjena antsika. Asao ireo mpianatra mba hikaroka hevitra hafa hanampiana ny lisitra eny amin’ny solaitrabe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nataon’ny Filoha Joseph F. Smith ity. Asao ireo mpianatra mba hihaino hoe iza no voataonan’ny asa nataon’i Mpaminany Joseph Smith.

Sary
Filoha Joseph F. Smith

“Ny asa niantsoana an’i Joseph Smith dia tsy voafetra eto amin’ity fiainana ity ihany, fa mikasika ihany koa amin’ny fiainana ho avy, ary koa tamin’ny fiainana izay efa nisy. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia mampifandray ireo olona izay efa niaina teto an-tany taloha, amin’ireo izay miaina eto sy mbola ho avy aoriantsika izany. Izany dia tsy mahakasika fotsiny ny olombelona rehefa mitoetra ao amin’ny tabernakely ao amin’ny nofo, fa mahakasika ihany koa ny fianakaviam-ben’ny olombelona rehetra mandrakizay mandrakizay” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 481).

Vakio ny famariparitana ny fitondran’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana ao amin’ny andininy 3. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe an’ity asa ity, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:6. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra, sady hikaroka ny antony iray nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Nahoana, araka ny andininy 6 no navoaka ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, nefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Ny Bokin’ny Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia navoaka ho an’ny famonjena an’izao tontolo izao.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo boky ireo manampy ny fitondrana ny famonjena ho an’izao tontolo izao?

  • Araka ny andininy 6, dia inona no mahatonga ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana ho anisan’ireo boky sarobidy indrindra mety hanananao?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina izay nampiasan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Inona no azontsika atao mba hanehoantsika fankasitrahana ny fahafoizan-tena nataon’i Joseph sy Hyrum Smith mba hamoahana ireo boky ireo?

Asao ireo mpianatra mba handray an-tsoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba manokana iray ahafahan’izy ireo maneho fankasitrahana ny fahafoizan-tena natao mba hamoahana ireo boky ireo.

Aza miala amin’ny lisitra voasoratra teny amin’ny solaitrabe tamin’ny lesona teo aloha. Mijoroa ho vavolombelona fa amin’ny fanampiana ny famerenana amin’ny laoniny ny soratra masina, ny fotopampianarana marina, ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana, sy ireo ôrdônansy ho an’ny velona sy ny maty, ary ny fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia nanampy ny zanak’ Andriamanitra rehetra hahazo fahafahana feno higoka ireo fitahian’ny Sorompanavotana i Joseph Smith.

Hazavao fa ny olona sasany dia mety tsy hahatakatra ny fahatsapan’ireo Olomasin’ny Andro Farany momba an’i Joseph Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny fomba fijerin’ny mpikamban’ny Fiangonana an’i Joseph Smith manoloana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha azo atao dia azonao omena ny tahadikan’ity fanambarana ity ireo mpianatra tsirairay.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Isika dia tsy mivavaka amin’ny Mpaminany. Mivavaka amin’ Andriamanitra izay Raintsika Mandrakizay ary i Jesoa Kristy izay nitsangana tamin’ny maty isika. Fa manaiky ny maha-mpaminany ny Mpaminany kosa isika, manambara azy isika, manaja azy isika; manome haja azy isika amin’ny maha fitaovana teo an-tanàn’Ilay Tsitoha azy tamin’ny famerenana teto an-tany ireo fahamarinan’ny filazantsara masina taloha, miaraka amin’ny fisoronana izay hitantanana ny raharahan’ny Fiangonana sy ireo fitahiana ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahefany” (“Joseph Smith Jr.—Prophet of God, Mighty Servant,” Ensign, des. 2005, 4).

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny fomba fiteninao manokana ireo fahatsapan’ny mpikamban’ny Fiangonana mikasika ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fiantraikan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith teo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maneran-tany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

Amin’ny fomba voafaritra manao ahoana no mety hampahafa ny fiainanao raha tsy nisy ny asa fanompoana nataon’i Joseph Smith?

Ahoana no nitaoman’ny Mpaminany Joseph Smith anao amin’ny fahalalanao sy ny fifandraisanao amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity: Asao ny iray kilasy hihaino ny fomba ahafahantsika manampy ny hafa hiaina ny fifalian’ny filazantsara.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“[Ny Mpaminany Joseph Smith] dia namela lova izay manome fahafahana ny mpanara-dia [an-tapitrisany] hita amin’ny kaontinanta rehetra misy ankehitriny mba hanambara azy amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy. Enga anie isika tsirairay hiezaka hanohy ny vinan-kasan’ny Mpaminany Joseph mikasika ity asa ity ary hanandriana ny lova napetrany amin’ny alalan’ireo asa sy fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny hafa, mba hahafahan’izy ireo mahafantatra azy tahaka ny fahafantarantsika azy ary mba hahafahan’izy ireo miaina ny fiadanana sy ny fifalian’ny filazantsara izay naveriny tamin’ny laoniny” (“Brother Joseph,” Church News, des. 31, 2005, 4).

  • Ahoana no hanampiantsika ny hafa hiaina ny fifalian’ny filazantsara izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Hazavao fa amin’ny sisa ambiny amin’ny fampianarana dia afaka mizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny ny mpianatra. Asao izy ireo handinika ny mety hampiasana ireo valinten’izy ireo tamin’ny asa nampanaovina teo aloha rehefa maneho ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona izy ireo.

Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelonao mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana tamin’ny Laoniny ny lesona. Ho an’ny andro vitsivitsy ho avy, dia asao ireo mpianatra hikaroka fahafahana hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny anjara asany tamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Vavolombelon’i Jesoa Kristy ny Mpaminany Joseph Smith

Manome haja an’i Joseph Smith isika noho ny zavatra nataony ho an’ny fahatakarantsika an’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy. Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tamin’ny fiarahany niasa manokana tamin’ny Tompo, tamin’ny fandikana sy famoahana ny Bokin’i Môrmôna, sy ny fanasiany tombokase ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny fandatsahany ny rany mba ho maritiora, dia tonga mpanambara voalohany momba ny toetoetra marin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra Azy i Joseph. Tsy nanana vavolombelona na namana lehibe mihoatra an’i Joseph Smith i Jesoa” (“Ateraka indray,” Ensign na Liahona, mey 2008, 79; nampiana soramandry).

Ny fitaoman’i Joseph Smih

Tamin’ny lohataonan’ny 1844, dia nitsidika an’i Nauvoo i Josiah Quincy, ben’ny tanàn’i Boston, Massachusetts teo aloha sy filohan’ny Oniversite Harvard tamin’izany fotoana, niaraka tamin’ny havany Charles Francis Adams, zanakalahin’i John Quincy Adams, Filoham-pirenen’i Etazonia teo aloha. Nandany andro iray niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo. Taona maro taty aoriana, dia nanoratra ny mombamomba an’izany traikefa i Josiah Quincy:

“Tamin’ny alalan’ny fomba tsy nampoizina no ahitana ao anatin’ny bokin-tsekoly any aoriana any, izay hampiasan’ireo taranaka mandimby ny fanontaniana toy izao: Iza no amerikanina manan-tantara niaina tamin’ny taon-jato fahasivy ambinifolo izay nitondra ny fitaomana mahery vaika indrindra ho an’ny hoavin’ny mpiara-belona taminy? Ary azo heverina tokoa fa ny mety ho valin’izany fanontaniana izany dia ny soratra manao hoe: I Joseph Smith, ilay mpaminany Môrmôna” (Figures of the Past: From the Leaves of Old journals [1888], 376).