Seminera
Lesona 67: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–21


Lesona 67

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–21

Fampidirana

Ny taom-pahavaratra 1831 dia nanara-maso ny fanokanana ny tany izay tokony nananganan’ireo Olomasina an’i Ziona tao Independence, Missouri i Joseph Smith. Nandritra ny fotoana tsy naha-teo ny Mpaminany dia nivily niala ny didin’ny Tompo ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio ka nahavita fahotana lehibe. Niverina tany Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 27 Aogositra, ary ny 30 Aogositra izy dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63. Ity lesona ity dia ahitana ny ampahany amin’izany fanambarana izany, izay nampitandreman’ny Tompo ireo Olomasina momba ny vokatry ny faharatsiana sy ny fikomiana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–6

Mampitandrina ireo Olomasina ny Tompo amin’ny vokatry ny faharatsiana sy ny fikomiana

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe mametraka ity fanontaniana manaraka ity ny namana iray. Asaivo zarain’ny mpianatra ny fomba mety hamaliany izany.

  • Nahoana ianao no manaraka ny fampianaran’ny Fiangonanao toy izay mitady fahafinaretana?

Rehefa avy namaly ny mpianatra dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anao dia nahoana, araka ny hevitrao, no manan-danja ny iainantsika araka ny finoantsika?

Hazavao fa tamin’ny taom-pahavaratra 1831, raha mbola tany Missouri i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba hanokana ny tany sy ny faritry ny tempoly tany Ziona dia nahavita fahotana lehibe an-tsokosoko ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tao Ohio. Taorian’ny fiverenan’ny Mpaminany tany Ohio dia nahazo fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63izy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1, ary asao ny iray kilasy hamantatra ny fomba niantsoan’ny Tompo ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’io andininy io. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Ahoana no maha-samy hafa ny hoe miantso ny tenantsika ho vahoakan’ny Tompo amin’ny hoe tena vahoakan’ny Tompo?

Angataho ny mpianatra mba handalina tsara indray ny andininy 1 sy hitady ny didin’ny Tompo ho an’ireo izay miantso ny tenany ho vahoakany.

  • Inona no irian’ny Tompo hataontsika amin’ny maha vahoakany antsika? (Fintino amin’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra: Amin’ny maha vahoakan’ny Tompo antsika dia tokony hanokatra ny fontsika isika ka hihaino ny teniny sy ny sitrapony ho antsika.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manokatra ny fontsika?

  • Ahoana ny fanokafantsika ny fontsika no manomana antsika amin’ny fihainona ny feon’ny Tompo?

  • Inona no zavatra ataonao mba hanokafana ny fonao?

Asao ny mpianatra hanokatra ny fony amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanoratra ny fahatsapana na ny bitsika voarainy avy amin’ny Fanahy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:2, 6 Alohan’ny hamakian’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “andron’ny fisafoahana” ao amin’ny andininy 6 dia miresaka momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, izay fotoana hiaretan’ireo tsy nibebaka ny vokatry ny safidiny. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ireo ratsy fanahy sy mpikomy. Asao ny mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–21

Mampitandrina ny fikatsahana famantarana sy ny faharatsiana ny Tompo

Asehoy ilay didy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:6 hoe: “aoka ny tsy mpino hanakombona ny molony.” Hazavao fa tamin’io fotoana io dia nitsahatra tsy nino ny fahamarinan’ny Fiangonana intsony ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ka nanankiana ampahibemaso an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana (Jereo ny History of the Church,1:216–17). Ny lehilahy iray antsoina hoe Ezra Booth no iray amin’ireo tena nanankiana mafy ny Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra manaraka ireto mikasika ny traikefa izay nitarika an’i Ezra Booth hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Mpitory Metôdista tao Ohio i Ezra Booth. Lasa liana tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny izy taorian’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny voalohandohan’ny taona 1831. Nandeha tany Kirtland niaraka tamin’i John sy Alice Johnson izy mba hihaona amin’ny Mpaminany. Nijaly vokatry ny rohana izay nitarika fanaintainana sy fivontosana ary fihenjanana teo amin’ny sandriny Ramatoa Johnson. Fony izy nihaona voalohany tamin’i Joseph Smith dia tsy afaka nampiakatra ny tanany hatreo amin’ny lohany nandritra ny roa taona.

“Nandritra ny tafa sy dinika dia nivadika tamin’ireo fanomezam-pahasoavana tsy takatry ny sain’olombelona ny resaka, toy ireo izay nomena tamin’ny andron’ny apôstôly. Hoy ny olona iray: “Indro i Ramatoa Johnson izay malemy tànana; moa ve misy olona nomen’ Andriamanitra fahefana eto an-tany ankehitriny hanasitrana azy?” Fotoana vitsy taorian’izay, rehefa nivadika zavatra hafa ny resaka dia nitsangana i Joseph Smith ka namakivaky ny efitrano sy nandray an-dRamatoa Johnson tamin’ny tanana ary nilaza tamin’ny fomba masina sy mahatalanjona hoe: “Ravehivavy, amin’ny anaran i Jesoa Kristy Tompo no andidiako anao ho sitrana,” ary nandeha nivoaka ny efitrano avy hatrany. … Nampiakatra mora foana ny sandriny avy hatrany Ramatoa Johnson, ary rehefa niverina nody izy, nony ampitson’iny, dia afaka nanasa lamba, tsy nisy fahasahiranana na fanaintainana akory” (ao amin’ny History of the Church,1:215–16).

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka sendra nanatri-maso ny fahagagana tahaka izany ianao?

Hazavao fa tsy ela akory taorian’ny nahitan’i Ezra Booth io fahagagana io dia natao batisa izy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Famantarana sy Finoana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–9. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny famantarana sy ny finoana.

  • Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny famantarana sy ny finoana? (Mety hahita karazana fitsipika maro samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hanamafisana ity fahamarinana manaraka ity: Tsy amin’ny alalan’ny famantarana no iavian’ny finoana. Soraty eny amin ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Famantarana sy Finoana io fahamarinana io.)

  • Inona ireo ohatra sasany ao amin’ny soratra masina izay mikasika ny olona nanatri-maso famantarana na fahagagana lehibe fa tsy nampiseho finoana sy fahamarinana maharitra? (Mety anisan’izany ohatra izany ny zanak’ Isiraely [jereo ny Nomery 14:22–23 sy i Lamàna sy i Lemoela [jereo ny 1 Nefia 17:43–45].)

Hazavao fa i Ezra Booth dia ohatra iray amin’ny olona izay niantehitra tamin’ny famantarana fa tsy tamin’ny finoana. Taorian’ny nahavitany batisa dia nandray ny fisoronana izy ka nalefa nanao asa fitoriana tany Missouri. Toa nanantena zava-dehibe i Booth rehefa nanomboka ny asa fitoriany, ka nihevitra fa afaka hanova fon’olona maro amin’ny fanehoana famantarana sy fanaovana fahagagana. Kanefa, rehefa avy nitory nandritra ny fotoana fohy ka tsy nahita ny vokatra nantenainy i Booth dia “niala nivily” sy nivadika (jereo nyHistory of the Church, 1:216). Nanao izao fanamarihana manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith momba an’i Ezra Booth:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Rehefa tena nianatra izy fa ny finoana sy ny faharetana ary ny fahoriana no mandeha alohan’ny fitahiana ary mampietry aloha Andriamanitra vao manandratra; fa raha tokony “nomen’ny Mpamonjy azy ny hery hikapoka ny olona sy hahatonga azy ireo hino” … dia diso fanantenana izy” (ao amin’ny History of the Church,1:216).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:10–12. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo fahamarinana fanampiny mikasika ny famantarana sy ny finoana.

  • Araka ny andininy 10 dia ahoana no fomba ahatongavan’ny famantarana? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Tonga amin’ny alalan’ny finoana, araka ny sitrapon’ Andriamanitra ny famantarana. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Famantarana sy Finoana io fahamarinana io.)

  • Nahoana isika, araka ny hevitrao, no mandray famantarana aorian’ny fampiharantsika finoana?

  • Araka nyandininy 12, inona no antony marina hikatsahana famantarana? (“Ho tombontsoan’ny olombelona ho voninahitr’ Andriamanitra”—izany hoe hanampiana ny olona hafa sy hampandrosoana ny asan’ny Tompo.)

Amafiso fa ny famantarana sy ny zava-mahatalanjona dia tsy zavatra mampitolagaga ety ivelany mandrakariva. Mety amin’ny fomba mangina sy amin’ny fomba manokana matetika no andraisantsika ny famantarana na ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara rehefa mampihatra finoana isika.

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra finoana mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara? (Azonao atao ny manao lisitry ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mety hahitana ireto asa atao manaraka ireto ny valinteny: vavaka, fandalinana soratra masina, fifadian-kanina, fanaovana asa fanompoana sy fiainana ny fitsipiky ny filazantsara.)

Asao ny mpianatra mba hizara ny traikefany momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana amin’ny iray amin’ireo fomba ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ankoatra ny fikatsahana famantarana dia “nivily niala tamin’ny didy” ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio (F&F 63:13) ka nahavita fahotana lehibe. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:14–19sy hamantatra ny sasany tamin’ireo fahotana nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Azonao atao ny manazava fa ny atao hoe mpijangajanga dia olona iray mandray anjara amin’ny fahotana amin’ny firaisana ara-nofo. Ny atao hoe mpanompo sampy dia olona izay mandray anjara amin’ny hetsika izay manasa ny fitaoman’ny fanahy ratsy.)

  • Mariho ny fampitandremana avy amin’ny Tompo momba ny fitsiriritana ao amin’ny andininy 16. Inona no dikan’ny hoe mitsiriritra? (Ny mitsiriritra dia midika hoe “maniry fatratra ny hahazo zavatra iray” na olona iray [Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mitsiriritra,” scriptures.lds.org.] Ny mitsiriritra olona iray dia midika fijerena ny vatan’ny olona iray tsy araka ny tokony ho izy na fijerena izany mba hanaitairana ireo fihetsehampo ara-nofo. Tafiditra ao anatin’izany ny pôrnôgrafia.)

  • Inona no fitsipika hitanao amin’ilay fampitandremana avy amin’ny Tompo ao amin’ny andininy 16? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mijery ny hafa ka mitsiriritra azy isika dia tsy hanana ny Fanahy fa handa ny finoana. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ireo teny izay mampianatra io fitsipika io ao amin’ny soratra masiny.)

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no mahatonga ny olona iray hilaozan’ny Fanahy rehefa mitsiriritra olona hafa iray izy?

  • Inona no zavatra afaka ataontsika mba handresena ny fakam-panahy mitsiriritra ny hafa?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fialana amin’ny fitsiriritana dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ambonin’ny zavatra rehetra aloha dia atombohy amin’ny fisarahana amin’ny olona, na zavatra na toe-javatra izay handratra anao izany. …

“… Raha tsy mendrika ny fandaharana iray amin’ny fahitalavitra, dia piho izany. Raha toy izany koa ny horonan-tsary iray dia mivoaha. Raha misy fiarahana mikororosy fahana mivelatra tsikelikely dia tapaho izany. Maro amin’ireo zavatra misarika ireo no mety tsy tena hoe ratsy aloha amin’ny voalohany, saingy afaka manova ny fahaizantsika mandanjalanja izany sy mamparefo ny fiainam-panahintsika ary mitarika any amin’ny zavatra izay mety ho ratsy. …

“… Soloy sary feno fanantenana sy fahatsiarovana feno fifaliana ireo eritreri-dratsy. Alaivo sary an-tsaina ny endrik’ireo izay tia anao izay ho potika raha mandiso fanantenana azy ireo ianao. … Na inona na inona eritreritrao, ataovy azo antoka fa “izay nahazo fanasana ihany” no azo ampandrosoana ao am-ponao. …

“Amboleo ao aminao ny Fanahin’ny Tompo ary aoka ho any amin’izay misy azy no misy ianao. Ataovy azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany ny tokantranonao, ka izany no hamaritra ny karazana zava-kanto sy hira ary haisoratra izay hazoninao ao” (“Place No More for the Enemy of My Soul,” Ensign na Liahona, mey 2010, 45, 46).

Tondroy ilay fitsipika voalohany nosoratanao teo amin’ny solaitrabe tamin’ny fiatombohan’ny fotoam-pampianarana: Amin’ny maha vahoakan’ny Tompo antsika dia tokony hanokatra ny fontsika isika ka hihaino ny teniny sy ny sitrapony mikasika antsika. Asao ireo mpianatra handinika raha toa efa nisokatra ho an’ny fitaomana na fahatsapana ny fon’izy ireo nandritra ny fandalinany ny soratra masina androany. Entano izy ireo hanaraka ny bitsika na ny fahatsapana azony avy amin’ny Tompo ka hijoro ho vavolombelona fa raha manao izany izy ireo dia ho vahoakan’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16 Miteraka ny fialàn’ny Fanahy ny fitsiriritana

Amin’izao androntsika izao dia maro ireo olona izay tratry ny fakampanahy mitsiriritra ny hafa noho ny fiparitahan’ny pôrnôgrafia. Nanamafy ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fampiasana pôrnôgrafia dia hetsika feno fitsiriritana izay hametra ny fahafahan’ny olona iray hahazo ny fitahian’ny Fanahin’ny Tompo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Mizara fampitandremana aho. Tena mahay fatratra tokoa i Satana amin’ny fanakanana ny fifandraisana ara-panahy amin’ny alalan’ny famporisihana ny olona, amin’ny fakampanahy, ny handika ny lalàna izay iorenan’ny fifandraisana ara-panahy. Afaka mandresy lahatra ny olona sasany mihitsy aza izy fa tsy afaka mahazo fitarihana avy amin’ny Tompo toa izany izy ireo.

“Lasa havanana tanteraka i Satana amin’ny fampiasana ny hery fanandevozan’ny pôrnôgrafia mba hamerana ny fahafahan’ny olona iray ho voatariky ny Fanahy. Niteraka fahoriana lalina, fijaliana sy aretim-po ary faharavan’ny fanambadiana ny fanafihana mahery vaika ataon’ny pôrnôgrafia amin’ny endriny feno vetaveta sy mikiky ary manimba. Anisan’ireo fitaomana mahatrotraka indrindra eto an-tany izy io. Na izany amin’ny alalan’ny pejy vita printy, na sarimihetsika, na fahitalavitra, na tonon-kira feno vetaveta, na ny teny valavala an-telefaonina, na ny sary eo amin’ny solosainao dia manandevo tanteraka sy mampidi-doza mahatsiravina ny pôrnôgrafia. Izany fitaovana mahery vaikan’i Losifera izany dia manimba ny saina sy ny fo ary ny fanahin’ny olona izay mampiasa azy. Ireo izay tafaroboka ao amin’ilay fandriny, dia lasa andevozin’ilay hery izay mamoafady sy manimba. Ho an’ny olona maro dia tsy vitany ny mandresy izany fahazaran-dratsy izany raha tsy misy fanampiana. Tena efa mahazatra ny fomba fiasa mahonena ataon’izany fandrika izany. Manomboka amin’ny fahalianana aloha izany, dia fahanan’ny fanaintairana amin’ny fanirian’ilay hevi-diso hoe: raha atao mitokana izany dia tsy hisy fiantraikany amin’ny olon-kafa. Ho an’ireo izay voarabirabin’izay lainga izay dia mahaliana ny zavatra atao, miaraka amin’ny fanaintairana mahery vaika kokoa mandra-pikaton’ilay fandrika, ary dia mampiasa ny fangejany feno fahavetavetana izy. …

“Raha voagejan’ny pôrnôgrafia ianao dia manolora tena tanteraka ny handresy izany ankehitriny. Mitadiava toerana mangina; ary mivavaha haingana mba hahazoana fanampiana sy fanohanana. Aoka ianao mba hanam-paharetana sy mankatò. Aza kivy” (“To Acquire Spiritual Guidance,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 8–9).