Seminera
Lesona 8: Joseph Smith—Tantara 1:21–26


Lesona 8

Joseph Smith—Tantara 1:21–26

Fampidirana

Taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany tamin’ny 1820 dia nizara ny zavatra niainany tamina mpitandrina iray izay nandà ny fijoroany ho vavolombelona izy. Ankoatra izany dia nanenjika an’i Joseph Smith zatovolahy ny olona sasany teo amin’ny fiarahamonina. Nisy olo-manan-kaja izay nanao ezaka manokana hanakianana ampahibemaso azy. Na dia teo aza ny fanoherana dia nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany i Joseph Smith.

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:21–23

Nikononkonona fanenjehana an’i Joseph Smith ireo mpitandrina sy olo-manan-kaja hafa

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana mafy izao tantara manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley momba ny resaka nataony tamina zatovolahy iray tany Londres, Angletera ny fotoam-pianarana. Mialoha ny hamakinao ny ampahany voalohany amin’ity tantara ity dia asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra mety ho ataon’izy ireo raha toa ka teo amin’ny toeran’ity zatovolahy ity izy. (Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra fa ho avy ao aoriana ao ato anatin’ny lesona ny famaranana ity tantara ity.)

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Hoy izy hoe: ‘Mila miresaka amin’olona aho. Irery tanteraka aho. …’

“Dia hoy aho hoe: ‘Inona no olana?’

“Dia niteny izy hoe: ‘Rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho herintaona lasa latsaka kely izay dia niteny tamiko ny raiko mba hiala ny tranony ka tsy hiverina intsony. Dia tsy niverina intsony aho.’

“Notohizany hoe: ‘Volana vitsivitsy taty aoriana dia nesorin’ny fikambanana mpanao criket izay nisy ahy tsy ho ao anatin’ny lisitry ny mpikambany aho, izay nanala ahy tsy hikambana intsony tamin’ireo zazalahy niara-lehibe tamiko sy tena akaiky ahy sy tena namako.’

“Dia hoy izy avy eo: ‘Tamin’ny volana lasa teo dia noroahin’ny mpampiasa ahy aho satria mpikamban’ity fiangonana ity, ary tsy mbola nahita asa hafa aho izao. …

“‘Ary omaly alina dia nilaza tamiko ilay tovovavy niaraka tamiko efa ho herintaona sy tapany fa tsy hanambady ahy na oviana na oviana izy satria Môrmôna aho’” (“The Loneliness of Leadership” [lahateny tamin’ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 4 nôv. 1969], 3, speeches.byu.edu).

Aorian’ny famakiana ity tantara ity dia manasà mpianatra vitsivitsy hamaly izao fanontaniana manaraka izao:

  • Efa nahatsapa ve ianareo fa ratsy fanahy taminareo na nanakiana anareo ny olona noho ny zavatra inoanareo eo amin’ny lafiny ara-pivavahana? Inona no zava-nitranga? (Azonao atao ihany koa ny mizara amin’ny mpianatra ny zavatra niainanao manokana.)

Asehoy ny sarin’ny Fahitana voalohany (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 90; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa na dia notahina tokoa aza i Joseph Smith noho ny fijoroana ho vavolombelona noraisiny vokatry ny Fahitana Voalohany dia notsapaina mafy ihany koa izy. Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’i Joseph Smith teo anatrehan’ny fanoherana niainany noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany.

Sary
Ny Fahitana Voalohany

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpinamana tsirairay mba hifandimby hamaky mafy avy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:21–23. Angataho ireo mpianatra mba hitady ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny fanoherana natrehan’i Joseph Smith noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo teny sy andian-teny hitany.) Rehefa avy mamaky izany ny mpianatra dia anontanio azy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo teny na andian-teny izay nanaitra anao?

  • Iza no nanomboka nanenjika mafy an’i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany? (Olo-manan-kaja teo amin’ny fiarahamonina izay nilaza azy ho Kristianina.)

  • Raha mandinika ny taona sy ny zavatra niainan’i Joseph Smith ianao, hatraiza no mety naha-tena sarotra tamin’i Joseph ny fanenjehana nataon’ireo olona ireo?

Hazavao ilay fehezan-teny any amin’ny faramparan’ny Joseph Smith—Tantara 1:20 izay manomboka amin’ny hoe: “Toy ireny. …” Asaivo manomboka eo amin’ireo teny ireo ny mpianatra ka hamaky mangina ny ambin’ilay andinin-tsoratra masina, hitady ny antony niainan’i Joseph Smith io fanenjehana io tao anatin’ny tena fahatanorana.

Araka ny tenin’i Joseph Smith, nahoana izy no niaina io fanenjehana io fony tao anatin’ny tena fahatanorana? (Nahafantatra i Satana fa ho “mpanakorontana sy mpanelingelina ny fanjakany” i Joseph Smith [Joseph Smith—Tantara 1:20].)

Hazavao fa eo am-panohizan’ny mpianatra mandalina ny Joseph Smith—Tantara anio, dia hianatra ireo fahamarinana manan-danja izay hanampy azy ireo hiatrika ny fanoherana sy fanenjehana izay mety hiainany noho ny finoany sy ny asany araka ny fahamarinana izy ireo.

Joseph Smith—Tantara 1:24–26

Na dia nankahalain’ny olona sy nenjehina aza i Joseph Smith dia nitoetra ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany

Atsangano ambony ny soratra masinao ary apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Iza no olona ankafizinao ao amin’ny soratra masina noho ny toetrany na ny tanjany na ny ohatra nasehony? (Asao ny mpianatra mba hanazava fohy ny valintenin’izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:24. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny anaran’ny olona iray izay niaina zavatra nitovy tamin’ny niainan’i Joseph Smith.

  • Nahoana i Joseph Smith no afaka nanao jery todika ny zavatra niainany ka nahatakatra ny zavatra tsapan’ny Apôstôly Paoly? (Noesoina noho ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Paoly kanefa mbola nijanona ho mahatoky tamin’izany izy.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety ho nanampy an’i Joseph Smith ny fahitana ireo zavatra nitovizany tamin’i Paoly Apôstôly? (Jereo ny 2 Korintiana 11:23–27 mba hahitana ny famaritana ireo fijalian’i Paoly.)

  • Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith mikasika ny fandalinana sy ny fisaintsainana ireo zavatra niainan’i Paoly? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Afaka manovo tanjaka avy amin’ny ohatr’ireo olona mahatoky ao amin’ny soratra masina isika mandritra ireo fotoan-tsarotra.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fahamarinana izany ary hazavao fa ohatra iray amin’ny atao hoe fitsipika izany. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa fahamarinana fototra sy tsy miova izay manolotra fitarihana ho an’ny fiainantsika ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ity fitsipika ity amin’ny fiainan’izy ireo sy hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-manan-danja izany dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Oviana ianao no nahazo tanjaka tamin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra niainan’ny olona mahatoky iray tao amin’ny soratra masina? (Azonao atao koa ny mizara traikefa toy izany, raha tianao.)

Amporisiho ny mpianatra mba hitady tanjaka ao amin’ny soratra masina isaky ny miatrika fotoan-tsarotra.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fanambarana manaraka izao: “Nahita fahitana aho, nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho” (Joseph Smith—Tantara 1:25).

  • Inona no ampianarin’io andian-teny io anao mikasika ny tenivavolombelon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany?

  • Ahoana no ahafahana mahazo tenivavolombelona fa nahita marina an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith?

Asao ny mpianatra mba handalina mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25. Angataho izy ireo mba hitady ireo fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy antsika rehefa miatrika fanoherana isika na mihozongozona ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Asao izy ireo hanoratra ireo zavatra hitany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Ohatra amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra ireto manaraka ireto :

Marina ny fahalalana noraisintsika avy amin’ Andriamanitra na mandà izany aza izao tontolo izao.

Tokony hasiantsika lanjany kokoa izay fihevitr’ Andriamanitra mikasika antsika fa tsy izay eritreretin’ny olona momba antsika.

Na dia ankahalain’ny olona sy enjehina aza isika noho ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin’izany isika.

Asao ny mpianatra mba hizara ireo fahamarinana hitany. Amporisiho izy ireo mba hifampihaino tsara. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina ireo fahamarinana izay nianarany tamin’ny hafa. Eo am-pizaran’ny mpianatra ireo fahamarinana hitan’izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-ohatra an’i Joseph Smith ny amin’izany fahamarinana izany?

  • Ahoana no mety hanampian’izany fahamarinana izany anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fiainana izany fahamarinana izany mitarika anao eo amin’ireo safidy ataonao?

Vakio mafy ny ambin’ilay tantara notantarain’ny Filoha Hinckley momba ilay zatovolahy tany Londres, Angletera, izay niatrika fanoherana lehibe noho ireo zavatra ninoany teo amin’ny lafiny ara-pivavahana:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Hoy aho hoe: ‘Raha toa ka nanaovana sorona be tahaka izany ny maha-pikambana anao ato amin’ny Fiangonana, nahoana ianao no tsy miala amin’ny Fiangonana ka miverina any amin’ny tranon-drainao sy ny fikambanan’ny mpilalao cricket nisy anao sy ilay asa izay tena nanan-danja be taminao ary ilay zatovovavy izay eritreretinao fa tianao?’

“Tsy nahaloa-peo izy nandritra ny fotoana izay toa lava be. Avy eo dia naondriny tao amin’ny tanany ny lohany ary nitomany nigogogogo izy. Farany dia nitraka izy ary niteny tamiko tao anatin’ny ranomaso hoe: ‘Tsy afaka nanao izany aho. Fantatro fa marina ity ary raha toa ka ny aiko no ho sandan’izany dia tsy hilavo lefona na oviana na oviana aho’” (“The Loneliness of Leadership,” 3–4).

Asao ny mpianatra mba hisafidy iray amin’ireo fahamarinana notanisain’izy ireo ka hanoratra ny zavata izay hataony mba hampiharana izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainany.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:26. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ilay fitsipika izay hitan’i Joseph Smith fa marina.

  • Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’i Joseph Smith noho ny finoany ilay fampanantenan’i Jakôba izy? (Nianatra izy fa rehefa mangataka fahendrena amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika dia hanome malalaka izany antsika Izy. Nianatra ihany koa izy fa rehefa manao asa araka ireo fampanantenana ao amin’ny soratra masina isika dia afaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izy ireny.)

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa rehefa matoky an’ Andriamanitra sy mino ary manao asa araka ireo fampanantenana ao amin’ny soratra masina isika dia hahazo valiny avy amin’ Andriamanitra ary hahazo tanjaka mba handresena ireo olana izay atrehantsika.