Seminera
Lesona 3: Ny apôstazia lehibe


Lesona 3

Ny apôstazia lehibe

Fampidirana

Nanangana ny Fiangonany i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany tety ambonin’ny an-tany. “Ny apôstôly dia nanohy nampiasa ny fanalahidy izay navelan’i Kristy tamin’izy ireo taorian’ny fiakarany tany an-danitra. Saingy noho ny tsy fankatoavana sy ny fahaverezan’ny finoan’ireo mpikambana dia tsy nampita ireo fanalahidy ireo tamin’ireo mpandimby azy ny Apôstôly talohan’ny nahafatesany. Izany zava-niseho nampalahelo izany no antsointsika hoe –Apôstazia– (Henry B. Eyring, The True and Living Church,”Ensign or Liahona, May 2008, 21). Noho ity apôstazia izay nihanaka ity dia nesorin’ny Tompo teo anivon’ny vahoaka ny fisoronana. Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny filana ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany ny fahatakarana ny apôstazia lehibe.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fanamarihana: Satria manoro hevitra ny hampiasana zavatra na sary maromaro ity lesona ity ho fanampiana amin’ny fampianarana dia azonao atao ny manangona zavatra vitsivitsy mialoha. Anisan’izany ny karazana singa iray mampandeha fitaovana iray sy ireto sary manaraka ireto: I Kristy manendry ireo Apôstôly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 38; jereo koa ny LDS.org), Zatovolahy iray atao batisa (lah. 103), Ny fanomezana ny Fanahy Masina (lah. 105), Manamasina ny fanasan’ny Tompo (lah. 107), ary ny Mpivady tanora mandeha mankany amin’ny tempoly (lah. 120).

Sary
I Kristy manendry ireo Apôstôly
Sary
Zatovolahy iray atao batisa
Sary
Ny fanomezan’ny Fanahy Masina
Sary
Manamasina ny Fanasan’ny Tompo
Sary
Mpivady tanora mandeha mankany amin’ny tempoly

Nanorina ny Fiangonany i Jesoa fony Izy tety ambonin’ny tany

Ento ao an-dakilasy ny singan-javatra iray izay mampandeha milina iray na ampahany amin’ny fitaovam-piasana (toy ny tady mitondra herinaratra ho an’ny fitaovana elektrika na solosaina iray, rojo na kodiaran’ny bisikileta iray, na lahina herim-baratra avy amin’ny fiara iray). Asehoy ny mpianatra ilay singa ary anontanio azy ireo hoe amin’inona no misy izany ary inona no asany. (Raha toa ianao tsy manana ampahan-javatra iray mampandeha fitaovana iray dia ataovy sary eo amin’ny solaitrabe izany.)

  • Inona no zavatra mitranga rehefa tsy hita eo amin’ilay fitaovana miaraka aminy ity ampahan-javatra ity?

  • Ahoana no mety ho azo ampitahana ity ohatra ity amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy? (Manana singa tena ilaina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy; raha tsy misy ireo singa ireo dia tsy afaka miasa na tsy afaka ny hisy akory aza izany.)

Asaivo manomboka mieritreritra ny mpianatra hoe ampahany inona ao amin’ny Fiangonana no tena ilaina mba hampandeha ilay asa fanolorany famonjena ho an’izao tontolo izao. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Ireo singa tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Asao hamaky mafy ny Efesiana 2:19–22 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ny fototra izay nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany. (Azonao atao ny manome ny laharan’ny pejy amin’ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hahita ireo soratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay hovakiany mandritra ny lesona.) Eo am-panaovan’izy ireo tatitra ny zavatra hitany dia soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lohateny izao fahamarinana manaraka izao: Ny apôstôly sy ny mpaminany no mandrafitra ny fototra iorenan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny ao amin’ny Efesiana 2:20 izay mampianatra io fahamarinana io.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no lazaina fa “fototra” iorenan’ny Fiangonana ny apôstôly sy ny mpaminany?

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra singa iray hafa tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe I Kristy manendry ireo Apôstôly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38). Asaivo manazava ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary ny mpianatra iray. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Marka 3:13–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka mamantatra singa iray hafa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay tena ilaina amin’ny famonjena ny zanak’ Andriamanitra. Rahefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Ny fahefan’ny fisoronana dia ilaina mba hahazoana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny famonjena.

Hazavao fa mialoha ny nandaozany ny tany dia nomen’ny Mpamonjy ny Apôstôliny ny fahefana hitarika ny Fiangonana sy hanao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra ho famonjena ny zanany.

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo mamantatra singa tena ilaina iray hafa ao ao amin’ny Fiangonana marina ny mpianatra:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tonga ary hitohy ho tonga amin’ ny alalan’ ny fanambarana masina ireo fahamarinana sy fotopampianarana voaraintsika. Any amin’ ireo finoana sasany … ny lafiny mikasika ny fotopampianarana … dia mety ho lasa ady hampandresena hevitra eo amin’ izy ireo. … Saingy ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ ny fanambarana masina izay azon’ ireo nomen’ ny Tompo fahefana ho apôstôly (Ny Fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 87).

  • Araka ny Loholona Christofferson, inona no anjara asa iray manan-danja sahanin’ny mpaminany sy ny apôstôly? Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Manorina fotopampianarana marina ny apôstôly sy ny mpaminany amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Mety mila mampahatsiahy ny mpianatra ianao fa ny fotopampianarana dia milaza ireo fahamarinana fototra sy mandrakizain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana ity.)

Asehoy ny mpianatra ny lisitr’ireo Fotopampianarana Fototra hita ao amin’ny Tovana ao amin’ity boky torolalana ity na ao amin’ny diary fandalinan’ny mpianatra ny soratra masina. Hazavao fa ny mpianatra seminera dia amporisihana hahazo fahatakarana lalindalina kokoa momba ireo Fotopampianarana Fototra mandritra ny fotoana hianarany ny seminera. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hanampy azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa. Asao ny mpianatra hitady ireo Fotopampianarana ireo mandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity.

Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo Fotopampianarana Fototra izay manan-danja amin’izy ireo, ary angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hanazava vetivety ny antony nisafidianany izany.

  • Nahoana no manan-danja ny hampianarana sy hahatakarana araka ny tokony ho izy ny fotopampianarana marina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny mizara izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny fotopampianarana marina, rehefa takatra, dia manova ny fihetsika sy ny fitondrantena” Little Children,”Ensign, Nôv. 1986, 17.)

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra singa manan-danja hafa ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia asehoy ny sary Zatovolahy iray atao batisa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103), Ny fanomezana ny Fanahy Masina (lah. 105), Manamasina ny fanasan’ny Tompo (lah. 107), ary ny Mpivady tanora mandeha mankany amin’ny tempoly (lah. 120). Anontanio ny mpianatra ny zavatra itovizan’ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanasan’ny Tompo ary ny famehezana. (Ordônansy avokoa ireo.)

  • Inona no atao hoe ôrdônansy? (Fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ampahany manan-danja amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny ôrdônansy? (Mba hanampiana ny mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Jaona 3:5 dia anontanio azy ireo ny zavatra hitranga raha toa ka tsy nisy fomba ahafahan’izy ireo ho vita batisa. Hamafiso fa ny ôrdônansin’ny famonjena rehetra ao amin’ny fisoronana dia miaraka amin’ny fanekempihavanana izay fanekena masina atao amin’ Andriamanitra.)

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mandray ireo ôrdônansy izay ilaina amin’ny famonjena antsika isika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.

Hazavao fa taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nitsangana tamin’ny maty Izy ary niakatra tany an-danitra. Tsy teto intsony ny tenany mba hitarika ny Fiangonana eto ambonin’ny tany. Na dia tsy eto ambonin’ny tany aza ny tenany dia mitondra sy mitarika ny Apôstôliny amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy. Teo ambany fitarihan’ny Apôstôliny dia niely haingana ny Fiangonana teo aloha ary an’aliny no natao batisa. Fiangonan’ny Olomasina maro no natsangana nanerana ny ankamaroan’ny Fanjakana Rômana. Loholona, eveka, mpisorona, mpampianatra ary evanjelista (patriarka) maro no nantsoina sy nomena ny fahefan’ny fisoronana tamin’ny alalan’ny Apôstôly.

Nitranga nandritra ireo taonjato taorian’ny asa fanompoan’ny Tompo teto an-tany ny Apôstazia Lehibe

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Mitranga ny apôstazia rehefa mitodi-damosina amin’ny Fotopampianarana marin’ny filazantsara ny vahoaka ary mandà ireo mpanompon’ny Tompo izay nahazo fahefana.

Hazavao fa nisy vanim-potoana maromaro nisehoan’ny apôstazia faobe nandritra ny tantaran’izao tontolo izao. Ohatra iray amin’izany ny apôstazia lehibe izay nitranga taorian’ny nanorenan’ny Mpamonjy ny Fiangonany (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–3). Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy, dia nisy nanova ireo fitsipiky ny filazantsara, ary nisy fanovana tsy nahazoana lalana natao tamin’ny firafitry ny Fiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana. (Jereo ny Miorim-paka ao amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004].)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto: Asan’ny Apôstôly 12:1–3; 2 Timoty 4:3–4; 2 Petera 2:1–2.

Hazavao fa na dia teo aza ireo ezaka nataon’ny Apôstôly dia niaina fampitahorana ny Fiangonana tany am-piandohana. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba handalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ka hitady zavatra iray izay nampihorohoro ny Fiangonana. (Ho an’ireo izay mamaky ny Asan’ny Apôstôly 12:1–3, dia mety ho ilainao ny manazava fa Apôstôly i Jakôba sy i Petera.) Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hitatitra ny zavatra hitan’ilay vondrona.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-doza tokoa ho an’ny Fiangonana ireo fampitahorana ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao izay nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay niresaka momba ireo famoizana lehibe niainan’ny Fiangonana ao amin’ny Testamenta Vaovao nandritra izany fotoana izany:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“I Jakoba dia maty novonoin’i Heroda tao Jerosalema. I Petera sy i Paoly dia maty tany Rôma. Ny lovan-tsofina dia milaza fa i Filipo dia nankany antsinanana. Ny mihoatra izany dia tsy fantatsika.

“Niparitaka izy ireo. Nampianatra sy nijoro ho vavolombelona ary nanorina ny Fiangonana izy ireo. Ary maty noho ny finoany izy ireo, ary tonga niaraka tamin’ny fahafatesany ireo taon-jato maizin’ny apôstazia” (“The Twelve,”Ensign or Liahona, May 2008, 84).

Manasà mpianatra iray hafa mba hanohy hamaky ny fanazavan’ny Filoha Packer momba ny zavatra faran’izay lehibe indrindra nafoy vokatry ny Apôstazia Lehibe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny zavatra tena sarobidy very tao anatin’ny Apôstazia dia ny fahefana nohazonin’ireo Roambinifololahy—ireo fanalahidin’ny fisoronana. Mba hahatonga ny fiangonana ho Fiangonany, dia tokony hisy Kôlejin’ny Roambinifololahy izay mihazona ireo fanalahidy ary manome izany ho an’ny hafa” (“The Twelve,” 84).

  • Inona no ho fiantraikan’ny fahaverezan’ny fahefan’ny fisoronana amin’ireo singa tena ilaina hafa ao amin’ny Fiangonana?

  • Nisy fomba hafa ve nahafahan’ny olona nanarina ny Fiangonana ka tsy nisy apôstôly sy mpaminany, na ny fahefan’ny fisoronana na ny fahafantarana marina momba ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy? Nahoana, na nahoana no tsia?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity famintinana ara-tantara manaraka ity izay nataon’ny Filoha Packer:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Rehefa nandeha ny taonjato maro, dia nitsilipilopy ka nanjavozavo ilay fahazavana. Novaina na nariana ireo ôrdônansy. Tapaka ny fitohizan’ny fahefan’ny fisoronana, ary very ny fahefana hanome ny Fanahy Masina ho toy ny fanomezana. Niely patrana nanerana izao tontolo izao ny vanim-potoana maizin’ny apôstazia” (“The Cloven Tongues of Fire,”Ensign, May 2000, 8).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra ny Apôstazia Lehibe sy ny vokatr’izany? (Na dia mety hahafantatra antony maro samihafa aza ny mpianatra dia hamafiso fa ny fahatakarana ity fihemorana lehibe ity dia manampy antsika hahafantatra fa nilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny Fotopampianarana sy ny fahefan’i Jesoa Kristy mba handresena ireo vokatry ny apôstazia lehibe.)

Hazavao fa na dia tsy hisy apôstazia faobe hafa amin’ny fahamarinana intsony aza dia tsy maintsy miambina amin’ny apôstazia an’ny tena manokana ny tsirairay amintsika amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy, fanarahana ireo mpitarika ny Fiangonana, fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary fampatanjahana tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy vavaka ary asa fanompoana (jereo ny Miorim-paka ao amin’ny finoana,). Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny maha-tena nisy ny apôstazia lehibe ary ny fanomezana lehiben’ny fameranana amin’ny laoniny ny filazantsara ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Mitranga ny apôstazia noho ny tsy fankatoavana sy ny fahaverezan’ny finoana

Nanazava ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa ny antony iray nitrangan’ny Apôstazia dia noho ny tsy fahampian’ny finoana teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Tsy dia nitoetra ho mendrika foana an’ilay zava-mahagaga niseho izay nozaraintsika androany ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny apôstôly dia nanohy nampiasa ny fanalahidy izay navelan’i Kristy tamin’izy ireo taorian’ny fiakarany tany an-danitra. Saingy noho ny tsy fankatoavana sy ny fahaverezan’ny finoan’ireo mpikambana dia tsy nampita ireo fanalahidy ireo tamin’ireo mpandimby azy ny Apôstôly talohan’ny nahafatesany. Izany zava-niseho nampalahelo izany no antsointsika hoe ‘Apôstazia’ Raha nanana ny fahafahana sy ny fahavononana hampihatra ny finoana toy ny nataonareo tamin’izao fotoana izao ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany dia tsy ho nesorin’ny Tompo teto an-tany ireo fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany dia andro manan-danja lehibe ara-tantara izao ary manan-danja mandrakizay eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ary ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra.

“Ankehitriny, ny adidintsika dia ny mijanona ho mendrika amin’ny finoana izay ilaintsika mba hanatanterahantsika ny fampanantenantsika hanohana ireo izay voantso. Ny Tompo dia faly tamin’ny Fiangonana tany amin’ny fiantombohan’ny Famerenana tamin’ny Laoniny, toy ny mahafaly azy amin’izao fotoana izao. Saingy nampitandrina ny mpikambana Izy tamin’izany toy ny ataony amin’izao fotoana izao hoe tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra Izy. Mba hanohanantsika ireo voantso amin’izao fotoana izao dia tsy maintsy mandinika ny fiainantsika isika, sy mibebaka rehefa ilaina izany, ary mampanantena fa hitandrina ny didin’ny Tompo sy hanaraka ny mpanompony. Ny Tompo dia mampitandrina antsika fa raha tsy manao ireo zavatra ireo isika dia hoesorina ny Fanahy Masina sy tsy hanana ilay hazavana izay noraisintsika isika, sy tsy ho afaka hitazona ilay fampanantenana izay nataontsika androany mba hanohana ny mpanompon’ny Tompo ao amin’ny Fiangonany marina” (“The True and Living Church,”Ensign or Liahona, May 2008, 21).

Tsy nanome lamosina ny zanany Andriamanitra nandritra ny Apôstazia.

Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tsy nitodi-damosina tamin’ny zanany Andriamanitra na dia nandritra ireo fotoan’ny fahamaizinana sy apôtazia aza:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Tao anatin’ny fotoana somary fohy voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao … dia nivadika tamin’i Kristy sy ny Apôstôliny ny olona. Lehibe tokoa ny fahalavoana ka nahatonga izany ho antsoina hoe apôstazia lehibe, izay nitarika tsy fandrosoana sy tsy fahalalana naharitra taon-jato maro nantsoina hoe Vanim-potoan’ny Haizina.

“Ankehitriny dia mila tena manazava tsara aho mikasika izany fotoana eo amin’ny tantara niverimberenan’ny apôstazia sy ny fahamaizinana ara-panahy izany. Tian’ny Raintsika any An-danitra daholo ny zanany rehetra, ary tiany ny rehetra hahazo ny fitahiana avy amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy hoe very ilay fahazavana ara-panahy satria nitodi-damosina an’ireo zanany Andriamanitra. Fa misy kosa ny fahamaizinana ara-panahy rehefa mitodi-damosina Aminy daholo ny zanany. Ny fahamaizinana ara-panahy dia vokatra voajanaharin’ny safidy ratsy ataon’ny tsirairay, sy ny fiaraha-monina, ny firenena ary ny sivilizasiôna iray manontolo. Efa voaporofo hatrany hatrany izany hatrizay. Iray amin’ireo lesona lehibe avy amin’izany fizotry ny tantara izany ny hoe ny safidintsika, na ataon’ny tena manokana io na atao miaraka, dia misy vokany ara-panahy eo amintsika sy ny taranatsika” (“Misintona lesona avt tamin’ny lasa,” Ensign or Liahona, May 2009, 32).