Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–97 (Fizarana 20)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–97 (Fizarana 20)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–97 (fizarana 20) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–92)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia nianatra fa raha manamaivana ireo fanambarana nomen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminany izy ireo dia ho tafintohina sy ho lavo. Namantatra koa izy ireo fa raha mikatsaka amim-pahazotoana isika, sy mivavaka mandrakariva ary mino sy mitandrina ireo fanekempihavanana dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombotsoantsika. Ny fandalinana ny fanambarana momba ny Apôkrifa dia nampianatra ireo mpianatra fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahafantatra raha marina ny zavatra vakintsika. Ankoatra izany dia namantatra fitsipika ireo mpianatra fa raha mahatoky amin’ny fitandremana ireo didin’ny Tompo isika dia hotahiana mandrakizay.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93)

Nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 dia nianatra ireo mpianatra fa i Jesoa Kristy no Lahimatoa amin’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra ary amin’ny alalan’ny fandraisana fahazavana sy fahamarinana dia afaka ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra isika. Nianatra ihany koa izy ireo fa mandray fahamarinana sy fahazavana isika rehefa mitandrina ireo didy ary ny tsy fankatoavana sy ireo fombafomba tsy marina dia hahatonga ny fahazavantsika sy ny fahamarinantsika ho very. Avy tamin’ny torohevitry ny Tompo ho an’ny mpitarika ny Fiangonana sasany dia nianatra ihany koa ny mpianatra fa tsy maintsy mivavaka mandrakariva isika ary tsy maintsy mazoto sy miraharaha ny tokatranontsika, raha tsy izany dia hananana fahefana amintsika ilay ratsy.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–96)

Nianatra ny mpianatra avy tamin’ny fiapangan’ny Tompo ireo Olomasina izay tsy niraharaha ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland fa faizin’ Andriamanitra izay tiany. Nianatra ihany koa izy ireo fa ao amin’ny tempoly no hanomanan’ny Tompo ny mpanompony amin’ny fanaovana ny asany ary ao amin’ny tempoly no hitafiany azy ireo hery. Ankoatra izany dia nahita ireo mpianatra fa raha mitandrina ireo didy isika dia hanana hery hanatanterana ny zavatra asain’ny Tompo ataontsika.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97)

Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny torolalan’ny Tompo ho an’ny Olomasina tany Missouri fa raha manetry ny tenantsika isika ary raha mikatsaka amim-pahazotoana ny hianatra dia handray fahendrena sy fahamarianana. Ireo mpianatra dia namantatra ireo zavatra tsy maintsy hataontsika mba haneken’ny Tompo antsika ary nianatra fa maneho ny Tenany amin’ireo madio am-po any amin’ny tempoly Andriamanitra. Ankoatra izany dia nianatra ireo mpianatra fa i Ziona dia ny madio am-po ary raha mankatò isika dia tsy hiaran’ny valifatin’ny Tompo ary handray fitahiana maro.

Fampidirana

Ny Tompo dia nanome ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ny 6 mey 1833. Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–20 izay noresahina vetivety monja fotsiny tao amin’ny leson’ny mpianatra ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Nampianatra i Jesoa Kristy tao amin’ireo andininy ireo ny fomba hahafahantsika mahafantatra Azy sy ny fomba hahafahantsika mitovy Aminy sy amin’ny Ray any an-danitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–5

Mampianatra ny fomba ahafahana mahita ny tavany sy mahafantatra ny fisiany i Jesoa Kristy

Mampisehoa sarin’olona fanta-daza iray izay ho fantatry ny mpianatra ka anontanio azy ireo raha hainy ny anaran’ilay olona. (Raha tsy afaka mampiseho sary ianao dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ilay olona ary asaivo hazavain’ny mpianatra hoe iza io olona io ary inona no mampalaza azy.)

  • Nahoana no maro ireo olona mahalala hoe iza io olona io?

  • Moa ve ianao mihevitra fa manan-danja ny mahalala hoe iza io olona io? Nahoana?

Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy (azonao ampiasaina ny Jesoa Kristy [Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara (2009), lah. 1]; jereo koa ny LDS.org) ary hazavao fa maro ny olona ankehitriny no tsy mahafantatra hoe iza Izy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra hoe iza i Jesoa Kristy?

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ny Tompo dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mampitombo ny fahalalantsika mikasika Azy sy mikasika ny heriny izay hitahiana antsika amin’izao sy mandritra ny mandrakizay. Soraty eny aminʼny solaitrabe ireto fanontaniana roa manaraka ireto ka asio toerana malalaka eo ambanin’ireo fanontaniana mba hanoratan’ny mpianatra ny valinteniny.

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Inona no mety ho fantatsika mikasika Azy raha manao ireo zavatra ireo isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–5. Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ny vakiteny dia asaivo mitady ny valin’ny fanontaniana voalohany ny antsasaky ny mpianatra ary asaivo mijery ny valin’ny fanontaniana faharoa kosa ny antsasany hafa. Rehefa voavakin’ny mpianatra ireo andininy ireo dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ny valinteniny amin’ ireo fanontaniana. Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fomba hilazanao ny fampanantenana ao amin’ny andininy 1 ho toy ny fitsipika misy “raha–dia”? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Raha mahafoy ny fahotantsika isika, manatona an’i Kristy, miantso ny anarany, mankatò ny feony ary mitandrina ny didiny dia hahita ny tavany ka hahafantatra fa Izy no Izy.)

Azonao atao ny manamafy fa io fitahiana io dia ho tonga amin’ ny fotoan’ny Tompo sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony (jereo ny F&F 88:68; jereo koa ny Enôsa 1:27).

  • Amin’ ny fomba ahoana no hahafahan’ireo asa atao tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1 manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy?

  • Avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny andininy 3, dia inona no fotopampianarana manan-danja izay tokony ho takatra mikasika ny Ray sy ny Zanaka? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Ny Ray sy ny Zanaka dia iray.)

  • Midika inona ny hoe ny Ray sy ny Zanaka dia iray?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa olona roa samy hafa sy miavaka tsara ny Ray sy ny Zanaka, ary samy manana vatana ara-nofo feno voninahitra izy ireo (jereo ny F&F 130:22). Saingy ny Ray sy ny Zanaka dia iray eo amin’ny tanjona sy ny fotopampianarana. Miray hina tanteraka Izy Ireo mba hanatanterahana ny drafitry ny famonjena masin’ny Ray any An-danitra.

Asehoy ity andian-teny manaraka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:4 ity: “Ny Ray, satria nomeny tamin’ ny fahafenoany Aho.” Avy eo dia asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:17, 26. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no dikan’ ny hoe nandray ny fahafenoan’ny Ray i Jesoa Kristy? (Jereo ny F&F 93:16–17, 26.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:6–20

Ampiasaina ny rakitsoratr’i Jaona mba hanampiana antsika hahatakatra ny fomba nandraisan’i Jesoa Kristy ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray any An-danitra

Diniho ny hanomanana mialoha ity seho manaraka ity mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fahatakarana ny fomba nandraisan’ny Mpamonjy ny fahafenoan’ny Ray. Asao ny mpianatra iray izay nampitombo fahaiza-manao manokana iray, toy ny fanaovana fanatanjahantena na fiangaliana zava-maneno na famoronana karazana zava-kanto iray mba hampiseho na hamariparitra ilay fahaiza-manaony. Asaivo milaza amin’ny rehetra avy eo ilay mpianatra ny fotoana nahazoany an’io fahaiza-manao io tampoka. (Ny valintenin’ilay mpianatra dia tokony hanampy ny mpianatra rehetra hahatakatra fa ny fahaizana fanatanjahantena, mozika na zava-kanto dia tonga amin’ny alalan’ny dingana izay mitaky ezaka tsy tapaka ary tsy mitranga tampoka mandritra ny fotoana iray monja izany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–17. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra sady hamantatra ny fomba nahatonga an’i Jesoa Kristy ho tahaka ny Rainy.

  • Ahoana no nahatonga an’i Jesoa Kristy ho tahaka ny Rainy? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Nitombo tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana Izy ambara-pandraisany ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny andininy 13.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe nanohy tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana i Jesoa Kristy ambara-pandraisany ny fahafenoana?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fahasoavana dia tanjaka sy hery avy amin’ Andriamanitra izay mahatonga antsika hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny antony nahatonga ny Mpamonjy hanambara ny fomba nandraisany ny fahafenoan’ny Ray.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 19 dia inona no antony nahatonga ny Mpamonjy hanambara ny fomba nandraisany ny fahafenoan’ny Ray?

Ampio ny mpianatra hahafantatra fa nanambara ny fomba nandraisany ny fahafenoana ny Mpamonjy mba ahafahantsika “mahatakatra sy mahafantatra” Azy sy ny Ray any An-danitra ary mahafantatra ny fomba fitsaohana ny Ray sy fandraisana ny fahafenoany. Soraty eny amin’ny solaitetrabe ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. (Io teny nambara io dia hita ao amin’ny The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 568.)

“Ny fakana tahaka ny ohatra napetraky ny olona iray no tena fitsaohana lavorary. Manome voninahitra ireo izay alaintsika tahaka isika” (Loholona Bruce R. McConkie).

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mitsaoka?

  • Ahoana no fomba itsaohantsika ny Ray any An-danitra? (Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Tokony hitsaoka ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)

  • Inona no mampitovy ny fandrosoan’ny Mpamonjy tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana amin’ny fizotry ny fianarana sy fandrosoana izay mety iainantsika?

  • Inona no fampanantenana izay nomena an’ireo manaraka ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy sy mitandrina ny didiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:20? (Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mitandrina ny didy isika dia afaka hahazo ny fahafenoan’ny Ray, tahaka izay azon’i Jesoa Kristy.)

Asehoy indray ilay sarin’ny Mpamonjy izay nasehonao tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana.

  • Nahoana no zava-dehibe ny manana fijoroana ho vavolombelona momba ny ohatra sy ny fampianarana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azonao atao hanohizana handray’ “ny fahasoavana miampy fahasoavana” (F&F 93:13) sy ho tahaka Azy bebe kokoa?

Asaivo mieritreritra fomba voafaritra tsara iray ny mpianatra izay hikatsahany fivoarana sy fanatsarana amin’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy. Asao izy ireo mba hametraka izany ho tanjona ary mba hiezaka hanatanteraka izany.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101)

Mba hanomanana ny mpianatra amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101 dia azonao atao ny manasa azy ireo handinika izao manaraka izao: Efa nisy nanaratsy ve ianao ka efa nanontany tena hoe inona no tokony hatao manoloana izany? Mandritra ny lesona manaraka dia hianatra ianao momba ny fanenjehana sy ny fijalian’ny Olomasina tany Missouri. Hianatra ihany koa ianao fa ny Tompo dia nampianatra ny Olomasina mikasika ny tokony hatao manoloana ny fanenjehana, tafiditra ao amin’izany ny fahatsapany momba ny ady.