Seminera
Lesona 13: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4


Lesona 13

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Fampidirana

Ity fanambarana ity, izay nomena an’i Joseph Smith rainy, ny rain’ny Mpaminany, tamin’ny febroary 1829 no voalohany amin’ireo fanambarana maro tany am-piandohana nomena manokana izay naniry hanampy ny Tompo tamin’ny asany (jereo ihany koa ny F&F 11–12;14–16;25). Tao anatin’izany no nantsoina hiasa ao amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra i Joseph Smith rainy. Ankoatra izany dia nanoritsoritra ireo fahamendrehana sy toetra takina amin’ireo izay manompo Azy ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–3

Nantsoina hiasa amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra i Joseph Smith rainy

Atombohy amin’ny fangatahana ny mpianatra mba hisaintsaina izao fanontaniana manaraka izao:

  • Efa nahatsapa faniriana hanompo an’Andriamantira ve ianao sy te hahafantatra ny sitrapony mikasika ny fomba ahafahanao manampy bebe kokoa amin’ny fanaovana ny asany?

Hazavao fa nahatsapa faniriana toy izany ny rain’i Joseph Smith, saingy tsy nahafantatra ny zavatra tian’ny Tompo ho ataony izy. Tamin’ny volana febroary 1829 dia nitsidika an’i Joseph Smith zanany tany Harmony, Pennsylvanie i Joseph Smith rainy sy i Lucy vadiny. Nandritra izany fitsidihana izany dia nahazo fanambarana ho valin’ny fanontanian’ny rainy i Joseph Smith zanany. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 no valintenin’ny Tompo, izay nanoritsoritany ireo fepetra andrasany amin’ireo izay manampy amin’ny asany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy mbola narafitra ny Fiangonana ary tsy mbola naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana tamin’ny fotoana nahazoana ity fanambarana ity. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1 ka hitady ny fomba namaritan’ny Tompo ny Famerenana amin’ny Laoniny izay vao niantomboka.

  • Inona ny teny nampiasain’ny Tompo mba hamaritana ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany?

  • Amin’ny fomba ahoana no naha-“mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra nangatahin’ny Tompo tamin’ireo izay mirotsaka ao amin’ny fanompoana Azy. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mirotsaka dia midika hoe manomboka.)

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no andrasan’ny Tompo amin’ireo izay manompo Azy?

  • Inona no dikan’ny hoe manao zavatra “amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjakareo rehetra”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ity andian-teny ity dia angataho izy ireo mba hamaritra ireo asa na toetra mety andrasan’izy ireo amin’ny olona iray izay miezaka manompo an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjany rehetra. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hanome ohatra momba ireo olona izay fantatr’izy ireo fa manompo an’ Andriamanitra amin’izany fomba izany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny tsy feno manaraka izao: Raha toa isika ka manompo an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjatsika rehetra, dia .

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fitsipika iray izay ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2 dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2, dia inona no fitahiana avy amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra “amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanja[tsika] rehetra”? (Eo am-pamalian’ny mpianatra dia asaivo mameno ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe ny iray amin’izy ireo. Tokony hivaky toy izao manaraka izao izany: Raha toa isika ka manompo an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjatsika rehetra, dia afaka hijoro tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra isika amin’ny andro farany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika io fehezan-teny io ao amin’ny soratra masiny.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hamela antsika hijoro tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra ny fanompoana ny Tompo amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjatsika rehetra?

Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ny mety ho tsapa amin’izany hoe mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra izany ka “tsisy tsiny.” Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny eritreriny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady toetra iray izay ilain’ny olona tsirairay mba hahafahana manampy ny Tompo amin’ny asany.

  • Inona no toetra tokony hananan’ny olona iray mba hahafahana manampy ny Tompo amin’ny asany? (Faniriana hanompo an’ Andriamanitra.)

Azonao atao ny manazava fa ny olona sasany dia mihevitra fa antso ho an’ireo izay hanao asa fanompoana amin’ny fotoana feno ihany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4. Tsy nantsoina ho misiônera hanompo amin’ny fotoana feno anefa ny rain’i Joseph Smith, izay nomena ity fanambarana ity. Nanaraka ny toromarika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2–3 anefa izy nandritra ny andro sisa niainany, nanompo tamim-panolorantena na taiza na taiza niantsoana azy. Anisan’ireo Vavolombelona Valon’ny Bokin’i Môrmôna izy ary iray amin’ireo olona natao batisa voalohany rehefa naorina tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana tamin’ny 6 Aprily 1830. Patriarika voalohan’ny Fiangonana koa izy ary Mpanolotsaina mpanampy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Azo ampiharina amin’ireo rehetra izay maniry hanompo ny Tompo sy amin’ny fomba maro izay ahafahana manangana ny fanjakan’ Andriamanitra ilay toromarika nomena ao anatin’ity fizarana ity.

  • Ankoatra ny asa fanompoana amin’ny fotoana feno, inona avy ireo fomba hafa ahafahantsika manampy ny Tompo amin’ny asany?

Mba hanomezana soso-kevitra ho an’ny mpianatra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manao asa araka ny faniriany hanampy amin’ny asan’ny Tompo ankehitriny dia asao ny ankizy iray ao amin’ny kilasinao mba hamaky mafy izao fanambarana manaraka izao avy ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza:

“Ny azonareo anaovana ny sasany amin’ireo asa fanompoana manan-danja indrindra dia ao an-tokatranonareo. Afaka manompo ihany koa ianareo any amin’ny andraikitra omena anareo any am-piangonana, any am-pianarana, ary eo anivon’ny fiarahamonina. Afaka manompo ianareo amin’ny alalan’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Afaka manompo ianareo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa ankehitriny sy amin’ny maha-misiônera manompo amin’ ny fotoana feno anareo amin’ny ho avy. Matetika ireo asa fanompoana tena manan-danja indrindra no miseho amin’ny alalan’ny asa feno hatsaram-panahy tsotra atao isan’andro. Katsaho isan’andro ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana izay olona hotompoina sy ny fomba hanampiana azy ireo hahazo ny zavatra ilainy. Araho ny ohatry ny Mpamonjy rehefa manompo ny hafa ianareo” (Ry Tanora, Mahereza [bokikely, 2011] ).

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba miavaka iray irian’izy ireo hanampiana ny Tompo amin’ny asany amin’izao fotoana eo amin’ny fiainany izao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4

Efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina

Sary
sarina varimbazaha

Raha azo atao dia mitondrà santionana voa kely any am-pianarana. Raha tsy misy izany dia asehoy ny mpianatra ny sarina saham-boam-bary, na manaova sarina salohim-bary tsotra eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa miova loko ny voam-bary toy ny varimbazaha na ny ôrza rehefa mitombo. Maitso ny voam-bary rehefa tanora, miha-matroka anefa izany rehefa mihamasaka. Rehefa vonona amin’ny fijinjana ny vary dia matetika izy no faritana hoe “masaka.”

Sary
sarina varimbazaha

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: saha, fijinjana, antsimbilona. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4. Alohan’ny hamakiany dia hazavao fa nampitaha ny vahoakan’izao tontolo izao amin’ny saham-boam-bary ny Tompo ato anatin’ity andinin-tsoratra masina ity. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny fomba amaritan’ny Tompo ny saha (na ny vahoakan’izao tontolo izao).

  • Inona no lazain’ny Tompo momba ny sahany (na ny vahoakan’izao tontolo izao)?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe “efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina”? (Vonona ho angonina ao amin’ny Tompo sy ny Fiangonany ny vahoakan’izao tontolo izao.)

Anontanio raha toa misy olona iray afaka manazava ny atao hoe antsimbilona sy ny fampiasana izany. (Ny antsimbilona dia antsy mibiloka iray izay ampiasaina amin’ny fijinjana vary. Azonao atao ny manao sarina antsimbilona tsotra eny aminʼny solaitrabe.

Sary
sarina antsimbilona
  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mandroso ny antsimbilonao amin’ny herinao rehetra? (Miasa amim-pahazotoana mba hitondra ny hafa any amin’i Jesoa Kristy.)

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4, fitahiana inona no tonga amin’ireo izay miasa amim-pahazotoana mba hitondra ny hafa eo amin’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Rehefa miasa amim-pahazotoana mba hitondra ny hafa any amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo famonjena ho an’ny tenantsika ihany koa. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Manampy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ihany koa ny fanampiana ny hafa hanatona Azy. Amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany?

Mba hanampiana ny mpianatra hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba izany fitsipika izany dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo mba haname ohatra amin’ny fomba nahatsapany ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy rehefa niasa mba hanampiana ny hafa hanatona Azy ireo izy. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao na ny tenivavolombelonao manokana momba izany fitsipika izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–7

Manoritsoritra ireo fepetra takina sy toetra miavaka tokony hananana amin’ny fanompoana Azy ny Tompo

Asaivo manonona anarana asa vitsivitsy ny mpianatra. Misafidiana asa iray na roa izay notononin’izy ireo, ary angataho izy ireo mba hamantatra ireo fepetra takina sy toetra ilain’ny olona iray mba hahafahany mahomby amin’izany asa izany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5 ka hitady ireo toetra izay mahatonga ny olona iray ho mendrika hanampy ao amin’ny asan’ny Tompo. (Azonao atao ny manasa mpianatra iray hanoratra ireo toetra ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa mahita izany ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika izany ao amin’ny soratra masiny.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hijery ireo toetra fanampiny natoron’ny Tompo ny mpanompony mba “hotsaroany.” (Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hanoratra ireo toetra ireo eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo izay avy ao amin’ny andininy 5.)

Angataho ny mpianatra mba hamantatra fahamarinana iray avy ao amin’ny andininy 5–6 momba ny hoe manome fahafahana antsika hanao inona ny fiezahana hanana ireo toetra araka an’ Andriamanitra. Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hamantatra izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Hanampy antsika ho mendrika hanampy amin’ny asan’ny Tompo ny ezaka ataontsika mba hananana toetra araka an’ Andriamanitra. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra mba hanoratra izany ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6.)

  • Ahoana no mety hanampian’ny fiezahana mba hanana ny tsirairay amin’ireo toetra ao amin’ny andininy 5–6 antsika mba ho mahomby kokoa amin’ny fanampiana ao amin’ny asan’ny Tompo?

  • Iza amin’ireo toetra voatanisa ao anatin’ireo andininy ireo no tianao hananana bebe kokoa? Nahoana?

Asaivo mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7 ny mpianatra iray raha eo am-pitadiavan’ny iray kilasy ny fomba ahafahantsika mikatsaka sy manana ireo toetra ireo.

  • Inona no dikan’ny hoe “mangataka” sy ny hoe “mandondona”?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny vavaka manampy antsika hanana ireo toetra araka an’ Andriamanitra ireo?

Hamaranana ny lesona dia azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana noraisin’izy ireo rehefa nanampy tamin’ny asan’ny Tompo izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4. Torolalana ho an’ireo izay maniry hanompo ao amin’ny Fiangonana

Nanambara ny Filoha Joseph Fielding Smith tao amin’ny Fiadidiana Voalohany nanao hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Fohy kely, ary ahitana andininy fito monja ny [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4] saingy ahitana torohevitra sy torolalana ampy ho an’ny fandalinana mandritra ny androm-piainana izany. Tsy mbola nisy nahafehy izany. Tsy natao ho fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’i Joseph Smith izany fa natao kosa ho tombontsoa ho an’ireo rehetra izay maniry hirotsaka ao amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra. Fanambarana ho an’ny mpikambana tsirairain’ny Fiangonana izany, indrindra ho an’ireo rehetra izay mihazona ny Fisoronana. Tsy misy fanambarana hafa angamba ao amin’ny soratra masina rehetra ananantsika ka hoe hihoatra ity fanambarana ity izay ahitana torolalana lehibe kokoa mikasika ny fomba hiantsoana ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fanompoana an’Andriamantitra, ary amin’ny endrika tena voafintina. Mivelatra izany, avo sy lalina toy ny mandrakizay. Tsy misy loholon’ny Fiangonana antsoina hampianatra ao amin’ny Fiangonana, na hitondra ny hafatry ny Famonjena ho an’izao tontolo izao, ambara-pandraisana, ny ampahany kely amin’ity torolalana nalefa avy any an-danitra ity farafaharatsiny” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:35).