Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–131; 132:1–33 (Fizarana 28)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–131; 132:1–33 (Fizarana 28)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–131; 132:1–33 (fizarana 28) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129; 130:1–11, 22–23)

Nianatra ireo mpianatra rehefa nandalina ny fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith sasantsasany fa ny tena mpitondra hafatra marina avy amin’ny Ray any an-danitra dia tsy hamitaka antsika. Nahita ihany koa izy ireo fotopampianarana mikasika ireo mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra. Nianatra ireo mpianatra fa ny fifandraisana mety hananantsika any an-danitra dia mitovy amin’izay hiainantsika eto an-tany, saingy ampiana voninahitra mandrakizay izany.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–21)

Nandritra ity lesona ity dia nianatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra : Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny fotoana voafaritry ny Fiaviana Fanindroany. Ny fahalalana sy faharanitan-tsaina azontsika amin’ity fiainana ity dia hitsangana miaraka amintsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Raha te handray fitahiana iray avy amin’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy mankatò ilay lalàna ifotoran’izany.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131)

Rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 ireo mpianatra dia nahita izy ireo fa mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy dia tsy maintsy miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra ny dikan’ny andian-teny hoe “ny tenin’ny faminaniana mafy orina” ary nianatra ny mombamomba ny fanahy.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–33)

Nandritra ity lesona ity dia nianatra ireo mpianatra fa rehefa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny fanekempihavanana iray ka fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana izany dia haharitra mandrakizay. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha mijanona ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny lehilahy sy ny vehivavy iray dia hanana fitomboan-taranaka mandrakizay izy ireo.

Fampidirana

Ny mpianatra dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–33 nandritra ny lesona tamin’ny andro 4. Ity lesona anio ity dia afaka manampy azy ireo hahatakatra tsaratsara kokoa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 rehetra sy ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny antony nanaovana ny fanambadiana maro tamin’ny fotoana lasa ihany koa ny mpianatra.

Fanamarihana: Ny mpianatra dia nianatra soratra masina fehezina roa nandritra ity fizarana ity: ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4. Eo am-panombohana ny lesona dia hevero ny hanasana ny antsasaky ny mpianatra mba hanazava ny zavatra nianarany avy tamin’ny andalan-tsoratra masina voalohany ary ny antsasany hafa mba hanazava ny zavatra nianarany avy tamin’ny andalan-tsoratra masina faharoa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6, 34–48

Ny Tompo dia mamaritra ireo fepetran’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ary manambara ny fitsipiky ny fanambadiana maro

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

Nahoana no zava-dehibe aminao ny fanambadiana mandrakizay?

Inona no hataonao, manomboka androany, mba hiomananao handeha ho any amin’ny tempoly ka hanambady amin’izao fotoana izao sy mandrakizay?

Inona ireo fitahiana afaka ho tonga eo amin’izao fiainana izao ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra mikasika ny famehezana any amin’ny tempoly?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 izy ireo androany.

Hazavao fa raha mbola niasa tamin’ny fandikana nentanim-panahy ny Testamenta Taloha i Joseph Smith tamin’ny 1831 dia namaky mikasika ireo mpaminany sasantsasany fahiny izay nanao ny fampakarana vady maro (izay nantsoina ihany koa hoe fampirafesana) izy. Araka io fomba io dia manambady vehivavy mihoatra ny iray ny lehilahy iray. Nandalina ireo soratra masina ny Mpaminany, ka nisaintsaina ny zavatra nianarany ary nony farany dia nitondra ireo fanontaniany momba ny fampakarana vady maro teo anatrehan’ny Ray any An-danitra tao anatin’ny vavaka.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Genesisy 16:1–3. Hazavao fa ireo andininy ireo dia manoritsoritra ireo asa nataon’i Saray sy i Abrama, izay fantatra taty aoriana tamin’ny anarana hoe Saraha sy Abrahama. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Asaivo manaraka ny vakinteny ireo mpianatra sady hieritreritra momba ny fanotaniana izay mety ananany mikasika an’io tranga teo amin’ny fiainan’i Abrama sy i Saray io.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1 ka hitady ny zavatra nangatahan’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina tao amin’ny Testamenta Taloha momba ny fanaovana ny fampakarana vady maro izy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Azonao atao ny manazava fa ilay teny hoe vaditsindrano dia teny entina hamaritana ireo vehivavy tao amin’ny Testamenta Taloha izay, raha tamin’ny fotoana sy ny kolontsaina niainan’izy ireo, dia vita fanambadiana ara-dalàna tamin’ny lehilahy iray saingy nanana saranga ambany kokoa raha oharina amin’ny hoe vady. Tsy tafiditra amin’ilay fampakarana vady maro amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao ny vaditsindrano.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no nandidy ny lehilahy sy ny vehivavy marina hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro ny Tompo tamin’ny fotoana sasantsasany?

Hazavao fa mandritra ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132, dia afaka mahita ny valin’ireo fanotaniana eny amin’ny solaitrabe sy ireo fanotaniana hafa izay mety ananany momba ny fampakarana vady maro ny mpianatra. Asao izy ireo hanoratra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika hitany mandritra ny fandalinany androany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–36. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny antony nahatonga an’i Abrahama sy i Saraha nanomboka nampihatra fampakarana vady maro.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 34, dia nahoana no nomen’i Saraha vady hafa i Abrahama? Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny fitsipiky ny fampakarana vady maro? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tsy ankatoavin’ny Tompo ny fampakarana vady maro raha tsy Izy ihany no mandidy izany. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipika ity dia asao izy ireo mba hamaky ny Jakôba 2:27, 30. Azonao atao ihany koa ny manoro hevitra azy ireo mba hanoratra izany eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34 ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37–38. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ireo andian-teny izay mamaritra ireo ohatra izay nandidian’ny Tompo ny fanaovana ny fampakarana vady maro. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:39, 41–43 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanamafy fa rehefa mampihatra ny fitsipiky ny fampakarana vady maro araka ny didiny ny olona dia tsy hohelohina hoe manao fahotana amin’ny fijangajangana izy ireo. Kanefa, raha misy olona manao ny fampakarana vady maro ao anatin’ny toe-javatra izay tsy nandidian’ny Tompo izany dia ho meloka amin’ny fijangajangana izy ireo. (Marihina fa ny teny hoe fongorona ao amin’ny andininy 41 dia milaza fa ireo izay mandika ny fanekempihavanany masina dia hoesorina hiala amin’ Andriamanitra sy hiala amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany [ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:22–23; 1 Nefia 22:20].)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:40 sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa htaony. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hazavao fa ny hoe “zava-drehetra” dia entina hilazana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izay nambara tany amin’ireo fotoampitantanana tany aloha. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny didy hiaina ny lalàn’ny fampakarana vady maro amin’ny andro farany dia ampahany tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra. (Jereo koa ny Asan’ny Apostoly 3:20–21.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:45, 48.

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny fampakarana vady maro? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tsy mahazo fankatoavana ny fampakarana vady maro raha tsy amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena ny Filohan’ny Fiangonana.)

Hazavao fa tamin’ny voalohandohan’ity fotoampitantanana ity dia nandidy ny sasantsasany tamin’ireo Olomasina fahiny ny Tompo tao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra mba hanao ny fampakarana vady maro tamin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana notanan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo Filohan’ny Fiangonana taty aoriana—Brigham Young, John Taylor ary i Wilford Woodruff. Tamin’ny 1890 ny Filoha Woodruff, izay niasa tamin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo ihany dia nahazo fanambarana fa tokony hatsahatra ny fanaovana ny fampakarana vady maro (jereo ny Filazana Ôfisialy 1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49–66

Manome torohevitra an’i Joseph sy i Emma Smith ny Tompo momba ny fampakarana vady maro

Hazavao fa somary nalaina ny Mpaminany Joseph Smith hanomboka ny fanaovana ny fampakarana vady maro. Nilaza izy fa tsy nanomboka nanao izany raha tsy efa nampitandremana fa hofongana raha tsy nankatò (jereo ny “Plural Marriage,” Historical Record, mey 1887, 222) Noho ny tsy fisian’ny rakitsoratra ara-tantara dia tsy fantatsika ny mikasika ny fiezahan’i Joseph Smith voalohany tamin’ny fanarahana an’ilay didy. Kanefa, hatramin’ny 1841 ny Mpaminany dia efa nankatò ilay didy sy nampianatra izany tamin’ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana, ka tao anatin’ny telo taona manaraka dia nampakatra vady fanampiny izy araka ny didin’ny Tompo. Ny fankatoavan’ny Mpaminany Joseph Smith ny didin’ny Tompo momba ny fanaovana ny fampakarana vady maro dia fitsapana finoana ho azy sy ho an’i Emma vadiny, izay tena tiany fatratra tokoa.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49–56 amin’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanoro hevitra an’i Joseph sy Emma Smith ary nampanantena fitahiana raha toa izy ireo hankatò ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Hazavao fa tamin’ny 1841 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanomboka nampianatra ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky hafa momba ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Na dia niahotra sy sorena tamin’ilay didy aza ireo mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonana ireo tamin’ny voalohany dia nahazo fanamafisana manokana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo ka nanaiky ilay fitsipiky ny fampakarana vady maro.

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:63, manomboka eo amin’ilay andian-teny hoe “fa izy ireo dia nomena azy.” Alohan’ny hamakiana izany dia hazavao fa io andininy io dia manampy antsika hahatakatra ny antony iray nahatonga ny Tompo nandidy an’i Joseph Smith sy ireo olon-kafa hanao ny fampakarana vady maro. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady an’io antony manokana io. Rehefa avy namaky ianao dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Nametraka ny fampiharana ny fanambadiana maro ny Tompo tamin’ny fotoana sasantsasany mba hanomezana an’ireo vahoakany fahafahana bebe kokoa ny hanangana zanaka marina ho Azy. (Azonao atao ny mamerina mamaky ny Jakôba 2:30.)

  • Inona no dikan’ny hoe “hihamaro sy hameno ny tany”? (Hanan-janaka.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fananana zanaka hanome fahafahana ireo ray aman-dreny ho mpandray anjara amin’ny fanohizana ny asan’ny Ray any An-danitra?

Avereno vakina ilay fanontaniana nosoratanao teny amin’ny solaitrabe tamin’ny voalohandohan’ny lesona: Nahoana no nandidy ny lehilahy sy ny vehivavy marina hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro ny Tompo tamin’ny fotoana sasantsasany? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamintina ho an’ny iray kilasy ny zavatra nianarany avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 sy ny Jakôba 2:27, 30 izay manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hoe nandray sy nankatò ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izy (jereo ny F&F 132:37).

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–135)

Anontanio ireo mpianatra hoe inona no ataony raha toa tsy maintsy hisafidy izy ireo ny ho faty na handositra ireo izay mikasa hamono azy ireo. Ahoana raha ny safidy ny ho faty no mety hamonjy ny fiainan’ny fianakavianao sy ny namanao ary ny olona aman-jatony hafa? Inona no hataonao? Ny Mpaminany Joseph Smith dia nisafidy ny ho faty tamim-pahavononana, ary nilaza hoe, “Mandeha tahaka ny zanak’ondry ho any amin’ny mpamono azy aho; saingy tony toy ny maraim-pahavaratra” (F&F 135:4). Ao amin’ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hianatra momba ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany Joseph Smith.