Seminera
Lesona 51: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–15


Lesona 51

Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 45:1–15

Fampidirana

Tamin’ny volana martsa 1831 dia nitohy ny fitomboan’ny Fiangonana tao Kirtland. Nitohy ihany koa ny fanoherana ny Fiangonana. Nanoratra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Maro ireo tatitra diso sy lainga ary tantara tsy mitombina navoaka tao amin’ireo gazety an-tsoratra, ka naparitaka tetsy sy teroa, mba hanakanana ny olona tsy hamantatra ilay asa, na hanaiky ny filazantsara.” Tamin’io fotoan’ny firoboroboana sy ny fanoherana io dia naharay fanambarana i Joseph Smith, izay nolazainy taty aoriana fa tonga “mba hamalifaly ireo Olomasina izay niady tamin’ny zavatra rehetra izay azon’ny fitsarana an-tendrony sy ny haratsiam-pahany noforonina” (ao amin’ny History of the Church,1:158). Ity fanambarana ity ankehitriny dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45, izay manomboka amin’ny fanambarana avy amin’ny Tompo mikasika ny anjara asany amin’ny famonjena antsika. Ny lesona androany dia ny voalohany amin’ireo lesona telo izay miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5

Manantitrantitra ny anjara asany amin’ny maha-Mpahary sy Mpisolovava Azy i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mikatsaka fitarihana mikasika ny zavatra iray manan-danja aminy izy ireo ary olona maro samy hafa no maniry hanome torohevitra azy ireo.

  • Tokony manana toetra toy ny ahoana ny olona iray izay vao maniry ny hihaino ny toroheviny ianareo? (Mety hizara valinteny maro samy hafa ny mpianatra amin’io fanontaniana io. Raha ilaina dia azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra fa ho tian’izy ireo kokoa ny hihaino olona iray izay miraharaha azy ireo manokana ary efa nahita fahombiazana tamin’ilay zavatra izay hanomezan’izy ireo torohevitra.)

Hazavao fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia tonga tamin’ny fotoana nandrenesan’ireo Olomasin’ny Andro Farany sy ireo olona hafa sy namakin’izy ireo hafatra manohitra ny Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo toe-javatra natrehin’ireo Olomasina.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny teny voalohany nolazain’ny Tompo ao amin’ilay fanambarana.

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa ny dikan’ny hoe mihaino dia mankatò. Rehefa tena mihaino ny Tompo isika dia hanaraka ny toroheviny sy ny didiny. Hazavao fa any am-piandohan’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanao fanambarana mikasika ny sasany amin’ireo anjara asany sy ireo ezaka ataony hanampiana antsika. Rehefa mamaky ireo fanambarana ireo isika dia afaka mahita ireo antony hihainoana ny teniny. Amporisiho ny mpianatra hifantoka amin’ireo teny hoe mihainoa ao amin’ireo andininy izay halalinin’izy ireo androany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1 mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy mikasika ny tenany. Angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany. Rehefa mamaly izy ireo dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Nahary ny lanitra sy ny tany i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo antony tokony hihainoana ny Mpamonjy.

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia nahoana isika no tokony hihaino ny Mpamonjy? (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “amin’ny ora izay tsy ampoizinareo no ho lasana ny fahavaratra” dia entina mivoy ny hevitra hoe ny fahavaratra dia afaka ny ho fotoana hiasana sy hiomanana amin’ny fiotazam-bokatra amin’ny fiafaran’ilay vanim-potoana. Ity andininy ity dia mampianatra fa mila mihaino ny Mpamonjy isika amin’izao fotoana izao ary mibebaka amin’ny fahotantsika raha mbola manam-potoana hiasana ho an’ny famonjena ny fanahintsika.)

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3 dia ahitana ny teny hoe mpisolovava. Ny mpisolovava dia olona iray miaro ny tombontsoan’ny olona iray hafa. Indraindray izany dia mitranga ao amin’ny lapan’ny fitsarana, izay hanateran’ny mpisolovava iray porofo eo anatrehan’ny mpitsara iray mba hisoloana tena olona iray izay voampanga.

Manomàna mari-pamantarana telo tahaka izao manaraka izao mialoha ny fotoam-pianarana:

Sary
mpitsara, mpisolovava, olona arovana

Omano toy izao manaraka izao ny ao ambadik’ireo mari-pamantarana:

Sary
Ray any An-danitra, Jesoa Kristy, isika

Asao ho eny aloha ny mpianatra telo. Omeo iray amin’ireo mari-pamantarana ny mpianatra tsirairay. Angataho izy ireo hitazona ireo mari-pamantarana maneho ny teny hoe mpitsara, mpisolovava, ary olona arovana. Asao ilay mpianatra mitazona ilay mari-pamantarana misy soratra hoe mpisolovava hitsangana eo anelanelan’ireo mpianatra roa hafa.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe ao anatin’ny efitrano fitsarana izy ireo izay ahitana mpitasara iray sy mpisolovava iray ary olona iray arovana izay voampanga fa nahavita heloka.

  • Inona no anjara asan’ny mpitsara?

  • Ahoana no mety hanampian’ny mpisolovava iray an’ilay voampanga?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny zavatra ampianarin’io andininy io mikasika ny Mpamonjy.

  • Iza no mpitsara ao amin’io andininy io? (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ny mpianatra dia asao ilay mpianatra mitazona ilay mari-pamantarana misy soratra hoe mpitsara mba hamadika ilay mari-pamantarana.) Iza ilay olona arovana? (Asao ilay mpianatra mitazona ilay mari-pamantarana misy soratra hoe olona arovana mba hamadika ilay mari-pamantarana.) Iza ilay mpisolovava? (Asao ilay mpianatra mitazona ilay mari-pamantarana misy soratra hoe mpisolovava mba hamadika ilay mari-pamantarana. Dia soraty eo amin’ny solaitrabe avy eo ity fotopampianarana manaraka ity: I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.)

  • Nahoana isika no mila mpisolovava eo anatrehan’ny Ray any An-danitra? (Meloka amin’ny fanaovana fahotana isika. Araka ny fahamarinan’ Andriamanitra dia tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra eo anatrehany. Noho izany dia mila mpisolovava isika mba hiaro ny tombontsoantsika eo anatrehan’ny Ray sy hanampy antsika hihavana Aminy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba hiarovan’i Jesoa Kristy ny tombontsoantsika eo anatrehan’ny Ray.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4 dia inona no angatahin’i Jesoa Kristy mba hoheverin’ny Ray any An-danitra? (Miresaka mikasika ny fiainany izay tsy nisy fahotana sy ny fijaliany ary ny fahafatesany ny Mpamonjy.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5 dia inona koa ny zavatra hafa nangatahin’ny Mpamonjy mba hoheverin’ny Ray? (Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo toe-javatra ilan’izy ireo an’i Jesoa Kristy mba ho mpisolovava azy ireo eo amin’ny fiainany andavanandro. Omeo fotoana izy ireo hanoratany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo zavatra tsapany momba ny maha-Mpisolovavan’izy ireo ny Mpamonjy. Asao ihany koa izy ireo hanoratra izay tsapany fa tian’ny Mpamonjy ho ataon’izy ireo mba hanehoana fa mino ny anarany izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:6–10

Manambara ny Mpamonjy fa Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao ary nandefa ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay ho eo amin’izao tontolo izao Izy

Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao ireo mpiara-miasa tsiroaroa hamaky miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:6–10. Rehefa nahazo fotoana ampy namakina izany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6–7 dia inona avy ireo antony nomen’ny Mpamonjy fa tokony hihainoantsika Azy? Midika inona aminareo izany hoe Izy “ny fiandohana sy ny fiafarana”? Ahoana no fomba hitondrany fahazavana sy fiainana ho an’izao tontolo izao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity filazalazana ny mombamomba ny Mpamonjy ity:

I Jesoa Kristy no fiandohana sy fiafarana.

I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8 dia inona no ampanantenain’ny Mpamonjy an’ireo izay mandray Azy?

Hazavao fa ao amin’ny andininy 9 isika dia mahita fa nandefa ny “fanekempihavanany maharitra mandrakizay … ho fahazavana ho an’izao tontolo izao sy ho faneva ho an’ny olo[ny]” i Jesoa Kristy. Ao amin’ny fanambarana iray hafa dia nilaza Izy fa ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay dia “ny fahafenoan’ny filazantsara[ny]” (F&F 66:2).

  • Inona araka ny hevitrareo ny dikan’ny hoe “mitady” ny filazantsara?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny naha-fahazavana ho an’izao tontolo izao ny filazantsara? Ahoana no fomba maha-faneva ny filazantsara ho antsika izay nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–15

Manambara ny Mpamonjy fa Izy no Andriamanitr’i Enoka

Asehoy ny sary Nakarina tany an-danitra ny tanànan’i Ziona (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 6; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa ity sary ity dia fanehoan’ny mpahaikanto iray an’i Enoka sy ny vahoakany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11. Lazao amin’ny mpianatra fa ato amin’ity andininy ity ny Tompo dia milaza fa miantso Azy “ho Andriamanitr’i Enoka” ny olona sasany.

Sary
Nakarina Tany an-danitra ny Tanànan’i Ziona

Manasà mpianatra maromaro hilaza amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra fantany mikasika ny mpaminany Enoka. Omeo araka izay ilana azy ity fampahafantarana manaraka ity: Niaina talohan’ny fotoan’i Noa i Enoka. Rakotry ny faharatsiana ny tany tamin’ny andron’i Enoka, kanefa izy dia nitarika fiaraha-monina iray nisy olo-marina izay nonina tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Ziona. Taty aoriana ireo mponina tao Ziona dia “nosarahina tamin’ny tany” (F&F 45:12)—nampiakarina tany an-danitra noho ny fahamarinan’izy ireo (jereo ny Mosesy 7:69).

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:12–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandray ny vahoakan’ny tanànan’i Ziona ho any Aminy ny Tompo ary hotazoniny izy ireo “mandra-pahatongan’ny andron’ny fahamarinana.” Amin’izany fotoana izany dia hiverina eto an-tany i Enoka sy ny vahoakany mba hihaona amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky ao amin’ny tanànan’i Jerosalema Vaovao, izay ho antsoina hoe Ziona ihany koa (jereo ny Mosesy 7:62–64 Niandry fatratra izany andro izany ireo mpaminany rehetra. Noho ny faharatsian’ny olona eto an-tany dia tsy mbola tonga izany andro izany, saingy indray andro any dia hahita izany ireo izay niandry fatratra izany andro izany.

Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fehezan-teny nosoratanao eo amin’ny solaitrabe izay mamaritra ny sasany amin’ireo anjara asan’i Jesoa Kristy sy ny toetoetrany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fehezan-teny ireo ka hifidy toetoetra iray izay manan-danja indrindra amin’izy ireo. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hilaza ny anjara asa na ny toetoetra nofidian’izy ireo sy hanazava ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo. Rehefa avy manazava ny heviny ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mahafantatra ireo anjara asa sy toetoetran’i Jesoa Kristy isika dia mitombo ny faniriantsika hanaraka Azy.

  • Inona no nianaranareo androany mikasika ny Mpamonjy ka manampy anareo haniry ny hihaino Azy?

Azonao atao ny mizara ny eritreritrao mikasika ny iray amin’ireo anjara asa sy toetoetran’ny Mpamonjy sy mikasika ny fomba hanampiana anao hanana faniriana ny hanaraka Azy noho ny fahafantaranao izany anjara asa izany. Farano izany amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana avy amin’ny fihainoana an’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny toroheviny ary ny didiny.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5. I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika

Nanazava ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-mpanalalana Azy ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Miaina ao anatin’ny trosa ara-panahy isika tsirairay avy. Indray andro dia hifarana ny fotoam-pifanekena ary hotakina ny fanamarinana. Na dia tsy hitantsika miharihary loatra aza izany ankehitriny, rehefa tonga izany andro izany ary rehefa akaiky ny fe-potoana farany, dia hitodika hijery amim-pitaintainana mafy eo amin’ny manodidina isika hitady olona iray izay mba hanampy antsika.

“Ary noho ny lalàna mandrakizay dia tsy azo omena fahafaham-po ny famindram-po raha tsy hoe misy olona iray izay sady vonona no afaka ny hanonitra ny trosantsika sy hanefa ny sarany ary handamina ireo fifanekena ho an’ny fanavotana antsika.

“Raha tsy misy ny mpanalalana, raha tsy misy ny namana iray, dia hihatra tanteraka amintsika tsy misy fanamaivanana ny fepetra takin’ny fahamarinana. Ny fanonerana feno ireo fandikan-dalantsika rehetra, na kely izany na be, dia tsy maintsy hotakiana amintsika ambaram-pandoantsika ny variraiventy farany indrindra.

“Kanefa fantaro izao: Ny fahamarinana, ny fahamarinana be voninahitra dia manambara fa misy ny Mpanalalana.

“‘Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona.’ (1 Tim. 2:5.)” (“The Mediator,” Ensign, mey 1977, 55–56).

Nanamafy ny Filoha Packer fa ny Tompo dia miasa amin’ny maha-Mpisolovavantsika Azy eo amin’ny Ray eo amin’ny fiainantsika andavanandro:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Noho ny antony sasantsasany dia mieritreritra isika fa ny Sorompanavotan’i Kristy dia tsy mihatra raha tsy amin’ny fiafaran’ny fiainana an-tany ihanymba ho fanavotana amin’ny Fahalavoana, amin’ny fahafatesam-panahy. Mihoatra noho izany ilay izy. Hery mijanona eo foana ary azo antsoina eo amin’ny fiainana andavanandro izany. Rehefa ampijalian’ny fahamelohana isika na vesaran’ny alahelo, dia afaka manasitrana antsika Izy. Raha toa ka tsy mbola takatsika tanteraka ny fomba nanatanterahana ny Sorompanavotan’i Kristy dia afaka ny ho tsapantsika kosa ny ‘fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.’ [Filipiana 4:7.]” (“The Touch of the Master’s Hand,” Ensign, mey 2001, 23).

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny fahatsapana ananany mikasika ny fomba hiarovan’ny Mpamonjy ny tombontsoany izay manome azy fahafahana hifandray amin’ny Ray any An-danitra:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tena manan-danja lehibe tokoa amiko fa afaka manantona ny seza fiandrianan’ny famindrampo aho amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra amin’ny alalan’ny vavaka, sy ny hoe hihaino ny fangatahako ny Raiko any an-danitra, ary ny Mpisolovava ahy, Izy izay tsy nanao fahotana, izay nalatsa-drà, dia hiaro ahy. (Jereo ny F&F 45:3–5 Miantehitra fatratra amin’izany fahafahana mifandray amin’ Andriamanitra izany aho, izay nomeny ny zanany rehetra satria tsy mizaha tavan’olona Izy ary izay mangataka dia omena” (“I Know in Whom I Have Trusted,” Ensign, mey 1993, 83).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–12. “I Enoka … dia nosarahana tamin’ny tany”

Nanao fanamarihana ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Ity Enoka ity dia notehirizin’ Andriamanitra tany Aminy mba tsy hahafatesany tamin’izany fotoana izany ary notendreny hanao asa fanompoana teo anivon’ireo vatana terestrialy, ary kely ihany ny zavatra nambara mikasika azy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 4:209).

Nanampy toy izao ny Mpaminany tamin’ny fotoana iray hafa hoe:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Izy [ny Tompo] dia nifidy an’i Enoka izay notarihiny sy nomeny ny lalàny, ary toy izany koa ireo vahoaka niaraka taminy. Ary rehefa tsy nanaiky ny hankatò ny didin’ Andriamanitra izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, rehefa avy niaraka tamin’ Andriamanitra, dia nafindrany toerana i Enoka sy ny fiangonany ary nesorina hiala ny Fisoronana sy ny fitantanan’ny lanitra” (ao amin’ny History of the Church,5:64).