Seminera
Lesona 70: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43


Lesona 70

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43

Fampidirana

Ny 11 Septambra 1831 dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 i Joseph Smith. Mirakitra ny fampianaran’ny Tompo momba ny fahafoizan-tena izay takiany amin’ny Olomasina sy momba ny fanorenana an’i Ziona amin’izao andro farany izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43.

Fanamarihana: Ity lesona ity dia manome fahafahana mpianatra roa hampianatra. Omeo tahadikan’ity boky ity mialoha ireo mpianatra mba ho ampy ny fotoana hanomanany izany. Azonao atao ihany koa nefa ny manapa-kevitra ny hampianatra ny lesona iray manontolo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–25

Mampianatra ny Tompo fa mitaky ny fontsika Izy

Angataho ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana nanaovany fahafoizan-tena mba hanarahana ny didin’ny Tompo. (Mba hanampiana azy ireo hieritreritra dia azonao atao ny mizara ohatra iray tahaka ny hoe tsy mandray anjara amin’ny hetsika ara-panatanjahan-tena na hetsika sahala amin’izany mandritra ny Sabata.) Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hilazalaza ny traikefany sy hizara ny fahatsapany momba ny fitahiana azony rehefa nanao ireny fahafoizan-tena ireny izy ireo.

Hazavao fa mandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43 dia hianatra bebe kokoa momba ny fahafoizan-tena izay takian’ny Tompo amintsika ny mpianatra. Asehoy ity tabilao manaraka ity. (Azonao atao ny mandika io tabilao io eo amin’ny solaitrabe mialoha ny hiantombohan’ny fampianarana.)

Isaac Morley (F&F 64:20)

Frederick G. Williams (F&F 64:21)

Didy

Valiny

Vokatra

Hazavao fa nanana toeram-piompiana sy fambolena midadasika i Isaac Morley tao Kirtland, Ohio. Nanasa malalaka ireo mpikamban’ny Fiangonana, ka anisan’izany i Joseph Smith sy ny vadiny, izy mba hipetraka teo amin’ny taniny. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’i Isaac Morley momba ny toeram-piompiany sy ny famboleny.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’i Isaac Morley momba ny toeram-piompiany sy famboleny? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ilay tabilao ny hoe Mivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba hanehoana ny didy izay nomen’ny Tompo an’i Isaac Morley.)

Lazao fa nandidy an’i Isaac Morley ny Tompo mba hanao fahafoizan-tena lehibe. Ny ankabeazan’ny vola azo avy amin’ilay fivarotana ny toeram-pamboleny sy fiompiany dia hampiasaina hividianana tany ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa tao Independence, Missouri.

  • Inona no fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo an’i Isaac Morley raha toa ka nivarotra ny toeram-pamboleny sy ny toeram-piompiany izy? (Nampanantena ny Tompo fa raha nivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany i Isaac dia tsy “alaim-panahy maka fanahy … mihoatra noho izay azony zakaina.”)

  • Inona no fitsipika ampianarin’ity fampanantenana ity antsika momba ny fialana amin’ny fakam-panahy? (Tokony haneho ireto fitsipika manaraka ireto ny valintenin’ireo mpianatra: Raha manaraka ny sitrapon’ny Tompo momba antsika isika dia tsy halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika.)

Hazavao fa nanaraka ny didin’ny Tompo i Isaac Morley ka nivarotra ny toeram-pamboleny sy ny toeram-piompiany. Iray amin’ireo Olomasina voalohany niorom-ponenana tao Independence, Missouri izay nikatsaka ny hanorina an’i Ziona izy. Nanompo amim-pahatokiana ny Tompo nandritra ny androm-piainany izy. Soraty eo amin’ilay valintenin’i Isaac ao anatin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ny hoe Nankatò izy. Soraty eo amin’ilay vokatry ny asa nataony ny hoe Notahiana izy.

  • Inona ireo ohatra sasany momba ny fomba ahafahantsika miala amin’ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny fanarahana ny didy sy ny fenitry ny Tompo? (Mizarà ohatra sasantsasany avy ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez forts.)

Lazao fa nanana toeram-pambolena sy fiompiana midadasika tao Kirtland ihany koa ny lehilahy iray antsoina hoe Frederick G. Williams. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:21 sy hitady ny didy nomen’ny Tompo an’i Frederick G. Williams.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’i Frederick G. Williams momba ny toeram-piompiany sy famboleny? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny toerana tokony hisy izany ao amin’ilay tabilao ny hoe Aza mivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity andinin-tsoratra manaraka ity izay manazava ny zavatra nataon’i Frederick G. Williams mikasika ny toeram-pamboleny sy ny fiompiany:

Na dia tsy nasaina nivarotra ny toeram-pamboleny sy ny fiompiany aza i Frederick G. Williams dia mbola nampiseho fahavononana ny hanao fahafoizan-tena izy. Nilaza tamin’i Joseph Smith izy fa afaka ampiasaina ho toy ny trano sy hamahanana ireo mpikamban’ny Fiangonana sahirana ny toeram-pamboleny sy ny fiompiany. Taty aoriana dia natokan’i Frederick ho an’ny Fiangonana ny toeram-pamboleny sy ny fiompiany iray manontolo izay tsy nandraisany tambiny na dia kely aza. Tamin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’i Frederick G. Williams sy ireo Olomasina mahatoky hafa tany Ohio no nitanan’ny Tompo “toeram-pamaharana mafy [t]ao Kirtland, [n]andritra ny dimy taona” (F&F 64:21). Nandritra ireo fotoana ireo, ny Olomasina dia nanorina ny Tempolin’i Kirtland, izay loharanon’ny fitahiana lehibe ho an’ny Olomasina, ary anisan’izany Rahalahy Williams.

Fenoy ny tsanganana misy an’i Frederick G. Williams ao amin’ilay tabilao eny amin ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fanoratana ny hoe Nankatò izy sy ny hoeNotahiana izy eo amin’ny toerana tokony hisy izany.

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny fankatoavana sy ny fahafoizan-tena avy amin’ny ohatra napetrak’i Isaac Morley sy Frederick G. Williams? (Fintino ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Voatahy isika rehefa mankatò ny Tompo sy manolotra ny fahafoizan-tena izay angatahiny amintsika.)

Hazavao fa ny fahafoizan-tena izay nataon’i Isaac Morley sy Frederick G. Williams mikasika ny toeram-pamboleny sy ny fiompiany dia maneho ny fahafoizan-tena izay takian’ny Tompo taminy sy takian’ny Tompo amintsika amin’izao fotoana izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:22. Asao ny iray kilasy hikaroka ny fahafoizan-tena izay takian’ny Tompo amintsika.

  • Araka ny andininy 22, inona no takian’ny Tompo amintsika? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Mitaky ny fontsika ny Tompo. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny.)

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mitaky ny fontsika ny Tompo?

  • Ahoana no fomba nampisehoan’i Isaac Morley sy Frederick G. Williams fa vonona ny hanome ny fony ho an’ny Tompo izy ireo? Iza koa ireo olona sasany izay nanome ohatra momba ny fanomezana ny fony ho an’ny Tompo? (Azonao atao ny milaza fa afaka mizara ohatra avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainan’ny olona izay fantany ireo mpianatra.)

  • Ahoana no fomba ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa vonona ny hanome ny fontsika ho Azy isika?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:23–25, ary angataho ny iray kilasy hamantatra ny didy iray izay afaka tandremantsika mba hampisehoana fa nomentsika ny Tompo ny fontsika.

  • Inona no nasain’ny Tompo ho ataon’ny vahoakany? (Mandoa ny fahafolonkarena. Azonao atao ny manazava fa rehefa nanome ity fanambarana ity ny Tompo dia nampiasa ny teny hoe fahafolonkarena ny Olomasina mba hilazana ny fandraisany anjara rehetra tao amin’ny Fiangonana. Tokony ho fito taona taty aoriana dia nanambara ny Tompo fa ny fahafolonkarena dia “ny iray ampahafolon’ny izay rehetra miditra amintsika isan-taona” [F&F 119:4].) Ahoana no fomba ahafahan’ny fandoavana ny fahafolonkarena mampiseho fa nanome ny fontsika ny Tompo isika?

  • Araka ny andininy 23, inona no fampanantenana izay natolotry ny Tompo ireo izay mandoa ny fahafolonkarena?

Hazavao fa na dia mihatra amin’ny hoavy aza ny fitahiana voafaritra ao amin’ny andininy 23 dia mitahy antsika ny Tompo amin’izao fotoana izao noho ny fandoavana ny fahafolonkarena. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hizara ny zavatra niainany rehefa notahiana izy ireo na ny fianakaviany noho ny fandoavana ny fahafolonkarena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:26–43

Nanome toromarika momba ny fanorenana an’ i Ziona ny Tompo

Mba hanomezana topimaso mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:26–43 dia hazavao fa ao anatin’ireo andininy ireo isika dia mamaky mikasika ny toromarika nomen’ny Tompo amin’ny fanorenana an’i Ziona. Natao mba hampianarin’ny mpianatra ny ambin’ity lesona ity. Asao ny mpianatra mpampianatra voalohany handroso eny aloha mba hampianatra.

Mpianatra Mpampianatra 1—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:26–33

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Oviana ianao no nampanaovina andraikitra iray izay sarotra na nahavalalanina ny nanao azy? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia azonao atao koa ny mizara ohatra iray.)

Hazavao fa ny volana Aogositra 1831 dia nanome andraikitra lehibe ny Olomasina ny Tompo mba hitady vola hividianana ny tany rehetra ilaina amin’ny fanorenana ny tanànan’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Fantatr’ireo Olomasina fa vantany vao nividy ny tany izy ireo dia tsy maintsy hiasa mafy hanorina ny tanàna sy ny tempoly eo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:26–30 dia mirakitra ny didin’ny Tompo ho an’ny mpanompony roa, dia i Newel K. Whitney sy i Sidney Gilbert. Nodidiany izy ireo hampiasa ny tranombarony tao Kirtland, Ohio mba hanampiana amin’ny fividianana ny zavatra ilain’ny Olomasina. Izany no ohatra iray amin’ny fomba sasany izay notakiana tamin’ny Olomasina mba hanaovany fahafoizan-tena sy handraisany anjara tamin’ny fanorenana an’i Ziona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–33. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny andian-teny izay mety namporisika ireo Olomasina izay nikatsaka ny hanatontosa ny asa lehibe ho fanorenana an’i Ziona.

  • Inona avy ireo andian-teny izay mety nanentana ireo Olomasina ireo? (Rehefa mizara ireo andian-teny ny mpianatra dia anontanio ny fomba mety ifandraisan’ireo andian-teny ireo amin’izy ireo.)

Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo andininy ireo ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Raha mazoto manao ny tsara isika dia afaka mahavita zavatra lehibe. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika io fitsipika io. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefa izay nanampy anao hianatra ny fahamarinana ao amin’ity fitsipika ity.

Mpianatra Mpampianatra 2—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34–43

Angataho ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana izay nankatovany ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mpampianatra na mpanazatra, nefa tsy vokatry ny fony loatra no nanaovany izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo teny izay manoritsoritra momba ny fihetsika tokony asehontsika rehefa mankatò ny Tompo isika.

  • Inona avy ireo teny izay mampianatra momba ny fihetsika tokony haseho manoloana ny fankatoavana?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tokony hankatò ny Tompo amin’ny fontsika sy ny saintsika marisika isika.

  • Inona, araka ny hevitrao, no dikan’ny hoe mankatò ny Tompo amin’ny “fo sy saina marisika”?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay nankatoavany ny Tompo tamin’ny fony sy ny sainy marisika.

  • Inona no nampiavaka izany tamin’ny fotoana izay tsy nankatoavanao an-tsitrapo? (Azonao atao koa ny mizara traikefa toy izany, raha tianao.)

Amafiso fa araka ny andininy 34 dia higoka ny fitahian’ny Ziona ireo izay mankatò ny Tompo amin’ny fo sy ny sainy amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:41–43 Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny fampahalalana momba ny fananganana anʼi Ziona amin’izao androntsika izao. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo dia hazavao fa amin’ny andro farany, i Ziona dia haorina manerana ny firenen-drehetra izay misy vahoaka mankatò ny Tompo amin’ny fony sy ny sainy marisika.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny Tompo amin’ny fonao sy ny sainao. Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba ahafahany mankatò ny Tompo an-tsitrapo sy am-paharisihana. Entano izy ireo mba hijery ny fahasamihafana entin’izay karazana fankatoavana izay eo amin’ny fiainany.

Fanamarihana: Rehefa avy nampianatra ny anjara lesony ireo mpianatra ireo dia isaory izy ireo noho ny asa vitany. Mijoroa ho vavolombelona fa mendrika ny fankatoavana sy ny fahafoizan-tena izay takian’ny Tompo amintsika ny fitahiana nampanantenaina. Angataho ny mpianatra iray mba hamintina ny zavatra nianaran’ny iray kilasy androany sy hanazava ny fomba hampiharany ireny fitsipika ireny.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20 Didiana i Isaac Morley mba hivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany

Tamin’ny fotoana izay nanomezan’ny Tompo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64dia tany Missouri i Isaac Morley, kanefa nanome fahefana ara-dalana an’i Titus Billings, zaodahiny, izy mba hisolo toerana azy. Izay koa no antony nahatonga an’i Titus Billings nahazo toromarika hivarotra ilay toeram-piompiana sy fambolena (jereo ny F&F 63:39). Sahabo ho 32.5 hektara tamin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Isaac Morley no namidin’i Titus Billings tamin’i Richie sy Hercules Carrell ny volana Ôktôbra 1831. (Mba hahitana ny toeram-piompiana sy fambolen’i Isaac Morley dia jereo ny Sarin’ny Toerana Manan-tantara ho an’ny Fiangonana, Sarintany 4, “Kirtland, Ohio, 1830–38.”)