Seminera
Lesona 40: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35


Lesona 40

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35

Fampidirana

Tao anatin’ny enim-bolana nananganana ny Fiangonana dia nantsoina hitory ny filazantsara tamin’ireo Amerikana Indiàna i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany (jereo ny F&F 28:8; 30:5). I Ziba Peterson sy i Parley P. Pratt dia nantsoina fotoana fohy taorian’izay mba hiaraka tamin’izy ireo (jereo ny F&F 32). Teny amin’ny lalan’izy ireo ho any amin’ny sisin-tany andrefan’i Missouri dia nijanona tao Mentor, Ohio sy tao Kirtland, Ohio izy ireo, izay toerana nizaran’izy ireo ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara niaraka tamin’ny naman’ny Loholona Pratt sy i Sidney Rigdon izay mpitandrina teo aloha. Tao anatin’ny fotoana fohy dia olona 100 mahery no natao batisa, tao anatin’izany i Sidney Rigdon sy ireo mpikambana maro tao amin’ny fiangonany. Izany dia nampitombo mihoatra ny avo roa heny ny isan’ny mpikambana rehetra tao amin’ny Fiangonana.

Rehefa nandao ny amin’ny faritr’i Kirtland ireo loholona mba hanohy ny dian’izy ireo dia nandeha tany Fayette, New York i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge izany namany, mba hihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 i Joseph. Tao anatin’izany ny Tompo dia nanome andraikitra maromaro voafaritra tsara tao anatin’ilay Fiangonana naverina tamin’ny laoniny vao haingana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1–12

Milaza ny Tompo fa nanomana an’i Sidney Rigdon ho amin’ny asa lehibe kokoa Izy

Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao hahafantatra fa mahafantatra anao ny Tompo ary manana drafitra ho an’ny fiainanao Izy?

Hanombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra hizara ny valinteniny amin’io fanontaniana io raha toa ka tsy mampaninona azy ireo ny manao izany.

Hazavao fa ny Tompo ao amin’ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 amin’izao fotoana izao dia niresaka tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Sidney Rigdon, izay vao natao batisa ary noraisina ho mpikambana. Niresaka tamin’i Sidney mikasika ny anjara asany amin’ny fanampiana ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Amporisiho ireo mpianatra hanohy hieritreritra ilay fanontaniana eo amin’ny solaitrabe rehefa mandalina ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Sidney izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny tantaram-piainan’i Sidney Rigdon dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ity lesona ity. Dia asao avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny porofo fa nahafantatra an’i Sidney Rigdon sy ny asany ny Tompo.

  • Inona no porofo hitanareo fa nahafantatra an’i Sidney Rigdon ny Tompo?

  • Inona no lazain’ireo andininy ireo mikasika ny fifandraisan’ny Tompo amintsika? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Mahafantatra antsika ny Tompo ary manana asa ampanaovina antsika tsirairay avy.)

  • Nahoana no zava-dehibe aminao io fahamarinana io?

Mba hanamafisana fa mahafantatra antsika tsirairay ny Tompo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa efa nahafantatra anareo tsirairay Andriamanitra … efa hatry ny ela dia ela (jereo ny F&F 93:23). Efa nitia anareo nandritra ny fotoana ela dia ela Izy. … Fantany ny anaranareo sy ny ratram-ponareo ary ireo fifalianareo!” (“Remember How Merciful the Lord Hath Been,” Ensign na Liahona, mey 2004, 46).

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

Asehoy ny sarin’i Jaona Mpanao Batisa nitory teny na i Jaona nanao batisa ny Mpamonjy (jereo ny Jaona Mpanao Batisa nanao batisa an’i Jesoa, Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 35; jereo ihany koa ny LDS.org). Angataho ireo mpianatra hamantatra hoe iza i Jaona Mpanao Batisa ary tamin’ny fomba ahoana no nanomanany ny hafa tamin’ny fiavian’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:4–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra mampitovy an’i Sidney Rigdon amin’i Jaona Mpanao Batisa.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4 dia inona no mampitovy an’i Sidney amin’i Jaona Mpanao Batisa? (Nanomana ny hafa handray ny fahafenoan’ny filazantsara izy.)

  • Nilaza ny Tompo fa i Sidney dia hanao “asa lehibe kokoa” noho ny asa izay efa nataony (F&F 35:3). Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:6 dia inona no ampahany tamin’io “asa lehibe kokoa” io? (Izy dia hanampy ny hafa handray ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fahefana tena izy.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hanampian’ireo zavatra iainan’izy ireo sy ireo toe-javatra iainany hanomana azy ireo amin’ny “asa lehibe kokoa” amin’ny hoavy. Azonao atao ny manome azy ireo minitra vitsy hanoratana mikasika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Hazavao ilay andian-teny hoe “ary tsy fantatrao izany” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:4. Hazavao fa talohan’ny nahafantaran’i Sidney mikasika ny Fiangon’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia efa nanomana ny tenany sy ny hafa handray izany izy. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny fampiasana ny Baiboly mba hampianarana ny olona tao amin’ny fiangonany tao Ohio. Mijoroa ho vavolombelona fa na dia mety tsy mahafantatra ireo asa manokana izay miandry antsika avy amin’ny Tompo aza isika dia afaka mahatoky isika fa mahafantatra antsika Izy. Rehefa miezaka ny hanaraka Azy isika dia hanampy antsika Izy amin’ny fanatanterahana ny asa izay tiany ataontsika.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:7–11. Angataho izy ireo hitady ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainan’ireo izay mino sy mampihatra finoana an’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay manaraka Azy amim-pinoana? (Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Haneho fahagagana sy famantarana ary zava-mahatalanjona ny Tompo araka ny finoana ananan’ireo izay mino ny anarany.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mifandray akaiky amin’ny finoana ny fahagagana sy ny famantarana ary ny zava-mahatalanjona?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–19

Mampanantena ny hanampy ireo izay antsoiny hanao ny asany ny Tompo

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa manangana ekipa mpanao fanatanjahantena izy ireo. Angataho izy ireo hamaritra ny tanjaka sy ny fahaizana izay irian’izy ireo hananan’ireo mpilalaony.

Hazavao fa ny Tompo ao amin’io fanambarana io dia mamaritra ireo izay antsoiny hitondra fanampiana ao anatin’ny asa amin’ny andro farany amin’ny fananganana ny fanjakany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13 ary asao ny mpianatra rehetra hamantatra ireo toetoetran’ireo izay fidian’ny Tompo hanampy amin’ny fanaovana ny asany.

  • Inona ireo andian-teny ao amin’ity andininy ity izay mamaritra ireo olona antsoin’ny Tompo hanampy amin’ny fanaovana ny asany?

  • Amin’ny fomba ahoana no handraisana ireo izay antsoin’ny Tompo hanampy amin’ny fanaovana ny asany ho toy “ireo malemy amin’ izao tontolo izao”?

  • Nahoana ireo izay raisin’izao tontolo izao ho malemy no mety ho olona tsara azo raisina amin’ny fanampiana ny Tompo hanatanteraka ny asany?

Hazavao fa ilay teny hoe hively () ao amin’io andininy io dia entina ilazana ny fivelezana voa. Ny fivelezana dia dingana arahina hampisarahana ny voa, toy ny varim-bazaha, amin’ny tahony sy ny hodiny. Tazonina ilay voa ary ariana ny tahony sy ny hodiny.

  • Inona aminareo no dikan’ilay andian-teny hoe “hively ireo firenena amin’ ny herin’ ny Fanahiko”? (Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hahatakatra fa izy io dia entina ilazana ny ezaka ataon’ny Tompo hampisaraka sy hanangona ireo olona izay vonona ny handray ny filazantsara amin’ireo izay tsy vonona.)

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 13? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, saingy tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Miantso ireo malemy Andriamanitra hanatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’io fahamarinana io ny olona iray izay matahotra ny hanao asa fitoriana ny filazantsara? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany ny olona iray izay nasaina hampianatra ao am-piangonana kanefa mahatsapa ho tsy mahay? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany ny olona iray izay mahatsapa fitaomam-panahy hizara ny filazantsara kanefa tsy mahafantatra izay tokony holazaina na izay tokony hatao?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:14–15 mba hitady ireo fomba nampanantenain’ny Tompo mba hampatanjahana ireo izay manampy amin’ny fanaovana ny asany.

  • Inona ireo andian-teny sasantsasany ao amin’ireo andininy ireo izay mamaritra ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa manampy amin’ny fanaovana ny asany isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:17–19, 22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Sidney Rigdon mikasika ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo an’i Sidney Rigdon mikasika ny Mpaminany Joseph Smith? (“Ambeno izy mba tsy ho lefy ny finoany,” “mitomoera miaraka aminy,” ary “aza mahafoy azy.”)

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra io torohevitra io mikasika ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:20–27

Nandidy an’i Sidney Rigdon ny Tompo mba hanoratra ho an’i Joseph Smith, hitory ny filazantsara ary hitandrina ireo fanekempihavanana nataony

Angataho ny mpianatra hamaritra ireo antsony na andraikiny ao amin’ny Fiangonana. Dia asao avy eo ireo mpianatra hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:20–23 ao anatin’ny fahanginana mba hitady ireo andraikitra manokana niantsoan’ny Tompo an’i Sidney Rigdon mba hataony.

  • Inona avy ireo andraikitra niantsoan’ny Tompo an’i Sidney Rigdon mba hataony?

Hazavao fa ny iray tamin’ireo andraikitr’i Sidney dia ny ho mpanoratra ho an’i Joseph Smith. I Oliver Cowdery sy i John Whitmer izay mpitantsoratr’i Joseph teo aloha dia nantsoina hamita iraka. Vita talohan’izay fotoana izay ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, kanefa nandidy an’i Joseph ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ireo ampahany tamin’ny lahatsoratry ny Baiboly tamin’ny fandikana voalohany izay very na novaina. Nila mpitantsoratra i Joseph mba hanampy azy tamin’io asa io. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Dikantenin’i Joseph Smith.”)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24–25. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Sidney raha mitandrina ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo izy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe hampihorohoro ny lanitra ny Tompo mba ho tombontsoanareo? (Hevitra iray azo heverina fa fonosin’izany ny hoe handefa ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra ny Tompo mba hanampiana antsika hanatanteraka ny asany sy handresy ny ratsy. Jereo koa ny F&F 21:6.)

Asao ireo mpianatra hamintina an’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fitadiavana fitsipika iray mikasika ny fomba ahafahantsika ho mahomby amin’ny fanatanterahana ny asa izay tian’ Andriamanitra hataontsika. Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hahitana taratra ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Rehefa mitandrina ny didy sy manaja ny fanekempihavanana nataontsika isika dia hanampy antsika hanatanteraka ny asany ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany.

Sariho ho amin’ireo fahamarinana telo voasoratra eo amin’ny solaitrabe ny sain’ireo mpianatra:

Mahafantatra antsika ny Tompo ary manana asa ampanaovina antsika tsirairay avy.

Andriamanitra dia miantso ireo izay malemy mba hanatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny.

Rehefa mitandrina ny didy sy manaja ny fanekempihavanana nataontsika isika dia hanampy antsika hanatanteraka ny asany ny Tompo.

  • Inona no ifandraisan’ireo fahamarinana telo eo amin’ny solaitrabe ?

  • Oviana ianao (na ny olona iray fantatrao) no nahazo ny fanampian’ny Tompo rehefa nikatsaka ny hanatanteraka ny asany?

Mba hamaranana ny lesona dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:26–27.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 dia inona avy ireo antony izay heverinareo fa nananan’i Sidney Rigdon sy i Joseph Smith mba hanandratany ny fony ka hifaliany?

Asao ireo mpianatra hizara ireo antony ananan’izy ireo mba hanandratana ny fony ka hifaly. Azonao atao ny manampy izany amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fahavononan’ny Tompo hanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hanampy amin’ny fanaovana ny asany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:3–4. “Efa nomaniko ho amin’ny asa lehibe kokoa ianao”

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanekena ny drafitry ny Tompo ho an’ny fiainantsika:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny finoana sy ny fahatokiana ny Tompo dia manome antsika hery hanaiky sy hijoro hatrany na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainantsika. …

“… Aza miantehitra amin’ny fanaovana drafitra ny amin’ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainanao—eny fa na dia ireo zava-mitranga tena manan-danja aza. Mivonona hatrany mba hanaiky ny drafitry ny Tompo sy ny fahafahan’ny hafa misafidy amin’ireo zavatra izay tsy maintsy miantraika aminao. Eny, tokony hanao drafitra ianao, kanefa aoreno amin’ny fanolorantena ataon’ny tenanao manokana izay hitondra anao eo amin’ny fiainana na inona na inona mitranga ny drafitrao. Aoreno amin’ireo fitsipika mandrakizay ny fiainanao ary araho ireo fitsipika ireo na inona na inona toe-javatra miseho ary na inona na inona ataon’ny hafa. Dia ho afaka ny hiandry ny fotoan’ny Tompo ianao ary ho azonao antoka ny vokatra ho azo avy amin’izany mandrakizay” (“Timing,” Ensign, ôkt. 2003, 17).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–14. “Ireo malemy amin’ izao tontolo izao”

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe :

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy manana mpitondra fivavahana karamaina ny Fiangonana. Ireo olona antsoina hitana ireo andraikitra amin’ny fitarihana maneran-tany dia alaina avy amin’ireo mpiangona. …

“Ny zavatra rehetra atao ao amin’ny Fiangonana—ny fanasitranana, ny fampianarana, ny fiantsoana, ny fanokanana, ny fivavahana, ny fihirana, ny fanomanana ny fanasan’ny Tompo, ny fanomezana torohevitra, ary ny zavatra hafa rehetra—dia ataon’ireo mpikambana tsotra, dia ‘ireo malemy amin’izao tontolo izao’” (“The Weak and the Simple of the Church,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 6–7).

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome an’ity fampaherezana manaraka ity ho an’ireo izay mahatsapa ho tena tsy mahay na trotraka amin’ny fitondrana fanampiana amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ho anareo mpikamban’ny Fiangonana izay misalasala noho ny fahatsapana tsy fananana fahaiza-manao dia miangavy anareo aho mba handroso hatrany, hiasa mafy ho an’ny asan’ny Tompo, ary hiasa hatrany. Na dia mahatsapa aza ianareo fa kely ihany ny hery ahafahanareo manampy, dia mila anareo ny Fiangonana. Ny Tompo dia mila anareo. Tadidio fa matetika ny Tompo no mifidy ‘ireo zavatra malemy amin’izao tontolo izao’ mba hanatanterahana ny tanjony. [F&F 1:19.]

“Ho anareo rehetra izay trotraka, aoka ny teny mampaherin’ny Mpamonjy hampionona anareo: ‘Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izany mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.’ [Matio 11:28.] Aoka isika hiantehitra amin’izany fampanantenana izany. Ny herin’ Andriamanitra dia afaka hameno hery sy tanjaka ny fanahintsika sy ny vatantsika. Mamporisika anareo aho hikatsaka izany fitahiana izany avy amin’ny Tompo.

“Manakaikeza Azy dia hanakaiky anareo Izy fa efa nampanantena Izy hoe: ‘fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.’ [Isaia 40:31.] …

“Tadidio fa indraindray dia ireo izay mandeha miadana amin’ny voalohany no lasa lavitra indrindra any amin’ny farany” (Mitady ny Iray,”Ensign na Liahona, mey 2008, 18).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–14. “Hosikinako ny valahany”

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson fa hanampy antsika hanatanteraka ny asany ny Tompo:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Mety misy sasany aminareo izay efa saron-kenatra mihitsy na mihevitra ny tenany ho tsy sahaza ny antso iray ka tsy afaka manaiky izany. Tsarovy fa ity asa ity dia tsy anao sy ahy irery. Asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa irahin’ny Tompo isika, dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo. Tsarovy fa ny Tompo no hanefy ilay soroka mba hahazakany ny entana apetraka eo aminy” (“Mianara, manaova, meteza,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 62).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:19, 22. “Ambeno izy … , mitomoera miaraka aminy, … aza mahafoy azy”

Nandidy an’i Sidney Rigdon ny Tompo mba hiambina an’i [Joseph Smith] sy hitoetra miaraka aminy ary tsy hahafoy azy (F&F 35:19, 22). Na dia niala ny Fiangonana aza i Sydney taorian’ny nahafaty ho maritiora an’i Joseph Smith dia nahatoky mandrakariva izy tamin’ny fahavelon’ny Mpaminany. Mpitarika nazoto sy nahatoky tao amin’ny Fiangonana izy, ilay hany mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay nanompo nandritra ny fotoana rehetra nitantanan’i Joseph Smith ny Fiangonana tamin’ny naha-filohan’ny Fiangonana azy. Niaritra fahoriana tena mafy teo anilan’ny Mpaminany i Sidney ary niaina ireo fiasan’ny Fanahy tamin’ny fomba lehibe niaraka tamin’ny Mpaminany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:20. Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith

“Ny soratra masina dia homena, araka ny maha-izy azy ao an-tratrako” (F&F 35:20). Io andininy io dia midika fa ny asa nataon’i Joseph Smith tamin’ny fandikana avy amin’ny fitaomam-panahy ny Baiboly dia tokony hihoatra ny famerenana amin’ny laoniny fotsiny ihany ireo lahatsoratra tany am-piandohana ao amin’ny Baiboly. Izany kosa dia midika fa tokony hampita ny hafatra izay tian’ny Tompo ampitaina ny lahatsoratra ao amin’ny Baiboly. Vokatr’izany dia tsy nanitsy fotsiny ny lahatsoratry ny Baiboly i Joseph, fa nentanim-panahy ihany koa izy hanampy ireo zavatra efa voarakitra tany am-piandohana mba hanome antsika fahatakarana feno kokoa ny amin’ireo fahamarinana irian’ny Tompo mba ho takatsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:23. “Hitanisa an’ ireo mpaminany masina mba hanamarina ny teniny”

Mpitory filazantsara nanana traikefa sy nahalala tsara ny Baiboly i Sidney Rigdon. Nasain’ny Tompo nampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo izy mba hitoriana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy hampiasa ireo fampianaran’ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly mba hanohanana ny tenin’i Joseph.