Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–76:80 (Fizarana 16)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–76:80 (Fizarana 16)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–76:80 (fizarana 16) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–74)

Rehefa nandalina ny fiantsoan’ny Tompo an’i Newel K. Whitney ho eveka ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa ireo antso hanompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny Mpamonjy. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny eveka sy ny filohan’ny sampana dia mitantana ireo raharaha ara-nofo sy ara-panahin’ny Fiangonana ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo. Rehefa nianatra momba ny asan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fandikana nentaninm-panahy ny Baiboly ireo mpianatra dia nahita izy ireo mikasika ilay fitsipika hoe masina sy voadio tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zazakely.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny torolalan’ny Tompo ho an’ny vondrona loholona tao amin’ny Fiangonana dia nianatra ireo mpianatra momba ny fitahiana izay omen’ny Tompo ireo izay mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara. Nahita ireo mpianatra avy tamin’ny torohevitry ny Tompo ho an’ny vondrona loholona hafa fa mandidy antsika mba hazoto amin’ny zava-drehetra Izy.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–49)

Rehefa nisaintsaina momba ny dikan’ny Jaona 5:29 ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia nandray fahitana avy tamin’ny Tompo izy ireo. Talohan’ny nandalinana ilay fahitana dia nahita fitsipika mikasika ny fahavononan’ny Tompo hanambara fahamarinana ny mpianatra. Rehefa nandalina ny tapany voalohan’ilay fahitana ny mpianatra dia nahita fotopampianarana isan-karazany momba an’i Jesoa Kristy sy Satana izy ireo. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa ny zanak’ Andriamanitra rehetra, ankoatra ireo zanaky ny fahaverezana dia afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotana no sady voavonjy amin’ny fahafatesana amin’ ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80)

Rehefa nandalina ny zavatra hitan’ny Mpaminany Joseph Smith sy Sidney Rigdon nandritra ilay fahitana mikasika ny fanjakana selestialy ireo mpianatra dia namantatra ireo fitahiana mandrakizay izay homena an’ireo izay nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa sy mitandrina ny didiny. Nahita ihany koa ny mpianatra fa afaka ho atao tanteraka isika amin’ny alalan’ny Sorompanavaotan’i Jesoa Kristy. Nianatra ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny fampitahana ny fanjakana selestialy amin’ny fanjakana terestrialy fa raha maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa isika dia afaka mandray ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.

Fampidirana

Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny zavatra nianaran’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon momba ny Mpamonjy sy ny fanjakana selestialy sy terestrialy tamin’ny alalan’ilay fahitana voarakitra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fanamarihana: Mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ilay soratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41, dia azonao atao ny manonona izany miaraka amin’izy ireo rehefa hanomboka na hamarana ny lesona ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24

I Joseph Smith sy Sidney Rigdon dia nahita fahitana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

Ho an’ny hira mandritra ny vatsim-panahy dia asao ny iray kilasy hihira ny hoe “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana, pejy 76). Ny tonin’io hira io dia mety hanampy ireo mpianatra hahatsapa ny herin’ny fitsipika izay hianarany anio.

Asao ireo mpianatra hieritreritra ity toe-javatra manaraka ity: Raha mbola tao an-dakilasy iray tany am-pianarana ianao dia manomboka miresaka mikasika ny fivavahana maneran-tany ny mpampianatrao. Rehefa noresahina ny momba ny Kristianina dia nangataka ilay mpampianatra raha toa ka misy Kristianina ao an-dakilasy izay vonona ny hizara ny finoany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Raha toa ka ianao no tao anatin’io toe-javatra io dia inona no holazainao momba ny finoanao sy ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa afaka mianatra fahamarinana maro momba an’i Jesoa Kristy isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Ampio ireo mpianatra hamerina hijery ny zava-niseho tamin’ity fanambarana ity amin’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon talohan’ny nandraisan’izy ireo ilay fahitana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76? (Raha ilaina dia amporisiho ireo mpianatra hanao famerenana ny sasin-tenin’ny fizarana.)

  • Iza no hitan’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon voalohany tao amin’ilay fahitana? (Raha tsy tsy tadidin’ny mpianatra ny valiny dia asao izy ireo hijery haingana izany ao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ireo fahamarinana nianaran’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon momba an’i Jesoa Kristy.

  • Inona ireo fahamarinana nianaran’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ilay fahitana? (Asao ny mpianatra iray hanao lisitra ireo valiny eny amin’ny solaitrabe.)

Mety hahita karazana fotopampianarana maro samihafa ny mpianatra, anisan’izany ity manaraka ity: Velona sy be voninahitra i Jesoa Kristy; olona roa miavaka tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy; i Jesoa Kristy irery ihany no Zanaka Lahitokan’ny Ray; Jesoa Kristy no Mpahary an’ity tontolo ity sy ny tontolo hafa; ary zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra isika. (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay fitsipika farany dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Môsià 5:7.)

  • Iza amin’ireo fotopampianarana ireo no azonao hijoroana ho vavolombelona? Ahoana no ahafantaranao fa marina izany?

Hevero ny hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24 dia soratra masina fehezina. Asaivo manonona olona hafa nisehoan’i Jesoa Kristy ankoatra ny Mpaminany Joseph Smith sy Sidney Rigdon izy ireo. (Nandritra ny lesona ho an’ny Andro 3 ho an’ny fandalinana any an-trano dia nasaina nitady soratra masina mifandray momba ny zava-nitranga tao amin’ny soratra masina izay nijoroan’ny mpaminany ho vavolombelona ny nahitany ny Mpamonjy ireo mpianatra. Mba hahitana ohatra dia jereo ny Eksodosy 33:11; 1 Mpanjaka 11:9; ary Isaia 6:5; jereo koa ny Matio 5:8.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80

I Joseph Smith sy Sidney Rigdon dia nahita ny fanjakana selestialy sy terestrialy tao amin’ny fahitana

Asaivo milaza toerana sasantsasany tiany aleha mandritra ny fialan-tsasatra ireo mpianatra. (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.) Ataovy anaty faribolana ny iray amin’ireo toerana eny amin’ny solaitrabe. Asaivo fariparitan’ireo mpianatra ny lalana tokony halehany mba hahatongavana any amin’ilay toerana nofidiany. Mifidiana toerana iray hafa avy amin’ireo izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe izay tena tsy mitovy mihitsy amin’ny ilay toerana voalohany nofidiana.

  • Hitondra anao any amin’ity toerana faharoa ity ve ny fanarahanao ilay lalana nofariparitana ho an’ilay toerana voalohany?

  • Ahoana ny toerana tianao hahatongavana no miantefa amin’ny lalana tsy maintsy ho raisinao mba hahatongavana any?

Asao ireo mpianatra hanokatra ny boky torolalana ho an’ny mpianatra ao amin’ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: Famintinana ilay Fahitana” ao amin’ny leson’ny Andro 3.

Sary
ireo fanjakam-boninahitra
  • Inona no hifandraisan’ny resatsika momba ny lalana sy toerana tiana hahatongavana amin’ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76? (Avy amin’ity fahitana ity dia mianatra momba ny lalana na safidy izay mitondra any amin’ny toerana mety hisiantsika mandrakizay isika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–53, izay mamariparitra ny lalana mankany amin’ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:72–79, izay mamariparitra ny lalana mankany amin’ny fanjakana terestrialy. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny fahasamihafana misy eo amin’ny lalana mankany amin’ny fanjakana selestialy sy ny lalana mankany amin’ny fanjakana terestrialy.

  • Inona ireo fahasamihafana sasany hitanao momba ireo izay mandova ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy sy ireo izay mandova ny fanjakana terestrialy? (Isan’ny fahasamihafana lehibe mety hitan’ny mpianatra ny hoe ireo mpandova ny fanjakana terestrialy “dia tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” [F&F 76:79].)

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–53 ka hitady fitsipika iray izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika tsy feno manaraka ity: Raha maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa isika, …

  • Ahoana no hamenoanao io fitsipika io avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 51–53? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra nefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa isika, dia afaka mandray ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny hevitrao no mahasamihafa ny fananana tenivavolombelon’ny Mpamonjy sy ny maherifo amin’io tenivavolombelona io?

  • Inona ireo zavatra atao na fihetsika sasany tokony hitanao eo amin’ny olona maherifo amin’ny tenivavolombelon’ny Mpamonjy?

  • Inona no nanampy anao ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa isika tsirairay avy dia afaka mandray ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Asao izy ireo handinika raha toa ka mitondra azy ireo mankany amin’ny toerana hisiana mandrakizay izay hitondra ny fifaliana lehibe indrindra ho azy ireo ny safidy ataon’izy ireo amin’izao fotoana. Amporisiho izy ireo mba ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119; 77–83)

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinana mandritra ny herinandro ho avy dia azonao atao ny manasa azy ireo mba handinika ireto manaraka ireto: Nahoana ny Tompo no mitaky bebe kokoa avy amin’ireo nandray fahazavana sy fahalalana bebe kokoa? Ankoatra ny famaranan’ny mpianatra ny fandalinany ny fahitana nomena an’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia hianatra momba ny zavatra takian’ny Tompo amin’ireo izay nomeny betsaka izy ireo ao amin’ny fizarana manaraka. Hamaky mikasika ny fanazavana ny “zava-manan-aina efatra” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 4:6–9 koa ny mpianatra.