Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–12 (Fizarana 24)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–112 (Fizarana 24)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–112 (fizarana 24) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109)

Rehefa nandalina ny vavaky ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland ireo mpianatra dia nahita ny antony sasany hananganantsika tempoly. Nianatra izy ireo fa raha manompo amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly isika dia hiseho amintsika ny Tompo, hitafy antsika amin’ny hery sy amin’ny fanampiany Izy ary hitahy antsika mba tsy hahafahan’ny faharatsiana mandresy antsika. Ny zavatra niainan’ny Olomasina nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia mitovy tamin’ny lafiny maro tamin’ny zava-nitranga tamin’ny Apôstôly fahiny tamin’ny andron’ny Pentekôsta (jereo ny Asan’ny Apostpoly 2).

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110)

I Jesoa Kristy dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery, izay anisan’ny fitahiana noraisin’ny Olomasina tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Nianatra ireo mpianatra fa raha mankatò ny didin’ny Tompo isika sy mitandrina ny tranony ho madio dia haneho ny Tenany amintsika ao amin’ny tempoliny Izy. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa i Mosesy sy Elià ary Elia dia niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana ho an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery. Nianatra ny mpianatra fa ny fanalahidin’ny asa fitoriana sy ny fianakaviana mandrakizay ary ny asa atao any amin’ny tempoly dia manomana antsika amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111)

Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith tany Salem, Massachusetts fa ny Tompo dia afaka mitondra soa avy amin’ny ezaka ataontsika amim-kitsimpo. Nianatra ihany koa izy ireo fa afaka mandray ny torolalan’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fiadanana sy herin’ny Fanahiny.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112)

Nianatra ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny torohevitra ho an’i Thomas B. Marsh fa raha manetry tena isika dia hitarika antsika sy hamaly ny vavaka ataontsika ny Tompo. Ny Tompo dia nilaza tamin’ny Filoha Marsh fa amin’ny maha Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy dia mihazona ireo fanalahidy hitarihana ny asan’ny Roambinifololahy amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny firenena rehetra izy. Ireo fanalahidy ireo dia naverina tamin’ny laoniny farany mandritra ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa tsy maintsy mahatoky izy ireo mba hahafahany mandray ireo fitahiana nampanantenan’ny Tompo.

Fampidirana

Tao anatin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland no nivavahan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny hafa. Taorian’ny fanokanana ny tempoly dia nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery ny mpaminany avy tamin’ny fotoampitantanana fahiny, ka anisan’izany ny fanalahidin’ny famehezana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–53

Mangataka amin’ny Ray any An-danitra i Joseph Smith mba hanampy ireo Olomasina any Missouri

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina fa manana olana na mijaly ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Rehefa nahazo fotoana hieritreretana izy ireo dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanesorana ny fijalian’ny olona iray?

Rehefa avy nizara hevitra vitsivitsy ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo fa nijaly be ireo Olomasina tany Missouri noho ny herisetra nataon’ireo mpihetraketraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Ireo Olomasina tahaka azy ireo dia nahatsiaro azy ireo nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ampahan’ny vavaka fanokanana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–49. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady zavatra iray izay azontsika atao mba hanampiana ny hafa mandritra ireo fotoan-tsarotra.

  • Inona no nataon’ny Mpaminany ho an’ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland?

Asao ny mpianatra iray mba ho mpitantsoratra eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra mba hanolotra fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo teny tao amin’ny vavaky ny Mpaminany ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Rehefa mamaly ny mpianatra dia afaka manoratra izao fitsipika manaraka izao ilay mpitantsoratra: Afaka mitondra fanampiana sy tanjaka ho an’ireo izay sahirana ny vavaka ataontsika.

  • Oviana no nahatsapanao na nahitanao ny herin’ny vavaka izay nanampy ny olona sahirana iray? (Azonao atao ny manamarika fa ny vavaka toy izany indraindray dia valiana amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy azontsika mba hanampiana ny hafa. Azonao atao ihany koa ny mizara ny nahitanao ny fahatanterahan’io fitsipika io teo amin’ny fiainanao.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:50. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady hoe nivavaka ho an’iza koa ny Mpaminany.

  • Nivavaka ho an’iza koa ny Mpaminany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tokony hivavaka ho an’ireo fahavalontsika isika?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:50 momba ny mety ho fiantraikan’ny vavaka ataontsika amin’ny hafa? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asaivo manoratra izao fitsipika manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ilay mpitantsoratra: Afaka mitaona ny olona hibebaka ireo vavaka ataontsika. Dia asao ilay mpitantsoratra mba hipetraka.)

Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Ahoana raha toa ka misafidy ny tsy hibebaka ireo olona izay nanaovantsika vavaka?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:51–53. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo andian-teny izay miaiky ny sitrapon’ny Tompo sy ny fahafahana misafidin’ny hafa. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. (Mialoha ny hamakian’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina ireo dia azonao atao ny manazava fa rehefa ahitana fanambarana momba ny Tompo izay mampatanjaka ny sandriny ny Soratra Masina dia milaza izany fa mampiseho ny heriny Izy.)

Asao ny mpianatra iray mba hamerina hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:53. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady izay ho ataon’ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay tsy mibebaka. (Mety mila manazava ianao fa ny fisafoahan’ Andriamanitra matetika dia ambara amin’ny fanasaziana na fahoriana izay iainantsika noho ny fahotantsika, araka ny fahamarinany. Ilay andian-teny hoe “rehefa mijery ny tavan’ny Voahosotrao” dia milaza ny fahavononan’ny Ray any An-danitra hanome famindrampo noho ny sorompanavotan’ny Zanany, Jesoa Kristy.)

  • Nahoana ny Ray any An-danitra no hampihodina ny fisafoahany amin’ireo izay mibebaka? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ampio izy ireo mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hiala amin’ireo izay mibebaka ny fisafoahan’ny Ray any An-danitra.)

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny famariparitana ao amin’ny andininy 53, dia asao izy ireo mba hanao izao manaraka izao:

Alaivo sary an-tsaina hoe mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina ny mpikambana iray tao amin’ny mpihetraketraka tsy tia Môrmôna. Izao dia alaivo sary an-tsaina hoe taona maro talohan’ny nahafatesan’izany olona izany dia nibebaka marina izy ary nangataka ny ho voavela heloka sy havotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Satria nijaly noho ny fahotan’ity olona ity i Jesoa Kristy dia hampihodina ny sazy ny Ray any an-danitra ka hanolotra famindrampo ho an’ity mpanota nibebaka ity.

  • Inona no fihetsika ilain’ny olona hananana mba hahafahana mivavaka amim-kitsimpo tokoa ho an’ny fampihodinan’ny fisafoahan’ny Ray any an-danitra amin’ny fahavalony?

Amporisiho ny mpianatra mba hikolokolo izany fihetsika izany amin’ireo izay nanafintohina azy ireo na nanao izay nampijaly azy ireo. Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina ny olona toy izany izay mijoro eo anoloan’ny Ray any An-danitra sady efa nibebaka. Asao ny mpianatra mba hivavaka, tahaka ny nataon’i Joseph Smith, ho an’ireo olona izay nanafintohina azy ireo na nanota tamin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16.

I Elia dia nanolotra ny fanalahidin’ny famehezana tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny faraparan’ny herinandron’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery tao amin’io tempoly io ny Tompo. Asao ny mpianatra hijery ao amin’ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 ka hijery ny daty nitrangan’ilay fahitana. Rehefa hitan’izy ireo izany dia hazavao fa ny faran’ny herinandron’ny 3 aprily 1836 no Paska Jiosy manerana an’izao tontolo izao. Nandritra ny taon-jato maro no nametrahan’ny fianakaviana Jiosy seza banga iray tamin’ireo lanonan’ny Paska an’izy ireo, niandrandra ny fiverenan’i Elia mba “hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy” (Malakia 4:6).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16. Asaivo manaraka ny rehetra ka hitady ny fomba nahatanteraka ny faminanian’i Malakia tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa i Elia dia nanolotra an’i Joseph Smith “ny herin’ny fisoronana, izay hifatoran’ny zava-drehetra sady any an-danitra no eto an-tany. Izany dia nanome fahefana an’i Joseph Smith mba hanatanteraka ireo ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny famonjena ho an’ny velona sy ny maty tao amin’ny tempolin’ Andriamanitra” (Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:118).

  • Inona no atolotsika ny razambentsika efa maty rehefa manampy amin’ny fanaovana ôrdônansy isoloana tena ho azy ireo any amin’ny tempoly isika? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manolotra famonjena ho an’ny razambentsika isika rehefa manao ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Azonao atao ny manome ny mpianatra tahadikan’ny fanambarana. Asaivo mihaino ireo fitahiana ho azon’ireo izay manampy amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly izy ireo.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ho fotoana nolaniana tamin’ny zavatra tsara ny fanaovanao asa any amin’ny tempoly na inona izany na inona, fa ny fanaovanao ôrdônansy isoloanao tena ny iray amin’ireo razambenao dia hahatonga ny fotoana lany any amin’ny tempoly ho masina kokoa, ary vao mainka ho lehibe kokoa aza ireo fitahiana ho azo. …

“Moa ve ianareo tanora maniry ny hanana fomba azo antoka hamongorana ny fitarihan’ny fahavalo eo amin’ny fiainanareo? Mirotsaha lalina amin’ny fikarohana ireo razambenareo, omano ny anarany hanaovana ireo ôrdônansy masina isoloana tena any amin’ny tempoly ary avy eo mandehana any amin’ny tempoly mba hijoro eo amin’ny toerany sy hisolo tena azy ireo handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Rehefa mihalehibe ianareo dia ho afaka ny handray anjara amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy hafa koa. Tsy mahita fiarovana lehibe kokoa hafa noho izany aho eo anatrehan’ny fitarihan’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo” (“Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93–94).

  • Inona avy ireo fitahiana azon’ireo izay manao ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

  • Oviana ianao no niaina na oaviana ny olona iray no hitanao niaina ny iray amin’ireo fitahiana ireo?

Asao ny mpianatra handinika izay azony atao mba hanatsarana ny ezaka amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly.

Fizarana manaraka (Nifindra nankany avaratr’i Missouri ny Fiangonana; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–120)

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fandalinany mandritra ny herinandro ambony dia azonao atao ny manasa azy ireo mba handinika izao manaraka izao: Ahoana no nandraisan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny anarany? Oviana no natomboka ny lalàn’ny fahafolonkarena? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka dia hianatra ny valin’ireo fanontaniana ireo izy ireo ary hianatra momba ny fomba hahafahantsika miantso ny fanampian’ Andriamanitra mba hijanonana ho marina amin’ny finoana sy ny fanekempihanana.