Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Ny Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana, Ny Fandaozana an’i Nauvoo, sy ny Dia Miankandrefana (Fizarana 30)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ny Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana, Ny Fandaozana an’i Nauvoo, sy ny Dia Miankandrefana (Fizarana 30)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-panaran’ny any an-trano

Ity manaraka ity dia famintinana fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny fizarana 30. Ity famintinana ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny fotopampianarana sy fitsipika vitsivitsy fotsiny ny lesona izay ho ampianarinao ho an’ny fizarana 30. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Andro 1 (Ny Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana)

Nianatra ireto fitsipika manaraka mikasika ny fifandimbiasana ao amin’ny fiadidiana ireto ny mpianatra: Ny Apôstôly dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra ilaina mba hitarihana ny Fiangonana. Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no lasa kôlejy mpiahy eo ambany fitarihan’ny Apôstôly ela niasana indrindra. Afaka mandray tenivavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika fa ireo izay mitarika ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra.

Andro 2 (Ny Fandaozana an’i Nauvoo; Ny Dia namakivaky an’i Iowa; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18)

Nianatra ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny fandalinana ny ezaka nataon’ny Olomasina mba hahavitana ny Tempolin’i Nauvoo alohan’ny tsy maintsy handaozana an’i Illinois fa mendrika ny ezaka ataontsika amim-pahamarinana sy fahafoizan-tenantsika rehetra ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny Tompo dia mitaky ny hiainantsika ny fanekempihavanana nataontsika.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–42)

Rehefa nandalina ny fanambarana voarakitra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa raha faly isika dia tokony hidera sy hisaotra ny Ray any an-danitra ary raha malahelo isika dia tokony hivavaka mba ho faly ny fanahintsika. Nianatra izy ireo fa ireo fitsapana dia afaka manomana antsika amin’ny fandraisana ny voninahitra natokan’ Andriamanitra ho antsika ary raha manetry ny tenantsika isika ka miantso an’ Andriamanitra dia hanazava antsika ny Fanahy avy eo. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha mazoto amin’ny fitandremana ireo didin’ny Tompo isika dia tsy hihatra amintsika ny fitsaran’ny Tompo avy eo, ka hatanjaka kokoa ny finoantsika ary tsy handresy antsika ny fahavalontsika.

Andro 4 (Ireo Mpamaky Lay Mitarika Sarety, 1856–60)

Nianatra ny mpianatra momba ny fitsapana ireo mpamaky lay mitarika sarety ary nahita izy ireo fa raha mijaly amim-paharetana ho an’ny filazantsara isika dia afaka ho masina amin’ny tsara. Nianatra izy ireo fa amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony hanampy ireo sahirana isika. Nianatra koa izy ireo fa raha maharitra fijaliana amim-pahatokiana isika dia hahafantatra an’ Andriamanitra bebe kokoa.

Fampidirana

Ireo mpianatra dia hahatakatra amin’ny alalan’ity lesona ity fa mampiasa finoana izy ireo rehefa manaraka torohevitra na torolalana avy amin’ny mpitarika ny Fiangonana. Hianatra ihany koa ny mpianatra fa ny Tompo dia hitahy azy ireo rehefa manampy ny sahirana sy manomana ny lalana ho azy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18

Ny Tompo dia nanoro hevitra ny Olomasina ny handaminan’izy ireo ny tenan’izy ireo sy ny hiomanan’izy ireo hanohy ny dia miankandrefana.

Tapeno ny mason’ny mpianatra iray ary apetraho amin’ny sisin’ny efitra iray izy. Ovao toerana avy eo ny entana sasany ao amin’ny efitrano fianarana, ary ataovy amin’ny fomba mitabataba izany mba hahafahan’ilay mpianatra mahafantatra fa novaina toerana ny entana ao an-dakilasy. Asao ilay mpianatra mitapi-maso hisafidy mpiara-mianatra iray mba hanoro lalana azy am-bava ka hanampy azy hifindra eny amin’ny toerana ilan’ny efitrano. Rehefa misafidy olona iray ilay mpianatra dia anontanio hoe:

  • Nahoana ianao no nifidy an’io olona io?

  • Ahoana no hiantefan’ny fahatokisantsika olona iray amin’ny fanarahantsika akaiky ny torolalana nomeny?

Asao ilay mpitarika hanome torolalana mba hahafahan’ilay mpianatra mitapi-maso handeha soa aman-tsara eny amin’ny ilan’ilay efitrano. Dia asaivo miverina eny amin’ny fitoerana nisy azy ireo ny mpianatra roa avy eo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andalan-tsoratra manaraka ity mikasika ny fifindra-monin’ireo Olomasina avy tany Nauvoo. Asao ny mpianatra hihaino ny mampitovy ny zavatra niainan’ny Olomasina amin’ny niainan’ilay mpianatra niampita ny efitrano fianarana.

Noho ny fatahorana herisetra avy amin’ireo mpihetraketraka tao an-toerana, dia nanomboka nandao an’i Nauvoo ireo Olomasina ny volana febroary 1846, ary nanohy ny dia niankandrefana, namakivaky ny tanànan’i Iowa. “Ny Fandaozana an’i Nauvoo dia fanehoam-pinoan’ireo Olomasina. Nandeha fotsiny tamin’ny tsy fahafantarana mazava tsara ny toerana haleha sy ny fotoana hahatongavana any amin’ny toerana iray hanorenam-ponenana izy ireo. Ny hany fantany dia teo ambavan’ny fitondran’ny fahavalo azy ireo hiala an’ny Illinois izy ireo ary ny mpitarika azy ireo dia nahazo fanambarana ny hikaroka fialofana ho azy ireo any amin’ny “Montagnes Rocheuses” any ho any” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 309).

  • Inona no mampitovy ny zavatra niainan’ny Olomasina tamin’ny fandaozana an’i Nauvoo amin’ny an’ilay mpianatra notarihana hiampita ny efitrano fianarana?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny Olomasina izay nandao an’i Nauvoo? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy tokony haneho ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mampihatra finoana isika rehefa manaraka ireo torohevitra sy torolalan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ireo mpianatra mba hijery ny Sarintany 6 (“Ny Dian’ny Fiangonana Miankandrefana”) ao amin’ny fizarana Sarin’ny Toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana ao amin’ny soratra masin’izy ireo ary hamantatra ny misy an’i Nauvoo sy Winter Quarters. Hazavao fa noho ny orana mikija be sy ny tsy fahampian’ny vatsy, dia efa-bolana no nanaovan’ireo Olomasina nandao an’i Nauvoo tamin’ny volana febroary 1846 ny dia namakivaky an’ny Iowa izay tokony ho 250 km. Nihamora ny famindran’ny vondrona noho ireo toe-javatra ireo sy noho ny tsy nahafan’ny lehilahy Olomasin’ny Andro Farany matanjaka mihoatra ny 500 manompo intsony. Ireo lehilahy ireo izay fantatra amin’ny hoe Andian-tafika Môrmôna, dia namaly ny antso nataon’ny Filoha Brigham Young ny amin’ny firotsahana ho Miaramilan’i Etazonia mba handraisana vola hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mahantra amin’ny fanaovana ny dia miankandrefana. Tena nanampy tamin’ny fomba maro izany fahafoizan-tena izany, saingy namela fianakaviana maro tsy hisy vady sy ray nandritra ny ampahany amin’ny dia koa anefa izany. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, raha nandinika io famindra miadana io, dia nanapa-kevitra ny tsy hanohy miankandrefana any amin’ny Montagnes Rocheuses intsony hatramin’ny lohataonan’ny 1847. Nanoro hevitra ny Olomasina izy ireo mba hiato kely mandritra ny ririnina. Winter Quarters, iray amin’ireo toeram-ponenana vonjimaika dia teo amin’ny sisiny andrefan’ny Renirano Missouri, izay ao amin’ny fanjakan’ny Nebraska amin’izao fotoana izao.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity famariparitana an’i Winter Quarters manaraka ity sy mikasika ireo toeram-ponenana vonjimaika hafa:

Maro tamin’ireo Olomasina no nipetraka tao anaty tranohazo sy tamin’ny fonenana ambanin’ny tany izay vita tamin’ny hazo kely sy loto. Maro ireo olona tsy nanana fonenana araka ny tokony ho izy noho ny toetrandro mangatsiaka. Ireo aretina toy ny tazo, aretin-tratra, raboka, kôlerà ary ny tsy fahampiana vitamina C dia niteraka fijaliana nihanaka sy fahafatesana. Mihoatra ny olona 700 no namoy ny ainy tao amin’ny toby hatramin’ny faran’ny ririnina voalohany. (Jereo ny Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany [1996], 71–72; Church History in the Fulness of Times Student Manual, 319–20).

  • Raha toa ianao niaraka tamin’ireo Olomasina tao Winter Quarters dia inona no mety ho fahatsapana nanananao noho ny fahafantarana fa mbola handeha kilaometatra maro ianao?

Azonao atao ny manamarika fa na dia nandritra io fotoana fijaliana sy fahafatesana io aza dia notahiana ireo Olomasina marina noho ny fanekempihavanana nataony. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny Tompo dia efa nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay maty eo am-panompoana Azy (jereo ny Almà 40:11–12; 60:13; F&F 42:46).

Asaivo mijery haingana ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ny mpianatra ka hijery ny toerana nanomezana io fanambarana io sy ny olona nandray izany. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1.

  • Ahoana araka ny hevitrao no fomba mety nanampian’ny fahafantaran’ny Olomasina fa ny Tompo dia tsy nitsahatra manambara ny sitrapony amin’izy ireo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny from Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:2–5. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra, sady hikaroka ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ny Olomasina mba hiomanana amin’ny fanohizana ny dia miankandrefana.

  • Ahoana no fomba tokony nandaminana ny andiany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety nanampy ny fandaminana ireo Olomasina ho andiany ary misy mpitarika voatendry? Inona no itovian’izany amin’ny firafitry ny Fiangonana ankehitriny? (Rehefa avy namaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia nandamina ireo Olomasiny ho andiany mba hahafahan’ny olona tsirairay ho voatarika sy ho voakarakara.)

Hazavao fa noho ny aretina sy fahafatesana tao Winter Quarters sy teo amin’ny toeram-ponenana manodidina, dia maro tamin’ireo fianakaviana sy olon-tokana no nila fanampiana ara-bola mba hahafahana manohy ny dia miankandrefana.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo mba hiara-handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:6–11, ka hitady ny fomba hahafahan’ireo Olomasina mikarakara izay mila fanampiana. (Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.) Alohan’ny hamakian’ny mpianatra io andinin-tsoratra masina io, dia hazavao fa tsy niaraka nandao an’i Winter Quarters indray mandeha ireo Olomasina. Ny andian-teny manao hoe “ireo izay nijanona” ao amin’ny andininy 6 dia milaza ireo Olomasina tsy maintsy nijanona nandritra ny fotoana voafetra tao Winter Quarters sy tao amin’ny toeram-ponenana manodidina.

  • Inona ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 6–11 izay manambara fa ny Olomasina dia tokony hikarakara izay mila fanampiana?

  • Inona ny teny ao amin’ny andininy 7 izay milaza ireo olona izay manomana ny lalana ho an’ny hafa? (Mpisava lalana.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity famaritana manaraka ity. (Izany dia nindramina avy tamin’ny Oxford English Dictionary,, ed. faha-2 [1989], “pioneer.”)

Mpisava lalana: Olona iray mialoha lalana mba hanomanana na hanokatra ny lalana ho an’ny hafa mba ho arahina.

  • Araka ny andininy 11, dia inona no fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay manampy ny sahirana sy manomana lalana ho azy ireo? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’izany? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Ny Tompo dia hitahy antsika rehefa manampy ny sahirana sy manomana lalana ho azy ireo isika.)

  • Iza no nanomana lalana ho anao mba hahafahanao mandray ireo fitahian’ny filazantsara?

Asaivo misaintsaina ity fanontaniana ity ireo mpianatra: Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

  • Inona no hataonao mba ho lasa mpisava lalana—amin’ny fanampiana ny sahirana sy amin’ny fanomanana lalana ho azy ireo mba handraisany ireo fitahian’ny filazantsara?

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozana hevitra sy amin’ny famporisihana ireo mpianatra mba hampihatra izany fahamarinana izany ny lesona.

Fizarana manaraka (Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows, ny Fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy, Filazana Ôfisialy 1, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138)

Mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny fandalinana amin’ny herinandro ambony dia anontanio azy ireo izao fanontaniana manaraka izao: Inona no vokatra sasantsasany amin’ny fiezahana hanafina fahotana? Mandritra ny fizarana manaraka dia hianatra ireo mpianatra momba ny zava-nitranga nampalahelo iray nantsoina hoe ny Fandripahana tao Mountain Meadows izay nitranga raha nanandrana hanafina ny fahotany ny mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany. Hianatra ihany koa izy ireo momba ny fitomboan’ny Fiangonana raha nanorom-ponenana tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny Olomasina.