Seminera
Lesona 39: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33–34


Lesona 39

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33–34

Fampidirana

Tamin’ny volana ôktobra 1830 dia niantso an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet ny Tompo mba hanambara ny filazantsara. Ity fanambarana ity, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33, dia ahitana ireo torolalana mikasika ny fomba tokony hampianaran’ireo lehilahy ireo ny filazantsara. Fotoana fohy taorian’izay, ao anatin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34, dia nidera an’i Orson Pratt ny Tompo noho ny finoany ary nandidy azy ihany koa mba hitory ny filazantsara.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–6

Miantso an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet ny Tompo mba hanambara ny filazantsara

Soraty eo amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana izao manaraka izao: trompetra, vava, sofina, saha efa vokatra ary vonona amin’ny fijinjana. (Raha misy dia mampisehoa ny sarin’ireo zavatra ireo.) Apetraho amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no mety hampifandraisana ireo zavatra ireo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitr’ity Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 ity dia hazavao fa i Ezra Thayre dia nipetraka tao akaikin’ny fianakavian’i Joseph Smith rainy. Lasa nahafantatra ny olona tao amindry Smith mianakavy izy tamin’ny alalan’ny asa nataon’izy ireo ho azy tamin’ny fotoana samihafa. Tamin’ny volana ôktôbra 1830 dia natao batisa ka lasa mpikamban’ny Fiangonana i Ezra Thayre sy ny olona iray hafa nipetraka tao Palmyra, Northrop Sweet. Fotoana fohy taorian’izay dia nahazo fanambarana ho an’ireo lehilahy roa ireo i Joseph Smith, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 amin’izao fotoana izao.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–2 mba hitady ireo teny sy andian-teny mifandray amin’ireo sary (na teny) eo amin’ny solaitrabe. (Horesahina ao aoriana kely ao mandritra ny lesona ilay sarina vava.) Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “Sokafy ny sofinareo ary henoy ny feon’ … Andriamanitra”? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa misokatra mba hihaino ny feony ny sofintsika?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe manambara ny filazantsara “tahaka ny fanenon’ ny trompetra”?

Hazavao fa matetika ny Tompo no mampiasa zavatra mahazatra toy ny trompetra mba ho tandindona entina mampianatra ny filazantsarany sy hanampiana antsika hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo tandindona fanampiny nampiasain’ny Tompo ato amin’ity fanambarana ity.

  • Inona araka ny hevitrao no hasehon’ny tanimbolin’ny Tompo? (Izao tontolo izao.)

  • Mety maneho an’iza ireo mpiasan’ny tanimbolin’ny Tompo? (Ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “izao no ora fahiraika ambin’ny folo?” (Izao no fotoampitantanana farany an’ny filazantsara ary ny fotoana farany hametrahan’ny Tompo ny fanjakany eto an-tany alohan’ny Fiaviany Fanindroany.)

Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:4 mba hitady ny fomba namaritan’ny Tompo ny toetoetran’izao tontolo izao tamin’ny 1830.

  • Inona no andian-teny manaitra anareo ao amin’io andininy io? Nahoana? Inona no azontsika atao mba hampatanjahana ny tenantsika amin’ireo fitaoman-dratsin’izao tontolo izao?

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Ny Tompo dia ary .

Omeo fotoana fohy ny mpianatra nisaintsainana ny zavatra nataon’ny Tompo na ataony mba hampatanjahana azy ireo hanohitra ny faharatsian’izao tontolo izao. Hazavao fa ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:5–6dia manambara zavatra iray izay nataony sy zavatra iray ataony amin’izao fotoana izao mba hampatanjahana antsika hahatohitra ny faharatsian’izao tontolo izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny ary hamantatra ny zavatra nataon’ny Tompo sy hataony mba hampatanjahana antsika.

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia inona no zavatra nataon’ Andriamanitra sy ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao ka afaka mampatanjaka antsika hahatohitra ny faharatsian’izao tontolo izao? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hameno ireo banga ao amin’ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe. Ny valintenin’ny mpianatra dia tokony hahitana taratra an’ity fitsipika manaraka ity: Ny Tompo dia nanangana ny Fiangonany ary manangona ireo olom-boafidiny amin’ny andro farany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fahamarinana io sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe izany dia asaivo miara-miasa tsiroaroa izy ireo ary hiresaka ny valinteniny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao vakina mafy ireto fanontaniana ireto, na soratanao eo amin’ny solaitrabe, na zarainao amin’izy ireo an-taratasy. (Aza ampidirina ireo valinteny ao anaty fonon-teny.)

  1. Araka ny voalazan’ny andininy 6, dia iza ireo olom-boafidy? (Ireo izay hino an’ Andriamanitra sy hihaino ny feony.)

  2. Rehefa eritreretina ny faharatsian’izao tontolo izao dia nahoana no zava-dehibe amin’ireo olom-boafidin’ny Tompo ny miangona miaraka?

  3. Tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny maha-mpikambana anao ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro anao hanohitra ny faharatsian’izao tontolo izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:7–18

Manome torolalana an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet ny Tompo ho amin’ny fampianarana ny filazantsara

Resaho ilay sarina vava (na ilay teny hoe vava) eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:7–10 mba hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet fa tokony hataon’izy ireo. Angataho ireo mpianatra hilaza ny zavatra nianarany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Raha manokatra ny vavantsika isika mba hitory ny filazantsara …

Angataho ireo mpianatra hampiasa ny zavatra nianaran’izy ireo avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:7–10 mba hamenoana ity fehezan-teny ity. Azonao atao ny manasa mpianatra iray ho eo amin’ny solaitrabe mba hanoratra hatramin’ny farany ilay fitsipika. Mety ho toy izao no hanoratana izany: Raha manokatra ny vavantsika isika mba hitory ny filazantsara dia hitaona ny fanahintsika ny Tompo mba hahalalantsika izay tokony holazaina.

  • Inona avy ireo toe-javatra iainana izay mety tsy maha vonona atsika hanokatra ny vavantsika hiresaka ny filazantsara ?

  • Oviana ianao no nanapa-kevitra ny hanokatra ny vavanao mba hiresaka mikasika ny filazantsara ka nahatsapa fitaomam-panahy mba hahafantaranao izay tokony holazaina? Oviana ianao no nahita olona hafa nizara ny filazantsara ka nahatsapa fa nahazo fitaomam-panahy izy ireo tamin’ny zavatra nolazain’izy ireo?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:11–15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ao amin’ireo andininy ireo ny Tompo dia nampianatra an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet mba hampianatra ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohany ao amin’ny filazantsara—finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Resaho indray ilay fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Angataho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra ilaintsika atao, ankoatra ny manokatra ny vavantsika, mba hahafahan’ny Tompo manome fitaomam-panahy antsika mba hahalalana izay tokony holazaina rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady torohevitra iray izay nomen’ny Tompo an’i Ezra sy i Northrop manokana, izay hanampy azy ireo hahafantatra ny zavatra tokony holazainy amin’ny maha-misiônera azy ireo.

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo an’i Ezra sy i Northrop ka afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny zavatra tokony holazainy amin’ny maha-misiônera azy ireo? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.)

  • Inona araka ny hevitrareo no dikan’ilay torohevitry ny Tompo mba hanana “ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo”? (F&F 33:17). (Ho vonona ara-panahy amin’ny fotoana rehetra amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ity andininy ity dia mifandray amin’ilay fanoharana momba ireo virijiny folo izay hita ao amin’ny Matio 25:1–13 sy voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo antsika ho vonona hanokatra ny vavantsika hizara ny filazantsara amin’ny fotoana rehetra sy ao anatin’ny toe-javatra iainana rehetra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34

Midera an’i Orson Pratt ny Tompo noho ny finoany ary mandidy azy hitory ny filazantsara

Asao ny mpianatra hijery ao amin’ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34 mba hitady ohatra iray mikasika ny olona iray izay notahiana rehefa nanokatra ny vavany hizara ny filazantsara ny olona iray hafa.

  • Iza no notahiana ao amin’io ohatra io? Firy taona i Orson Pratt tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy? Tamin’ny fomba ahoana no nahafantarany ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba niantsoan’ny Tompo an’i Orson. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany. Dia asao avy eo ny mpianatra rehetra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:2–3 mba hamantatra ny antony niantsoan’ny Tompo azy hoe “zanako lahy.”

  • Nahoana ny Tompo no niantso an’i Orson hoe zanany lahy? (Noho ny finoan’i Orson ny Tompo.)

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:3 dia inona no nataon’ny Tompo ho an’izay “rehetra” mino Azy? (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa sady natao mitombina amin’ny vehivavy ihany koa io andininy io dia azonao atao ny mandroso hevitra amin’izy ireo mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:4–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Orson fa hitondra fitahiana bebe kokoa eo amin’ny fiainany.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no vao “mainka hotahiana” isika rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa?

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:10–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fitahiana omena ireo izay mizara amim-pahazotoana ny filazantsara amin’ny hafa.

  • Inona ireo fitahiana omena ireo izay mampianatra amim-pahazotoana ny filazantsara? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra an’ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Ireo izay mampianatra amim-pahazotoana ny filazantsara dia hanao izany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.)

  • Inona no fitahiana ampanantenaina an’ireo mahatoky? (Azonao atao ihany koa ny manoratra an’ity fitsipika ity eo amin’ny solaitrabe: Raha mahatoky isika dia hiaraka amintsika ny Tompo.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ilay fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:11 anao ao anatin’ny fotoan’ny fahakiviana?

Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny alalan’ny firesahana fotoana iray izay nahatsapanao fa niaraka taminao ny Tompo rehefa nahatoky taminy ianao. Azonao atao koa ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33. Northrop Sweet

I Northrop Sweet dia nataon’i Parley P. Pratt batisa ary lasa mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny volana ôktôbra 1830, tao Palmyra, New York. Voatendry hanao asa fitoriana izy tamin’ny volana ôktôbra 1830 (jereo ny F&F 33). Nifindra tao Kirtland, Ohio izy talohan’ny volana Jona 1831, izay toerana nanokanana azy ho loholona; na izay aza anefa dia niala tao amin’ny Fiangonana izy fotoana fohy taorian’izay ary nanandrana namorona fiangonana iray hafa izay nanambara fa mpaminany sandoka i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1. Mailaka sy mahery ny tenin’ Andriamanitra

Nampiasa sarin-javatra manaitra ny Tompo mba hamaritana ny herin’ny teniny. Ilay hevitra hoe mahery ny tenin’ Andriamanitra dia mora takarina satria ny zavatra rehetra avy any an-danitra mankao am-pon’ny olona dia mihetsika noho ny teniny. Ilay teny hoe mailaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1 dia tsy midika hoe haingana fa midika kosa hoe velona (jereo ny Bible Dictionary, “Quick”). Ilay andian-teny hoe “maranitra noho ny sabatra roa lela ka mampisaraka ny famavany sy ny tsoka, ny fanahy sy ny saina” dia mamaritra mazava tsara ny fomba ahafahan’ny tenin’ Andriamanitra manatrobaka ny olona iray hatrany anatiny (jereo koa ny 1 Nefia 16:1–2

Ny fiovampon’i Ezra Thayre dia manome ohatra mikasika ny maha mailaka sy mahery ny tenin’ Andriamanitra. Nampahatsiahy i Ezra Thayre hoe:

“Rehefa nanomboka niteny i Hyrum dia nikasika ny ati-fanahiko ny teny rehetra nolazainy. Noeritreretiko fa natao ho ahy avokoa ireo teny rehetra. Nofaizin’ Andriamanitra aho ka dia nataony izay tsy nahafahako nihetsika. Tsy nisy fomba nahafahako nisakana izany. Niraraka teo amin’ny takolako roa ny ranomasoko, tena niavonavona sy mafy loha aho. Maro tamin’ireo olona tonga teo no nahafantatra ahy, tsy sahy nanatraka ny lohako aho. Nipetraka teo aho mandra-piverin’ny heriko talohan’ny nahasahiako nitraka. Nihira fihirana vitsivitsy izy ireo ka dia heniky ny Fanahy avy amin’izany aho. Rehefa vita ny tenin’i Hyrum dia nandray boky iray izy ka niteny hoe :‘inty ny Bokin’i Môrmôna.’ Dia hoy aho hoe aiza hoe hojereko. Nosokafako ilay boky avy eo, dia tohina ny foko noho ny fahatsapako fifaliana lehibe tokoa izay tsy misy olona afaka manoratra ary tsy misy lela afaka miteny. Nakatoko ilay boky dia hoy aho hoe ohatrinona ity boky ity? Dia izao no valiny hoe ‘efatra ambin’ny folo shillings.’ Dia hoy aho hoe hovidiako ilay boky. Nosokafako indray ilay izy dia nahatsapa ny Fanahy avo roa heny aho, ka dia tsy fantatro tamin’izay na teo amin’izao tontolo izao aho na tsia. Nahatsapa ho toy ny hoe tany an-danitra mihitsy aho.

“Nandeha haingana teo amiko i Martin Harris mba hilaza tamiko fa marina ilay boky. Nolazaiko azy fa tsy nila niteny izany tamiko izy satria fantatro tahaka ny nahafantarany fa marina ilay izy” (ao amin’ny Lyndon W. Cook, The Revelations of the Prophet Joseph Smith: A Historical and Biographical Commentary of the Doctrine and Covenants [1985], 47–48).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:9. Hovesarana amboara eo an-damosinareo

Midika inona izany hoe isika dia afaka “hovesarana amboara eo andamosi[ntsika]”? Io andian-teny io dia entina ilazana ireo vokatra na amboara izay nojinjaina avy teo amin’ny saha iray. Ny hoe “hovesarana amboara” dia milaza fahazoam-bokatra lehibe sy marobe. Izy io dia andian-teny mifono tandindona izay maneho fahombiazana lehibe amin’ny asa fitoriana.

Nanazava bebe kokoa ny dikan’io fifanahafana io ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Maneho ireo mpikambana vao vita batisa ao amin’ny Fiangonana ireo amboara ato amin’ity fifanahafana ity. Ny sompitra dia ny tempoly masina. Nohazavain’ny Loholona Neal A. Maxwell fa: ‘Mazava ho azy fa rehefa manao batisa isika dia tokony ho miandrandra ny tempoly masina ny masontsika mihoatra ny toerana fanaovana batisa. Ny sompitra lehibe izay tokony hanangonana ireo amboara ireo dia ny tempoly masina’ (ao amin’ny John L. Hart, ‘Make Calling Focus of Your Mission,’ Church News, 17 Sept. 1994, 4). Izany torolalana izany dia manazava sy manamafy ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny tempoly—mba tsy ho very ireo amboara” (Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 97).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:1. Orson Pratt

Nofaritan’i Orson Pratt ny fomba nampiharany finoana an’i Jesoa Kristy fony izy zatovolahy:

Sary
Loholona Orson Pratt

“Teo anelanelan’ny faha folo sy fahasivy ambin’ny folo taonako dia nitety faritra maro aho, ary matetika nifindrafindra toerana aho sady tsy nanana toerana nipetrahana maharitra; saingy tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia tsy tratran’ny ankamaroan’ireo faharatsiana maro izay atrehan’ny zatovo aho; ny fiorenan’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fivavahana tao anatiko fony kely noho ny famolavolan’ny ray aman-dreniko ny saiko, dia nijanona tao amiko mandrakariva; ary ary matetika aho no nahatsapa faniriana lehibe ny hiomana ho amin’ny toetra iray vaovao amin’ny ho avy; kanefa tsy nanomboka nikatsaka ny Tompo mihitsy aho, tamin’ny fomba tena matotra, raha tsy tamin’ny fararanon’ny taona 1829. Nanomboka nivavaka tamin-kafanam-po aho tamin’izay, nibebaka tamin’ny fahotana rehetra. Tao anatin’ny alina mangina, rehefa renoky ny torimaso ny hafa, dia matetika aho no nisintaka ho amin’ny toerana iray mangingina any amin’ny saha mitokana na any amin’ny tany foana manirery, ary miankohoka amin’ny Tompo, sy mivavaka mandritra ny ora maro amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina; izany no fiononana sy fifaliana ho ahy. Ny fanirian’ny foko lehibe indrindra dia ny hanehoan’ny Tompo ny sitrapony mikasika ahy” (ao amin’ny The Orson Pratt Journals, comp. Elden J. Watson [1975], 8–9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:10.. “Asandrato ny feonao”

Ho fankatoavana ilay didy nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:10 dia nanandratra ny feony hizara ny filazantsara i Orson Pratt. Fotoana fohy taorian’ny nahazoana io fanambarana io dia nandeha nanao asa fitoriana ny filazantsara tao Colesville, New York i Orson Pratt. Tamin’ny iraka iray hafa nampanaoviana azy taona vitsy taorian’izay i Orson dia nandeha “an-tongotra sahabo ho 6.400 km, nanatrika fivoriana 207, … nanao batisa olona miisa 104, ary nanangana Sampana vaovao maro be an’ny Fiangonana” (Orson Pratt, “History of Orson Pratt,” Millennial Star, 4 feb. 1865, 72). Tamin’ireo asa fanompoana nataony nandritra ny fiainany dia “niampita ranomasina inenina ambin’ny folo izy mba hamitana iraka famonjena” (“Orson Pratt,” Contributor, nôv. 1881, 61).