Seminera
Lesona 125: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120


Lesona 125

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–120

Fampidirana

Nandritra ny lohataonan’ny 1838 dia nisedra fahasahirana ara-bola goavana ireo Olomasina teo am-piezahan’izy ireo hanangana ny Fiangonana tao Missouri avaratra. Nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith ka tamin’ny 8 jolay 1838 dia nahazo ireo fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119 sy 120 izy. Ao anatin’ireo fanambarana ireo nampianatra ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo sady nanome lalana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sasany hamaritra ny fomba hampiasana ny fahafolonkarena.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:1–4

Manambara ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Nisy vehivavy iray tany São Paulo, Brésil … sady niasa izy no nianatra mba hahafahany mamelona ny fianakaviany. Ho ampiasaiko ny teny nambarany fony nitantara izany. Hoy izy:

“‘Nanana lalàna iray izay mandrara ireo mpianatra mibaby trosa tsy hanao fitsapa-pahaizana ilay Oniversite izay nianarako.’ …

“‘Tsaroako ny fotoana iray izay … niatrehako fahasahiranana ara-bola be tokoa. … Rehefa nojereko ny fitantanam-bolako isam-bolana dia tsikaritro fa tsy ampy [sady] handoavana ny fahafolon-karenako sy ny fianarako ny karamako. Tsy maintsy hisafidy ny iray amin’izy ireo aho. Hanomboka amin’ny herinandro manaraka anefa ilay fitsapa-pahaizana fanao isan-tapa-bolana ary raha tsy manao izany aho dia mety ho very maina ny fotoam-pianarako. Nahatsapa ho nijaly tokoa aho. … Nanoloana fanapahan-kevitra sarotra iray aho ary tsy haiko ny zavatra ho atao’” (“We Walk by Faith,” Ensign, mey 2002, 73).

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay ao anatin’ny toe-javatra manahirana tahaka an’izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny tohin’ilay tantara:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“‘Nanaikitraikitra ny fanahiko izany fahatsapana izany ary tsy niala mihitsy [nandritra ny andro maro]. Teo no nahatsiarovako fa fony aho natao batisa dia nanaiky ny hiaina ny lalàn’ny fahafolon-karena. Noraisiko irery ny fanoloran-tena, tsy tamin’ireo misiônera fa nanoloana ny Raiko any an-danitra. Tamin’izay dia nanomboka nisinda ilay ahiahy ary nisolo fahatsapana fahatoniana sy firosoana amin’ny fanapahan-kevitra nahafinaritra.

“‘Rehefa nivavaka aho tamin’io alina io dia nangataka tamin’ny Tompo ny hamela ahy noho ny fisalasalako. Ny alahady, … tamin-kafaliana tokoa no nandoavako ny fahafolonkarenako sy ny fanatitro. Andro miavaka tokoa izany. Nahatsapa fifaliana sy fiadanana tao anatiko sy niaraka tamin’ny Ray any An-danitra aho’” (“We Walk by Faith,” 73).

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hamaliany an’io toe-javatra io. Asao ireo mpianatra mba hitady ireo fitsipika nandritra ny fandalinany ny soratra masina androany izay afaka manampy azy ireo rehefa misedra toe-javatra mitovy amin’izany izy ireo.

Hazavao fa nanomboka tamin’ny 1837 dia nisedra fahasahiranana ara-bola goavana ny Fiangonana, torak’izany ihany koa ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Ireo olana ara-bola ireo dia vokatry ny olana ara-toekarena teo amin’ny firenena sy ny herisetran’ireo mpihetraketraka tao Missouri sy Ohio izay nandroaka an’ireo Olomasina tao amin’ireo tranony ary ny tsy fahavononan’ireo Olomasina sasantsasany hiaina ny lalàn’ny fanokanana. Tamin’ny 1838 dia nila vola ny Fiangonana noho ny fahabetsahan’ireo Olomasina izay niangona tao amin’ny Fivondronan’i Caldwell, Missouri mba hanatanterahana ny zavatra izay nandidian’ny Tompo ho ataon’izy ireo, toy ny fananganana ny tempoly tao Far West. Nanentana ireo Olomasina ireo eveka tao Ohio sy Missouri mba hitondra ireo fahafolonkarenany sy fanatitra ho amin’ny trano fanobiana.

Asao hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra nangatahan’i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany.

  • Inona no zavatra nangatahan’i Joseph Smith tamin’ny Tompo?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:1–4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny valintenin’ny Tompo tamin’ny fangatahan’i Joseph Smith.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, dia inona no atao hoe fahafolonkarena? (Tokony hahita ity didy manaraka ity ny mpianatra: Ny Tompo dia mandidy antsika mba handoa ny iray ampahafolon’ny izay rehetra miditra amintsika ho Azy ho fahafolonkarena. Azonao atao ny manoratra io didy io eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny teny hoe izay rehetra miditra ao amin’ny andininy 4, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Nambara tsotra fotsiny ilay lalàna hoe ‘ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy.’ Ny hoe izay rehetra miditra dia midika hoe tombom-barotra, vola miditra, fitomboana. Izany dia karaman’ny olona miasa iray, ny tombom-barotra avy amin’ny fandraharana, ny fitomboana azon’ny olona iray izay namboly na namokatra na ny fidiram-bolan’ny olona iray avy amin’ny loharano hafa. Nilaza ny Tompo fa lalàna manan-kery ‘maharitra mandrakizay’ izany tahaka ny tany aloha” (amin’ny Conference Report, apr. 1964, 35).

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny didin’ny Tompo mikasika ny fandoavan’ireo Olomasina ny fahafolonkarena amin’ny fotoana izay sarotra ho azy ireo ny nanao izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-asa maneho finoana ny fandoavana fahafolonkarena?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba fandoavana fahafolonkarena dia manehoa taratasy fandoavana ny Fahafolonkarena sy fanatitra hafa. Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe vao nahazo vola izy ireo. Asao ny mpianatra iray hanome sosokevitra momba ny tarehim-bola iray.

  • Ohatrinona no fahafolonkarena tokony ho aloha amin’io tarehim-bola io?

Raketo eo amin’ny toerana marina tokony hisy izany ao amin’ilay taratasy fenoina ilay tarehim-bola ka apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Raha zarazaraintsika amin’ireo sokajin’ny fanomezana isan-karazany ao amin’ilay taratasy ny 10 isan-jaton’ny karamantsika, moa ve isika mandoa fahafolonkarena feno? (Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa ny 10 isan-jaton’ny karamany dia tokony hatokana amin’ny fahafolonkarena. Ireo fanomezana rehetra izay ataony amin’ireo vola hafa dia fanampin’ilay 10 isan-jato avokoa.)

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho izy ireo hanazava amin’ny hafa ny fahatakarany momba ny fomba hampiasana ny volan’ny fahafolonkarena. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny fanazavan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:2.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, dia inona no ampiasana ny volan’ny fahafolonkarena? (Ny fahafolonkarena dia ampiasaina “ho fananganana ny tranon’[ny Tompo]” sy “ho fandatsahana ny fototr’i Ziona ary ho an’ny fisoronana” [famatsiam-bola an’ireo lafiny hafa amin’ny asan’ny Tompo, toy ny fananganana sy ny fikolokoloana an’ireo trano fivoriana, fandikana sy famoahana ireo soratra masina, ary fanohanana ny asa fitoriana sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana manerana an’izao tontolo izao]. Azonao atao ny milaza fa ankehitriny ny Fiangonana dia tsy ananan-trosa intsony. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny volan’ny fahafolonkarena dia ampiasaina hanorenana tempoly sy hanatontosana ny asan’ny Tompo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:5–7

Manazava ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo

Asao handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra ny mpianatra roa. Tendreo ny mpianatra iray hanao mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana, ary ilay mpianatra faharoa kosa hanao ny anjara asan’ny olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Omeo taratasy iray ahitana ity fanontaniana manaraka ity ilay mpianatra faharoa: Reko fa manome ny ampahafolon’ny karamanao ho an’ny fiangonanao ianao. Nahoana ianao no te hanao izany?

Asaivo mamaky mafy an’ilay fanontaniana ilay mpianatra faharoa, ka asao ilay mpianatra voalohany hamaly. Aorian’ilay filalaovana an-tsehatra dia anontanio ny iray kilasy ny fomba mety namaliany izany. Asongadino fa misy valinteny tsara maro amin’io fanontaniana io.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:6–7 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hitady ny zava-bita noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6, dia inona no zava-bita noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena? (Fanamasinana ny tanin’i Ziona ho an’ny Tompo.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra an’io andininy io dia hazavao fa ny hoe hamasinina dia entina hilazana ny fahafahana amin’ny fahotana—mahitsy fo, madio ary masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Ankoatra izay dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mihoatra noho ny toerana ara-batana ny atao hoe Ziona. Olona izay “madio am-po” izany (F&F 97:21).

Asao ireo mpianatra hamintina ireo vokatry ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena amin’ny teniny manokana. Na dia mety ho amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny fandoavana ny fahafolonkarena dia manamasina antsika tsirairay sy amin’ny maha-Fiangonana antsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny lanjan’io fitsipika io dia asao izy ireo hamaky ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina:

  • Amin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fandoavana fahafolonkarena hanamasina anao?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fandoavana fahafolonkarena ny olona iray ho masina?

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny zavatra nosoratany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainana iray sy mijoro ho vavolombelona momba ny lalàn’ny fahafolonkarena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120

Manangana filankevitra iray ny Tompo ho fitantanana ny fampiasana ny fahafolonkarena

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny tanjon’io fanambarana io.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120:1 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady an’ireo olona izay nofidian’ny Tompo ho anisan’ny ao amin’ilay filankevitra izay manapaka ny fomba handaniana ireo volan’ny fahafolonkarena.

  • Iza no mamaritra ny hampiasaina ny volan’ny fahafolonkarena?

Azonao atao ny manazava fa ny filankevitra izay resahina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120 dia tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso an’ireo fandoavana sy fandaniana rehetra ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Io filankevitra io dia fantatra amin’ny anarana ankehitriny hoe Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena ka ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy.

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120:1, dia ahoana no fomba hanapahan’io filankevitra io hevitra ny amin’ny fomba ampiasana ny volan’ny fahafolonkarena? (Amin’ny alalan’ny “feon’ny Mpamonjy ho azy ireo.” Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe amin’ny alalan’ny fanambarana.)

Asao ny mpianatra hamintina amin’ny teniny manokana ny zavatra izay ampianarin’io fanambarana io momba ny olona izay mitarika ny fampiasana ny volan’ny fahafolonkarena. (Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny Tompo no mitarika ny fampiasana ny volan’ny fahafolonkarena amin’ny alalan’ny mpanompo nofinidiny.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba fiasan’io fitsipika io amin’izao fotoana izao dia hazavao fa ny paroasy na ny sampana tsirairay dia mandefa ireo volan’ny fahafolonkarena izay nangoniny any amin’ny foiben’ny Fiangonana. Tsy mamaritra ny fomba hampiasana ireo vola masina ireo ny mpitarika eo an-toerana. Ilay Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena no manapa-kevitra eo ambany fitarihan’ny Tompo.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niteny momba ny fanajana lalina asehon’ny Filankevitra misahana ny Fampiasana ny Fahafolonkarena momba ny volan’ny fahafolonkarena:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Tehiriziko ao anaty vata sarihina aorian’ny biraoko ny variraiventin’ny mpitondratena iray izay nomena ahy fony aho tany Jerosalema taona maro lasa ho fampahatsiahivana, ny fahamasinan’ny vola izay ampiasaintsika. Avy tamin’ny mpitondratena izy ireny, fanatitra avy aminy ireny ary koa fahafolonkarena avy tamin’ny lehilahy manan-karena, ary ampiasaina amim-pitandremana sy tsy am-pideraderana ho an’ny tanjon’ny Tompo. Tantaninay amim-pitandremana sy amim-piarovana tokoa izy ireny ary miezaka amin’ny fomba rehetra izahay hahafahanay mahita ny fomba ampiasana azy ireny araka ny fomba tokony ampiasan’ny Tompo azy ireny amin’ny fampandehanana ny asany sy ny fanatsarana ny olona” (“This Thing Was Not Done in a Corner,” Ensign, nôv. 1996, 50).

Asao ireo mpianatra mba hizara ny hevi-baovao fanampiny na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny lalàn’ny fahafolonkarena.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119. Ny lalàn’ny fahafolonkarena

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny tanjona ara-panahy sasantsasany amin’ny fandoavana ny fahafolonkarenantsika:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny fototry ny fiainana mitsinjo ny hoavy dia ny lalàn’ny fahafolonkarena. Ny tanjona voalohan’io lalàna io dia ny hanampy antsika hampitombo ny finoana an’ny Raintsika any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy, Zanakalahiny. Ny fahafolonkarena dia manampy antsika handresy ny faniriantsika hahazo ny zavatr’izao tontolo izao sy ho vonona hanao fahafoizan-tena ho an’ny hafa. Ny fahafolonkarena dia lalàna lehibe tsy mitanila, satria na manan-karena manao ahoana na mahantra manao ahoana isika dia samy mandoa ny iray ampahafolon’ny vola miditra amintsika isan-taona isika rehetra (jereo ny F&F 119:4), ary isika rehetra dia samy mahazo fitahiana lehibe hany ka ‘manana amby ampy’ (Malakia 3:10)” (“Ho lasa mpanome manana ny ampy: ara-nofo sy ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2009, 9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120. Ilay Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena

Tamin’ny voalohany dia ny filankevitra avo tao Missouri no nitarika tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena. Taty aoriana dia nomena ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io andraikitra io. Noho izany ny Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena amin’ny Fiangonana ankehitriny dia ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy.

Nilaza momba ny traikefany ny Loholona Robert D. Hales amin’ny maha-mpikambana ao amin’ilay Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena azy, voalohany amin’ny maha-Eveka Mpiahy azy ary taty aoriana amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Araka izay nanambaran’ny Tompo ny fampiasana ny fahafolonkarena dia faritan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy. Nilaza mazava tsara ny Tompo fa ny asan’ilay filankevitra dia tarihana amin’ny ‘alalan’ny feoko ho azy ireo’ [F&F 120:1]. Io filankevitra io dia antsoina hoe Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena.

“Tena mahazendana ny manatrika an’io filankevitra io mihaino ny feon’ny Tompo. Samy mahafantatra avokoa ny mpikambana tsirairay sady mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ilay filankevitra. Tsy misy fanapahan-kevitra atao raha tsy efa miray feo ilay filankevitra. Ny volan’ny fahafolonkarena rehetra dia laniana amin’ny tanjon’ny Fiangonana avokoa, ka anisan’izany ny fifanampiana—ny fikarakarana ireo mahantra sy sahirana—ny tempoly, ny fanamboarana sy ny fikolokoloana an’ireo trano fivoriana, ny fianarana ary ny boky—raha afohezina dia hoe ny asan’ny Tompo. …

“Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo hafa manerana an’izao tontolo izao dia mijoro ho vavolombelona aho ny momba ny Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena. Efa nipetraka tao amin’io filankevitra io aho … tamin’ny maha-Eveka Mpiahy an’ny Fiangonana ary izao amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy. Tsy misy toe-javatra maningana fa nampiasaina ho an’ireo tanjony ireo volan’ny fahafolonkarena ao amin’ity Fiangonana ity” (“Tithing: A Test of Faith with Eternal Blessings,” Ensign, nôv. 2002, 28).