Seminera
Lesona 96: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–92


Lesona 96

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–92

Fampidirana

Ny 8 Martsa 1833 dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90 ny Tompo. Ahitana ny torolalana ho an’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo io fanambarana io ary “fanohizana ny dingana” ho fametrahana ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny fampidirana ny fizarana). Ny 9 Martsa 1833 dia nanontany i Joseph Smith raha toa ka tokony hampidiriny ao amin’ny fandikany ny Baiboly ny Apôkrifa. Namaly ny fangatahan’i Joseph Smith ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 ka nilaza taminy fa tsy ilaina ny mandika izany. Andro vitsivitsy taorian’izay, ny 15 Martsa 1833 dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92 ny Mpaminany izay manome toromarika an’i Frederick G. Williams, iray amin’ireo mpanolotsaina an’i Joseph Smith, mba handray anjara mavitrika ao amin’ny Orinasa Miray, izay natsangana mba hanara-maso ny fanasoavana sy ny raharahan’ny Fiangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–18

Mampianatra ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo mikasika ny andraikiny ny Tompo

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny lesona:

  • Inona no fanomezana sarobidy indrindra izay efa noraisinao hatrizay? Nahoana no sarobidy izany?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–3, ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra sarobidy izay nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith.

  • Inona no notazonin’i Joseph Smith? (Ny fanalahidin’ny fanjakana izay midika hoe ny zo ho an’ny fiadidiana, na ny fahefana nomen’ Andriamanitra ny olona mba hitantanany sy hitarihany ny fanjakany eto an-tany.) Nahoana izany no sarobidy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:4–5 Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady hitady ny fampitandremana nomen’ny Tompo ireo Olomasina. (Mety ho ilainao ny manazava fa araka izay ampiasana azy ao amin’ny andininy 4–5, ny teny hoe fanambarana dia entina hilazana ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny.)

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo ny Olomasina? Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’izany fampitandremana izany? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Raha manamaivana ny fanambarana izay omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny isika dia ho solafaka sy hianjera. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mihevitra ny fanambarana omen’ Andriamanitra ny mpaminaniny “ho zava-maivana”? Inona no ohatra sasantsasany mikasika ireo fanambarana izay mety mahatonga ny olona ho alaim-panahy hanamaivana izany?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:6 sady hitady ny olona hafa izay nolazain’ny Tompo fa hihazona ihany koa ny fanalahidin’ny fanjakana. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Hazavao fa tamin’ny 18 Martsa 1833, folo andro taorian’ny nanomezana ny fizarana 90 dia nanokana an’i Sidney Rigdon sy Frederick G. Williams ho mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo, izay nantsoina taty aoriana hoe Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana i Joseph Smith.

  • Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 6? (Tokony haneho ity fotopampianarana manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Mihazona ny fanalahidin’ny fanjakana ny Fiadidiana Voalohany. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa na dia mihazona ny fanalahidin’ny fanjakana aza ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia ny Filohan’ny Fiangonana ihany no olona afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:7–10 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nasaina nanomana ny mpikambana ao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany ny Fiadidiana Voalohany mba hitory ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11 sady hieritreritra ny fahatanterahan’io andininy io ankehitriny. Angataho ireo mpianatra hilaza ny zavatra nianarany.

Azonao atao ihany koa ny mamintina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:12–18. Ireto andininy ireto dia mampianatra fa nasaina nandamina ny raharahan’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpanolotsaina azy.

Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa mihazona ny fanalahidin’ny fanjakana ny Fiadidiana Voalohany ary zarao ny fahatsapanao mikasika ny maha-zava-dehibe ny mihaino ny teniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:19–37

Mampianatra ny Olomasina ao Ziona ny Tompo

Hazavao fa tamin’ny fotoana nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90 dia tao anatin’ny fahasahiranana izy sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana noho ny tsy fahampian’ny loharanom-bola tao amin’ny Fiangonana.

  • Inona no ho ataonao rehefa lasa tena sarotra ny toe-javatra eo amin’ny fiainanao?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:19–37 dia ahitana ny torolalan’ny Tompo ho an’ireo mpitarika fahiny tao amin’ny Fiangonana mikasika ny fomba hiatrehana ny toe-javatra sarotra izay niainany. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sady hitady ny torohevitra izay mety hankahery ny olona mandalo fotoan-tsarotra.

  • Torohevitra inona ao amin’ny andininy 24 no mety hankahery ireo olona izay mandalo fotoan-tsarotra? Ahoana no fomba hilazanao ny hafatry ny Tompo ao amin’io andininy io ho toy ny fitsipika? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Raha mitady amim-pahazotoana, mivavaka mandrakariva sy mino ary mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika?

  • Oviana ianao no nikatsaka ny ho mahatoky nandritra ny fotoan-tsarotra iray ka nahatsapa ho voatahy vokatr’izany?

Hazavao fa anisan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay nampiseho fahatokiana lehibe nandritra ny fotoan-tsarotra i Vienna Jacques. Asao hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo tahadikan’ity fampahalalana manaraka momba an’i Vienna Jaques ity ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpiara-miasa hiara-handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:28–31 ka hitady ny torolalana manokana izay nomen’ny Tompo an’i Vienna. Avy eo dia asao izy ireo handalina ilay taratasy nomenao sady hitady ny fomba nataon’i Vienna mba hijanonana ho mahatoky.

Ohatra tamin’ny fahatokiana teo amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany maro fahiny i Vienna Jacques. Teraka tamin’ny 10 Jona 1787 izy. Rehefa nihaona tamin’ireo misiônera tany Boston, Massachussetts, Etazonia izy dia nandeha nankany Kirtland, Ohio tamin’ny taona 1831. Nitoetra tao nandritra ny enina herinandro izy ka natao batisa. Rehefa niverina tany Boston i Vienna dia nanampy ny fianakaviany maro hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Avy eo izy dia “nandamina ny raharahany ka niverina tany Kirtland mba hampiombonany mandrakizay ny zavatra hifantohany amin’ny zavatra nifantohan’ny Fiangonana” (“Home Affairs,” Woman’s Exponent, 1 jolay 1878, 21). Tamin’ny taona 1833 izy dia nanokana ny fananany rehetra, anisan’izany ny vola 1 400 dôlara, ho an’ny Fiangonana nandritra ny fotoana izay tena nilàna vola mafy. Avy eo dia nandeha nankany Missouri izy mba handray ny lovany tao Ziona. Kanefa, tsy ela akory taorian’ny fahatongavany dia niaritra fanenjehana niaraka tamin’ireo Olomasina izy. Rehefa avy noroahina niala tao amin’ny tranony tao Missouri izy dia nikarakara ny marary tao amin’ny Tobin’i Ziona. Nanoratra i Heber C. Kimball hoe, “Nandray hatsaram-panahy lehibe … tamin-drahavavy Vienna Jaques aho, ilay olona nikarakara izay nilaiko sy ny an’ireo rahalahiko—ny Tompo anie hamaly soa [azy] noho ny hatsaram-panahi[ny]” (“Sombiny tamin’ny H. C. Kimball’s Journal,” Times and Seasons, 15 mar. 1845, 839–40).

Rehefa tany Missouri i Vienna dia nanambady an’i Daniel Shearer. Nandeha niakandrefana nihazo an’i Utah izy tamin’ny taona 1847, teo amin’ny faha-60 taonany, ary nitarika ny kalesiny namakivaky ireo lemaka. Nonina tao Salt Lake City izy ka nandritra ny andro sisa niainany dia niasa mafy mba hamelomana ny tenany ary nandalina tamim-pahazotoana ny soratra masina. Nodimandry i Vienna tamin’ny 7 Febroary 1884, teo amin’ny faha-96 taonany. Nilaza izao ny taratasy filazana manjò mikasika azy hoe: “Nijanona ho mahatoky tamin’ny fanekempihavanany izy ary nandray ny famerenana ny Filazantsara amin’ny laoniny ho rakitsoa sarobidy” (“In Memoriam,” Woman’s Exponent, 1 mar. 1884, 152). (Jereo koa ny: Susan Easton Black, “Happiness in Womanhood,” Ensign, mar. 2002, 12–14.)

Rehefa avy namaky ireo ekipa dia diniho miaraka amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’i Vienna Jacques ireo torolalana nomen’ny Tompo azy? Inona no manaitra anao mikasika an’i Vienna Jacques?

  • Inona no nianaranao avy amin’ilay zavatra novakianao mikasika an’i Vienna Jacques?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91

Mampianatra an’i Joseph Smith ny Mpamonjy mba tsy handika ireo Apôkrifa

Raha mety dia mampisehoa loharano samihafa ho an’ny fampahalalana nosorotana toy ny boky, gazety na gazetiboky na finday.

  • Ahoana no ahafahanao mahalala fa marina ny zavatra izay novakianao tao amin’ireo loharano ireo?

Hazavao fa ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 dia nampianatra an’i Joseph Smith mikasika ny fomba hanavahana raha marina na tsia ny zavatra izay novakiany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nataon’i Joseph fony izy nandray ity fanambarana ity. Asao izy ireo hitatitra izay zavatra hitan’izy ireo.

Hazavao fa ny Apôkrifa dia fitambaran’ny boky masin’ny vahoaka Jiosy izay tsy natsofoka tao amin’ny Baiboly Hebreo voalohany (Testamenta Taloha) fa natsofoka kosa tao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly amin’ny teny Grika, fotoana fohy talohan’ny andron’i Kristy. Mahafaoka ny vanim-potoana teo anelanelan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ny sasany amin’ireo boky ireo. Taonjato maro taty aoriana, rehefa nanangona ireo bokin’ny Baiboly ireo Kristiana dia natsofony tao ny bokin’ny Apôkrifa, kanefa nipetraka ny fanontaniana raha toa ka tokony hampidirina ho ampahany amin’ny soratra masina izy ireo na tsia. Ny Baiboly izay nampiasain’i Joseph Smith mba hanaovana ny fandikany nentanim-panahy dia ahitana ny Apôkrifa. Kanefa, noho ny fisalasalana mikasika ny fahamarinan’ny Apôkrifa dia nanontany ny Tompo i Joseph raha toa ka tokony hampidirina ao amin’ny fandikany ny Baiboly ireo boky ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–3. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nianaran’i Joseph Smith mikasika ny Apôkrifa. (Mety ho ilainao ny manazava fa ny soratra mifangaro dia soratra izay natsofoka tao amin’ny sora-tanana, ka indraindray miteraka ny fiovan’ilay lahatsoratra tany am-boalohany.)

Rehefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:4–6. Asao ny mpianatra mba hamantatra ny fomba nahafahan’i Joseph Smith nahalala izay marina tao amin’ny Apôkrifa.

  • Ahoana no nahafahan’i Joseph nahalala izay marina tao amin’ilay Apôkrifa?

  • Ahoana no mety hanampian’ilay torohevitra ao amin’ny andininy 4–6 antsika amin’ny zavatra izay vakiantsika? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahalala raha marina na tsia ny zavatra izay vakiantsika.)

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny traikefa iray nananany rehefa nahatsapa izy ireo fa nohamafisin’ny Fanahy Masina ny fahamarinan’ny zavatra izay novakiany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92

Nilaina ny nandraisana an’i Frederick G. Williams ho isan’ny mpikambana tamin’ny United Firm

Hazavao fa ny fanambarana izay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92 dia nanome toromarika an’ ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tao amin’ny Orinasa Miray (izay nantsoina ihany koa hoe Lamina Miray) mba handray an’i Frederick G. Williams ao amin’ilay orinasa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny fomba nikasan’ny Tompo hidiran’i Frederick G. Williams ho mpikambana tao amin’ilay orinasa. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe: nasaina ho “mpikambana mavitrika” i Frederick G. Williams?

  • Inona no azonao atao mba ho mpikambana mavitrika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 2 mikasika ny fitahiana nampanantenaina an’ireo mahatoky? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Hotahiana mandrakizay isika raha mahatoky amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo.)

Farano amin’ny fizaranao ho vavolombelona ny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika hita tao amin’ity lesona ity ny fotoana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24. “Mitady amim-pahazotoana”

Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Tompo hoe: “mitadiava amim-pahazotoana, mivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo” (F&F 90:24). Nanazava ny Filoha Harold B. Lee fa ity torohevitra ity dia tena nisy lanjany lehibe ho an’ireo mpitarika fahiny tao amin’ny Fiangonana izay “zara raha nanana traikefa tamin’ny fitantanana ny Fiangonana” sy niatrika fanamby sarotra tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity (Stand Ye in Holy Places: Selected Sermons and Writings of President Harold B. Lee [1974], 197). Mbola nanazava bebe kokoa ny dikan’ny hoe “mitady amim-pahazotoana” izy:

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Ny hoe fahazotoana dia midika hoe miasa mafy, izay mifanohitra amin’ny hoe kamo na tsy miraharaha na tsy rototra. Izany hoe tsy maintsy mitady izy ireo mba hahalalana ny fotompampianaran’ny Fiangonana, ary tsy maintsy mitady izy ireo mba hahalalana ny torolalana nomena mikasika ny lamina arahina ao amin’ny Fiangonana” (Stand Ye In Holy Places, 198).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:25–27. Tokony ho ataon’ny Olomasina “vitsy” ve ny ankohonany?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:25–27, “ny Tompo dia mampitandrina ireo mpanompony, indrindra ny rain’ny Mpaminany, mba hanao ny ankohonany ho vitsy mba tsy ho lanin’ireo tsy mendrika (and. 25) izay nitady hanararaotra ny toe-javatra misy ny zavatra izay nomen’ny Fiangonana azy ireo. Rehefa nanoro hevitra azy ireo ny hanaovany ny ankohonany ho vitsy ny Tompo dia tsy ny zanany mivantana akory no tiany holazaina fa ireo vahiny sy ny mpanararaotra izay nanam-pahazarana ny hanararaotra ny hatsaram-panahy sy fahalalan-tanan’ireo rahalahy. Tsy ho voasakana ireo rahalahy amin’ny fanatontosana ny asan’ny Tompo raha toa ka mitandrina tsara izy ireo ny amin’io raharaha io” (Sidney B. Sperry, Doctrine and Covenants Compendium [1960], 462; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, famoahana faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 214).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:4–6. Ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahalala raha marina na tsia ny zavatra izay vakiantsika

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana ahafahantsika, tahaka ny amin’izao fotoana izao, mahazo mora foana ireo karazam-baovao rehetra—misy marina ny sasany amin’izy ireny, ny sasany diso, ary betsaka no tsy dia tena marina tanteraka.

“Ka noho izany, tsy mbola nanan-danja toy izany hatrizay ny fianarana ny fomba hanavahana tsara ny fahamarinana sy ny fahadisoana. …

“Mpanambara ny Fanahy Masina. Izy no Mpampionona izay mampianatra antsika ‘ny fahamarinan’ny zava-drehetra, [ilay] mahalala ny zava-drehetra ary manana ny hery rehetra araka ny fahendrena, ny famindram-po, ny fahamarinana, ny fahitsiana ary ny fitsarana’ [Mosesy 6:61]. …

“Ny tenivavolombelon’ny fahamarinana avy amin’ny Fanahy Masina dia omena ny olon-drehetra, na aiza na aiza, manerana izao tontolo izao. Ireo izay mitady hahalala ny marina, ka mandinika izany ao an-tsainy [jereo ny F&F 9:8], sy ‘mangataka amin-kitsimpo … omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia hahalala ny fahamarinana … amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina’ [Môrônia 10:4].” (“What Is Truth?” [Lahateny natao tamin’ny fampaherezam-panahy ho an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013], 3, 6; speeches.byu.edu).