Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Nifindra nankany avaratr’i Missouri ny Fiangonana; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–120 (Fizarana 25)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Nifindra nankany avaratr’i Missouri ny Fiangonana; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–120 (Fizarana 25)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ireo zava-nitranga sy ireo fotopampianarana ary ireo fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny “Nifindra nankany avaratr’i Missouri ny Fiangonana” sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–120 (fizarana 25) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Nifindra nankany avaratr’i Missouri ny Fiangonana)

Rehefa nandalina ireo zava-nitranga nitarika ny fifindran’ny foiben’ny Fiangonana tany Missouri avaratra ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa misafidy ny hiatrika ny fitsapana am-pinoana isika fa tsy amim-pisalasalana dia hampatanjahana ny fijoroantsika ho vavolombelona. Nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa manohana ny mpaminany sy manaraka ny toroheviny isika dia mandray fiadanana ara-panahy izay mamatotra antsika amin’ Andriamanitra. Nahita ireo mpianatra fa rehefa mamela heloka ny hafa isika dia afaka manasitrana ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny Tompo. Fanampin’izany dia nanome fahafahana ny mpianatra handinika ny fomba hiantefan’ny fihetsika sy teny ataontsika amin’ny fomba fijerin’ny hafa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–114)

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavana tao Far West, Missouri dia nangatahana ny Mpaminany Joseph Smith mba hanazava ny sasany amin’ireo andalana sarotra tao amin’ny bokin’i Isaia. Nianatra ny mpianatra avy tamin’ireo valim-panontaniana nambaran’ny Tompo fa i Joseph Smith dia nandray ireo fanalahidin’ny fanjakana ho an’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Rehefa nandalina momba an’i David W. Patten, izay iray tamin’ireo Apôstôly dia nahita ny mpianatra fa raha mihaino sy manaraka ny torolalan’ny Tompo isika dia hanomana antsika amin’izay mety asainy ataontsika Izy.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–116)

Nandritra ity lesona ity dia nianatra ireo mpianatra fa raha mitsangana sy mamirapiratra isika dia ho tonga faneva ho an’ny firenena rehetra ny fahazavantsika. Nahita ihany koa izy ireo fa ireo izay miangona ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona dia afaka mahazo fiarovana sy fialofana ary ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona ireo fanalahidy hitarihana ny asan’ny Tompo eto an-tany.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–120)

Nianatra ny mpianatra avy tamin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Newel K. Whitney sy i William Marks mikasika ny fananana tao Kirtland, Ohio fa ny mitsiriritra zavatra ara-nofo dia afaka mahatonga antsika hanamaivan-danja ireo raharaha lehibe kokoa. Nianatra izy ireo avy tamin’ny ohatra momba an’i Oliver Granger fa ireo fahafoizan-tena ataontsika amin’ny fanompoana ny Tompo dia masina Aminy.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny lalàn’ny fahafolonkarena sy ny fitahiana azo rehefa miaina izany lalàna izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:1–4

Manambara ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana isika no voatahy rehefa miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena?

Hazavao fa nanomboka tamin’ny 1837 dia nisedra fahasahiranana ara-bola goavana ny Fiangonana, torak’izany ihany koa ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-teny ho an’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady izay nangatahan’ny Mpaminany Joseph Smith ka nahatonga ity fanambarana ity.

  • Inona no zavatra nangatahan’i Joseph Smith tamin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:1–4. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny valintenin’ny Tompo tamin’ny fangatahan’i Joseph Smith.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, inona no atao hoe fahafolonkarena? (Tokony hahita ity didy manaraka ity ny mpianatra: Ny Tompo dia mandidy antsika mba handoa ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra amintsika ho Azy ho fahafolonkarena. Azonao atao ny manoratra io didy io eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny teny hoe izay rehetra miditra ao amin’ny andininy 4, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Nambara tsotra fotsiny ilay lalàna hoe ‘ny iray ampahafolon’izay rehetra miditra aminy.’ Ny hoe izay rehetra miditra dia midika hoe tombom-barotra, vola miditra, fitomboana. Izany dia karaman’ny olona miasa iray, ny tombom-barotra avy amin’ny fandraharana, ny fitomboana azon’ny olona iray izay namboly na namokatra na ny fidiram-bolan’ny olona iray avy amin’ny loharano hafa. Nilaza ny Tompo fa lalàna manan-kery ‘maharitra mandrakizay’ izany tahaka ny tany aloha” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1964, 35).

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny didin’ny Tompo mikasika ny fandoavan’ireo Olomasina ny fahafolonkarena amin’ny fotoana izay sarotra ho azy ireo ny nanao izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-asa maneho finoana ny fandoavana fahafolonkarena?

Manasà mpianatra iray hamaky izao fanambarana manaraka izao, izay nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha James E. Faust

“Nahoana ireo mpikambana maneran-tany, izay maro no mety tsy manana ny ampy ho an’ny filàny isan’andro no entanina hitandrina ny lalàn’ny fahafolonkarenan’ny Tompo? Araka ny voalazan’ny Filoha Hinckley tany Cebu tany amin’ny Nosy Filipinina, ‘na dia miaina ao anatin’ny fahantrana sy tsy fahalavorariana aza ny mpikambana … ka manaiky ny filazantsara sy mampihatra izany, ary mandoa ny fahafolonkarenany sy ny fanatitry ny fifadian-kaninany izay na dia mety ho kely dia kely aza, … dia hanana vary eo amin’ny loviany izy ireo sy akanjo eo amin’ny vantany ary fialofana eo ambonin’ny lohany. Tsy mahita vahaolana hafa aho’ [“Inspirational Thoughts,” Ensign, aog. 1997, 7].

“Ny sasany dia mety hahatsapa fa tsy afaka handoa ny fahafolonkarena fa ny Tompo dia nampanantena fa hanomana lalana ho antsika Izy mba hahafahantsika mitandrina ny didiny rehetra [jereo ny 1 Nefia 3:7]. Mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena amin’ny voalohany. … Mino aho fa azo atao ny miala amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny fananana finoana ny hamerina amin’ny Tompo ny ampahan’izay kely ananantsika” (“Opening the Windows of Heaven,” Ensign, nôv. 1998, 59).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba fandoavana fahafolonkarena dia manehoa taratasy fandoavana ny Fahafolonkarena sy fanatitra hafa. Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe vao nahazo vola izy ireo. Asao ny mpianatra iray hanome sosokevitra momba ny tarehim-bola iray.

  • Ohatrinona no fahafolonkarena tokony ho aloha amin’io tarehim-bola io?

Raketo eo amin’ny toerana marina tokony hisy izany ao amin’ilay taratasy fenoina ilay tarehim-bola ka apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Raha zarazaraintsika amin’ireo sokajin’ny fanomezana isan-karazany ao amin’ilay taratasy ny 10 isan-jaton’ny karamantsika, moa ve isika mandoa fahafolonkarena feno? (Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa ny 10 isan-jaton’ny karamany dia tokony hatokana amin’ny fahafolonkarena. Ireo fanomezana rehetra izay ataony amin’ireo vola hafa dia fanampin’ilay 10 isan-jato avokoa.)

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho izy ireo hanazava amin’ny hafa ny fahatakarany momba ny fomba hampiasana ny volan’ny fahafolonkarena. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny fanazavan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:2.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, ampiasaina hanaovana inona ny volan’ny fahafolonkarena? (Ny fahafolonkarena dia ampiasaina “ho fananganana ny tranon’[ny Tompo]” sy “ho fandatsahana ny fototr’i Ziona ary ho an’ny fisoronana” [famatsiam-bola an’ireo lafiny hafa amin’ny asan’ny Tompo, toy ny fananganana sy ny fikolokoloana an’ireo trano fivoriana, fandikana sy famoahana ireo soratra masina, ary fanohanana ny asa fitoriana sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana manerana an’izao tontolo izao]. Azonao atao ny milaza fa ankehitriny ny Fiangonana dia tsy ananan-trosa intsony. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny volan’ny fahafolonkarena dia ampiasaina hanorenana tempoly sy hanatontosana ny asan’ny Tompo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:5–7

Manazava ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo

Asao handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra ny mpianatra roa. Tendreo ny mpianatra iray hanao mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana, ary ilay mpianatra faharoa kosa hanao ny anjara asan’ny olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Omeo taratasy iray ilay mpianatra faharoa ka voasoratra ao ity fanontaniana manaraka ity: Reko fa manome ny ampahafolon’ny karamanao amin’ny fiangonanao ianao. Nahoana ianao no te hanao izany?

Asaivo mamaky mafy an’ilay fanontaniana ilay mpianatra faharoa, ka asao ilay mpianatra voalohany hamaly. Aorian’ilay filalaovana an-tsehatra dia anontanio ny iray kilasy ny fomba mety namaliany izany. Asongadino fa misy valinteny tsara maro amin’io fanontaniana io.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:6–7. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny zava-bita noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6, dia inona no zava-bita noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena? (Fanamasinana ny tanin’i Ziona ho an’ny Tompo.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra an’io andininy io dia hazavao fa ny hoe hamasinina dia entina hilazana ny fahafahana amin’ny fahotana—mahitsy fo, madio ary masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Ankoatra izay dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mihoatra noho ny toerana ara-batana ny atao hoe Ziona. Olona izay “madio am-po” izany (F&F 97:21).

Asao ireo mpianatra hamintina ireo vokatry ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena amin’ny teniny manokana. Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny fandoavana ny fahafolonkarena dia manamasina antsika tsirairay sy amin’ny maha-Fiangonana antsika.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny lanjan’io fitsipika io dia asao izy ireo hamaly ity fanontaniana ity:

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fandoavana fahafolonkarena ny olona iray ho masina?

Tondroy indray ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe: Inona no fitahiana azontsika rehefa miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena isika? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara traikefa sy hijoro ho vavolombelona momba ny lalàn’ny fahafolonkarena. Azonao atao koa ny manao tahaka izany. Entano ireo mpianatra mba hampihatra finoana amin’ny fanolorana 10 isan-jaton’izay rehetra miditra ao amin’izy ireo ho fahafolonkarena ho an’ny Tompo.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123; ny fanorenana ny tanàn’i Nauvoo)

Asao ny mpianatra hieritreritra fitsapana izay niainany ary handinika ny zavatra nianarany avy tamin’izany. Inona no mety ho fahatsapanao raha toa endrikendrehina amin’ny tsy rariny sy ampidirina am-ponja ianao? Hazavao fa mandritra ny herinandro ho avy dia handalina ny sasany amin’ireo fitsipika nianaran’ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny fotoana nidirany tsy an-drariny am-ponja izy ireo, ka anisan’izany ny tanjon’ny Tompo amin’ny famelana antsika hiaina fitsapana.