Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–56 (Fizarana 12)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–56 (Fizarana 12)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–56 (fizarana 12) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49)

Ireo mpianatra dia nandalina ireo fotopampianarana sy fitsipika nandidian’ny Tompo an’i Leman Copley sy ny olona hafa mba hampianarina an’ireo Shakers izay manao hoe: raha mahafantatra ireo famantara ny Fiaviana Fanindroany isika dia tsy ho voafitaky ny filazana diso; i Jesoa Kristy dia nandidy ireo mpanompony mba hiantso ny rehetra hino Azy, hibebaka, hatao batisa ary handray ny fanomezan’ny Fanahy Masina; ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra; ary ny mpivady dia nomena didy ho iray sy hanana zanaka.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50)

Nianatra ireo mpianatra fa ireo fanahy sandoka dia efa namitaka ny Olomasina tany am-pioandohany sasantsasany. Ny Tompo dia nampianatra ireo Olomasina ireo fa ny Fanahy Masina no Mpampionona ary ny Fanahy Masina no mampianatra ny fahamarinana. Ny Tompo dia nampianatra ihany koa fa izay avy amin’ Andriamanitra dia manazava ary mankahery fa izay tsy avy amin’ Andriamanitra kosa dia mitondra fikorontanana sy haizina. Nahita ireo mpianatra fa rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–52)

Nianatra ireo mpianatra fa mba hahafahana miala amin’ny famitahan’i Satana dia tsy maintsy mankatò ireo torolalan’ny Tompo ny olona iray ary miaina araka ireo fanambarana nomeny. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mijery sy mikarakara ireo mahantra, ireo izay mila fanampiana, ireo marary ary ireo ory.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–56)

Rehefa nandalina momba ireo Olomasina izay noterena handao ny tanin’i Leman Copley ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika ka mankatò ireo didin’ Andriamanitra dia hahazo famindrampo. Rehefa nandalina ny mombamomba ny antso nomena an’i William W. Phelps mba hanoratra sy hanao printy ho an’ny Fiangonana ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny Tompo dia afaka mampiasa ny talentantsika sy ny fahaiza-manaontsika ary ny fahafaha-manaontsika mba hitahiana ny fanjakana. Rehefa nianatra momba an’i Ezra Thayre izy ireo dia nahita fa ny Tompo dia afaka manome didy iray na manafoana didy iray araka izay hitany fa mety.

Fampidirana

Ny volana jona 1831 dia nanome fanambarana maromaro mba hiantsoana ireo Olomasina tany Ohio amin’ny fifindrana any Missouri ny Tompo. Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny fifandraisan’ny fankatoavana sy ny fandraisana fanambarana fanampiny avy amin’ny Tompo. Ny lesona dia miresaka ihany koa momba ny dikan’ny hoe “[m]itondra ny hazofijaliantsika” (jereo ny F&F 56:2).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–13, 22–36

Ny Tompo dia mandidy ny Mpaminany sy ny loholona hafa mba hanao ny dia mankany Missouri sy hitory ny filazantsara mandritra io dia io.

Alohan’ny fotoam-pampianarana dia manomàna famantarana telo, ny famantarana voalohany dia tokony hitondra mankany amin’ny famantarana faharoa. Ohatra, ny famantarana voalohany dia mety hitarika ny mpianatra hijery ny famantarana faharoa izay eny ambany na eny akaikin’ny zavatra iray ao anatin’ny efitrano fianarana. Ny famantarana faharoa dia mety hitarika azy ireo hikaroka ny famantarana fahatelo amin’ny faritra hafa ao amin’ny efitrano fianarana. Ilay teny enti-manoro fahatelo dia tokony hilaza hoe: “Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–6. Karohy ny fitsipika iray mitovy amin’ity asa atao ity.”

Apetaho eo amin’ny solaitrabe ilay teny enti-manoro voalohany, dia soraty eo akaikiny ireto torolalana manaraka ireto: Araho ity teny enti-manoro ity mba hianarana ny fomba handraisana fitarihana tsy tapaka avy amin’ny Tompo.

Rehefa avy namaky ny famantarana voalohany ny mpianatra dia asao izy ireo mba hanaraka ny torolalana mba hahitana ny famantarana faharoa. Asao izy ireo avy eo mba hamaky ny torolalana ahitana ny famantarana faharoa ka hikaroka ny famantarana fahatelo.

Alohan’ny fanarahan’ny mpianatra ny torolalana ho an’ny famantarana fahatelo dia hazavao fa ny andinin-tsoratra masina ho karohina dia mirakitra torolalana nomena an’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpitarika ao amin’ny fisoronana hafa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana natao tany Kirtland, Ohio ny volana jona 1831. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Tompo dia efa nanambara teo aloha ny tokony hanorenan’ny Olomasina tanàna iray atao hoe Ziona (jereo ny F&F 28:9), fa mbola tsy nilaza ny toerana hasiana izany Izy.

Asao ireo mpianatra mba hanaraka ny torolalana ho an’ny famantarana fahatelo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–6. Asao ny mpianatra rehetra mba hanaraka ny vakinteny ka hitady fitsipika iray izay mitovy amin’ny asa atao vao avy natao.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4–5 dia inona no mety hitranga rehefa mahatoky amin’ireo torolalana omen’ Andriamanitra isika? (Rehefa manaraka ny torolalan’ Andriamanitra amim-pahatokiana isika dia hanambara torolalana bebe kokoa ho antsika Izy. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Azonao atao ihany koa ny manome sosokevitra ny hanoratan’ny mpianatra izany eo amin’ny sisin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Ahoana no itovian’ilay asa natao amin’io fitsipika io? (Rehefa nanaraka ny torolalana tsirairay ny mpianatra dia nandray torolalana fanampiny izy ireo, ary tamin’ny farany izany dia nitondra azy ireo ho any amin’ny valiny izay kokatsahiny.)

  • Inona no tsapanao fa tombotsoa sasantsasany amin’ny fandraisana torolalana avy amin’ny Tompo sy fahamarinana tsikelikely toy izay ny fandraisana izany rehetra izany indray mandeha?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53

Ny Tompo dia miantso an’i Sidney Gilbert mba ho lasa loholona ary mba hanao ny dia miaraka amin’i Joseph Smith mankany Missouri

Mba ho ohatra iray fanampiny momba ny fahamarinana hita teo ambony dia hazavao fa nisy olona iray vao niova fo nantsoina hoe Sidney Gilbert nahita fa tsy tafiditra tao amin’ny lisitry ny mpitory filazantsara nantsoina hanao ny dia nankany Missouri ny tenany. Nanatona ny Mpaminany Joseph Smith izy ary nangataka ny zavatra irian’ny Tompo hataony. Naka hevitra ny Mpaminany dia nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53. Ilay fanambarana dia nanoro lalana ny Rahalahy Gilbert ny hahafoizany izao tontolo izao sy ny hanendrena azy ho loholona ary ny hanaovany ny dia mankany Missouri mba hanampiany amin’ny asa aman-draharahan’ny Fiangonana (jereo ny F&F 53:1–5).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53:6–7. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny fotoana nolazain’ny Tompo hanomezany an’i Sidney ny torolalana fanampiny (“ny sisa”). (Azonao atao ny manazava fa nantsoin’ny Tompo hoe “ôrdônansy” ireo torolalana ireo.” Ny teny hoe ôrdônansy dia mety hilaza fitsipika na lalàna indraindray.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy maintsy mankatò ireo torolalana efa nomen’ny Tompo isika alohan’ny fiheverantsika ny handray torolalana fanampiny?

Asao ireo mpianatra izay efa nanana traikefa momba ity fitsipika ity mba hizara izany na hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Azonao atao koa ny mizara ny traikefanao na ny fijoroanao ho vavolombelona manokana.

Amporisiho ireo mpianatra mba hanoratra ireo fanontaniana na ahiahy na fanapahan-kevitra izay atrehany ka iriany fanampiana na torolalana avy amin’ny Tompo. Rehefa izany dia asao izy ireo mba hisaintsaina sy hanoratra ny fitarihana rehetra mety omen’ny Tompo azy ireo izay azon’izy ireo harahina tsaratsara kokoa mba hahafahana manasa fitarihana fanampiny avy Aminy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:1–8

Manafoana ny antson’i Ezra Thayre mba hitory ny Tompo ka mampitandrina azy mba hibebaka

Anontanio ireo mpianatra raha mahafantatra olona izay efa nahafoy zavatra manan-danja iray mba hahafahana mankatò ny didin’ny Tompo. (Ireo ohatra dia mety ahitana olona izay nahafoy tena mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana na handehanana hitory ny filazantsara na hankatò fenitra ara-pitondrantenan’ny Fiangonana.) Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny ohatr’izy ireo. Asao avy eo ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nianarany momba an’i Ezra Thayre rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56. (Raha mila fanampiana izy ireo dia ampahatsiahivo fa i Ezra Thayre dia nodidiana mba hitory ny filazantsara niaraka tamin’i Thomas B. Marsh, fa noho ny avonavona sy ny fitiavan-tena dia tsy vonona ny handeha izy rehefa tonga ny fotoana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:1–2. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ireo izay tsy manaiky hankatò ny didiny.

  • Inona no nolazain’ny Tompo momba ireo izay tsy manaiky hankatò ny didiny?

  • Araka ny voasoratra ny andininy 2, dia inona no tsy maintsy hataontsika mba hamonjena antsika? (Mba ho voavonjy dia tsy maintsy mitondra ny hazofijaliantsika isika, manaraka ny Mpamonjy ary mitandrina ny didiny. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[m]itondra ny hazofilalia[ntsika]”? (Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 16:24 dia mamaritra io andian-teny io toy izao : “Ary ankehitriny ho an’ny olona, ny mitondra ny hazofijaliany dia ny mandà amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra mbamin’ny filandratsin’izao tontolo izao rehetra ary ny mitandrina ny didiko”. Ny fampiasana ny teny hoe hazofijaliana dia fampahatsiahivana ny fahavononan’ny Mpamonjy hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra. Mitondra ny hazofijaliantsika isika amin’ny fampisehoana fahavononana amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ary “handà ny tenantsika” isika na hahafoy izay rehetra mety ilaina mba ho mpankatò an’ Andriamanitra.)

  • Inona ireo didy nomen’ Andriamanitra izay mitaky ny fitondranao ny hazofijalianao ary hanao fahafoizan-tena mba ho mpankatò? (Ny ohatra sasany amin’izany dia azo jerena ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts.)

Vakio ireto ohatra manaraka ireto (na mamoròna ohatra vitsivitsy izay tsapanao fa mihatra bebe kokoa amin’ny mpianatra ao amin’ny kilasinao) ary anontanio ny fomba hahafahan’ny tsirairay mitondra ny hazofijaliany sy mankatò ireo didin’ny Tompo:

  1. Efa akaiky ny fotoana hahafahan’ny zatovolahy iray hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Miahiahy ny amin’ny zavatra rehetra izay tsy maintsy hilaozany rehefa mandeha izy.

  2. Ny zatovovavy iray dia mahafantatra fa ny tanora ao amin’ny paroasiny dia hankany amin’ny tempoly afaka volana vitsivitsy fa tsy manana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly anefa izy. Misy zavatra iray ao amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao izay manakana azy tsy hanana izany fahazoan-dalana izany.

Hazavao fa raha tsy misafidy ny hitondra ny hazofijaliantsika isika dia mety hanary ny fahafahana hitahy ny hafa sy handray fitahiana ho an’ny tenantsika.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:3–8 amin’ny fampahatsiahivana ireo mpianatra fa noho ny tsy fankatoavan’i Ezra Thayre dia nofoanana ny antsony hitory ary very ny fahafahany hanompo tamin’io fotoana io. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsy maintsy ataony mba hitondrana ny hazofijaliany ary hankatoavany ireo didin’ny Tompo. Amporisiho izy ireo hanao zavatra amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57–59)

Anontanio ireo mpianatra hoe manao ahoana izany miaina amin’ny fiaraha-monina izay ahitana fa ny olon-drehetra dia marina, tsara fanahy sy miantra izany. Ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ny fomba tokony hiainantsika mba hahafahantsika mandray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly sy miomana hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra.