Seminera
Lesona 91: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–40


Lesona 91

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–40

Fampidirana

Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith fa “isan’ireo fanambarana lehibe indrindra nomena ny olombelona” ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56] 3:181). Nandritra ny telo andro no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ity fanambarana ity—ny 27–28 Desambra 1832 sy ny 3 Janoary 1833—rehefa avy nivavaka ireo mpisorona avo, izay nivory nandritra ny fihaonambe, mba hahalalana ny sitrapon’ny Tompo mikasika ny fananganana an’i Ziona. Ity no lesona voalohany amin’ireo lesona efatra mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88. Ny ampahany amin’ilay fanambarana izay horesahana ato amin’ity lesona ity dia ahitana (1) ny filazan’ny Tompo fa Izy no fahazavana izay mitondra ny zava-drehetra sy ao amin’ny zava-drehetra ary (2) ny fanazavany ny lalàna izay mifehy ny fanjakany sy ny mponina ao aminy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13

Milaza ny Tompo fa Izy no fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra.

Anontanio ireo mpianatra raha efa tao anaty toerana maizina tanteraka izy ireo. Asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny zavatra niainany. Mampisehoa jiro fanao am-paosy iray na labozia iray na manaova sarin’izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Amin’ny fomba ahoana no ankasitrahanao ny fitahian’ny hazavana rehefa ao anatin’ny haizina tanteraka ianao?

  • Maneho inona ny fahazavana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa ny fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia ahitana ny fampianaran’ny Tompo momba ny maha-zava-dehibe ny fahazavana. Nandritra ny telo andro no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ity fanambarana ity rehefa avy nivavaka ireo mpisorona avo, izay nivory nandritra ny fihaonambe, mba hahalalana ny sitrapon’ny Tompo mikasika ny fananganana an’i Ziona.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–2 sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny zavatra tsapany sy tsapan’ny anjely rehefa mivavaka ireo mpanompony hahalalana ny sitrapony.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao no mankasitraka ny Tompo ary miravoravo ny anjely rehefa mivavaka isika mba hahalalana ny sitrapon’ny Tompo?

  • Amin’ny fomba ahoana no mampitovy ny fahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fahazavana ho an’ireo izay mikatsaka izany?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:3–5 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nampianatra ireo rahalahy ireo ny Tompo fa afaka mahazo antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay antsoina koa hoe Mpampionona sy Fanahy Masin’ny Fampanantenana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny loharanon’ny fahazavana rehetra. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no teny nampiasaina ao amin’ny andininy 7 izay entina hilazana ny fahazavan’ny fahamarinana?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12–13 dia avy aiza no fiavian’ny fahazavana rehetra?

  • Ahoana no itaoman’ Andriamanitra ny zava-boariny amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy no anomezan’ Andriamanitra fahazavana sy aina ny zava-boariny rehetra. Azaonao atao ny manoratra izany fotopampianarana izany eny amin’ny solaitrabe. Mety milaza koa ny mpianatra fa lalàna izay itondrana an’izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy ny Fahazavan’i Kristy ka “mampahavitrika” ny fahatakarantsika. Ny hoe mampahavitrika dia midika hoe mamelombelona. Satria hampiasaina ao aoriana ao io teny io ao amin’ilay fanambarana dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra io famaritana io eo amin’ny sisin’ny pejin-tsoratra masiny eo akaikin’ny andininy 11.)

Raha ilaina dia fenoy ny fanazavan’ny mpianatra mikasika ny Fahazavan’i Kristy amin’ny alalan’ny fanazavana fa izany dia “hery avy amin’ Andriamanitra na hery fitaomana mivoaka avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ka manome aina sy fahazavana ny zava-drehetra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahazavan’i Kristy,” scriptures.lds.org).

Mba hanampiana ny mpianatra handinika ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto sokajin-javatra manaraka ireto:

Hazavana Fahatakarana Fiainana Lalàna

Asao ny mpianatra mba hitanisa ohatra eny amin’ny solaitrabe mikasika ny fomba fiantraikan’ireo fisehoan’ny Fahazavan’i Kristy ireo eo aminy isan’andro. (Ireto misy ohatra sasany: ny fahaizana mahita, ny fahaizana mianatra sy mahafantatra ny fahamarinana, ny fitomboan’ny zava-maniry sy ny biby izay manome sakafo sy fitafiana antsika ary ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy.)

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahamarinana izay noresahantsika mikasika ny Fahazavan’i Kristy anao hankasitraka ny hery fitaoman’ny Tompo eo amin’ny fiainanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–40

Manazava ny Tompo fa misy lalàna mifandray amin’ny fanjakam-boninahitra

Mampisehoa fonon-tanana iray, dia hazavao fa maneho ny vatantsika ara-nofo izany. Asao ny mpianatra iray mba hanao ilay fonon-tanana ary hampihetsika ny rantsantanany. Hazavao fa manetsika na manome aina ilay fonon-tanana ny tanana.

  • Raha maneho ny vatana ara-nofo ny fonon-tanana dia maneho inona kosa ny tanana? (Vatana ara-panahy.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny fiantsoan’ny Tompo ny fitambaran’ny fanahy sy ny vatana.

  • Inona no niantsoan’ny Tompo ny fitambaran’ny fanahy sy ny vatana? (Ny fanahy sy vatana no atao hoe olona velona. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika an’io fotopampianarana io.)

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra mahakasika ny vatana ara-nofontsika hisy fiantraikany koa eo amin’ny fanahintsika? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hanome ohatra vitsivitsy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fifandraisana misy eo amin’ny vatantsika sy ny fanahintsika dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity. Asaivo mihaino ireo fomba ahafahan’ny vatana sy ny fanahy hisy fiantraikany eo amin’ny roa tonta ny mpianatra.

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tsy isalasalana fa misy fiantraikany eo amin’ny fanahy ny fahasalaman’ny vatantsika, fa raha tsy izany dia tsy nanambara ny Tenin’ ny Fahendrena mihitsy ny Tompo. Tsy mbola nanome didy ara-nofo na oviana na oviana Andriamanitra—izay mahakasika ny vatantsika dia mahakasika ny [fanahi]ntsika koa. …

“… Mampalemy ny fahotana. Tsy vitan’ny hoe misy fiantraikany eo amin’ny [fanahy] fotsiny izany fa misy fiantraikany eo amin’ny vatana ihany koa. Feno ohatra mikasika ny hery ara-nofo izay azon’ny marina ny soratra masina. Etsy an-kilan’izay, ny fahotana izay tsy nibebahana dia afaka mampihena ny hery ka mitarika mankany amin’ny aretina ara-nofo sy ara-tsaina” (“In His Steps,” Ensign, sep. 1988, 5).

  • Ahoana no mety hanampiana anao handray fanapahan-kevitra marina rehefa takatrao ny fifandraisana misy eo amin’ny vatanao sy ny fanahinao?

Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny fahamarinana momba ny Fitsanganana amin’ny maty dia asao ilay mpianatra eny aloha mba hanala ilay fonon-tanana eny amin’ny tanany ka hametraka izany eo amin’ny latabatra na seza iray.

  • Mety haneho inona io toe-javatra io? (Fahafatesan’ny vatana.)

  • Inona no zava-mitranga amin’ny fanahy rehefa tonga ny fahafatesana? (Misaraka ny fanahy sy ny vatana.)

Asao ilay mpianatra handray ilay fonon-tanana ka hamerina hanao izany indray amin’ny tanany.

  • Mety haneho inona io hetsika io? (Fitsanganana amin’ny maty.)

  • Inona no zava-mitranga amin’ny fanahy amin’ny fitsanganana amin’ ny maty? (Mitambatra indray ny fanahy sy ny vatana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14, 16–17 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba nanoritsoritan’ny Tompo ny Fitsanganana amin’ny maty. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Iza no nahatonga ny fanahintsika ho afaka havotana? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: I Jesoa Kristy no nahatonga ny fanahintsika ho afaka havotana.)

  • Inona no holovain’ny “mahantra sy ny malemy” fanahy rehefa avy navotana ny fanahintsika? (Ny Tany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:18–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra hanjò ny tany, alohan’ny ahafahan’ny fanahy navotana handova izany.

  • Inona no hanjò ny tany alohan’ny ahafahan’ireo fanahy navotana handova izany?

  • Araka ny voalazan’ny andininy faha 19fanatrehan’iza no ho hita eo amin’ny tany voadio?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Iza no ho mendrika hiaina any amin’ny fanjakana selestialy ka hahazo ny fanatrehan’ny Ray any An-danitra? Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba hamaliany io fanontaniana io.

Hazavao fa tahaka ny hahazoan’ny tany voninahitra aorian’ny fanamasinana izany no hanovana koa ny vatantsika sy hahazoantsika voninahitra amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Kanefa tsy hitovy ny ambaratongam-boninahitra ho azon’ny olon-drehetra.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21–24 sady hitady ny zavatra izay mamaritra ny ambaratongam-boninahitra ho azon’ny olona iray amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.

  • Inona no mamaritra ny ambaratongam-boninahitra ho azon’ny olona iray amin’ny Fitsanganana amin’ny maty? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity. Azonao atao koa ny mandroso hevitra amin’ny mpianatra mba hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny soratra masiny. Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hahazo ny voninahitra izay mifanentana amin’ny lalàna nankatoavintsika isika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fahamarinana io dia asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:25–33 miaraka amin’ny namana iray. Asaivo tadiaviny ny fomba fiantraikan’ny fankatoavana ny lalàn’i Kristy eo amin’ny tany sy ny tsirairay amintsika. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no hitanao manaporofo ilay fahamarinana hoe amin’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hahazo ny voninahitra izay mifanentana amin’ny lalàna ankatoavintsika isika?

  • Jereo ao amin’ny andininy 28 fa niresaka mikasika ireo izay “an’ny fanahy selestialy” ny Tompo. Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe: “an’ny fanahy selestialy”?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ireo olona izay miaina araka ny lalàn’ny fanjakana selestialy no antsoina hoe ireo an’ny fanahy selestialy. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa fantatsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny hoe anisan’ny lalàn’ny fanjakana selestialy ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ny fitandremana ny didy, ny fanaovana sy fitazomana ireo fanekempihavanana, ny fandresena amin’ny alalan’ny finoana ary ny fandraisana ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana (jereo ny F&F 76:50–53, 69–70).

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:28–29, ahoana no anoritsoritan’ny Tompo ny vatana nitsangana tamin’ny maty an’ireo izay mahazo ny voninahitra selestialy?

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:30–31, karazana vatana toy inona no ho azon’ny olona amin’ny Fitsanganana amin’ny maty raha toa ka ny lalàna terestrialy na telestialy ihany no ankatoaviny eto an-tany? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty dia hifanentana amin’ny voninahitry ny karazana fanahy izay hiafarantsika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fotopampianarana mikasika ny hoe hahazo voninahitra mifanentana amin’ny lalàna izay ankatoavintsika isika dia asao izy ireo hiasa ao anatin’ny vondrona misy olona telo na efatra ka hamita ity asa ampanaovina manaraka ity. Azonao atao ny mizara ny tahadikan’ireo toromarika na ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

  1. Diniho miaraka ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no tombontsoa amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fifamoivoizana? Inona no vokatry ny tsy fankatoavana ny lalàn’ny fifamoivoizana?

  2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:34–35 ka tadiavo ny vokatry ny fiainana na ny tsy fiainana ny lalàn’ Andriamanitra. Diniho miaraka ny zavatra hitanao.

  3. Manoritsoritra ny toetran’ny olona izay ho voasarika mankany amin’ny fanjakana selestialy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40. Iaraho mandalina io andininy io ka tadiavo izany toetra izany. Avy eo dia diniho miaraka ny zavatra azontsika atao mba hampivelatra na hanamafy ireo toetra ireo eo amin’ny fiainantsika.

Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ireo toetra ireo tao anatin’ny vondrona misy azy ny mpianatra dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fahazavana izay mameno ny fiainantsika rehefa miezaka ny miaina ny lalàn’ny Tompo isika. Asao ny mpianatra mba hizara ny fomba nahitany ny fisehoan’io fahamarinana io teo amin’ny fiainany. Ampio ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hanoratra tanjona iray izay hanampy azy ireo hiaina ny lalàn’ny fanjakana selestialy ka hotahiana amin’ireo toetra ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny tanjony amin’ny iray kilasy raha toa ka tsy mampaninona azy ny manao izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:3–4. “Mpampionona hafa”

“Nihevitra ny sasany fa ilay andian-teny hoe ‘Mpampionona hafa’ ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:3 dia entina hilazana ny Mpampionona Faharoa, na famangiana manokana ataon’ny Mpamonjy. Kanefa, nampanantena ny Tompo ao amin’io andininy io fa ‘mitoetra ao am-ponareo’ io Mpampionona io. … Ny Mpampionona nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia ‘ny Fanahy Masin’ny fampanantenana’ (and. 3), ‘fampanantenana izay omeko anareo ny amin’ny fiainana mandrakizay’ (and. 4)” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ed. Faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001, 198).

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tsy Mpampionona Faharoa ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia ilay Fanahy Masina izay mametraka ny tombokasen’ny fankatoavana eo amin’ny ôrdônansy tsirairay izay natao tamim-pahamarinana [F&F 132:7]; ka rehefa rava ireo fanekempihavanana dia ho esoriny ilay tombokase” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 1:55).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13. Ny Fahazavan’i Kristy

“Ny Fahazavan’i Kristy dia ‘mivoaka avy eo anatrehan’ Andriamanitra mba hameno ny fidadasiky ny habakabaka.’ Izany no ‘fahazavana izay ao amin’ ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra, dia lalàna izay itondrana ny zava-drehetra’ (F&F 88:12–13; jereo koa ny andininy 6–11). Hery mitarika hanao ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra izany hery izany (jereo ny Jaona 1:9; F&F 93:2). Indraindray ny Fahazavan’i Kristy dia antsoina hoe ny Fanahin’ny Tompo, ny Fanahin’ Andriamanitra, ny Fanahin’i Kristy, na ny Fahazavan’ny Fiainana ao amin’ny soratra masina.

“Tokony tsy ho afangaro amin’ny Fahazavan’i Kristy ny Fanahy Masina. Tsy olona koa izany, tahaka ny Fanahy Masina. Ilay hery avy aminy dia mitarika ny olona hahita ny filazantsara marina, sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 12:46Almà 26:14–15

“Ny feon’ny fieritreretana dia fisehoan’ny Fahazavan’i Kristy, izay manome fahafahana antsika hanavaka ny tsara amin’ny ratsy. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: ‘Ny Fanahin’ i Kristy dia nomena ny olon-drehetra mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’ i Kristy dia alefan’ ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany. … Ary ankehitriny, ry rahalahiko, satria fantatrareo ny hazavana izay ahazoanareo mitsara, hazavana izay hazavan’ i Kristy, dia ataovy izay tsy hitsaranareo diso; fa amin’ ny fitsarana izay itsaranareo ihany no itsarana anareo koa’ (Môrônia 7:16, 18)” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 96).

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Mba hanoritsoritana ny Fahazavan’i Kristy dia ampitahaiko na ampitoviako amin’ny fahazavan’ny masoandro izany. Samy mahafantatra ny taramasoandro avokoa ny olon-drehetra; hita na aiza na aiza izany ary afaka hita sy tsapa. Na dia ny fiainana aza dia miankina amin’ny taramasoandro.

“Ny Fahazavan’i Kristy dia tahaka ny taramasoandro. Hita na aiza na aiza koa izy io ka omena mitovy tsara amin’izany ny olona tsirairay.

“Tahaka ny fanjavonan’ny haizina rehefa miposaka ny masoandro no hitsoahan’ny ratsy amin’ny Fahazavan’i Kristy.

“Tsy misy haizina ao amin’ny taramasoandro. Eo ambany fifehezan’izany ny haizina. Mety takon’ny rahona na ny fiodin’ny tany ny masoandro, kanefa hisinda ny rahona ary hahavita ny fiodinany tanteraka ny tany. …

“Ny Fahazavan’i Kristy dia natao ho an’ny olon-drehetra tahaka ny taramasoandro. Na aiza na aiza misy ain’olombelona dia ahitana ny Fanahin’i Kristy. Manana izany avokoa ny fanahy velona rehetra. Izy no mpanohana ny zava-drehetra izay tsara. Izy no mitaona ny zava-drehetra izay hahasambatra sy hahasoa ny olombelona. Izy no mamelona ny fahatsarana” (“The Light of Christ,” Ensign, apr. 2005, 13).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21–24, 34–35. Afaka misafidy ny hankatò ny lalàn’ny fanjakana selestialy isika

Nanoro hevitra mikasika ny fanombatombanana ny zava-bitan’ny tena amin’ny fankatoavantsika ny lalàna selestialy ny Loholona Delbert L. Stapley ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Delbert L. Stapley

“Angamba tsara tokoa raha toa ka mamerina manombatombana ny zava-bitantsika isika mba hijerena hoe aiza ho aiza no misy antsika amin’izao fotoana izao manoloana ny lalàna fototry ny fanjakana selestialy—dia ny lalàn’ny fankatoavana. Tokony hanambara amintsika ny fanjakana izay nofinidintsika ho tanjontsika ny vokatr’izany. Ohatra:

  1. Moa ve aho mandalina sy misaintsaina ny soratra masina mba hahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra sy hahatakarana ny didiny mikasika ny zanany?

  2. Moa ve aho manaraka ny torohevitry ny mpaminany velona an’ Andriamanitra, sa mifantina fotsiny ireo zavatra izay ekeko, fa tsy miraharaha ny hafa kosa?

  3. Moa ve aho mikatsaka ny torohevitra sy ny sosokevitry ny evekako sy ny filohan’ny tsatòkako mikasika ireo olana mianjady amiko sy amin’ny fianakaviako?

  4. Moa ve aho miezaka amin-kafanam-po ny hifehy tena ka mametraka ny filako ara-nofo eo ambanin’ny fifehezan’ny sitrapoko?

  5. Moa ve aho manao ny ezaka rehetra hibebahana amin’ny fahadisoana taloha sy amin’izao fotoana izao ka manitsy azy ireny amin’ny alalan’ny fanaovana ny tsara?

  6. Moa ve aho mampiseho finoana an’ Andriamanitra na dia misedra fizarahan-toetra sy fitsapana ary fahoriana aza? Ary moa ve aho mizaka ny enta-mavesatro tsy amim-pitarainana amin’ny hafa?

“Tsy sarotra ny mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehefa ataontsika amim-pitiavana an’Ilay nitahy antsika tamin-katsaram-panahy izany. Nitalaho amintsika ny Mpamonjy hoe ‘ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

“‘Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.’ (Mat. 11:29–30.)

“Ny fahavononantsika hanaraka ny didin’ Andriamanitra dia vavolombelona manambara ny finoantsika Azy sy ny fitiavantsika Azy. Ny olona izay mikomy lava dia tsy afaka handova ny fanjakana selestialy” (“The Blessings of Righteous Obedience,” Ensign, nôv. 1977, 20–21).