Seminera
Lesona 122: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–114


Lesona 122

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–114

Fampidirana

Naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113 ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny fahatongavana tao Far West, Missouri, tamin’ny volana martsa 1838. Ao anatin’ilay fanambarana dia namaly ireo fanontaniana momba ireo andalan-tsoratra masina avy amin’ny bokin’i Isaia ny Tompo. Tamin’ny 11 aprily 1838 dia nahazo fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114 i Joseph Smith ka tao anatin’izany no nitarihan’ny Tompo an’i David W. Patten, mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hiomana hanao asa fitoriana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113

Mamaly ireo fanontaniana mikasika ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny bokin’i Isaia ny Tompo

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Moa ve ianao efa sahirana tamin’ny tsy fahatakarana ny zavatra izay novakinao tao amin’ny soratra masina?

Hamafiso fa ahitana tandindona izay saro-takarina ireo faminaniana sasantsasany ao amin’ny soratra masina. Hazavao fa tao Far West, Missouri, dia nangataka an’i Joseph Smith ireo rahalahy sasantsasany mba hanazava ny andininy ao amin’ny toko 11 sy 52 amin’ny bokin’i Isaia. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113 ny valintenin’ny Tompo momba an’ireo fanontaniana ireo. Azonao atao ny manazava fa fony nitsidika voalohany an’i Joseph Smith i Môrônia dia nitanisa ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 11 izy. Nolazain’i Môrônia an’i Joseph Smith fa ilay faminaniana dia efa madiva ho tanteraka (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:40).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Isaia 11:1. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo zavatra efatra izay voalaza ao amin’io andininy io.

  • Inona avy ireo zavatra hitanao? (Tokony hilaza an’ireto ny mpianatra: solofo sy fototra sy trebona (sampana) ary faka. Hamafiso fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113 dia ahitana fanazavana momba ny solofo sy ny fototra ary ny faka.)

Sary
vodihazo

Hazavao fa ny teny hoe fototra ao amin’ny Isaia 11:1 dia nadika avy amin’ny teny Hebreo izay entina hilazana vatan-kazo na vodihazo—na izany avy amin’ny hazo izay notapahana na avy amin’ny hazo izay nambolena. Asao ny mpianatra iray mba hanao sarina vodihazo iray eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra hoe Fototra eo akaikin’ilay sary. Avy eo dia asaivo ampian’ilay mpianatra faka izany ary hanisy anarana hoe Faka eo amin’izany.

  • Araka ny voalazan’ny Isaia 11:1 dia inona no hipoitra avy amin’ilay fototra? (Solofo iray—na amin’ny teny hafa dia hoe tsimoka vaovao.)

Asaivo manao sary tsimoka vaovao mipoitra avy amin’ilay solofo ireo mpianatra ka hanisy marika izany hoe Solofo.

Hazavao fa tandindona ireo zavatra ireo. Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6 sady hitady ireo dikan’ireo tandindona.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 1–2 dia iza no asehon’ilay vatan’i Jese?

Asao ny mpianatra iray hanoratra ny hoe Jesoa Kristy eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay teny hoe Solofo.

Hazavao fa ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fanazavana iray momba ny hoe faka sy solofo—fa samy maneho an’i Joseph Smith izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Diso ve isika raha milaza fa ilay mpaminany voalaza eto dia i Joseph Smith, izay nomena ny fisoronana ary nahazo ireo fanalahidin’ny fanjakana sy nanangana faneva ho an’ny fanangonana ny vahoakan’ny Tompo ao anatin’izao fotoampitantanantsika izao? Ary moa ve tsy izy ihany koa no ilay ‘mpanompo eo an-tanan’ i Kristy, izay tamingan’ i Jese ary koa Efraima ny ampahany, na avy amin’ ny tranon’ i Josefa izay ametrahana hery lehibe’? (F&F 113:4–6.) Ireo olona izay manome lanja lehibe an’ireo zavatr’ Andriamanitra dia hahalala ny dikan’ireo zavatra ireo” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 339–40).

Asao ny mpianatra iray hanoratra ny hoe Joseph Smith eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo teny hoe Fototra sy Solofo.

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay nataon’i Joseph Smith amin’ny maha “mpanompo eo an-tanan’i Kristy” azy? (F&F 113:4).

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:6, dia inona no antony nanomezana ny fanalahidin’ny fanjakana izay nomena an’i Joseph Smith? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra an’io fanontaniana io dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Nahazo ireo fanalahidin’ny fanjakana i Joseph Smith ho fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.)

Hazavao fa rehefa avy nanambara ny valin’ireo fanontaniana momba ny Isaia 11 ny Tompo dia nametraka fanontaniana momba ny Isaia 52 i Elias Higbee. Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–8. Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:9–10 kosa ny antsasany iray. Asao ireo vondrona roa hitady ireo fanirian’ny Tompo momba ny vahoakan’i Ziona.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 7–8 dia inona no tokony “hotafiantsika”? Araka ny voalazan’ny andininy 8 dia inona no tanjak’i Ziona? (Tokony hilaza ity fahamarinana manaraka ity ireo mpianatra: Ny fahefan’ny fisoronana no tanjak’i Ziona.)

Hazavao fa ao amin’ny andininy 9 dia ahitana fanontaniana iray momba ny “famahan’i Ziona ny fatorana amin’ny tendany.” Ao amin’io andininy io ny teny hoe fatorana dia entina hilazana ny fitaovana izay ampiasaina mba hitazonana ny olona iray ao anatin’ny fanandevozana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 10 dia inona no dikan’ilay andian-teny hoe “ny fatorana amin’ny tendany”?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny fahefan’ny fisoronana antsika rehetra “hitafy ny tanja[tsika]”?

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay azontsika atao hialantsika amin’ny “fatorana”? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hanao ireo zavatra ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114

Nandidy an’i David W. Patten hiomana hanao asa fitoriana ny filazantsara ny Tompo

Hazavao fa ny olona iray izay nofidian’ny Tompo mba hanampy an’i Ziona “hitafy ny tanjany” dia lehilahy iray nantsoina hoe David W. Patten. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity famariparitana manaraka ity:

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 15 jona 1832 i David W. Patten. Notendrena ho Apôstôly izy tamin’ny taona 1835. Tsy natahotra izy tamin’ny fiarovany ny finoana sy ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny fiarovana ireo Olomasina nanohitra ireo mpihetraketraka tao Missouri dia fantatra tamin’ny anarana hoe “Captain Fear Not” (Kapiteny Tsy matahotra) i David W. Patten.” (Jereo ny Lycurgus A. Wilson, Life of David W. Patten: The First Apostolic Martyr [1900], 5, 32, 52, 62.)

Hazavao fa nangataka an’i Joseph Smith ny Loholona Patten mba hikatsaka fanambarana ho an’ny tenany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114:1. Asao ny iray kilasy hitady ny zavatra izay tian’ny Tompo hataon’ny Loholona Patten.

  • Inona no tian’ny Tompo hataon’ny Loholona Patten?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 1, dia firy ireo olona nantsoin’ny Tompo hanatanteraka an’io asa fitoriana io? (Roa ambiny folo. Io andininy io dia entina hilazana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny asa fitoriana ho avy izay hataony any Angletera.)

  • Oviana no nasaina handeha hanao ny asa fitoriany ny Loholona David Patten? Jereo ao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ka jereo ny daty nanomezana an’io fanambarana io. Hafiriana no nananan’i David alohan’ny nandehanany? (Teo ho eo amin’ny iray taona teo.)

Ambarao amin’ireo mpianatra fa nisy loza nitranga enim-bolana taorian’ny nanomezana an’ilay fanambarana an’i David Patten. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’ity tantara manaraka momba ny adin’i Crooked River ity:

Tamin’ny fararanon’ny taona 1838 dia nitranga indray ny fankahalana sy ny fanenjehana an’ireo Olomasina tao Missouri. Tamin’ny 24 ôktôbra dia nalain’ny mpihetraketraka an-keriny, izay toa nikasa ny hamono azy ireo ny alin’io, ny Olomasina miisa telo. Nony nandre izany ny mpitsara teo an-toerana antsoina hoe Elias Higbee, izay mpikamban’ny Fiangonana, dia nibaiko an’i Lietnà Kôlônely George M. Hinkle, izay milisin’ny faritany sady mpikamban’ny Fiangonana ihany koa, mba hanangana vondron’olona iray hanaparitaka an’ireo mpihetraketraka sy hamonjy ireo gadra. Lehilahy miisa dimy amby fitopolo no tafavory nony nisasaka ny alina, ka i David W. Patten no kapiteniny. Nanantena ny Loholona Patten fa hanaitra tampoka an’ireo mpihetraketraka sy hamonjy ireo gadra mba tsy hisian’ny rà mandriaka, saingy rehefa nanatona ny Crooked River ireo lehilahy dia nitifitra basy indray mandeha ny mpihetraketraka iray izay niafina. Lavo tamin’izany i Patrick O’Banion, mpikambana tao amin’ny milisin’ny Olomasina. Ren’ny Kapiteny Patten izay nitarika lehilahy miisa 15 izay nihataka tamin’ny sisa ambiny tamin’ilay vondrona ilay fitifirana ka dia nitarika ny fanafihana tany amin’ilay toerana izy. Nisy ady vetivety taorian’izay ka maromaro ireo lehilahy izay naratra. Maty teo no ho eo i Gideon Carter, fa i Patrick O’Banion kosa dia maty ny alin’iny. Anisan’ireo naratra ihany koa ny Loholona Patten.

Maty ora maromaro taorian’ilay ady ny Loholona Patten. Lehibe tokoa ny finoany ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny satria indray mandeha izy dia efa niteny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa manana faniriana ny ho faty ho maritiora. “Nihetsimpo tokoa ny Mpaminany ka naneho alahelo fatratra ‘satria,’ hoy izy mantsy an’i David hoe: ‘rehefa ny olona manam-pinoana tahaka anao no mangataka zavatra amin’ny Tompo dia amin’ny ankapobeny omeny izany’” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. 2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 200; nambaran’i Joseph Smith, tao amin’ny Life of David W. Patten, 53). Taloha kelin’ny fandevenana an’ny Loholona Patten tao Far West dia nanondro ny vatan’ny Loholona Patten i Joseph Smith ka nilaza hoe: “Ao no milevina ny lehilahy iray izay nanatanteraka ny zavatra nolazainy fa ho ataony—namoy ny ainy ho an’ireo namany izy” (ao amin’ny History of the Church, 3:175).

Hamafiso fa tamin’ny fotoana izay nahafatesan’ny Loholona Patten dia niomana, tamin’ny alalan’ny fahatokiany, ny hanao asa fitoriana izy. Asao mba hizara tsiroaroa ireo mpianatra ka hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny eritreritrao, ahoana no fomba fiantraikan’ny didin’ny Tompo mba hiomanana hanao asa fitoriana teo amin’ny Loholona Patten? Ahoana no mety hahatonga an’io didy io ho fitahiana ho an’ny Loholona Patten, eny fa na dia tsy nahavita mihitsy an’ilay asa fitoriana izay nantenainy hotanterahana aza izy?

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’io? (Mety hizara hevi-baovao sy fahamarinana maro samihafa ireo mpianatra, ka anisan’izany ity fitsipika manaraka ity: Raha manaraka ny toromariky ny Tompo isika dia ho vonona amin’izay rehetra kasainy ho antsika.)

  • Oviana ianao no nanaraka ny torohevitry ny Tompo ka nahita fa nanomana anao tamin’ny zavatra iray izay tsy nampoizinao izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114:2. Asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga rehefa tsy manatanteraka ny antsony ny olona. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe episkôpà ao amin’ity andininy ity dia entina hilazana ny andraikitry ny olona iray fa tsy ny eveka sy ireo mpanolotsaina azy. Jereo ny Salamo 109:8; Asan’ny Apôstôly 1:20.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 2 momba ny zavatra hitranga raha tsy mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsontsika isika? (Hisy olon-kafa ho antsoina hanatanteraka ny andraikitsika.)

Hazavao fa rehefa teo ambavahoan’ny fahafatesana ny Loholona David W. Patten dia niresaka tamin’ireo Olomasina sasantsasany namany izy, ka anisan’izany ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay tsy nahatoky. Nihiaka izy hoe: “Inay anie izy ireo teo amin’ny toerako! Satria tsapako fa nitazona ny finoana aho, nahavita ny hazakazako, ka manomboka hatreto dia misy satro-boninahitra nomanina ho ahy, izay homen’ny Tompo, ilay Mpitsara marina, ahy.” Hoy izy tamin’ny vadiny: “Na inona na inona zavatra hafa ataonao, dia aza mandà ny finoana” (notanisain’i Heber C. Kimball, ao amin’ny Life of David W. Patten, 69).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny lanjan’ny fisafidianana dieny izao ny ho mahatoky dia asao izy ireo hanoratra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina momba ny zavatra izay ho ataony mba hanarahana ny torohevitry ny Tompo sy hanatanterahana ireo zavatra izay antenainy amin’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6. Fandikana ireo tandindona ao amin’ny soratra masina

Mety misy dikany maro ireo tandindona ao amin’ny soratra masina. Ohatra: ny fandikana nentanim-panahy ny Isaia 11:1, 10 izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6 dia maneho ny fahatanterahan’io faminaniana io amin’ny andro farany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:40). Kanefa, ny Isaia 11:1, 10 ihany koa dia azo adika amim-pahamarinana ho toy izao: ny fototra sy ny fakan’i Jese dia mety maneho ny tranon’i Davida, ary ny solofo sy ny sampana dia mety maneho an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114:2. “Misy eo anivonareo mandà ny anarako”

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114 dia niresaka momba an’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay handà ny anarany ny Tompo. Anisan’ireo i Oliver Cowdery, izay nivadika ka nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny taona 1838 tao Far West, Missouri. Satria Apôstôly i Oliver Cowdery, ny fivadihany dia nidika hoe nandao ny antsony avo sy masina izy ka tsy vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy intsony. Ny Filoha Wilford Woodruff dia niresaka momba an’i Oliver Cowdery ho ohatra amin’ny olona izay nandao ny fiorenana ao amin’ny finoana:

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

“Raha mahatsapa ao am-pony ny Filohan’ny Fiangonana na ny iray amin’amin’ireo mpanolotsainy na ireo apôstôly na ny olona hafa fa tsy afa-manao zavatra Andriamanitra raha tsy misy azy ary tena manan-danja tokoa izy amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo dia mitoetra eo amin’ny toerana malama izy. Reko i Joseph Smith nilaza fa i Oliver Cowdery izay apôstôly faharoa tao amin’ity Fiangonana ity dia nilaza taminy hoe: ‘Raha ilaozako ity Fiangonana ity dia hianjera.’

“Dia hoy i Joseph: ‘Oliver, andramo ary.’ Nandraman’i Oliver izany. Nianjera izy, fa ny fanjakan’ Andriamanitra kosa tsy nianjera. Nahafantatra apôstôly hafa aho teo amin’ny fiainako izay nahatsapa fa tsy afa-miala amin’izy ireo ny Tompo; kanefa novitain’ny Tompo tsy nisy azy ireo ny asany.

“Nahita an’i Oliver Cowdery toa tahaka ny hoe nihovitrovitra ireny mihitsy ny tany teo ambanin’ny tongony. Tsy mbola nandre olona nijoro ho vavolombelona matanjaka toy ny azy aho rehefa teo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy izy. Kanefa vantany vao nandao ny fanjakan’ Andriamanitra izy dia lavo ny heriny. … Nesorina taminy ny tanjany, tahaka an’i Samsona niondana teo an-dohalik’i Delila. Nanary ny hery sy ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany izy, ka tsy nahatafaverina izany intsony tamin’ny fahafenoany fony fahavelony, na dia maty [mpikamban’ny] Fiangonana aza izy” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 104–5).