Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–71 (Fizarana 15)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–71 (Fizarana 15)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–71 (fizarana 15) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–66)

Nandritra ny fandalinany ity lesona ity dia nianatra ireo mpianatra fa hiely maneran-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nahita izy ireo fa manana andraikitra hanomana ny tenantsika sy ny hafa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67)

Nandritra ity lesona ity dia nahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Ny Tompo dia maheno ny vavaka ataontsika ary mahafantatra ny fanirian’ny fontsika; raha mamela tahotra ao am-pontsika isika dia mety ho very fitahiana. Nianatra koa izy ireo fa rehefa manaisotra ny fialonana sy ny tahotra, sy manetry ny tenantsika ary mizotra hatrany amim-paharetana isika dia afaka hitoetra eo anatrehan’ny Tompo.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68)

Ao anatin’ity lesona ity no nianaran’ny mpianatra fa rehefa nentanin’ny Fanahy Masina ny mpanompon’ny Tompo dia hitarika ny olona ho any amin’ny famonjena ny tenin’izy ireo. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa ireo eveka dia tsy maintsy tondroin’ny Fiadidiana Voalohany ary voatendrin’ny fahefana mifandraika amin’izany. Ankoatra izany dia nahita ireo mpianatra fa nandidy ireo ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany hahatakatra ny fotopampianaran’ny fibebahana, ny finoana an’i Kristy, ny batisa ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina ny Tompo.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69–71)

Tamin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i John Whitmer ireo mpianatra dia nianatra fa ireo tantara voarakitra dia heverin’ny Tompo ho fanasoavana ny Fiangonana sy ny taranaka misondrotra. Nahita ihany koa ireo mpianatra fa tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Tompo manoloana ny asa nampanaoviny antsika isika. Farany indrindra dia nianatra ireo mpianatra fa rehefa mitsikera ny Fiangonana ny olona dia afaka mamaly amin’ny fizarana fahamarinana avy amin’ny soratra masina sy manaraka ny fitarihan’ny Fanahy isika.

Fampidirana

Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny tenin’ny Tompo ho an’i William E. McLellin ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66. Tamin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo ity fizarana ity ny mpianatra dia afaka nianatra ny maha-zava-dehibe ny fibebahana amin’ny fahotana rehetra, ny fanaisorana izay manakana ny fivoarana ara-panahy ary ny fijanonana ho mahatoky hatramin’ny farany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Nodidian’ny Tompo i William E. McLellin mba hitory ny filazantsara, hahafoy ny tsy fahamarinana rehetra ary hanohy haharitra am-pahatokiana hatramin’ny farany

Adikao eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pinarana ity kisary manaraka ity:

Sary
sarina tsipika

Rehefa manomboka ny lesona dia asao ny mpianatra rehetra mba handinika ny sary eny amin’ny solaitrabe. Asaivo misaintsaina amim-pahanginana ny toerana hanisiany ny tenany eo amin’ny sary izy ireo. Toroy hevitra ihany koa izy ireo mba handinika ny lalana izay zorany—manakaiky kokoa an’ Andriamanitra ve sa manalavitra Azy. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Asao ny iray kilasy hihaino ireo fomba ahafahantsika manatona bebe kokoa an’ Andriamanitra.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Raha te hijanona ho akaikin’ny olona izay tena tianao ianao, nefa tsy manana fifandraisana akaiky aminy dia fantatrao ny fomba hanaovana izany. Hahita fomba hiresahana amin’izy ireo ianao, hihaino azy ireo ianao ary hahita hevitra mba hanaovana zavatra miaraka amin’izy ireo. Arakaraka ny nisian’izany rehetra izany no nahatonga izany haharitra sy hahalalim-paka ny fifankatiavana misy eo aminareo. Raha betsaka ny fotoana tsy nifampiresahana, tsy nifampihainoana ary tsy nifanaovana zavatra dia hihena ilay fifankatiavana.

“Andriamanitra dia tonga lafatra sy mahavita ny zava-drehetra fa izaho sy ianao dia mety maty kosa. Raintsika anefa izy, tia antsika izy ary manome fahafahana mitovy ho antsika mba hanakaiky bebe kokoa azy tahaka ny mety hataon’ny namana mitia iray. Ka hataonao mitovy amin’izany izy io: mifampiresaka, mifampihaino ary manao zavatra” (To Draw Closer to God,”Ensign, mey 1991, 66).

  • Araka ny zavatra nolazain’ny Filoha Eyring dia inona no afaka ataontsika hanatonantsika bebe kokoa an’ Andriamanitra?

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe miresaka, mihaino ary manao zavatra miaraka rehefa mikatsaka ny hanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra isika?

Hazavao fa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia nanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny lehilahy antsoina hoe Willliam E. McLellin rehefa nahafantatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy. Natao batsia ny 20 aogositra 1831 izy. Fotoana kely taorian’izany dia notendrena ho loholona izy ary niaraka tamin’i Hyrum Smith nandritra ny herinandro vitsivitsy nanao asa fitoriana. Ny volana ôktôbra 1831 dia nanao ny dia nankany Ohio mba hamonjena fihaonamben’ny Fiangonana izy. Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy tany. Ny 29 ôktôbra dia nivavaka miafina ny Rahalahy McLellin ka nangataka tamin’ny Tompo ny hanambarany ny valin’ny fanontaniana manokana dimy amin’ny alalan’ny Mpaminany. Tsy nilaza ireo fanontaniana ireo tamin’i Joseph Smith akory ny Rahalahy McLellin dia nangataka fanambarana. Rehefa nanonona ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ny Mpaminany dia hitan’ny Rahalahy McLellin fa voavaly avokoa ny fanontaniana tsirairay napetrany. Nanome toromarika sy fampitandremana azy ny Tompo mba hanampiana azy hijanona ho mahatoky ka hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:1–2. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ary hikaroka ireo antony notahian’ny Tompo ny Rahalahy McLellin tamin’ny fotoana nandraisana io fanambarana io.

  • Nahoana no afaka nandray fanambarana avy tamin’ny Tompo ny Rahalahy McLellin? (Satria nivily niala tamin’ny fahotany, nandray ireo fahamarinan’ny Tompo ary nandray ny fahefenoan’ny filazantsara izy.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:3 ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa mila hataon’ny Rahalahy McLellin mba hahazoany sitraka avy Aminy. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “tsy madio tanteraka”? Mety ilaina ny hanampianao ireo mpianatra hahatakatra fa na dia nahitana fivoarana betsaka sy notahiana betsaka aza ny Rahalahy McLellin tamin’ny ezaka nataony dia mbola nila nibebaka tamin’ny fahotana hafa sasantsasany izy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 3? (Ireo mpianatra dia tokony hamantatra ity didy manaraka ity: Nomena didy isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika rehetra.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mibebaka amin’ny fahotantsika rehetra fa tsy ny amin’ny sasany fotsiny?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andininy io momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika amin’ny fibebahantsika? (Mety tsy hitovy ny valiny omen’ny mpianatra, nefa tokony haneho ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Hasehon’ny Tompo antsika ny zavatra tokony hibebahantsika.)

Asao hamaky ity fanambarana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ity ny mpianatra iray. Asaivo mihaino ny fomba iray hahafahantsika mangataka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fibebahana ny mpianatra rehetra.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Toy izao ny iray amin’ireo fanontaniana tsy maintsy hapetratsika amin’ny Raintsika any An-danitra mandritra ny vavaka ataontsika manokana: ‘Inona no nataoko na ny tsy nataoko androany izay tsy ankasitrahanao? Raha mahafantatra izany aho dia hibebaka amin’ny foko manontolo, tsy misy hatakandro.’ Hivaly izany vavaka feno fanetren-tena izany” (Do Not Delay,”Ensign, nôv. 1999, 34).

Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra ireo fitahiana noraisiny rehefa nivily niala tamin’ny fahotany sy nandray ny filazantsara izy ireo. Asao izy ireo hikatsaka ny fahafantarana ny zavatra mila hibebahany mba hahafahany mandray fitahiana lehibe kokoa.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona hiara-hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:5–9, sady hitady ny zavatra izay tian ny Tompo hataon’ny Rahalahy McLellin. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8–9, inona ireo fitahiana izay horaisin’ny Rahalahy McLellin raha toa ka hanao amim-pahatokiana ny sitrapon’ny Tompo izy?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fitahiana azontsika raisina rehefa manaraka ny sitrapon’ny Tompo ho antsika isika? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Raha mahatoky amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Tompo isika dia hiaraka amintsika Izy ary hitahy antsika mba hahafahantsika manatanteraka ny zavatra takiany amintsika.)

Hazavao fa ankoatra ny fanomezana torolalana ho an’i William McLellin momba ny zavatra tokony hatao dia nampitandrina azy koa ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezan-teny roa voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:10 Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra voatendry dia mariho fa ny fehezan-teny voalohany dia ahitana ny teny hoe hahasahirana. Hazavao fa ny zavatra iray dia manahirana antsika raha toa manakana ny lalantsika na mahatonga ny asantsika ho sarotra atao izany.

  • Ny Tompo dia nandidy ny Rahalahy McLellin mba “hahafoy ny tsy fahamarinana rehetra.” Ahoana no mety hahasahirana azy amin’ny asa fitoriana noho ny tsy fahamarinana na ny fahotana?

  • Ahoana ny tsy fahamarinana no mahatonga antsika ho sahirana ara-panahy?

Vakio mafy ny fehezan-teny fahatelo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:10 ary asao ny mpianatra rehetra mba hikaroka ny fampitandremana manokana iray nomen’ny Tompo an’i William McLellin.

  • Araka ny andininy 10, inona no fakam-panahy izay nanahirana an’ny Rahalahy McLellin?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 10 momba ny fahafantaran’ny Tompo ny tsirairay amintsika? (Ampio ireo mpianatra hahita fa ny Tompo dia mahafantatra ny olana sy ny fakam-panahy mahazo antsika manokana, tahaka ny fahafantarany ny an’ny Rahalahy McLellin.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fahatakarana fa ny Tompo dia mahafantatra ireo olana sy fakam-panahintsika manokana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:11–13 Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny torohevitra fanampiny nomen’ny Tompo ny Rahalahy McLellin.

  • Araka ny andininy 12, inona no zavatra tokony hataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Ampio ireo mpianatra hahatsapa fa raha manohy amim-pahatokiana hatramin’ny farany isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay.)

  • Midika inona ny hoe fanohizana amim-pahatokiana hatramin’ny farany?

Hazavao fa tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity dia nandray fijoroana ho vavolombelon’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny i William McLellin. Rehefa avy nomena ilay fanambarana dia nijoro ho vavolombelona momba ny maha mpaminany voantso an’i Joseph Smith izy. Ny Rahalahy McLellin dia nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro ary nantsoina mba ho anisan’ny mpikambana voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy tato amin’ity fotoampitantanana ity. Tsy nanohy tamim-pahatokiana hatramin’ny farany anefa izy. Ny tena marina dia nivily tamin’ny Mpaminany Joseph Smih izy ary nesorina tsy ho mpikambana tamin’ny taona 1838.

Asaivo mifantoka amin’ny sary eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ka toroy hevitra indray mba handinika izay hametrahany ny tenany eo amin’ny sary. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no hataonao mba hanatonana akaikikaiky kokoa an’ Andriamanitra sy haharetana am-pahatokiana hatramin’ny farany?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipika nifanakalozana hevitra ireo ary amporisiho ny mpianatra mba hampihatra ireo fahamarinana ireo.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–76)

Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe ahoana izany mahita sombin’ny helo (haizina ivelany) izany sy ny fijalian’ny tsy mpanaraka an’ Andriamanitra ary avy eo mahazo fahitana ny fanjakana selestialy sy terestrialy ary telestialy. Hazavao fa noho ny asan’izy ireo tamin’ny fandikana nentanim-panahy ny Baiboly no nahafahan’ny mason’ny Mpaminany Joseph Smith sy Sidney Rigdon nisokatra ka nahita ny fahitana momba ny fanjakam-boninahitra telo izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.