Seminera
Lesona 103: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100


Lesona 103

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100

Fampidirana

Nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99 ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 29 aogositra 1832. Tato anatin’ity fanambarana ity dia niantso an’i John Murdock ny Tompo mba hanohy hanompo amin’ny maha-misiônera azy. Nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100 ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 12 ôktôbra 1833 raha nanompo tamin’ny naha-misiônera azy izy sy i Sidney Rigdon tany New York. Tato anatin’ity fanambarana ity dia nanome toky azy ireo ny Tompo fa salama tsara ny fianakavian’izy ireo izay tany Ohio. Nankahery azy ireo koa ny Tompo mikasika ireo Olomasina tany Missouri izay niaina fanenjehana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99

Niantso an’i John Murdock mba hitory ny filazantsara ny Tompo

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe manontany azy ireo ny antony ahafoizan’ny olona iray 2 taona na 18 volana eo amin’ny fiainany mba hanaovana asa fitoriana ny namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.

  • Ahoana no hamaliana izany fanontaniana izany?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy izao fampahalalana manaraka izao momba ny lehilahy iray nantsoina hoe John Murdock. Asao ny mpianatra hihaino ireo fahafoizana nataon’ny Rahalahy Murdock mba hanompoana ny Tompo.

Nivavaka tamina fiangonana maro i John Murdock ka nilaza nony farany fa nanalavitra an’ Andriamanitra avokoa ny fivavahana rehetra. Tamin’ny faraparan’ny taona 1830 anefa dia namaky ny Bokin’i Môrmôna izy ka nahatsapa ny Fanahy Masina izay nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Natao batisa izy tamin’ny 5 nôvambra 1830. Fotoana fohy taorian’izay dia nanao asa fitoriana izy, nanao batisa olona 70 teo ho eo tao anatin’ny efa-bolana tany Orange, Ohio, sy Warrensville, Ohio.

Tamin’ny 30 aprily 1831, fotoana fohy taorian’ny niverenan-dRahalahy Murdock avy nanao ny asa fitoriany dia nodimandry ny vadiny rehefa niteraka kambana. Niantso azy handeha ho any Missouri ny Tompo tamin’ny volana jona 1831 sady hitory ny filazantsara eny an-dalana rehetra mandritra ny diany (jereo ny F&F 52:8–9). Mialoha ny nandehanany dia nataony izay hananan’ny zanany miisa dimy, izay mbola latsaky ny fito taona avokoa, sakafo sy fialofana. Nifanaraka tamin’ny olona maro izy mba hikarakara ireo zokiny indrindra tamin’ny zanany, ary natsangan’i Joseph sy i Emma Smith ireo zazakely kambana. Nitory tany amin’ny Faritr’i Michigan Indiana, Missouri, ary Ohio i John Murdock nanomboka teo ka hatramin’ny faran’ny taona 1831 sy ny tapa-taona voalohany tamin’ny taona 1832. Rehefa niverina tany Hiram, Ohio izy tamin’ny volana jona 1832 dia nijaly vokatry ny aretina naharitra ela. Nampahafantarina azy fa narary ka maty noho ny hatsiaka ny iray tamin’ireo kambana nandritra ny fanafihana an’i Joseph Smith.

  • Inona no manaitra anao avy tamin’izany tantaran’i John Murdock izany?

Hazavao fa nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99 i Joseph Smith tamin’ny 29 aogositra 1832, tokony ho roa volana teo ho eo taorian’ny nodian’ny Rahalahy Murdock avy tamin’ny asa fitoriany faharoa.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:1 ary hitady izay niantsoan’ny Tompo an’i John Murdock mba hataony.

  • Inona no niantsoan’ny Tompo an’i John Murdock mba hataony?

  • Ahoana no nitsapana ny finoana sy ny fankatoavan’ny Rahalahy Murdock tamin’ity antso hitory ny filazantsara ity?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:2–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo an’i John Murdock.

  • Inona ireo fotopampianarana sy fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 2–3? (Mety ahitana izao manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Misolo tena ny Tompo isika rehefa manao asa fitoriana. Rehefa mandray sy manaraka ny mpanompon’ny Tompo isika dia mandray sy manaraka Azy.)

  • Nitahy anao tamin’ny fomba ahoana ny fanarahanao ny mpanompon’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ireo izay mandà ny hafatra hampianarin’i John Murdock.

  • Araka ny andininy 4, inona no vokatry ny fandavana ny hafatry ny filazantsara izay torian’ny mpanompon’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:6–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny porofo fa nahafantatra izay nilain’i John Murdock sy ny fahafoizana nataony ny Tompo.

  • Mampiseho inona amintsika ny teny nataon’ny Tompo tamin’i John Murdock?

Hazavao fa nanaraka ny torohevitry ny Tompo ny Rahalahy Murdock. Nanao fifanarahana tamin’ny fianakaviana samy hafa tany Missouri izy mba hitaiza ireo zokiny indrindra miisa telo tamin’ireo zanany, ka nandeha tamin’ny volana septambra 1832 mba hitory ny filazantsara. Nanao asa fitoriana maro hafa izy, ary avy eo dia niaraka tamin’ireo zokiny indrindra tamin’ireo zanany tany Missouri. Nanompo ny Tompo tamim-pahatokiana izy mandra-pahafatiny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:1–12

Nanome teny fampaherezana sy fananarana ho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Inona no sasany amin’ireo olana mety hananan’ny misiônera rehefa manomboka ny asa fitoriany izy ireo? Mangataha mpianatra iray ho mpandray an-tsoratra ary tanisao eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. (Mety ahitana fanontaniana toy izao manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Ahoana no ahitako olona ampianarina? Ahoana no ahafantarako izay hotenenina? Ahoana no hifankahazoko amin’ny mpiara-mitory amiko? Tsy hanana olana ve ny fianakaviako rehefa lasa aho?)

Hazavao fa tamin’ny volana aprily 1833 dia misy lehilahy iray nantsoina hoe Freeman Nickerson niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany New York ary tonga tany Kirtland, Ohio. Rehefa nihaona tamin’i Joseph Smith i Freeman dia nangataka ny Mpaminany izy mba hitsidika ny fianakaviana Nickerson tany New York sy Kanadà. Nanaiky ny fangatahany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ka nandao an’i Kirtland niaraka taminy izy ireo tamin’ny 5 ôktôbra 1833. Nitory ny filazantsara izy ireo teny an-dalana teny. Taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao amin’ny tranon’ny fianakaviana Nickerson tany Perrysburg, New York, dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100 i Joseph.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny sasin-teny ho an’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100 ka hitady izay nampiahiahy an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon rehefa tonga tany New York izy ireo. Rehefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia hazavao fa nanoratra izay nampiahiahy azy tao anatin’ny diariny i Joseph Smith hoe: “Milamina tsara ny saiko raha ny amin’ny hoe miaraka amintsika ny Tompo saingy miahiahy mafy aho momba ny fianakaviako” (Journals, Volume 1: 1832–1839, vol. 1 of the Journals series of The Joseph Smith Papers [2008], 14).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny valintenin’ny Tompo momba ny ahiahin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

  • Inona no andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mety nampitony ny ahiahin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon? Ahoana no mety hanampian’ireo andininy ireo an’ireo misiônera amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:3–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe manana “varavarana mahomby” hovohana amin’ny fizarana ny filazantsara?

  • Inona ireo fomba sasany “hanokafan’ny Tompo varavarana” ho antsika mba hanaovana asa fitoriana?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8 ka hikaroka ireo fampanantenana fanampiny avy amin’ny Tompo. Rehefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Raha , dia .

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 5–6? (Mety ho teny hafa no ampiasain’ny mpianatra kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha manandratra ny feontsika mba hizara ny filazantsara isika dia hanampy antsika hahafantatra izay hotenenina ny Tompo.)

  • Araka ny andininy 7, dia ahoana no tian’ny Tompo hitorian’ny misiônera ny filazantsara?

  • Araka ny andininy 8, inona no ampanantenain’ny Tompo raha toa ka mitory ny filazantsara amin’ny “fahononam-po” sy amin’ny “fanahin’ny fahamorana” isika? (Tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Raha mizara ny filazantsara amin’ny fahononam-po sy amin’ny fanahin’ny fahamorana isika dia hijoro ho vavolombelona momba ny hafatra entintsika ny Fanahy Masina.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny fotoana iray izay nanampian’ny Tompo azy ireo mba hahafantatra izay hotenenina rehefa nizara ny filazantsara izy ireo. Asao ihany koa izy ireo mba hieritreritra momba ny fotoana iray izay nahatsapany ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra iray izay nolazain’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:9–12 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo toromarika nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

  • Araka ny andininy 12, dia nahoana no afaka “niravoravo ny fon’” i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon?

  • Fampanantenana inona ao amin’ny andininy 12 no ho manan-danja aminao raha toa ka manao asa fitoriana ianao?

Hazavao fa ny ezaka teo amin’ny asa fitoriana izay nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia nisy fiantraikany naharitra teo amin’ny Fiangonana. Ohatra, nitory tamin’ny andian’olona maro tao an-tranon’ny fianakaviana Nickerson sy ny andian’olona fanampiny tany Kanadà i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nanao batisa olona miisa 20 teo ho eo ireo misiônera, ka anisan’izany i Moses Nickerson, ary nanangana sampana iray tao amin’ny Fiangonana izy ireo. Nitsidika izany sampana izany i Parley P. Pratt tamin’ny taona 1836 rehefa nanao asa fitoriana tany Kanadà. Nampahafantarin’i Moses Nickerson tamin’ny Loholona Pratt i John Taylor. Nataon’ny Loholona Pratt batisa i John Taylor, izany lasa misiônera nahomby ary Filohan’ny Fiangonana taty aoriana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:13–17

Nankahery an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo mikasika ireo fisedrana niainan’ny Olomasina tany Missouri

Hazavao fa teo amin’ny roa volana talohan’ny nandehanan’i Joseph Smith nanao asa fitoriana dia nitondra hafatra avy any Missouri i Oliver fa nanjary nahery setra tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo fahavalon’ny Fiangonana. Nandefa an’i Orson Hyde sy i John Gould i Joseph Smith mba hanome torohevitra avy aminy ho an’ireo Olomasina tany Missouri. Sarotsarotra izany dia izany satria handalo ireo faritra manakaiky ireo mpihetraketraka mpankahala Môrmôna izy ireo. Natahotra ny amin’ny Rahalahy Hyde sy ny Rahalahy Gould ary ireo Olomasina izay nenjehina tany Missouri ny Mpaminany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:13–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith. Asaivo fintinin’ny mpianatra ny zavatra hitany.

  • Inona no fampanantenana hitanao ao amin’ny andininy 15–17? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra azy kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Hiara-hiasa ho soa ho antsika ny zava-drehetra raha toa ka mandeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo isika.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “[m]andeha araka ny hitsiny” eo anoloan’ny Tompo?

  • Ahoana no hanampian’ny fampanantenana ao amin’ny andininy 15–17 anao mandritra ireo fotoan-tsarotra?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanome ohatra amin’ny fomba nahitan’izy ireo ny fahatanterahan’izany fampanantenana izany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba izany fahamarinana izany. Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo zavatra manokana azon’izy ireo atao mba “handehanana araka ny hitsiny” eo anoloan’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:1. “Hataoko aminy izay heveriko ho tsara”

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“[Ny Tompo] dia hanao zavatra bebe kokoa noho izay tsara ho antsika. Hanao izay tsara indrindra ho antsika sy ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra Izy. … Mahafantatra bebe kokoa noho isika ny Tompo … hamaly ny vavaka ataontsika Izy amin’ny fomba izay tsara indrindra ho antsika sy ho an’ireo zanany hafa rehetra” (“Faith in the Lord Jesus Christ,” Ensign, mey 1994, 99).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:3. “Varavarana mahomby no hovohana eo amin’ny faritra manodidina”

Tamin’ny 1833 dia nanomana ny faritra manodidina ny atsinanan’ny Farihy Erie sy atsimo andrefan’ny Farihy Ontario ho fitombon’ny Fiangonana ny ezaka teo amin’ny asa fitoriana. Tamin’ny fahavaratra tamin’io taona io dia namoaka taratasy avy tamin’ny misiônera samihafa ny Evening and Morning Star izay namariparitra ireo ezaka amin’ny fiovampo izay niroborobo tao amin’ny faritra nitorian’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nanao tatitra i Sylvester Smith fa fiangonana 15 no natsangana teo anelanelan’i Kirtland, Ohio sy Chenango, New York, ary nahitana mpikambana efa ho 100 isa ny sasany tamin’izany. Nahomby ihany koa ny misiônera izay nitory tany atsimo andrefan’i New York. Nanao dia teo akaikin’ny Fivondronan’i Cattaraugus, New York, i Amasa Lyman tamin’ny taona 1833. Tao no nitarihana fivoriana miisa 152 sy nahitany olona 100 nanampy isa ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8. Hanome antsika izay hotenenina ny Tompo

Nanazava ny anjara asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fitoriana ny filazantsara ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny Fanahy Masina no mijoro ho vavolombelona momba ny teninao rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ianao. Ny Fanahy Masina no nametraka ao am-ponao izay tokony holazainao sy manatanteraka ny fampanantenan’ny Tompo hoe ‘tsy hangaihay eo anoloan’ny olona ianareo’ (F&F 100:5) rehefa miteny amin’ny fomba masiaka” (“Ny herin’ny fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, mey 2009, 22).