Seminera
Lesona 77: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75


Lesona 77

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75

Fampidirana

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana izay natao ny 25 Desambra 1832 dia nandray fanambarana roa, izay samy hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75 ny Mpaminany Joseph Smith. Ny fanambarana voalohany izay voarakitra ao amin’ny andininy 1–22 dia nomena ny andiana loholona izay nanolotra ny anarany ho amin’ny asa fitoriana. Nanome toromarika ireo loholona ireo momba ny andraikiny amin’ny maha-misiônera azy ny Tompo ary nanome azy ireo namana mpiara-mitory. Ny fanambarana faharoa izay voarakitra ao amin’ny andininy 23–36dia nomena ny andiana loholona faharoa izay te hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo mikasika azy ireo. Nanome toromarika ireo loholona ireo ny Tompo ny amin’ny hanomezana fanampiana ny fianakaviany sy ny hanekeny ny antso hitory ny filazantsara.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1-5

Miresaka amin’ireo maniry hitory ny filazantsara ny Tompo

Andro maromaro mialoha ny hampianaranao ity lesona ity dia asao ny mpianatra iray izay nahazo antso hitory, na mpianatra iray izay mety hametraka tsy ho ela ny fangatahana hanao asa fitoriana, na ny misiônera iray izay nahavita ny asa fitoriany mba hanampy anao hampianatra momba ny fizarana ny filazantsara. Omeo ilay olona ny tahadikan’ity ridran-damina hoenti-mampianatra manaraka ity, ary asao izy mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–4 ka hiomana hampianatra izany ampahany amin’ny lesona izany.

Aorian’ny vatsim-panahy dia omeo ilay mpianatra na ilay misiônera izay nahavita ny asa fitoriany ny fotoana hampianarana ny zavatra izay nomaniny.

Sosokevitra ho an’ny rindran-damina mandritra ny fampianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–4

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–2 Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra sy hitady ny hoe nataon’ny Tompo ho an’iza ireo andininy ireo.

Anontanio hoe: Ho an’iza ny resaka nataon’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? (Ireo loholona izay nandefa ny anarany hanao asa fitoriana.)

Lazao ireo mpianatra fa raha ny marina dia misy fanambarana roa natambatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75 ary nomena nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana izy ireo. Ny fanambarana voalohany dia nomena ny andiana misiônera iray sy nanazava ny fomba ahafahan’izy ireo ho mahomby kokoa amin’ny fanampiana ny hafa hahatakatra ny hafany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3–4 Asao ny iray kilasy hitady ny torohevitry ny Tompo mikasika ny antson’izy ireo hitory ny filazantsara. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany ao amin’ny soratra masiny.

Anontanio hoe: Araka ny andininy 3–4, inona no tian’ny Tompo hataon’ireo loholona rehefa mitory ny filazantsara izy ireo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanazava ny zavatra heveriny fa mety ho dikan’ireo andian-teny hoe “handeha tsy hitaredretra” sy ny hoe “na hidonanaham-poana” ary ny hoe “hiasa amin’ny herinareo.”

Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia hazavao ny antony nahatonga anao nihevitra fa ireo izay nantsoina hitory ny filazantsara dia tsy maintsy mahalala sy mampianatra ny fanambarana sy didy izay nomen’ny Tompo antsika (jereo ny andininy 4).

Anontanio hoe: Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny hanompoan’ny misiôneran’ny Tompo araka ireo fomba ireo?

Zarao amin’ny iray kilasy ny zavatra hataonao (na nataonao, raha toa ka efa avy nanao asa fitoriana ianao) mba hiomanana amin’ny fitoriana ny filazantsara araka ny fomba nofaritan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3–4. Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny eritreritrao momba ny zavatra izay afaka ataon’ny mpianatra mba hizarana ny filazantsara araka izany fomba izany amin’izao fotoana iainany izao.

Rehefa avy nampianatra ilay mpianatra na ilay misiônera avy nahavita ny asa fitoriany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara isika dia … ny Tompo.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:5 sy hamantatra ny fampanantenana nomen’ny Tompo an’ireo misiônera ireo.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mitory amim-pahatokiana ny filazantsarany?

Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe amboara dia entina hilazana ny salohim-bary izay nojinjaina ka nafatotra ho lasa fehezana na amboara. Ny hoe manana “amboara maro” dia midika hoe nahazo vokatra be.

  • Inona no mety amboara sasany izay azon’ny misiônera mahatoky amin’ny fizarana ny filazantsara? (Ny amboara dia mety hilazana ny olona izay manaiky ny hafany [niova fo] sy ny fitahiana mandrakizay izay voatanisa ao amin’ny andininy 5.)

Asao ireo mpianatra hamintina ny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:5 amin’ny alalan’ny famenoana ilay fitsipika nambara eny amin’ny solaitrabe. Fomba iray mety hanehoan’ny mpianatra io fitsipika io ity fehezan-teny manaraka ity: Raha mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara isika dia hitahy antsika amin’ny haja sy voninahitra ary fiainana mandrakizay ny Tompo.

  • Araka ny hevitrao, nahoana no hahazo fitahiana mandrakizay tahaka izany ireo izay mitory amim-pahatokiana ny filazantsara?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–22

Miantso sy manome torolalana ireo mpiara-mitory ny Tompo

Hazavao fa rehefa avy nanome toromarika sy fampanantenana ireo loholona izay handeha hanao asa fitoriana ny Tompo dia natambany ny mpiara-mitory ka nomeny toromarika manokana ny mpiara-mitory tsirairay.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra tsirairay ao amin’ny ekipa tsirairay mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–12 ary ny mpianatra hafa kosa hamaky ny andininy 13–14. Asao izy ireo hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo am-pamakiany izany.

  1. Miresaka amin’iza ny Tompo?

  2. Inona no fitahiana nampanantenain’ny Tompo azy ireo raha toa ka mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara izy ireo?

Rehefa avy namaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny valin’ny fanontaniana eo ambony amin’ny mpiara-miasa aminy.

  • Inona no torohevitra fanampiny nomen’ny Tompo an’i William E. McLellin sy Luke Johnson ao amin’ny andininy 8–11 izay afaka manampy antsika hitory amim-pahombiazana ny filazantsara? (Mivavaha mba hahazo ny Mpampionona—ny Fanahy Masina—mba hampianatra antsika sy hanome hery hijanonantsika ho mahatoky.)

  • Inona no fampanantenana izay naverin’ny Tompo tamin’ny tsirairay tamin’ireo mpiara-mitory ao amin’ny andininy 11, 13, ary 14? (Homba azy ireo Izy. Tolory hevitra ny mpianatra mba hanisy marika io fampanantenana naverimberina io.)

Asao ny mpianatra mba hilaza fitsipika iray izay nianarany avy amin’ireo andininy ireo. Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara isika dia homba antsika ny Tompo.

  • Inona no traikefa izay nanananao na nananan’ny olon-kafa izay fantatrao ka nanome toky anao fa homba ireo izay mizara amim-pahatokiana ny filazantsarany amin’ny hafa ny Tompo?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra holazainy amin’ny namana na fianakaviana izay sahirana eo am-panaovana ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Angataho izy ireo mba hampiasa ny fitsipika izay nianarany tao amin’ny lesona androany ka hanoratra taratasy fankaherezana fohifohy ho an’izany misiônera izany ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra mba hizara ao anatin’ilay taratasy ny zavatra afaka ataon’ireo misiônera mba hitoriana amim-pahatokiana ny filazantsara bebe kokoa sy ny fitahiana sasany izay mirotsaka amin’ireo izay manao izany.

Rehefa avy nomena fotoana ampy nanoratana ny taratasiny izy ireo dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany.

Fintino nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:15–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa manome toromarika ireo misiônera ny Tompo mba hitsodrano ny ankohonan’ireo izay mandray azy ireo. Nampianatra azy ireo ihany koa Izy ny amin’ny zavatra tokony hataony rehefa lavin’ireo olona izay hizarany ny filazantsara izy ireo. (Azonao atao ny manazava fa ny fanitsanana ny vovoka amin’ny tongotra ho vavolombelona hiampanga ireo izay mandà ny misiônera sy ny hafany dia tsy tanterahana raha tsy amin’ny toe-javatra mahalana rehefa didian’ny Tompo mazava tsara izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:23–29

Nanazava ny fomba tokony hiahiana ny fianakavian’ireo izay nantsoina hitory ny filazantsara ny Tompo

Hazavao fa ny fanambarana faharoa izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75 dia nomena andiana loholona iray hafa. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:23 ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra nirian’ireo loholona ireo hofantarina.

Hazavao fa tamin’ny fiandohan’ny Fiangonana dia maro ireo lehilahy izay nantsoina hitory ny filazantsara no nanam-bady sy nanan-janaka izay niankin-doha taminy tamin’ny fiahiana azy ireo. Fahafoizan-tena lehibe tokoa ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fanekena ny antso mba hanompo. Ny fanahiana avy hatrany ho an’ny loholona maro dia ny hoe inona no hanjò ireo fianakaviany raha toa ka manaiky ny antso hitory ny filazantsara lavitry ny fonenany izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:24–28 Asao ny iray kilasy hitady ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo loholona izay nilaina hitory ny filazantsarana kanefa nanana fianakaviana hovelomina.

  • Araka ny andininy 24 dia iza no tokony hanampy hiahy ny fianakaviany rehefa nanompo amin’ny fotoana feno ny lehilahy manambady sy raim-pianakaviana iray?

  • Ao amin’ny andininy 26, inona no nasain’ny Tompo hataon’ireo loholona raha afaka mahita toerana izay hiahiana ny fianakaviany izy ireo?

  • Ao amin’nyandininy 28, inona no nambaran’ny Tompo tamin’ireo izay tsy afaka nitory ny filazantsara noho ny toe-javatra izay tsy nahafahany nandao ny fianakaviany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:29. Asao ny iray kilasy hikaroka ny torohevitra nomen’ny Tompo an’ireo lehilahy rehetra ireo. Mety hanampy ny manazava fa ny hoe midonana-poana dia olona iray izay tsy vonona ny hiasa.

  • Andian-teny inona ao amin’ny andininy 29 no afaka ampiasainao hamintinana ny torohevitry ny Tompo tamin’ireo loholona izay afaka nitory ny filazantsara sy ireo voatery nijanona tao an-tokantrano noho ny fikarakarana ny fianakaviany? (“Aoka ny olona tsirairay hazoto amin’ ny zava-drehetra.” Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra ny hoe ity andian-teny ity dia miantefa amintsika rehetra ary mandidy antsika ny Tompo mba hazoto amin’ny zava-drehetra.)

  • Inona no dikan’ny hoe “mazoto amin’ny zava-drehetra”? (Mahavatra, mikiry, tia mikarakara, ary miasa mafy.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:30–36

Manondro ireo loholona ho misiônera mpiara-mitory ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:30–36 amin’ny alalan’ny fanazavana fa any amin’ny fiafaran’io fanambarana io dia nanondro misiônera mpiara-mitory misimisy kokoa ny Tompo.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hanoratra ny zavatra afaka ataony androany mba hazoto bebe kokoa ao amin’ny fanompoany ny Tompo. Asao ny mpianatra iray na roa hizara ny eritreriny sy ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fitsipika izay noresahana tao an-dakilasy androany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–12. Ny valintenin’i William E. McLellin mikasika ny antso hitory ny filazantsara

Ny 29 ôktôbra 1831 dia nahazo antso hanao asa fitoriana tany atsinanan’i Etazonia i William E. McLellin ary voantso ho mpiara-mitory aminy i Samuel H. Smith (jereo ny F&F 66:5–8). Nanaiky hanao ilay antso i William McLellin, kanefa namarana mialoha ny misiônany izy ka niverina tany Kirtland, Ohio tamin’ny faran’ny volana Desambra 1831.

Araka ny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:6–13 dia nandevilevy an’i William E. McLellin ny Tompo noho ny fimonomononany, ka nanafoana ny antsony andeha hitory any amin’ny faritra atsinanana ary niantso an’i Orson Hyde ho mpiara-mitory amin’i Samuel Smith. Kanefa, tao anatin’ny famindram-pony ny Tompo dia nanome antso iray an’ny Rahalahy McLellin mba hitory ny filazantsara any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia miaraka amin’i Luke Johnson ho mpiara-mitory aminy. Nanaiky ilay antso handeha hitory Rahalahy McLellin saingy tsy nanohy tamim-pahatokiana izy. Tsy ela taorian’izay dia nilaza izy fa narary loatra ka tsy afaka nanohy ny misiônany. Rehefa avy nandao ny misiônany izy dia nandeha nankany Hiram, Ohio ary nanambady an’i Emiline Miller.

Rehefa avy nanao asa fitoriana fanampiny sy nanompo tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i William E. McLellin dia nesorina tsy ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana intsony tamin’ny 11 Mey 1838, taorian’ny nibabohany fa nitsahatra nivavaka sy nitandrina ny didy izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:20–22 “Ahitsano ny vovoka amin’ny tongotrareo”

Ny fanitsanana na ny fanadiovana ny vovoka amin’ny tongotry ny olona iray dia vavolombelona hiampangana ireo izay mandà ny filazantsara (jereo ny F&F 24:15; 60:15; 84:92; 99:4). Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Fony naniraka ireo mpianany mba hitory ny hafatry ny Filazantsara ny Tompo dia nanome toromarika azy ireo mba hanitsana ny vovoka amin’ny tongony ho vavolombelona hiampanga ireo izay nanohitra azy ireo. Toraka izany koa … nanome torolalana ireo loholona ny Tompo fa nanana zo hanao tahaka izany koa izy ireo. … Ny fanadiovana ny tongony, na tamin’ny alalan’ny fanasana na ny fanitsanana ny vovoka, dia hosoratana any an-danitra ho vavolombelona hiampanga ireo ratsy fanahy. Kanefa tsy tokony tanterahina eo anatrehan’ireo meloka io fihetsika io “fandrao hihantsy azy ianao, fa any amin’ny miafina; ary sasao ny tongotrao ho vavolombelona hiampanga azy ireo amin’ny andro fitsarana” [F&F 60:15]. Ny misiôneran’ny Fiangonana izay manatanteraka antsakany sy andavany ny andraikiny dia manana adidy masina ny hamela ny fijoroany ho vavolombelona amin’ireo rehetra mifanena aminy mandritra ny asany. Io teny vavolombelona io dia hijoro ho toy ny vavolombelona hiampanga ireo izay mandà ny hafatra amin’ny andro fitsarana” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:223; jereo ihany koa ny Fanamarihana sy Fampahalalana momba ny zava-nitranga ho an’ny F&F 24:15 ao amin’ny lesona 31).

Ny fanitsanana ny vovoka amin’ny tongotry ny olona iray dia ampiasaina ho toy ny vavolombelona hiampangana ireo izay mitsipaka tanteraka ny mpanompon’ny Tompo nahazo fahefana. Tsy tanterahana izany raha tsy amin’ny toe-javatra mahalana izay handidian’ny Tompo mazava tsara izany. Io fihetsika io ihany koa dia ampiasaina ho toy ny vavolombelon’ny fitsipahany ka tsy tompon’andraikitra intsony ny momba azy ireo eo anatrehan’ny Tompo ireo izay nitory ny filazantsara taminy.