Seminera
Lesona 7: Ny anjara andraikitry ny mpianatra


Lesona 7

Ny anjara andraikitry ny mpianatra

Fampidirana

Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ireo mpianatra mba hianatra ny fomba hanatanterahany ny anjara andraikiny eo amin’ny fianarana ny filazantsara. Niteny ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fiovampo marina dia miankina amin’ny mpianatra iray izay mikatsaka an-kalalahana amim-pinoana sy amin’ny fanaovana ezaka lehibe” (“We Must Raise Our Sights” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF], 14 Aog. 2001], 4, LDS.org). Rehefa manampy ny mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny ao amin’ny dingana arahana momba ny fianarana ianao dia hianatra ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny fomba hatao mba hahatonga ny fiovampony amin’ny Tompo ho lalim-paka izy ireo. Mety hilainao ny mamerina tsy tapaka ireo fitsipika nampianarina tato anatin’ity lesona ity mba hampahatsiahivana ny mpianatra ny andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ireo anjara andraikitry ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny Fanahy Masina amin’ny fianarana ny filazantsara

Mitondrà sakafo na zava-pisotro iray any am-pianarana (toy ny hoe voankazo iray na mofo na vera misy rano). Asao ho eny aloha ny roa amin’ireo mpianatra. Asaivo mikaikitra amin’ilay sakafo na misotro kely amin’ilay zava-pisotro ny iray amin’ireo mpianatra. Angataho ilay mpianatra voalohany mba hamaritra ny tsiron’ilay sakafo (na ilay zava-pisotro) amin’ilay mpianatra faharoa. Amporisiho izy mba hahay hanazava izany tsara ka hanala ny hanoanana na ny hetahetan’ilay mpianatra faharoa mihitsy ilay famaritana. Dia apetraho amin’ilay mpianatra faharoa ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no tombontsoa azonao tamin’ilay sakafo (na ilay zava-pisotro) nofaritan’ilay mpianatra iray hafa?

  • Tena nanala ny hanohananao (na ny hetahetanao) ve ny famaritan’ilay mpianatra?

  • Inona no tsy maintsy ataonao mba hahazoana tanjaka na tombontsoa avy amin’ity sakafo (na ity zava-pisotro) ity?

Anontanio ny mpianatra hoe amin’ny fomba ahoana no hifandraisan’ity ohatra amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ny vatantsika ity amin’ny andraikitsika mba hianatra sy hitombo ara-panahy.

Lazao fa mieritreritra ny olona sasany hoe mipetraka eo amin’ny mpampianatra iray ny andraikitra amin’ny fianarana ny filazantsara. Mitovy amin’ilay ohatra tamin’ilay sakafo na ilay zava-pisotro anefa dia tsy afaka hanana fahatakarana na fijoroana ho vavolombelona lalina sy manokana momba ireo fahamarinana ara-panahy ho an’ny olon-kafa ny olona iray. Tsy maintsy mianatra sy mampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ho an’ny tenantsika ny tsirairay amintsika mba hahazoana tanjaka sy fitomboana ara-panahy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118. Amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny andraikitsika amin’ny fianarana ny filazantsara.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny andraikitsika amin’ny fianarana ny filazantsara? (“Mikatsaha fatratra,” “mifampianara,” “katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.” Azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hanoratra ny lisitr’ireo andian-teny ireo eo amin’ny solaitrabe eo am-panononan’ny mpianatra izany.)

  • Haintsika tsara ny dikan’ny hoe mikatsaka ny fianarana “amin’ny alalan’ny fandalinana.” Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe mikatsaka ny fianarana “amin’ny alalan’ny finoana ihany koa”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra izany andian-teny izany dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Raha azo atao dia omeo tahadikan’izany ny mpianatra tsirairay na soraty eo amin’ny solaitrabe ilay fanambarana alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo teny na andian-teny izay manampy azy ireo hahatakatra ilay didin’ny Tompo mba hikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. …

“… Tsy maintsy mampiasa finoana sy manao asa ny mpianatra iray mba hahafahany mahazo fahalalana ho an’ny tenany” (“Chercher la Connaissance par la Foi” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 03 feb 2006, 3, LDS.org).

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fanambarana manaraka izao: Ny fianarana ny zavatra ara-panahy dia mitaky …

Angataho ny mpianatra mba hampiasa ny fanazavana nataon’ny Loholona Bednar sy ny zavatra nianarany momba ny andraikitsika amin’ny maha-mpianatra antsika hamenoana ity fanambarana ity. Mety ho isan’ny valinteny ho azo izao manaraka izao: Ny fianarana ny zavatra ara-panahy dia mitaky ezaka avy aty amintsika. Ny fianarana ny zavatra ara-panahy dia mitaky antsika mba hampiasa finoana sy hanao asa.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fiantraikan’ny ezaka ataon’ny tena manokana eo amin’ny fianarana ny zavatra ara-panahy dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity sary ampiarahana eto ity. Hazavao fa manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny anjara andraikitsika amin’ny fianarana ny filazantsara ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Amin’izany dia nanazava ireo anjara andraikitry ny mpampianatra sy ny Fanahy Masina amin’ny fianarana ny filazantsara aloha Izy.

Sary
Ny telozoron’ny Fanahy Masina

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14. Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra dia hazavao fa nomena ireo Olomasina tany am-piandohana izay natokana mba hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa ireto andininy ireto. Asao ny antsasaky ny mpianatra mba hitady ireo teny izay mamaritra ny andraikitry ny mpampianatra iray. Asaivo mitady ireo teny izay mamaritra ny andraikitry ny Fanahy ny mpianatra ambiny.

  • Araka ireo andininy ireo, inona no andraikitry ny mpampianatra? (Hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy. Asao ny mpianatra iray hanoratra ny hoe mitory amin’ny alalan’ny Fanahy eo ambanin’ny hoe Mpampianatra eo amin’ilay kisary.)

  • Inona no andraikitry ny Fanahy, na Mpampionona? (Hampianatra ny fahamarinana. Asaivo ampian’ny mpianatra iray hoe mampianatra ny fahamarinana eo ambanin’ny hoe Fanahy Masina eo amin’ilay kisary.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Ny Fanahy Masina no tena mpampianatra. Hazavao fa raha toa ka ny mpampianatra iray, na ny misiônera na ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana no manana ny andraikitra mba hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy, dia ny Fanahy Masina kosa no manambara sy manazava ary mitondra ny fahamarinan’ilay filazantsara ao am-pontsika.

  • Oviana no nahatsapanao ny Fanahy nampianatra anao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:19–21. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo teny izay mamaritra ny andraikitry ny mpianatra.

  • Araka ireo andindiny ireo, inona no andraikitra ananan’ny mpianatra? (Handray ny tenin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy. Asao ny mpianatra iray hanoratra hoe mandray amin’ny alalan’ny Fanahy eo ambanin’ny hoe Mpianatra eo amin’ilay kisary.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe mandray amin’ny alalan’ny Fanahy, dia asaivo misaintsaina ny zavatra takina amin’ny olona iray mba hahazoany baolina avy amin’ny olona iray izay mandaka na manipy izany any aminy izy ireo.

  • Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana ilay baolina? (Mampiakatra ny tanany ary misambotra izany.) Ahoana no hitovizan’izany amin’ny ezaka tsy maintsy ataon’ny mpianatra iray mba hahazoana ny tenin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy? (Tsy maintsy miomana hisambotra izany ny olona iray mba hahazoany baolina. Toy izany koa, tsy maintsy manomana ny fontsika sy ny saintsika isika mba handraisana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy)

Asao ny mpianatra mba handinika mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22 , ka hitady ny zavatra mitranga rehefa manao ity ezaka ity isika mba handraisana ny filazantsara sy hianarana amin’ny alalan’ny finoana. Mialoha ny hamakian’ny mpianatra dia hazavao fa ny andian-teny hoe mahazo hery dia midika hoe ampatanjahana na aorina ara-panahy.

  • Araka ireo andininy ireo, inona avy ireo fitahiana azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra avy amin’ny Fanahy raha toa ka manatontosa ny andraikiny amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara izy ireo? (Fahatakarana, fahazoana hery, ary fifaliana.)

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Loholona Richard G. Scott dia nijoro ho vavolombelona momba ny fifandraisana eo amin’ny mpianatra izay manatontosa ny anjara andraikiny sy ny fahafahan’ny Fanahy hampianatra sy hijoro ho vavolombelona. Raha azo atao dia omeo tahadikan’izao fanambarana manaraka izao ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo andian-teny izay manazava ny fiantraikan’ny ezaka ataon’ilay mpianatra eo amin’ny fahafahan’ny Fanahy Masina mampianatra.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny fanapahan-kevitry ny [mpianatra] handray anjara dia fampiasana ny fahafahana misafidy izay mamela ny Fanahy Masina hampita hafatra mivantana ho an’ny tena manokana izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny tenany manokana. Mampitombo ny fahafahan’ny Fanahy hampianatra lesona manan-danja bebe kokoa noho izay azon’ny mpampianatra ampitaina ny fanorenana tontolom-pianarana misy fandraisana anjara” (“To Learn and to Teach More Effectively” [BYU Campus Education Week devotional (Herinandron’ny fampaherezam-panahy momba ny fianarana ao amin’ny faritry ny BYU), 21 aog. 2007], 4–5, speeches.byu.edu).

  • Araka ny fanambarana nataon’ny Loholona Scott, ahoana no fomba ahafahantsika manasa ny Fanahy Masina hampianatra antsika?

Asao ny mpianatra mba hamintina ny fomba nitaoman’ny ezaka nataon’izy ireo ny Fanahy Masina mba hanana fahafahana hampianatra. Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hilaza izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba handray anjara amin’ny dingana arahina eo amin’ny fianarana isika dia manasa ny Fanahy mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ireo efa hita teo aloha ity fitsipika ity.

Mba hanomezana ohatra iray ho an’ny mpianatra momba ny olona iray izay mampiasa ny fahafahany misafidy mba hianatra amin’ny alalan’ny fandalinana sy finoana dia asao izy ireo mba hieritreritra ny tantara nambaran’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany. Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra ary asaivo mamaky ny iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpinamana roa tsirairay: Joseph Smith—Tantara 1:8, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 18 (Azonao atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo eny amin’ny solaitrabe.) Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ary hifanakalo hevitra momba izao fanontaniana manaraka izao:

  • Ahoana no fomba nanaovan’i Joseph ezaka mba hianarana ireo fahamarinana ara-panahy?

Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia asao ny mpinamana tsirairay mba hilaza ireo andian-teny izay mampiseho ny ezaka nataon’i Joseph avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo.

Mijoroa ho vavolombelona fa ny fahavononan’i Joseph handalina ny tenin’ Andriamanitra sy hanao asa amim-pinoana araka ny zavatra nianarany dia niteraka fahalalana lehibe kokoa sy fitahiana izay natao ho antsika rehetra. Asao ny mpianatra handinika mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:20 ka hitady ny zavatra nolazain’i Joseph tamin’ny reniny rehefa nody tany an-trano izy taorian’ny nahazoany ilay Fahitana Voalohany.

  • Andian-teny inona ao amin’ny teny nataon’i Joseph tamin’ny reniny no maneho fa nianatra manokana ny fahamarinana ho an’ny tenany izy? (“Ny tenako manokana dia nianatra.”)

Asao ny mpianatra hamantatra fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph. Amporisiho izy ireo mba hanamboatra fehezan-teny avy amin’ny heviny ka hampiasa ny hoe “raha–dia”. Fomba iray mety hilazan’ny mpianatra ity fitsipika ity izao manaraka izao: Raha mandalina amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra sy manao asa amim-pinoana araka izany isika dia afaka mahafantatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ho an’ny tenantsika. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanoratra ity fitsipika ity amin’ny teniny manokana eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:20.)

Miverena amin’ilay asa natao ahitana sakafo na zava-pisotro izay nampiasainao tany amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mitaky ezaka avy amintsika ny famahanana sakafo ho an’ny vatana ary tsy afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny sakafo na zava-pisotro isika raha tsy mihinana na misotro izany ho an’ny tenantsika. Mijoroa ho vavolombelona fa mitovy amin’izany ny ara-panahy : tsy afaka miditra ao am-pontsika sy tsy afaka ny hitoetra ao anatintsika ny filazantsara raha tsy manao ezaka isika mba hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara sy hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.

  • Inona ireo asa izay hataonao amin’ity taona ity mba hanasana ny Fanahy hampianatra anao sy hitondra ireo fahamarinan’ny filazantsara ao am-ponao? (Mety hahitana ireto ny valiny: fanatrehana ireo fivoriam-piangonana sy kilasy, anisan’izany ny seminera ; fandraisana anjara amin’ireo fivoriana sy kilasy amin’ny alalan’ny fihirana ny hira masina, fanasiana marika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina, firaketana an-tsoratra ny hevi-baovao, famaliana ireo fanontaniana, fizarana zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona, ary fampianarana ny hafa ; fandraisana anjara amin’ny takarivan’ny mpianakavy sy fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina ; fanaovana fandalinana manokana ny soratra masina sy vavaka manokana ; ary fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao ny mpianatra mba hanoratra tanjona iray na maromaro.)

Farano izany amin’ny fangatahana ny mpianatra mba hisaintsaina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara sy ny zavatra fantatr’izy ireo mivantana fa marina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara hoe inona no fiantraikan’ny ezaka nataony manokana mba hianatra ny filazantsara teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy ny fifandraisany amin’ny Tompo. Ampio ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny tanjaka sy ny fitarihana azontsika raisina avy amin’ny Tompo ho valin’ny ezaka nataontsika mba hianatra sy hiaina ireo fitsipiky ny filazantsara izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Afaka manasa ny Fanahy Masina mba hanamafy ny zavatra nianarany ny mpianatra

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona David A. Bednar momba ny fifandraisana eo amin’ny mpianatra izay manatontosa ny anjara andraikiny sy ny fahafahan’ny Fanahy mampianatra sy mijoro ho vavolombelona:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina—ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony mitondra fanamafisana. … Ao anatin’ny fahamarinana sy ny fanaovantsika asa tsy tapaka entanin’ny finoana no hanehoantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina.” (“Seek Learning by Faith,” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 3 Feb. 2006], 3, LDS.org).

Ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina isan’andro

Ny Miorim-paka ao amin’ny finoana dia manambara izao manaraka izao momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina isan’andro:

“Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanoro hevitra antsika handalina ny soratra masina isan’andro, dia ilay fandalinana ataon’ny tena manokana izany sy ilay atao miaraka amin’ny fianakaviana. Namporisika antsika izy ireo, tahaka ny namporisihan’i Nefia ireo rahalahiny, mba hampihatra amin’ny tenantsika ny soratra masina, hikaroka fomba izay azo ampiharana ireo tantara masina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny (jereo ny 1 Nefia 19:23–24). Mamporisika antsika ‘handinika ny soratra masina’ (Jaona 5:39) sy ‘hivoky amin’ ny tenin’ i Kristy’ izy ireo (2 Nefia 32:3).

“Hahazo tombon-tsoa lehibe amin’ny fanarahana ity torohevitra ity ianao. Manampy anao ho mora handray ny bitsiky ny Fanahy Masina ny fandalinana soratra masina amim-pahamatorana sy isan’andro. Manorina ny finoanao izany, mampatanjaka anao amin’ny fanoherana ny fakam-panahy ary manampy anao hanatona akaikikaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahy Malalany.

“Manaova drafitra ho an’ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Manokana fotoana isan’andro handalinana ny soratra masina. Mandritra izany fotoana izany dia mamakia tsara ary aoka ianao hihaino izay bitsiky ny Fanahy. Angataho ny Raintsika any An-danitra mba hanampy anao hahafantatra ny zavatra tiany hianaranao sy hataonao.

“Tohizo ny famakiana ny soratra masina mandritra ny androm-piainanao manontolo, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Hiverina hahita hatrany hatrany ireo harena sarobidy ao amin’ny soratra masina ianao, ary hahita hevitra sy fampiharana vaovao ao amin’izy ireo rehefa mandalina azy ireo ao anatin’ny ambaratongam-piainana samihafa” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 156).

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Raha tsy dia raharahaintsika loatra ny fandalinana ny soratra masina, dia lasa tsy dia raharahaintsika loatra ny vavaka ataontsika.

“Mety tsy hitsahatra ny hivavaka isika, saingy ho lasa famerimberenana teny, sy atao tsy am-piheverana, ary tsy misy finiavana marina ny vavaka ataontsika. Tsy afaka ny hanakaiky Andriamanitra izay tsy fantatsika ny fontsika, ary ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona no manampy antsika hahafantatra Azy” (Prayer,” Ensign,Nov. 2001, 17).