Seminera
Lesona 35: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–29


Lesona 35

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–29

Fampidirana

Fotoana fohy talohan’ny nanaovana fihaonamben’ny Fiangonana izay natao tamin’ny 26 Septambra 1830 dia nahazo fanambarana iray teo anatrehan’ny loholona enina ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny alalan’io fanambarana io dia nianatra mikasika ny fanangonana ireo olom-boafidin’ny Mpamonjy alohan’ny Fiaviany Fanindroany ireo loholona ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–13

Mijoro ho vavolombelona momba ny Sorompanavotany sy ny faniriany hanangona ny olony ny Tompo

Mialoha ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: “Asandrato ny fonareo, ary mifalia” (F&F 29:5).

  • Nahoana no sarotra indraindray ny mankatò an’io torohevitra io? Inona avy ireo fomba izay hitanao mba hankatoavana io torohevitra io?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–3 dia mirakitra ireo tenin’ny Mpamonjy izay afaka manampy antsika “[hanandratra] ny fon[tsika] ary hifaly.”

Sary
I Kristy sy ireo zazakely

Asehoy ilay sary hoe I Kristy sy ireo zazakely (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 47; jereo koa ny LDS.org) ary, raha misy, dia sarina akoho vavy manangona ny zanany. Anontanio raha toa ka misy afaka mamaritra ny fomba sy ny antony hanangonan’ny reniakoho iray ireo zanany. (Raha tsy mahafantatra ny mpianatra dia hazavao fa rehefa mahatsapa loza mananontanona ny reniakoho dia antsoiny ireo zanany. Rehefa manatona azy izy ireo dia angoniny ao ambany elany mba hiarovana azy ireo.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2.

  • Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny Mpamonjy amin’ny reniakoho manangona sy miaro ny zanany?

  • Inona no tsy maintsy ataon’ireo zanak’akoho mba ho voangona soa aman-tsara eo ambanin’ny fiarovan’ireo elatry ny reniny? (Raha ilaina dia hazavao fa tsy maintsy miezaka mankeny amin’ny reniny ireo zanak’akoho.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: I Jesoa Kristy dia hanangona antsika rehefa … isika.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2 dia inona no tokony hataontsika mba ho voangon’ny Mpamonjy? (Ampiasao ny valintenin’ny mpianatra mba hamenoana ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe: Hanangona antsika i Jesoa Kristy rehefa mihaino ny feony sy manetry tena ary miantso Azy amin’ny alalan’ny vavaka isika.)

Hazavao fa hatrany am-piandohana dia efa naminany mikasika ny fanangonana an’i Isiraely ireo mpaminany. Ny mpianakavin’i Isiraely—ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo—dia hangonina amin’ny andro farany alohan’ny fiavian’i Kristy (jereo ny Fanekem-pinoana 1:10). Manangona ny olony ny Tompo rehefa mampihatra finoana aminy sy mitandrina ny didiny izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’io fitsipika io dia hifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana avy ireo fomba hahenoantsika ny feon’ny Mpamonjy ? (Ireo valinteny dia mety ahitana fa afaka maheno ny feon’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny soratra masina, ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly velona, ary ny fitaoman’ny Fanahy Masina.)

  • Inona no maha samy hafa ny mankatò ny feon’ny Tompo amin’ny fihainoana fotsiny ihany ny feony?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tokony hanetry tena isika mba hanangonan’ny Mpamonjy antsika?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo ho akaiky ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina na ny fanarahana ny tenin’ireo mpaminany velona na ny fivavahana tamin’ny Ray any An-danitra. Omeo fahafahana ny mpianatra vitsivitsy hizara zavatra niainana, kanefa ampahatsiahivo izy ireo fa saropady sy mahakasika loatra ny tena manokana ny zavatra niainana sasany ka tsy tokony hozaraina.

resaho ilay soratra masina nosoratanao teo amin’ny solaitrabe talohan’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fieritreretana ho voangon’ny Mpamonjy manampy anao hanandratra ny fonao ary hifaly?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1, 3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady antony iray hanandratana ny fontsika ary hifaly. Dia asao avy eo ny mpianatra hamantatra fitsipika iray avy amin’ireo andininy ireo, izay manazava ny antony ahafahantsika manandratra ny fontsika ary hifaly.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ilay fitsipika hitan’izy ireo. (Tokony hahitana taratra ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Satria nanao sorompanavotana hanonerana ny fahotantsika ny Mpamonjy dia afaka manandratra ny fontsika isika ary mifaly.)

  • Ahoana no nitondran’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fifaliana teo amin’ny fiainanao? (Rehefa avy mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ihany koa ny mizara ny valinteninao.)

Hazavao fa ny iray amin’ireo fomba hanangonan’ny Mpamonjy ny olony dia amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika mba hizara ny filazantsara. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29dia niresaka tamin’ny alalan’i Joseph Smith tamin’ny loholona enina Izy ary nandidy azy ireo hanambara ny filazantsarany.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–6. Amporisiho izy ireo hitady ireo teny sy andian-teny izay mifandray amin’ny fitoriana ny filazantsara. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona ireo teny sy andian-teny hitanareo? Inona no ampianarin’ireo teny sy andian-teny ireo mikasika ny traikefa avy amin’ny fizarana ny filazantsara ?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fanazavan’ny Mpamonjy ny zavatra niantsoana ireo loholona enina ireo mba hataony sy ny anton’izany.

  • Nantsoin’ny Mpamonjy hanao inona ireo loholona ireo? (“Hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidi[ny].”) Ahoana no namaritan’ny Mpamonjy ny olom-boafidiny? (Ireo izay “mihaino ny feo[ny] ary tsy manamafy ny fony.”)

  • Ahoana no hanatanterahan’ireo misiônera ny fanangonana ireo izay nofinidy ?

Hazavao fa mbola vitsy ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity. Azo “nangonina ho amin’ny toerana iray” ireo Olomasina (F&F 29:8). Kanefa rehefa nihabetsaka ireo mpikambana dia nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hivondrona amin’ny toerana samy hafa. Amin’izao fotoana izao isika dia mivondrona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona eo amin’ny faritra ipetrahantsika.

  • Aiza isika no mivondrona amin’izao fotoana izao? (Ireo valinteny dia mety ahitana hoe tokantrano, trano fiangonana, ary tempoly.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ao amin’ireo andininy ireo ny Mpamonjy dia manambara fa ho avy eto an-tany indray miaraka amin’ny hery sy voninahitra Izy. Ireo Olomasina mahatoky izay niaina nandritra ny vanim-potoana rehetra teo amin’ny tantaran’ny tany no ho ireo vahoaka izay ho avy miaraka amin’ny Mpamonjy amim-boninahitra amin’ny Fiaviany Fanindroany. Hitsangana amin’ny maty ireo olo-marina izany nodimandry ary hofongorina ireo olon-dratsy. I Jesoa Kristy dia “hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ ny olona eto an-tany arivo taona” (F&F 29:11).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:14–21

Mamariparitra ny sasany amin’ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy

Hazavao fa ny fanangonana an’i Isiraely dia ampahany amin’ny fiomanantsika amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Nampahafantatra famantarana hafa izay hitranga alohan’ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:14–21 mba hitady ireo famantarana izay hitranga alohan’ny Fiaviana Fanindroany. Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo famantarana ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo na hanao lisitra izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Alohan’ny hamakin’ny mpianatra ireo andininy ireo dia antitrantero fa tsy fantatsika ny fomba na ny fotoana hahatanterahan’ireo faminaniana ireo.

Rehefa avy nomena fotoana ampy nandalinana ireo andininy ireo ny mpianatra dia hazavao fa na dia hitranga noho ny faharatsiana aza ireo famantarana ireo dia hiantraika amin’ny olona rehetra eto an-tany izany, na amin’ny olo-marina aza. Azonao atao ny mamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Mikasika ny fahatongavan’ilay Zanak’Olona … dia fahadisoan-kevitra ny hoe ho afaka amin’ireo fitsarana rehetra ireo Olomasina raha toa kosa ka hijaly ireo ratsy fanahy; satria natao hijaly avokoa ny nofo rehetra, ary ‘zara raha ho afa-miala ny olomasina’ [jereo ny F&F 63:34]; mbola ho maro amin’ny Olomasina anefa no ho afaka, satria hovelomin’ny finoana ny marina [jereo ny Habakoka 2:4]; kanefa maro amin’ireo olo-marina no ho azon’ny aretina, ny valanaretina, sns., noho ny fahalemen’ny nofo, kanefa dia ho voavonjy ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 253).

  • Nahoana ianao no haniry ny ho voangona ho isan’ireo nofinidin’ny Mpamonjy rehefa mitranga ireo zavatra ireo?

Hazavao fa raha manam-pinoana an’i Jesoa Kristy isika ary manaraka Azy dia afaka hanana mandrakariva ny fiadanana, eny fa na dia ao anatin’ny fotoana tahaka ireo izay resahina ao amin’io fanambarana io aza. Mba hanantitranterana io fahamarinana io dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto, na izy rehetra: Jaona 14:2716:33Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17. Asao ny mpianatra hitady ny vokatry ny fandavana ny hibebaka.

  • Inona no vokatry ny fandavana ny hibebaka? (Tokony hilaza izao fitsipika manaraka izao ireo mpianatra: Raha tsy mibebaka isika dia tsy hanadio antsika ny ra manavotr’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17.)

Omeo antoka ireo mpianatra fa ny fiomanana manan-danja indrindra azontsika atao amin’ny Fiaviana Fanindroany dia ny manatona ny Mpamonjy, mibebaka ary diovina amin’ny fahotantsika. Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo ka mila mibebaka amin’ny zavatra iray na inona izany na inona sy ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba ho voadio amin’ny fahotana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:22–29

Manambara ireo fahamarinana mikasika ny zavatra hitranga amin’ny Arivotaona ny Mpamonjy, ao anatin’izany ny Fitsarana Farany

Omeo iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra tsirairay, izay nalaina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: andininy 22, andininy 26, na andininy 27–28. Asao ny mpianatra hamaky mangina ilay andininy na ireo andininy nomena azy ireo ary hitady zavatra iray izay hitranga amin’ny fiafaran’ny Arivotaona. (Ho an’ireo mpianatra izay nasaina nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:26, dia azonao atao ny manazava fa i Mikaela, ilay arikanjely, dia i Adama. Jereo ny F&F 107:54.) Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ilay andininy na ireo andininy nomena azy ny mpianatra dia angataho izy ireo hilaza ny zavatra hitany, manomboka amin’ny andininy 22.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:27 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ilay fitahiana omena ny olo-marina amin’ny Fitsarana Farany.

  • Inona no fitahiana ho tonga amintsika raha voangona any amin’ny Mpamonjy isika? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ireo mpianatra: Ireo izay niaina tamim-pahamarinana sy nanatona an’i Jesoa Kristy dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:27.)

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fametrahana ilay sarin’i Jesoa Kristy sy ireo zazakely eo amin’ny solaitrabe. Dia soraty eo amin’ny solaitrabe avy eo ny hoe Izaho Asao ireo mpianatra hieritreritra ny toerana ho asiany an’ilay teny hoe Izahoraha toa ka maneho ny maha-akaiky azy ireo amin’ny Mpamonjy ny toerana misy izany. Angataho ireo mpianatra hizara ireo zavatra niainany rehefa nanaraka ireo bitsiky ny Fanahy izay nitondra azy ireo hanakaiky ny Mpamonjy izy. Asao izy ireo hifidy zavatra iray izay hataony mba hampiharana ny zavatra nianarany sy hanakaikezany Azy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7. “Antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidiko”

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, rehefa niresaka ny Fiangonana tamin’ireo zatovolahy, dia nanambara ny andraikitsika mba hanangona ireo olom-boafidin’ Andriamanitra:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Ho fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

“Efa ela no nanambaran’ny Tompo momba ireo fanomanana ilaina amin’ny Fiaviany Fanindroany. Nanambara tamin’i Enoka Izy hoe: ‘Fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany, … ary fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ ny tondra-drano, ka hanangona ny olom-boafidiko avy amin’ ny vazan-tany efatra.’ [Mosesy 7:62.] Naminany ny mpaminany Daniela fa amin’ny andro farany dia hikodiadia handrakotra ny faran’ny tany rehetra ny filazantsara, sahala ny ‘vato nendahana [tamin’ny] tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana.’ [Daniela 2:45.] Niresaka mahakasika ny Fiangonana amin’ny andro farany i Nefia izay ho vitsy an’isa, kanefa hanenika ny tany manontolo. [Jereo ny 1 Nefia 14:12–14.] Ny Tompo dia nanambara tamin’izao fotoampitantanana izao fa ‘ho antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidiko.’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7.] … Ny asa fitoriana ho ataonareo dia fahafahana hanao zavatra lehibe sy andraikitra, izay manan-danja amin’ny fanangonana nampanantenaina ary mifandray amin’ny hoavinareo mandrakizay” (“Fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Liahona, mey 2011, 50–51).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9. Tokony hiangona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona ny Olomasina

Nohazavain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny toerana tokony hiangonan’ny Olomasina:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ireo tsatòkan’i Ziona dia … atsangana manerana ny tany. Mifandray amin’izany, dia andeha isika hisaintsaina ireto fahamarinana ireto : Tsy afaka mamorona tsatòkan’i Ziona ianao raha tsy mamorona ny ampahany amin’i Ziona. I Ziona dia ny madio am-po ; amin’ny alalan’ny batisa sy ny fankatoavana no hahazoantsika fahadiovam-po. Misy fetrany ny faritry ny tsatòka iray. Ny famoronana tsatòka iray dia toy ny fanorenana ny Tanànanʼny Fahamasinana. Ny tsatòka tsirairay eto amboninʼny tany dia toeram-piangonana ho anʼny ondry very aminʼny taranakʼIsiraely izay miaina ao aminʼny faritra misy azy.

“Ny toerana fanangonana ho an’ny Péruviens dia ao amin’ny tsatòkan’i Ziona ao Pérou, na ao amin’ireo toerana izay ho lasa tsatòka tsy ho ela. Ny toerana fanangonana ny Chiliens dia ao Chili; ny an’ny Boliviens dia ao Bolivie, ny an’ny Coréens dia ao Corée, ary toy izany no fivelarany sy ny fihanakany maneran-tany. I Isiraely miely patrana dia antsoina mba hiangona ao amin’ny valan’i Kristy, ao amin’ny tsatòkan’i Ziona, rehefa voaorina ao amin’ny firenen’izy ireo ny toerana toy izany” (Come: Let Israel Build Zion,” Ensign, May 1977, 118).