Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–135 (Fizarana 29)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–135 (Fizarana 29)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity manaraka ity dia famintinana fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–135 (fizarana 29). Ity famintinana ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny fotopampianarana sy fitsipika vitsivitsy fotsiny ny lesona izay ho ampianarinao ho an’ny fizarana 29. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–35)

Nianatra ny mpianatra rehefa nandalina ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny Fiaviany Fanindroany fa ho avy hitsara ireo izay tsy manana an’ Andriamanitra Izy. Nahita ihany koa ireo mpianatra ny fomba ahafahantsika miomana sy manomana ny hafa amin’ny Fiaviana Fanindroany. Tafiditra ao amin’izany fiomanana izany ny fibebahana sy ny tsy fiverenana intsony amin’ny fahotana taloha.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–74)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia nanohy ny fandalinana ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny Fiaviany Fanindroany. Nianatra izy ireo fa amin’ny maha mpanompon’ Andriamanitra azy ireo dia afaka manampy ny hafa hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara izy ireo. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa ny Tompo dia efa nanomana fitahiahana lehibe ho an’ireo izay miandry Azy ary ireo izay mibebaka sy manamasina ny tenany dia handray fiainana mandrakizay.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134)

Rehefa nianatra ity fanambarana momba ireo zavatra inoan’ny Fiangonana mikasika ny fitondram-panjakana sy ny lalàna ity ny mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo: Ireo fitondram-panjakana dia nataon’ Andriamanitra mba hanasoa ny olombelona ary ireo fitondram-panjakana dia tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra mba hiaro ny zon’ny tsirairay, ka anisan’izany ny fahalalahana ara-pivavahana. Nianatra ihany koa izy ireo fa isika dia voafatotra amin’ny fanohanana sy fanekena ny fitondram-panjakana izay misy antsika ary ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra isika raha mandika ny lalàny sy ny lalàn’olombelona.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135)

Tato anatin’ity lesona ity ny mpianatra dia nianatra momba ireo trangan-javatra izay nifandray tamin’ny nahafaty maritiora an’i Joseph sy Hyrum Smith ary nandalina izy ireo ny filazana nosoratana momba izany fahafatesana izany. Rehefa nanao izany ireo mpianatra dia nahita izy ireo fa i Joseph sy Hyrum Smith dia namehy ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny fiainan’izy ireo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny sasantsasany tamin’ny asa nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny famonjena ny olombelona. Hanana fahafahana ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7

Nampahafantarina ny famonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith ho maritiora

Mialoha ny fampianarana dia asehoy ny sarin’ny Joseph Smith (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 89; jereo koa ny LDS.org). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hihira ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100) ho hira fanombohana. Alohan’ny hihirana dia hazavao fa i W. W. Phelps no nanoratra ny tonin’io hira io ho fahatsiarovana ny Mpaminany Joseph Smith taoriana kelin’ny nahafatesany.

Sary
Joseph Smith

Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto ny lesona:

  • Efa niresaka momba an’i Joseph Smith tamin’olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ve ianao? Raha eny, dia inona no noresahinao? (Raha tsy nisy nanana izany traikefa izany, dia anontanio ireo mpianatra ny zavatra tian’izy ireo ho tantaraina amin’ny hafa momba an’i Joseph Smith.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 dia ahitana filazana ny fahafatesana martioran’i Joseph sy i Hyrum Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezan-teny voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra.

  • Inona no hafatra ao amin’io andininy io? (Ireo mpianatra dia tokony hiteny fa i Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity.)

  • Inona no nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny famonjena sy fisandratana antsika? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Asaivo manaraka izany vakinteny izany ny rehetra, ka hitady ireo andian-teny izay mamariparitra ireo zavatra nataon’i Joseph Smith ho an’ny famonjena antsika. Asao ireo mpianatra mba hikaroka hevitra hafa hanampiana ny lisitra eny amin’ny solaitrabe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Joseph F. Smith ity. Asao ireo mpianatra mba hihaino hoe iza no voataonan’ny asa nataon’i Mpaminany Joseph Smith.

Sary
Filoha Joseph F. Smith

“Ny asa niantsoana an’i Joseph Smith dia tsy voafetra eto amin’ity fiainana ity ihany, fa mikasika ihany koa amin’ny fiainana ho avy, ary koa tamin’ny fiainana izay efa nisy. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia mampifandray ireo olona izay efa niaina teto an-tany taloha, amin’ireo izay miaina eto sy mbola ho avy aoriantsika izany. Izany dia tsy mahakasika fotsiny ny olombelona rehefa mitoetra ao amin’ny tabernakely mety maty, fa mahakasika ihany koa ny fianakaviam-ben’ny olombelona rehetra mandrakizay mandrakizay” (Gospel Doctrine, ed. faha 5 [1939], 481).

Vakio ny famariparitana ny fitondran’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana ao amin’ny andininy 3. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe an’ity asa ity, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:6. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra, sady hikaroka ny antony iray nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Nahoana, araka ny andininy 6 no navoaka ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, nefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Ny Bokin’ny Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia navoaka ho an’ny famonjena an’izao tontolo izao.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo boky ireo ny famonjena an’izao tontolo izao?

  • Araka ny andininy 6, inona no mahatonga ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana ho anisan’ireo boky sarobidy indrindra mety hanananao?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina izay nampiasan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Inona no azontsika atao mba hanehoantsika fankasitrahana ny fahafoizan-tena nataon’i Joseph sy Hyrum Smith mba hamoahana ireo boky ireo?

Asao ireo mpianatra mba handray an-tsoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba manokana iray ahafahan’izy ireo maneho fankasitrahana ny fahafoizan-tena natao mba hamoahana ireo boky ireo.

Jereo ilay lisitra voasoratra teny amin’ny solaitrabe tamin’ny voalohandohan’ny lesona. Mijoroa ho vavolombelona fa amin’ny fanampiana mba hamerenana amin’ny laoniny ny soratra masina, ny fotopampianarana marina, ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana, ireo ôrdônansy ho an’ny velona sy ny maty, ary ny fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy indray, dia nanampy ny zanak’ Andriamanitra rehetra hahazo fahafahana feno higoka ireo fitahian’ny Sorompanavotana i Joseph Smith.

Hazavao fa ny olona sasany dia mety tsy hahatakatra ny fahatsapan’ireo Olomasin’ny Andro Farany momba an’i Joseph Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley: Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny fomba fijerin’ny mpikamban’ny Fiangonana an’i Joseph Smith manoloana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha azo atao dia azonao omena ny tahadikan’ity fanambarana ity ireo mpianatra tsirairay.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Isika dia tsy mivavaka amin’ny Mpaminany. Mivavaka amin’ Andriamanitra izay Raintsika Mandrakizay ary i Jesoa Kristy izay nitsangana tamin’ny maty isika. Fa manaiky ny maha-mpaminany ny Mpaminany kosa isika, manambara azy isika, manaja azy isika; manome haja azy isika amin’ny maha fitaovana teo an-tanàn’Ilay Tsitoha azy tamin’ny famerenana teto an-tany ireo fahamarinan’ny filazantsara masina taloha, miaraka amin’ny fisoronana izay hitantanana ny raharahan’ny Fiangonana sy ireo fitahiana ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahefany” (“Joseph Smith Jr.—Prophet of God, Mighty Servant,” Ensign, des. 2005, 4).

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny fomba fiteninao manokana ireo fahatsapan’ny mpikamban’ny Fiangonana mikasika ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fiantraikan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith teo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maneran-tany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

Amin’ny fomba voafaritra manao ahoana no mety hampahafa ny fiainanao raha tsy nisy ny asa fanompoana nataon’i Joseph Smith?

Ahoana no nitaoman’ny Mpaminany Joseph Smith anao amin’ny fahalalanao sy ny fifandraisanao amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra mba hampiasa ny fotoam-pianarana sisa mba hizarana ny fahatsapany sy fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. Asao izy ireo mba hieritreritra ny hampiasa ireo valinteny avy tamin’ny asa atao teo aloha rehefa maneho fahatsapana sy fijoroana ho vavolombelona.

Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Mandritra ny herinandro ambony dia asao ireo mpianatra hitady fahafahana hizara amin’ny hafa ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny anjara asany tamin’ny famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. Azonao atao koa ny mamporisika azy ireo mba hitahiry an-tsoratra ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny.

Fanamarihana: Ny fanomezana fotoana ampy ny mpianatra mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona eo am-pamaranana ity lesona ity dia zava-dehibe kokoa noho ny fanatanterahana ity asa atao ity. Raha mameno ny fotoana fianarana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpianatra, dia azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny fotoana hafa rehefa misimisy kokoa ny fotoana.

Omeo ny mpianatra ny lisitry ny soratra masina fehezina miisa 25 ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Tantaran’ny Fiangonana. Asao izy ireo handinika ny andalan-tsoratra masina fehezina mety ho ampiasainy mba hampianarana ny olona iray momba ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Asaivo manoratra lesona na lahateny fohy amin’ny alalan’ny fampiasana ny sasantsasany amin’ny soratra masina fehezina nofidiany ny mpianatra. Afaka manoratra izany lesona na lahateny izany amin’ny taratasy iray na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hampianatra ny lesona nomaniny na hamaky ny lahateniny nomaniny ho an’ny hafa mba ho vatsim-panahy ho an’ny lesona manaraka.

Fizarana manaraka (Ny Dia Miankandrefana)

Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra fa mangataka azy ireo mba hangorona ny entan’izy ireo vitsivitsy ny mpaminany ary mangataka azy ireo mba hanao dia izay haharitra kilaometatra maro ao anaty sarety na amin’ny alalan’ny sarety tarihan-tanana ho any amin’ny tany tsy fantatra . Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka izy ireo dia hianatra momba ny dian’ny Olomasina niankandrefana. Hianatra ihany koa izy ireo momba ny fomba nanohizan’ny Tompo ny fitarihana ny Fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ny nametrahana ny mpitarika manaraka taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith.