Seminera
Lesona 159: Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao


Lesona 159

Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao

Fampidirana

Ny 23 Septambra 1995, tao amin’ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanolotra ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Io Fanambarana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io dia manambara amin’izao tontolo izao ny fitsipiky ny fotopampianarana mikasika ny fianakaviana. Io fanambarana io dia manome ihany koa torohevitra izay mankahery ny fianakaviana ary mampitandrina mikasika ireo voka-dratsin’ny tsy fampidirana ny tena ao amin’ny fianakaviana.

Fanamarihana: Makà antoka fa ny mpianatra tsirairay dia manana “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Ity tahirin-kevitra ity dia azo jerena ao amin’ny pejy 129 an’ny gazitimboky Ensign na Liahona,, nivoaka ny nôvambra 2010, ao amin’ny bokikely Devoir Envers Dieu sy Mon Progrès Personnel, ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ao amin’ny hoe “Ny fianakaviana,” ary ao amin’ny LDS.org. Afaka mahita tahadikan’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ao amin’ny tovana ao amin’ity boky fampianarana ity koa ianao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka fanambarana ho an’ny fianakaviana

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ireto teny sy andian-teny manaraka ireto:

Ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana

Fisaraham-panambadiana

Ny fanambadian’olona roa mitovy fanananahana

Karazany

Fananan-janaka

Ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana

Anjara asan’ny reny

Anjara asan’ny ray

Fanalan-jaza

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fananganana tanana, firy aminareo no efa nanana fanontaniana na mahafantatra olona iray izay nanana fanontaniana mifandray amin’ireo olana iray na mihoatra voatanisa eo amin’ny solaitrabe?

  • Aiza no ahafahana mahita ny torolalana omen’ny Tompo?

Hizarao ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’iza tontolo izao” ny mpianatra. (Azonao atao ny manasa ire mpianatra mba hanizo laharana ireo andian-tsoratra ao anatin’ilay fanambarana mba ahafahan’izy ireo manaraka ny vakiteny mora foana rehefa miresaka io andian-tsoratra ity ianao.) Hazavao fa ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanambara ity fanambarana ity ny 23 septambra 1995, tao amin’ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Taloha kelin’ny namakian’ny Filoha Hinckley izany dia niteny izy fa ny antony sasany hoe nahoana no ilain’izao tontolo izao ny ao anatiny. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Holland ity. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino fa ny antony hoe nahoana izao tontolo izao no mila io fanambarana io.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Nahatsapa izahay fa tokony hampitandrina sy hilaza mialoha manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakampanahy sy fitaomana mba hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao. Mba hanatontosana izany ezaka izany, izahay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny filakevitry ny Apôstôly rambinifolo dia manao fanambarana ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao ho fanambarana sy fanamafisana ireo fenitra, fotopampianarana, ary ireo fomba fanao mifandray amin’ny fianakaviana izay efa naverimberin’ireo mpaminany, mpahita ary mpanambara ato amin’ity Fiangonana ity nandritra ny tantarany” (“Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, nôv. 1995, 100).

  • Ahoana io fanambarana io no navoaka ho an’ny Fiangonana sy izao tontolo izao?

Hazavao fa rehefa mianatra “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” isika dia afaka mahazo valiny isika amin’ireo fanontaniana rehetra izay mipetraka. Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana izay hanampy azy ireo hahatakatra mazavazava kokoa ireo lohahevitra voasoratra eo alin’ny solaitrabe dia asao ny mpianatra dimy mba hifandimby hamaky mafy ny andian-tsoratra 1–5 amin’ilay fanambarana. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ireo fotopampianarana izay mampifandraika ny mpaminany amin’ireo lohahevitra eny amin’ny solaitrabe. Mijanonà isaky ny andian-tsoratra mba hamelana ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Asao ireo mpianatra hanisy marika ireo fotopampianarana izay hitan’izy ireo eo amin’ilay tahadikan’ny fanambarana.

Rehefa manao tatitra ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hanoratra ireo fotopampianarana hitany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ireo mpianatra atao ny mamantatra sy manoratra ny fotopampianarana manaraka:

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra [andiam-pehezan-teny 1].

Ny Fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra [andiam-pehezan-teny 1].

Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay [andiam-pehezan-teny 2].

Ny drafitry ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana hitohy aorian’ny fahafatesana [andiam-pehezan-teny 3].

Ny didin’ Andriamanitra ho an’ny mpivady mba hanan-janaka dia mbola manankery amin’izao fotoana izao [andiam-pehezan-teny 4].

Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana [andiam-pehezan-teny 4].

Ny famoronana ny fiainana an-tany dia ampahany masina sy manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra [andiam-pehezan-teny 3 sy 5].

Mandritra ny mpianatra mitatitra isaky ny fotopampianarana izay nofantarin’izy ireo, ampiasao ny iray na mihoatra ireo fanontaniana manampy etsy ambany mba hanampy azy ireo hahatakatra tsara ny fotopampianarana ireo fanarahana.

  • Ahoana io fotopampianarana io no mifandray amin’ireo lohahevitra izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana araka ny hevitrao ny zava-dehibe ny mahatakatra io fotopampianarana io?

  • Ahoana no fahatakarana sy ny finoana io fotopampianarana io no hitaona ny fanapahan-kevitra ataonao?

Raha tsy manonona na dia iray aza amin’ireo fotopampianarana voasoratra etsy ambony ireo mpianatra dia ampio izy ireo hitady izany sy hifanakalo hevitra mikasika azy ireo.

Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia manampy antsika hanorina fianakaviana mahomby.

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny hoe toy inona no fianakaviana tian’izy ireo hananana any amin’ny ho avy?

  • Inona ireo karazana fiaraha-mientana, na fisehoan-javatra, na fihetsika, na finoana eritreretinao fa hitondra fahasambarana ny fianakaviana izay ho hanananao?

Zarao ho vondrona kely ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba hamaky mafy miaraka ireo andian-tsoratra 6–7 ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana. Asao izy ireo hikaroka zavatra izay afaka hanampy azy ireo hahatratra fahasambarana eo amin’ny fianakaviany. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia hanontanio ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra rehetra:

  • Ahoana no fomba ahatratrarana ny fahasambarana ao amin’ny fianakaviana? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo. Azonao atao ny manome sosokevitra fa ireo mpianatra dia hanisy marika ireo fitsipika ireo ao amin’ny tahadikan’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana.)

  • Araka ny andian-tsoratra 6 sy 7, inona ireo fitsipika izay manampy ireo fianakaviana ahita fahasambarana? (Diniho ny fanasana mpianatra iray hanoratra ny valitenin’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe.)

Asao ny mpianatra hiara-hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondrona kely misy azy ireo. Omeo tahadikan’ny fanontaniana ny vondrona tsirairay, na soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana.

Inona ireo ohatra hitanao tao anaty fianakaviana ka manaraka ireo fampianarana voasoratra eo amin’ny solaitrabe?

Nahoana araka ny hevitrao ny fianakaviana izay manaraka ireo fampianarana ireo dia afaka ny ho sambatra?

Fanamarihana: Noho ny mahamora simba ny fifandraisana eo anivon’ny fianakaviana sy ny maha-samy hafa ny toetran’ny tsirairay avy amin’izany, dia aza manasa ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra amin’ny feo mafy ity asa atao manaraka ity. Ho solon’izany, amporisiho ireo mpianatra mba hieritreritra ireo fampianarana ireo manokana ary hisaintsaina hoe ahoana no ahafahany manatsara izany.

Rehafa nanana fotoana nifanakalozana hevitra ireo fanontaniana ireo vondrona, dia asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe iza amin’ireo fampianarana ireo no iainan’izy ireo ao amin’ny fianakaviana misy azy ary ahoana no nampian’ny fahasambarana tamin’ny fanaovana izany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao ireo mpianatra mba handinika hoe iza amin’ireo fampianarana ao amin’ny fanambarana ireo no afaka hiainan’izy ireo kokoa amin’ny fanaovan’ny ezaka ny hitondra fahasambarana lehibe kokoa ho azy ireo manokana sy ny fianakaviany. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanoratra tanjona iray amin’ny drafitra izay ho ataony ny hiaina ireo fampianarana ireo ao amin’ny fianakaviany.

Raha ampy ny fotoana, dia misafidiana iray na mihoatra amin’ireo fanontaniana manaraka mba ifanakalozana hevitra amin’ny mianatra:

  • Araka ny tapany farany amin’ilay andian-tsoratra faha-7, inona ireo andraikitry ny raim-pianakaviana? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny rainao na ny raim-pianakaviana hafa nanatanteraka ireo andraikitra ireo?

  • Araka ny tapany farany amin’ny andian-tsoratra faha-7, inona no andraikitra ny renim-pianakaviana voalohany indrindra? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny reninao na ny renim-pianakaviana hafa nanatanteraka io anjara andraikitra io?

  • Inona no dikan’ny hoe fa ireo andraikitra ireo dia nomena “amin’ny alalan’ny tanjona masina”? (Naorin’ Andriamanitra izy ireo.) Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe?

  • Inona amin’ny andian-teny ao amin’ny andian-tsoratra faha-7 no manampy antsika hahatakatra hoe ahoana no ahafahan’ny ray sy ny reny mba hifanampian’izy ireo? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mira lenta eo amin’ny andraikiny ao amin’ny fianakaviana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ireo ray sy reny mba ahatakaran’izy ireo fa zareo roroa mpinamana mitovy andraikitra?

Asao ireo mpianatra mba hizara izay fomba nahitan’izy ireo ny rainy sy ny reniny.

Mandritra ireo mpianatra mifanakalo hevitra amin’ny filàn’ny ray sy ny reny mba ifanohana dia azonao atao ny mitarika ny sain’izy ireo any amin’ny andian-teny 7 manaraka ny faran’ny andian-tsoratra: “Ny kilema, ny fahafatesana ary ny toe-javatra hafa dia mety ilàna fifandaminana hafa.” Hakao antoka ireo mpianatra fa ny Tompo dia mahalala ireny toe-javatra ireny ary izy dia mitahy ireo ray aman-dreny sy fianakaviana raha manao ny ezaka ny hanatanteraka ny adidiny izy.

  • Araka ny andian-teny farany ao amin’ny andian-tsoratra faha-7, iza ihany koa no afaka manampy ny ray sy renim-pianakaviana hanatanteraka ny andraikiny? (Fianakaviana mivelatra. Azonao atao ny manamafy fa ireo ankizy ihany koa dia afaka manampy ray aman-dreny.)

Hazavao fa ny fianakaviana tsirairay dia samy manana ny olan’izy ireo fa ny fianakaviana tsirairay kosa dia afaka miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ary hikatsaka fahasambarana.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra 8 sy 9 ao amin’ny fanambarana. Asaivo manaraka izany famakiana izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka hoe inona no itranga raha tsy manatanteraka ireny andraikitsika ireny isika ao amin’ny fianakaviana.

  • Inona no hitranga raha manao tsinontsinona no andraikitsika ao amin’ny fianakaviana isika? (Ny mpianatra dia tokony hilaza fa Hitana antsika ho tompon’andraikitra ny Tompo raha tsy manatanteraka ny andraikitsika ao amin’ny fianakaviantsika isika. Azon’izy ireo atao koa ny manamafy fa ny tsy fanatanterahana adidy ao amin’ny fianakaviana dia mety hiteraka faharavana sy voka-dratsy.)

  • Inona araka ny hevitrao ny andraikitry ny ankizy ao amin’ny fianakaviana?

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny hoe ahoana no ahatanterahan’izy ireny izany andraikitriny izany eo amn’ny fiainakaviany. Raha nanasa azy ireo hitahiry tanjona ianao mba ahafahan’ny miaina tsaratsara kokoa ny fampianarana avy amin’ny fanambarana any amin’ny fianakavian’izy ireo, amporisiho izy ireo ny hikatsaka ny fanampian’ny Tompo rehefa nikatsaka ny hanatratra ny tanjony izy ireo.

Farano amin’ny fanasana mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroan’ny ho vavolombelona amin’izay fahamarinana nampianarina tao amin’ny lesona. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelonao ireo fotopampianaran’ny filazantsara ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray

Rehefa nindrana andalana roa avy amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony tena ilana ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny fanambadiana marina dia didy sady dingana ilaina amin’ny fanorenana fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny fianakaviana izay afaka ny haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana.

“Misy antony ara-potopampianarana roa tsy azo lavina manampy antsika hahatakatra ny antony ilana ny fanambadiana mandrakizay amin’ny drafitry ny Ray.

“Antony voalohany: Ny natioran’ny fanahin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifameno sy mifandavorary, ka noho izany ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fisandratana.

“Ny toetoetra mandrakizain’ny fanambadiana sy ny lanjany dia tsy afaka ny ho takatra tanteraka raha tsy ao anatin’ilay sahan-kevitra fototry ny drafitry ny Ray ho an’ny zanany ihany. …

“‘Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay’ ary mamaritra amin’ny ankapobeny hoe iza isika, maninona ety an-tany isika, ary inona no tokony hataontsika sy tokony hahatongavantsika. Noho ny tanjon’ Andriamanitra dia samy hafa, miavaka tsara, ary mifameno ireo fanahy lehilahy sy vehivavy.

“Taorian’ny nahariana ny tany dia napetraka tao amin’ny Saha Edena i Adama. Ny tena manan-danja indrindra anefa dia ny nilazan’Andriamanaitra hoe “tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Genesisy 2:18; Mosesy 3:18), ka dia lasa vady sy mpanampy sahaza ho an’i Adama i Eva. Nilaina ny fikambanan’ny hery miavaka ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetsehampo ananan’ny lahy sy ny vavy mba hampiharana ny drafitry ny fahasambarana. Raha ny lehilahy irery na ny vehivavy irery dia tsy ho afaka hanatanteraka ireo tanjona nahariana azy ireo.

“Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy, ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiaraka handroso mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny voninahitra. Noho ny toetra voajanahary sy ny fahaiza-manaon’izy ireo izay samy miavaka tsara dia samy mitondra fomba fijery sy traikefa tsy manam-paharoa ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitondra anjara biriky amin’ny fomba samy hafa nefa mitovy lenta hanatratrana ilay fitambarana ho iray sy ilay firaisan-kina izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Ny lehilahy dia mameno sy mandavorary ny vehivavy ary ny vehivavy dia mameno sy mandavorary ny lehilahy rehefa mianatra amin’izy samy izy sy mifampahery ary mifampitahy izy ireo. “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy” (1 Korintiana 11:11; nampiana soramandry).

“Antony faharoa: Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy, dia samy ilaina ny lehilahy sy ny vehivavy mba hitondra ireo zanaka eto amin’ny fiainana an-tany ary hanome ny toerana tsara indrindra amin’ny fitaizana sy ny famelomana azy ireo.

“Mbola manan-kery ireo didy izay nomena an’i Adama sy i Eva taloha mba hihabetsaka sy hameno ny tany. “Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ ny fananahana. … Ny fomba hamoronana ny fiainana eto an-tany dia notendren’ Andriamanitra.’ Noho izany ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy no fantsona nahazoan-dalana hidiran’ireo fanahy niaina tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana eto an-tany. Ny fifadiana tanteraka ny fanaovana firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana sy ny fahatokiana tanteraka ao anatin’ny fanambadiana no miaro ny fahamasinan’io fantsona masina io.

“Ny tokatrano misy vady maha-te-ho tia sy manaja ary vehivavy no fitaovana ambony indrindra izay ahafahan’ireo ankizy ho taizaina am-pitiavana sy fahamarinana ary avy amin’izany ny filàna ara-panahy sy ara-nofo dia afaka hihaona. Tahaka ny handraisan’ny toetra miavaka ananan’ny lahy sy ny vavy anjara feno amin’ny fahafenoan’ny fifandraisana eo amin’ny fanambadiana mihitsy no maha-tena ilaina an’ireo toetra ireo amin’ny fanabeazana, famelomana, ary ny fampianarana ny zanaka”(“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 82–84).

Ny fotokevitra ijoroan’ny Fiangonana mahakasina ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy

“Ny Fiangonana dia manavaka tsara ny ny fifanin-tonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy sy ny fanaovan’ny samy lahy na ny samy vavy firaisana ara-nofo. Raha toa ny fananana izany fahatsapana sy fironana amin’ny lehilahy na ny vehivavy mitovy amin’ny tena izany ka tsy voatery hoe fahotana, ny fandraisana anjara amin’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy kosa dia mifanohitra amin’ny ‘fitsipika ara-potopampianarana mifototra amin’ny soratra masina … izay milaza fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany’ [First Presidency Statement on Same Gender Marriage”].

“Satria ny Fiangonana dia mino fa ny fahefana masin’ny fananahana dia “tsy tokony ampiasaina raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray mpivady ara-dalàna ihany … dia izay mety ho firaisana ara-nofo hafa ankoatr’izay, ao anatin’izany ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy, dia manimba ilay fikambanana masin’ny fianakaviana izay noharian’ Andriamanitra. Araka izany, ny Fiangonana dia manome lanja ireo fepetra raisina izay mamaritra ny fanambadiana ho fikambanan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray. Na izany aza, ‘ny fiarovana ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tsy manala ny adidy masin’ny mpikamban’ny Fiangonana mba haneho fitiavana, halemem-panahy ary hatsaram-panahy amin’ny olon-drehetra’ [“The Divine Institution of Marriage,” 13 aog 2008, mormonnewsroom.org]” (“Same-Sex Attraction,” LDS.org).