Seminera
Lesona 21: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17


Lesona 21

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Fampidirana

Rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia nahafantatra fa hisy vavolombelona telo hahazo lalana hahita ireo takelaka (jereo ny 2 Nefia 27:12–14; Etera 5:2–4; F&F 5:11–15, 18). Rehefa nahafantatra izany i Oliver Cowdery sy i David Whitmer dia samy nentanin’ny faniriana avy amin’ny fitaomam-panahy izy ireo mba hanao vavolombelona. Talohan’izay dia nilaza ny Tompo fa raha ampy ny fanetrentena sy fankatoavana asehon’i Martin Harris dia homena lalana hahita ireo takelaka ihany koa izy (jereo ny F&F 5:23–28). Nangataka ny Mpaminany i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris mba hanontany ny Tompo raha toa izy ireo ka havela hanana izany fahafahana izany. Nohamafisin’ny Tompo fa havela hijery ireo takelaka sy zavatra maro hafa ireo lehilahy telo ireo raha toa ka manana finoana ampy ho an’izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–2

Nilaza tamin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris ny Tompo fa raha ampy ny finoany dia havela hahita ireo takelaka sy ireo zavatra sarobidy hafa izy ireo.

Ataovy lisitra mitsangana eo amin’ny solaitrabe ny isa 1 ka hatramin’ny 5. Soraty eo akaikin’ny isa 1 ny hoe takela-bolamena. Asao ny mpianatra handika ilay lisitra manaraka laharana ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Angataho ireo mpianatra hameno ilay lisitra amin’ireo zavatra hafa izay hitan’ireo Vavolombelona Telo rehefa nasehon’i Môrônia azy ireo takelaka. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia angataho izy ireo hampitaha ny lisitra nataony amin’ireo zavatra voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1.

  • Inona ny zavatra voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1 ka tena tianao ho hita indrindra? Nahoana?

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny fahitana ireo zavatra ireo ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ireo Vavolombelona Telo ? Nahoana?

  • Mety ho tamin’ny fomba manao ahoana no nanomezan’ny fahitana ny sabatr’i Labàna sy ny Liahona vavolombelona misimisy kokoa ny amin’ny Bokin’i Môrmôna ?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fampahalalana ara-tantara mikasika ilay fanambarana izay hohalalinin’izy ireo androany dia fintino ilay teny fampidirana ity lesona ity. Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa havela hahita ireo takelaka i Martin Harris, Oliver Cowdery ary i David Whitmer. Na izany aza dia nangataka zavatra tamin’izy ireo aloha ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra tsy maintsy nataon’ireo Vavolombelona Telo mba hahafahan’izy ireo hahita ireo takelaka. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona aminao no dikan’ny hoe miantehitra amin’ny tenin’ Andriamanitra “amin’ny fo feno finiavana”? (Mety ho heviny iray ny hoe mankatò an’ Andriamanitra isika na manaraka ny teniny amin’ny fontsika manontolo.)

  • Araka ny eritreritrareo, nahoana ireo lehilahy ireo no nila nampiseho finoana tahaka ireo mpaminany fahiny talohan’ny nanomezan’ny Tompo alalana azy ireo hahita ireo takelaka?

Na dia hoe tsy manana fahafahana hahita ireo zavatra azo tsapain-tanana izay hitan’ireo Vavolombelona Telo ireo aza isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Raha mankato sy isika dia afaka mahazo tenivavolombelona momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Angataho ireo mpianatra hanolotra teny maromaro izay mameno io fehezan-teny io. (Mety hanome valinteny toy izao ny mpianatra: Raha mankatò sy mampihatra finoana an’ Andriamanitra isika dia afaka mahazo mahazo tenivavolombelona momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Soraty eo amin’ny solaitrabe ilay fitsipika feno amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiharanao finoana an’ Andriamanitra mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba nanampian’i Joseph Smith an’i Martin Harris hampihatra io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka momba an’i Lucy Mack Smith, renin’i Joseph Smith ity:

Sary
Lucy Mack Smith

“Ny ampitso marainan’io, rehefa avy nanatrika ny fotoam-pivoriana mahazatra, izany hoe, namaky ny soratra masina sy nihira ary nivavaka dia nitsangana avy teo am-pandohalihana i Joseph ka nanatona an’i Martin Harris tamim-pahamatorana lehibe izay mbola mampientanentana ahy foana hatramin’izao rehefa tsaroako, dia niteny hoe: ‘Martin Harris a! Mila manetry tena eo anatrehan’ Andriamanitra ianao androany mba hahazoanao ny famelana ny fahotanao. Raha manao izany ianao, dia sitrak’ Andriamanitra ny hijerenao ireo takelaka, miaraka amin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer’” (History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 151–52).

  • Nila niova tamin’ny fomba ahoana i Martin mba hahafahany ho lasa vavolombelon’ireo takela-bolamena ?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–9

Nampahafantarin’ny Tompo ny andraikitr’ireo Vavolombelona Telo mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo takelaka

Asao ireo mpianatra hamaky samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–5 mba hikaroka ny andraikitra izay hosahanin’ireo Vavolombelona Telo rehefa avy mahita ireo takelaka. (Hanana ny andraikitra mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra hitany izy ireo.)

  • Inona no andraikitra ananantsika rehefa manome antsika fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ny Tompo ? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Rehefa avy mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana isika dia manana andraikitra hijoro ho vavolombelona mikasika izany. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny izay mampianatra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Ahoana no maha-fanehoana ny finoantsika ny fananantsika fahavononana hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahazo ilay tantaran’ireo Vavolombelona Telo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’ity tantara manaraka izay notantarain’i Joseph Smith ity :

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“[Izaho] sy i Martin Harris, David Whitmer ary i Oliver Cowdery … dia nandeha [tao anatin’ireo hazo teo akaikin’ny tranon’i Whitmer], ka rehefa nandohalika izahay dia nanomboka nivavaka tamim-pinoana lehibe tamin’ilay Andriamanitra Tsitoha. …

“Araka ny drafitra nataonay dia nanomboka tamin’ny alalan’ny vavaka notononina am-bava tamin’ny Raintsika any An-danitra aho, ary nandimby ahy avy eo ny tsirairay tamin’ireo olona hafa. Kanefa tsy nahazo valim-bavaka na fisehoan’ny fankasitrahan’ Andriamanitra ny vavaka nataonay izahay tamin’ny andrana nataonay voalohany. Namerina ilay lamin’ny vavaka nataonay indray izahay … saingy nitovy tamin’ny teo aloha ihany ny vokatra azo.

“Taorian’ny andrana faharoa nataonay, izay tsy nahomby ihany koa dia niteny taminay i Martin Harris fa tokony hisitaka ny tenany tsy hiara-hivavaka aminay satria, araka ny nolazainy, dia nino izy fa ny naha teo azy no antony tsy nahazoanay ny zavatra nirinay. Araka izany dia nisitaka niala taminay izy, ka nandohalika indray izahay, ary rehefa nivavaka tsy ela akory izahay dia nahita fahazavana teo amboninay, izay mamirapiratra tokoa; ary indro, nisy anjely nijoro teo anoloanay. Notazoniny teny an-tanany ireo takelaka izay nangatahinay tamin’ny alalan’ny vavaka mba hahitanay izany. Navadiny tsirairay ireo takila mba hahitanay azy ireo sy hamantaranay miavaka tsara ireo soratra voasokitra teo amin’izany. … Nahare feo avy amin’ilay hazavana mamirapiratra teo amboninay izahay, nilaza hoe: ‘Nambara tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra sy nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ireo takelaka ireo. Marina ny dikan-tenin’izy ireo izay hitanareo, ary mandidy anareo aho hijoro ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanareo sy renareo ankehitriny.’

“Nandao an’i David sy Oliver aho avy eo, ka nandeha nankany amin’i Martin Harris, izay hitako nivavaka tamin-kafanampo tamin’ny toerana lavitra avy teo amin’ny nisy anay. Nilaza tamiko izy anefa taoriana kelin’izay fa tsy mbola naharesy lahatra ny Tompo izy, ka dia nangataka ahy tamin-kitsimpo tokoa mba hiara-hivavaka aminy, mba hahazoany ihany koa ireo fitahiana izay vao noraisinay. Niara-nivavaka araka izany izahay ka nahazo izay nirinay ihany nony farany, satria tsy mbola vita akory ny vavaka nataonay dia naseho mba ho hitanay ilay fahitana toy ny teo aloha ihany, farafahakeliny dia naseho tamiko indray izany, ary nahita sy nandre indray ireo zavatra toy ny teo aloha; izay nahatonga an’i Martin Harris, izay hita fa heniky ny fifaliana tokoa, hihiaka tamin’izay fotoana izay hoe: ‘’Ampy izay; ’ampy izay; nahita ny masoko; nahita ny masoko’” (in History of the Church, 1:54–55).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no nanan-danja tokoa tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny lalàn’ny vavolombelona, na ny fananana vavolombelona maro ?

Angataho ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara manaraka ity, izay milaza amin’ny antsipiriany ny fahatsapana nananan’i Joseph Smith mikasika ilay zavatra niainana :

Sary
Lucy Mack Smith

“Teo anelanelan’ny tamin’ny telo sy tamin’ny efatra ora tolakandro teo ny ora rehefa niverina tao an-trano izy ireo. Nipetraka teo ambony fandriana i Ramatoa Whitmer, sy Andriamatoa Smith ary ny tenako tamin’izay fotoana izay. Rehefa niditra izy, dia nitsoraka ambany teo anilako, ary niteny hoe, ‘Dada a! Neny a! tsy fantatrareo hoe toy ny ahoana ny hafaliako: ankehitriny dia navelan’ny Tompo ho hitan’ny olona telo ankoatra ahy ireo takelaka. Nahita anjely izy ireo, izay nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo, ary tsy maintsy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izay nolazaiko izy ireo, satria efa mahafantatra ho an’ny tenany izy ireo, fa tsy hamitaka ny olona aho, ary mahatsapa ho toy ny nafahana tamin’ny enta-mavesatra aho izay toa navesatra loatra tamiko ny nitondra azy, ary ravo ny fanahiko fa tsy irery tanteraka intsony aho eto ambonin’ny tany.’ Dia niditra i Martin Harris taorian’izay : toy ireny hoe difotry ny hafaliana ireny izy ary nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana mikasika ny zavatra izay sady hitany no reny. Dia nanao toy izany koa i David sy i Oliver ary nanampy hoe tsy misy teny mahalaza ny fifaliana tsapan’izy ireo tao am-pony sy ny halehiben’ny zavatra izay sady hitan’izy ireo no reny” (History of Joseph Smith by His Mother, 152).

  • Inona no zavatra tsapanao rehefa tafaraka amin’ny olona hafa ianao izay mahafantatra ihany koa fa marina ny filazantsara ? Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fijoroany ho vavolombelona?

Zarazarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsirairay hamaky mafy ny “Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” (izay hita ao aorian’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna). Rehefa mamaky ny mpianatra dia asao izy ireo hitady teny na andian-teny mampatanjaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.

Hazavao amin’ireo mpianatra fa na dia niala tsy ho mpikamban’ny Fiangonana aza ireo Vavolombelona Telo ireo (i Oliver Cowdery sy i Martin Harris dia naverina natao batisa indray taty aoriana), dia tsy nisy nandà ny tenivavolombelony momba ny Bokin’i Môrmôna izy ireo na dia iray aza.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe azo ampidirina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tsirairay avy ny fijoroana ho vavolombelona an’izy ireo manokana momba ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra tian’izy ireo ho ampidirina ao anatin’ny fijoroany ho vavolombelona. Manasà mpianatra maromaro hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6 mba hitady ny fijoroan’i Jesoa Kristy ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fomba ahoana ny fijoroan’ny Tompo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo fampanantenana nomena an’ireo Vavolombelona Telo. Ampifantohy amin’ilay andian-teny hoe “fikasako marina” ao amin’ny andininy 9 ny sain’ny mpianatra.

  • Mety ho inona ny sasantsasany amin’ireo fikasan’ny Tompo amin’ny fananana Vavolombelona Telo ? (Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hijery indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:4 mba hamaliana io fanontaniana io.)

  • Inona no mety ho “fikasana tsara” amin’ny fanomezana anao fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izay irinao ho fantatra ?

Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa afaka mahazo na mampatanjaka fijoroana ho vavolombelona isika rehefa mizara izany. Asao ny mpianatra rehetra mba hisaintsaina hoe iza no tokony hizaran’izy ireo ny fijoroany ho vavolombelona ka mety hahazo tombontsoa amin’ny fahenoana izany. Amporisiho izy ireo hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’izany olona izany amin’ity herinandro ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1. Ireo takelaka sy ny Orima sy Tomina ary ilay saron-tratra

Nomen’i Joseph Smith an’ny anjely Môrônia ireo takelaka sy ilay saron-tratra ary ny Orima sy ny Tomima rehefa vitany sy tanterany ilay asa nangatahin’ Andriamanitra ho ataony (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:52, 59–60).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3, 5. Ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris

Na dia tsy fantatsika aza ny tena antony marina nampiala an’ireo Vavolombelona Telo tao amin’ny Fiangonana tao anatin’ny fotoana voafetra dia mety hanampy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4 amin’ny fanazavana ny fomba mety hampiala ny olona iray taorian’ny nahazoany fijoroana ho vavolombelona goavana toy ny fahitana anjely iray sy ireo takelaka:

“Fa na dia mety hahazo fanambarana maro aza ny olona iray ary hanan-kery hanaovana asa mahatalanjona maro, kanefa raha mirehareha amin’ ny tanjaky ny tenany izy ary manao tsinontsinona ny torohevitr’ Andriamanitra ka manaraka ny fibaikoan’ ny sitrapony sy ny filan’ ny nofony, dia tsy maintsy lavo izy ary iharan’ ny famalian’ Ilay Andriamanitra marina.”

Na dia eo aza ny fihemorana hiala ny Fiangonana dia tsy nisy nandà ny tenivavolombelony momba ny Bokin’i Môrmôna ireo Vavolombelona Telo ireo na dia iray aza, araka ny voalazan’ity fitantarana manaraka ity :

Nizara ity fijoroana ho vavolombelona manaraka ity i Oliver Cowdery tao amin’ny fihaonambe iray natao tao Kanesville, Iowa, tamin’ny 21 ôktôbra 1848:

Sary
Oliver Cowdery

“Nosoratako tamin’ny peniko ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo (afa-tsy pejy vitsivitsy) araka izay notononin’ny vavan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo teny, rehefa nandika izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy. … Marina izany boky izany. Tsy i Sidney Rigdon no nanoratra azy io; tsy andriamatoa Spaulding no nanoratra azy io. Izaho no nanoratra izany araka izay notononin’ny vavan’ny Mpaminany” (“The Three Witnesses,” The Historical Record, ed. Andrew Jenson, vol. 6, nos. 3–5 [mey 1887], 201; jereo koa ny George Reynolds, “History of the Book of Mormon,” The Contributor, boky 5, lah. 12 [sept. 1884], 446).

Ny gazety an-tsoratra iray antsoina hoe Richmond Democrat dia niresaka an’ity tantara manaraka ity izay mikasika ny nijoroan’i David Whitmer ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna:

Sary
David Whitmer

“Ny Alahady hariva, tamin’ny 5:30 (22 jan 1888) dia niantso ny fianakaviany sy namana vitsivitsy hivondrona manodidina ny fandriany andriamatoa Whitmer. … Avy eo dia niresaka tamin’ireo rehetra nanodidina ny fandriany izy nanao hoe: ‘Ankehitriny dia mila mitoetra ho mahatoky ao amin’i Kristy ianareo rehetra. Tiako ny milaza aminareo rehetra fa marina ny Baiboly sy ny rakitsoratra momba ny Nefita (Bokin’i Môrmôna), mba hahafahanareo milaza fa efa nahare ny fijoroako ho vavolombelona ianareo teo amin’ny fandriana nahafatesako. Mitoera ho mahatoky ao amin’i Kristy ianareo rehetra, dia hahazo valisoa arakaraka ny asanareo ianareo. Hotahian’ Andriamanitra ianareo rehetra. Matoky an’i Kristy mandrakizay aho, amin’ny tontolo tsy manam-pahataperana. Amena.’ [Richmond Democrat, Feb. 2, 1888, quoted in Andrew Jenson, Latter-day Saint Biographical Encyclopedia, 4 vols. (1901), 1:270]” (ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 33).

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany dia nijoro ho vavolombelona i Martin Harris hoe :

Sary
Martin Harris

“Eny, hitako tokoa ireo takelaka izay nanoratana ny Bokin’i Môrmôna; nahita anjely aho; nandre ny feon’ Andriamanitra aho; ary fantatro fa Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith izay mihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Masina. [“The Last Testimony of Martin Harris,” recorded by William H. Homer in a statement sworn before J. W. Robinson, Apr. 9, 1927, quoted in Francis W. Kirkham, A New Witness for Christ in America, 2 vols. (1960), 1:254.]” (Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra 33.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17. Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo

Andro vitsivitsy taorian’ny nahitan’ireo Vavolombelona Telo ireo takela-bolamena dia nisy “Vavolombelona Valo fanampiny—lehilahy mahatoky izay nifandray akaiky tamin’ny Mpaminany nandritra ny fandikana—izay voafidy ihany koa hijery ireo takelaka. … Navela hampiseho ireo takelaka tamin’izy ireo teo akaikin’ny trano fonenan’ny fianakaviana Smith tao Manchester i Joseph rehefa nifampiraharaha mikasika ny fanontana printy ilay boky izy. [Jereo ny History of the Church, 1:58.] Nijoro ho vavolombelona ireo Vavolombelona Valo fa nitazona sy nanainga ireo takelaka izy ireo ary nahita ireo soratra voasokitra teo amin’ireo takila tsirairay. Voarakitra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna rehetra izay navoaka ihany koa ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, boky navoaka faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 60–61).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6. Fijoroan’ Andriamanitra ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Hita ato amin’ireto tenin’ny Tompo izay mifandray amin’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna ireto ny iray amin’ireo velirano manetriketrika indrindra izay natao tamin’olombelona. ‘Ary efa nandika ny boky izy [i Joseph Smith], dia ilay ampahany izay efa nandidiako azy,’ hoy ny Tompo, ‘ary raha velona koa ny Tomponareo sy ny Andriamanitrareo dia marina izany.’ (F&F 17:6.)

“Io no fijoroan’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny Bokin’i Môrmôna. Napetrak’ Andriamanitra Izy tenany mihitsy tao anatin’izany ny maha Andriamanitra Azy. Na marina ilay boky, na mitsahatra tsy ho Andriamanitra intsony Andriamanitra. Tsy mbola nisy ary tsy hisy fomba fitenenana ôfisialy kokoa na mandresy lahatra kokoa noho izany ka hoe ho hain’ny olona na ireo andriamanitra” (The Doctrine of the Priesthood,” Ensign, May 1982, 33).