Seminera
Lesona 20: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16


Lesona 20

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16

Fampidirana

Tany amin’ny faran’ny volana Mey 1829 dia nianjadian’ny fampitahorana avy tamin’ny mpisotasota i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery raha teo am-pananatontosana ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nanampy azy ireo hifindra avy tany Harmony, Pennsylvanie, nankany amin’ny tranon-dry Whitmer tany Fayette, New York i David Whitmer, ka dia afaka nandositra ny fanenjehana izy ireo ary afaka nampianatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny fianakaviana Whitmer sy ireo mpifanolobodirindrina tamin’izy ireo. Liana be tamin’ireo zava-niseho nitranga momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny fianakaviana Whitmer. I Joseph Smith dia namariparitra an’i David Whitmer, John Whitmer, ary i Peter Whitmer zanany ho toy ny “namana sy mpanampy mazoto tamin’ny asa; ary … tsindrindaona hahafantatra ny adidin’izy ireo tsirairay avy” (History of the Church, 1:48–49). Nivavaka ny Mpaminany ka nahazo fanambarana ho an’i David Whitmer sy i John ary Peter rahalahiny. Nianatra momba ny anjara asan’izy ireo amin’ny famoahana ny asan’ny Tompo ireo mpirahalahy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14

Niantso an’i David Whitmer mba hanampy amin’ny asan’ny andro farany ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fampahalalana ara-tantara momba ireo fanambarana hianaran’izy ireo anio dia fintino ny fampahafantarana ao amin’ny fampidirana ity lesona ity. Ankoatra izany dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray mba hamaky izao tantara manaraka izao. Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra dia hazavao fa nila namboly varimbazaha teo amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny fianakaviany i David Whitmer ary namafy plaster of paris izay nampiasaina ho toy ny zezika izy. Nahatsapa izy fa tokony hanampy an’i Joseph sy i Oliver rehefa avy manatontosa ireo asa ireo. Asao ny mpianatra mba hihaino ireo fahagagana izay nahafahan’i David Whitmer nanampy an’i Oliver Cowdery sy Joseph Smith handositra ireo mpanenjika azy ireo:

Sary
Lucy Mack Smith

“Nandeha tany an-tsaha i David, ary nahita fa nisy asa mavesatra mandritra ny roa andro izay miandry azy. … Dia nafatony tamin’ny fitaovana famakiana bainga ireo soavaliny, ka nitondra izany manodidina ilay tany manontolo izy raha toa ka tokony nizara ny saha ho amin’ilay filazan’ny mpamboly azy hoe tany, dia nanohy izany mandra-pahatongan’ny mitataovovonana izy, ka rehefa nitsahatra hisakafo atoandro dia nijery ny manodidina izy ary nahita tamim-pahagagana fa nahavita namadika bainga tanteraka ny antsasany mahery tamin’ilay saham-barimbazaha izy. Nanohy toy ny teo aloha izy taorian’ny sakafo atoandro, ary tontosa ny asa rehetra tokony hatao tao anatin’ny roa andro tamin’iny alina iny.

“Nahita ny zava-bita ny rainy raha nandeha tany an-tsaha tamin’iny alina iny ihany, ka nihiaka hoe: ‘Tsy maintsy hery ambony kokoa nahatonga izao zavatra izao hitranga, ary mieritreritra aho fa tsy maintsy midina any Pennsylvanie ianao raha vantany vao voafafy ny zezikao.’

“Naka fandrefesana vita amin’ny hazo i David ny ampitso maraina ka nivoaka hamafy ilay zezika izay najanony nivangongo teo akaikin’ny tranon’ny anabaviny roa andro mialoha izany, saingy tsy hitany raha nandeha teo amin’ilay toerana izy! Nihazakazaka tany amin’ny anabaviny izy ary nanontany azy raha toa ka fantany ny toerana nalehan’izany. Gaga tokoa ny anabaviny dia niteny hoe: ‘Nahoana ianao no manontany ahy? Angaha tsy efa voafafy omaly daholo ilay izy?’

“‘Tsia, raha ny fahalalako azy,’ hoy David namaly.

“‘Gaga amin’izany aho,’ hoy ny anabaviny, ‘satria tonga teto amiko ny ankizy tamin’ny maraina ary niangavy ahy mba hivoaka sy hijery ireo lehilahy namafy zezika tany an-tsaha, sady niteny fa tsy mbola nahita na oviana na oviana olona namafy zezika haingana be toy izany teo amin’ny fiainany. Nandeha tany aho noho izany ka nahita lehilahy telo niasa teny an-tsaha, araka ny nolazain’ny ankizy, saingy, nihevitra aho fa nitady fanampiana ianao, noho ny fahamehanao, ka dia nody tany an-trano avy hatrany aho, ary tsy nieritreritra momba izany intsony.’

“Nanadihady lalina momba io raharaha io i David, na teo anivon’ny havany izany na ny mpifanolobodirindrina, saingy tsy afaka nahafantatra hoe iza no nanao izany” (Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley 1958, 148–49).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ireo zavatra nitranga ireo teo amin’i David Whitmer?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanambara ny famoahana ny asany sy ireo fitahiana ho an’ireo izay mandray anjara ao anatin’izany ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:6–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torolalan’ny Tompo tamin’i David ary ny fitahiana ho azon’i David vokatry ny fihainoany ny toromariky ny Tompo.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’i David Whitmer? Inona no notakiana mba hataon’i David hahatanteraka ity fampanantenana ity?

Asaivo mamerina milaza ilay fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7 amin’ny teniny manokana ny mpianatra. Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ka maharitra hatramin’ny farany dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Inona no dikan’ny hoe mahazo ny fiainana mandrakizay? (Miaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika eo anatrehan’ Andriamanitra no atao hoe mahazo ny fiainana mandrakizay. Ilay karazana fiainana iainan’ Andriamanitra no atao hoe fiainana mandrakizay.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay mandrisika antsika hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy haharitra hatramin’ny farany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ireo fitahiana hafa izay ho azon’i David Whitmer raha toa ka mankatò izy. Rehefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ity fanambarana ho an’i David ity dia lasa iray tamin’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna i David. Nahita ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena izy, ary naheno ny feon’ Andriamanitra nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo rakitsoratra.

Hazavao fa nanome fampanantenana hafa ho an’i David Whitmer ny Tompo izay niankina tamin’ny fahatokian’i David. Mba hanomanana ny mpianatra hamantatra fitsipika iray ao amin’ny tenin’ny Tompo ho an’i David dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha toa isika , dia ny Tompo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9–11 Asaivo mitady fitsipika iray izay mifanentana amin’ilay ohatra eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Avelao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra vitsivitsy. Afaka milaza fitsipika isan-karazany ny mpianatra, saingy alaivo antoka fa azon’izy ireo mazava tsara ny hoe raha toa isika manampy amim-pahatokiana ny Tompo amin’ny asany, dia hitahy antsika ara-panahy sy ara-batana ny Tompo.

  • Amin’ny fomba ahoana no nangatahan’ny Tompo anao mba hanampy amin’ny asany? Inona ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao rehefa nanampy tamin’ny asan’ny Tompo ianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15–16

Nampianarin’i Jesoa Kristy an’i John Whitmer sy i Peter Whitmer zanany ny zavatra izay manan-danja indrindra ho azy ireo

Asao ho eny aloha ny mpianatra roa. Asaivo mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:1 ny iray amin’izy ireo, dia asaivo mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 16:1 ny iray avy eo. Asaivo mamaky ny andininy 2–6 ao amin’ireo fizarana ireo amin’ny fomba mitovy ireo mpianatra ireo.

Asao ny mpianatra hamantatra ny faniriana niraisan’i John Whitmer sy i Peter Whitmer zanany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:3–4 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 16:3–4.

  • Inona ny faniriana niraisan’i John Whitmer sy i Peter Whitmer zanany? (Mba hahafantatra ny zavatra azon’izy ireo atao ka ho manan-danja indrindra amin’izy ireo.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6 sy 16:6. Asaivo mamantatra ny valinteny nomen’ny Tompo an’ireo lehilahy ireo izy ireo.

  • Ahoana no namalian’ny Tompo ny fanontanian’izy ireo? Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’ny Tompo? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa ho manan-danja lehibe amintsika ireo ezaka ataontsika hitondra ny hafa ho eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona hafa hanatona an’i Kristy?

  • Nahoana no manan-danja amintsika ireny ezaka ireny?

Asao ny mpianatra hamerina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15 sy 16, hitady ny fomba maha-samihafa ireo fanambarana roa ireo. (Ny hany fahasamihafana dia ny iray natao ho an’i John ary ny iray hafa natao ho an’i Peter.)

Hazavao fa nanambara hafatra mitovy tamin’ny olona samy hafa ny Tompo tamin’izany fotoana izany satria mitovy ny zavatra nilain’izy ireo sy ny toe-javatra niainany na ny faniriany. Afaka mahatoky isika anefa fa mahafantatra antsika tsirairay Izy. Eto amin’ity ohatra ity dia niantso an’i John Whitmer sy i Peter Whitmer zanany tamin’ny anarany Izy ary nanambara ny sitrapony tamin’izy ireo tsirairay avy.

  • Ahoana no ahafahan’ny tsodranon’ny fisoronana na ny antso amin’ny asa fitoriana mampiseho fa mahafantatra antsika manokana Andriamanitra, na dia ahitana teny mitovy amin’ny izay nomena ny hafa aza ilay tsodrano na ilay antso amin’ny asa fitoriana?

Mba hitondrana ohatra iray hafa fa mahafantatra antsika manokana Andriamanitra dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky izao tantara manaraka izao izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Niresaka tamina mpitarika iray ao amin’ny fisoronana aho fotoana maro lasa izay, nentanim-panahy hitadidy tsianjery ny anaran’ireo tanora 13 ka hatramin’ny 21 tao amin’ny tsatòkany izy. Nanamboatra karatra hitadidiana ny anarana izy ka sarin’ny zatovolahy sy zatovovavy no nampiasainy, izay nojerijereny matetika rehefa manao dia mikasika ny asa izy na koa tamin’ny fotoana hafa. Nianatra haingana ny anaran’ny tanora rehetra ity mpitarika ao amin’ny fisoronana ity.

“Nanofy momba ny zatovolahy iray izay hitany tamin’ny sary fotsiny ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana indray alina. Nahita ilay zatovolahy nanao lobaka fotsy sy nitondra takelaka kely misy ny anaran’ny misiônera izy tao anatin’ilay nofy. Nampianatra fianakaviana iray ilay zatovolahy, niaraka tamin’ny mpiara-mitory aminy izay nipetraka teo akaikiny. Nitazona Bokin’i Môrmôna teny an-tanany ilay zatovolahy ary toa ireny nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ilay boky ireny izy. Dia nifoha ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana.

“Nanatona ilay zatovolahy hitany tao anaty nofiny ilay mpitarika tamin’ny fivorian’ny mpihazona ny fisoronana taty aoriana ka nangataka mba hiresaka aminy mandritra ny minitra vitsy. Rehefa avy nampahafantatra ny tenany ilay mpitarika dia niantso ilay zatovolahy tamin’ny anarany ka niteny hoe : ‘Tsy mpanonofy aho. Tsy mbola nanofy momba ny mpikambana iray tato amin’ity tsatòka ity na oviana na oviana aho, ankoatra anao. Horesahiko aminao ny momba ny nofiko, dia tiako ianao hanampy ahy hahatakatra ny dikan’izany avy eo.’

“Nitantara ilay nofy ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana ary nanontany ny dikan’izany tamin’ilay zatovolahy. Heniky ny fihetseham-po ilay zatovolahy sady namaly hoe : ‘Midika izany fa fantatr’ Andriamanitra hoe iza aho.’ Nanan-danja tokoa ny tohin’ny resaka nifanaovan’ity zatovolahy ity sy ilay mpitarika azy ao amin’ny fisoronana, ary nifanaiky ny hihaona matetika sy hifanolotra hevitra izy ireo nandritra ny volana maromaro taorian’izay” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign or Liahona, May 2005, 100).

  • Nahoana izany no afaka manampy antsika hahalala fa mahafantatra antsika manokana Andriamanitra?

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba hahalalany fa mahafantatra azy ireo manokana Andriamanitra. (Mety ho mila manazava ianao fa tsy voatery ho miavaka be ny ohatra omen’ny mpianatra. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy ilaina ny hizaran’izy ireo zavatra izay tena mikasika loatra ny tena manokana.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana fa mahalala anao manokana Andriamanitra hisy fiantraikany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao isan’andro? Inona no fiantraikan’ny fahalalana izany teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisinao?

Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra ka hanasa ny mpianatra hanao asa araka ireo fahamarinana ireo.