Seminera
Lesona 81: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119


Lesona 81

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119

Fampidirana

Miresaka momba ny fahitana ny voninahitra telestialy izay naseho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ity lesona ity, araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Nanoritsoritra ny zavatra nianarany momba ireo izay handova ny fanjakana telestialy sy momba ny vokatry ny fandavana ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nanoritsoritra ny maha-samy hafa ny voninahitra telestialy amin’ny fanjakam-boninahitra hafa ihany koa izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–112

Nampiseho tamin’ny fahitana ny fanjakana telestialy tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo.

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe misy namana iray izay mpikambana ao amin’ny fivavahana Kristiana hafa milaza aminy hoe: “Niteny anay ny mpitoriteny tao aminay fa aorian’ny fahafatesana dia na mankany an-danitra isika na mankany amin’ny helo. Ohatra ny tsy mahatsapa tena ho tsara toetra aho ka handeha any an-danitra amin’izao, kanefa tsapako ihany koa fa tsy dia ratsy toetra loatra aho ka tokony ho an’ny amin’ny helo. Inona no ampianarin’ny fivavahanao momba ny lanitra sy ny helo?”

  • Inona no havalinao ilay namanao?

Ampisehoy ilay kisary avy ao amin’ny lesona 78 izay antsoina hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: Famintinana ilay Fahitana” (na asao ny mpianatra mba haka ny tahadikan’ilay kisary avy ao amin’ny bokiny). Rehefa mifanakalo hevitra momba ny sisa tavela amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny mpianatra dia entano izy ireo hitady ireo fahamarinana izay mety hanampy ity namana ity.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–83, 101, 103. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny teny sy ny andian-teny izay mamaritra ny olona izay handova ny fanjakana telestialy.

  • Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no mamaritra ny olona izay handova ny fanjakana telestialy? (Mety mila manazava ianao fa ny mpanompo sampy dia olona izay mandray anjara amin’ny hetsika izay manasa ny fitaoman’ny fanahy ratsy. Ny atao hoe mpijangajanga dia olona iray izay mandray anjara amin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiaovam-pitondrantena.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 82 sy 101 dia handova ny fanjakana telestialy ny olona sasany satria nandà ny handray fitahiana lehibe izay natolotra ho azy izy ireo. Inona avy ireo fitahiana izay nolaviny? (Mandà an-kitsirano ny tenivavolombelon’i Jesoa sy ny filazantsara izy ireo. Satria mandà ny Mpamonjy sy ny filazantsarany izy ireo dia tsy manaiky ny fahafahana hibebaka amin’ny fahotany ka ho voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Rehefa mifanakalo hevitra momba an’io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo ny zavatra nianarany tamin’ny lesona teo aloha momba ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa. Hamafiso fa ny voninahitra izay holovaintsika dia hiankina amin’ny fomba handraisantsika io tenivavolombelona io [jereo ny F&F 76:50–51, 69, 78–79, 81–82, 101].)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 83 dia inona no maha-samy hafa ireo izay honina any amin’ny fanjakana telestialy sy ireo zanaky ny fahaverezana? (Tsy manao ilay fahotana tsy azo ivalozana, dia ny fandavana ny Fanahy Masina izy ireo [jereo ny F&F 76:35].)

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:84–85, 104–106 sady hitady ny zavatra hanjo ireo ratsy fanahy alohan’ny hahazoany ny voninahitra telestialy.

  • Inona no hanjo ireo ratsy fanahy alohan’ny hanavotana azy ireo sy hamelana azy ireo handova ny fanjakana telestialy? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Tsy maintsy hijaly any amin’ny helo ireo handova ny fanjakana telestialy alohan’ny hanavotan’ny Mpamonjy azy ireo. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitry ny teny hoe helo, dia hazavao fa ny soratra masina dia mampiasa io teny io amin’ny fomba roa farafahakeliny. Voalohany, ny helo dia ilay faritra iray ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay ipetrahan’ny ratsy fanahy ary toetra ara-bakiteny nefa tsy maharitry ny fijaliana sy fahoriana ara-panahy. Faharoa, ampiasain’ny soratra masina indraindray ny teny hoe helo entina hilazana ny toetra maharitry ny fijaliana sy fahoriana ho an’ireo zanaky ny fahaverezana. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Helo,” scriptures.lds.org.)

  • Teny inona ao amin’ny andininy 84–85 sy 104–106 no mamaritra ny fahoriana hianjady amin’ireo ratsy fanahy aorian’ny fahafatesany? (Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 105, ny andian-teny hoe “afo mandrakizay” dia sarin-teny entina hilazana ny fijalian’ny ratsy fanahy izay handova ny fanjakana telestialy. Tsy midika akory izany fa tsy hisy fiafarany ny fijaliany. Jereo ny F&F 19:4–12.)

Hamafiso fa ny zavatra iainan’ireo izay handova ny fanjakana telestialy ao amin’ny helo dia handalo vetivety ihany. Satria tsy hibebaka sy hampihatra ny fitahian’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainany ireo olona ireo dia hitoetra ao amin’ny helo izy ireo mandritra ny Arivotaona ka hanefa ny sazin’ny fahotany amin’ny alalan’ny fijaliany.

  • Andian-teny inona ao amin’ny andininy 85 sy 106 no mampianatra fa ho toetra mandalo ihany ny helo ho an’ireo handova ny fanjakana telestialy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity ka asao ny iray kilasy hihaino ny vokatry ny fijaliana izay hianjady amin’ny ratsy fanahy any amin’ny helo:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Ho fitaovana fanadiovana na fandiovana io fijaliana io, ka amin’ny alalan’izany no hitondrana ny ratsy fanahy ho amin’ny toetra izay hahafahany mahazo ny tsy fahafatesana amin’ny alalan’ny fanavotan’i Jesoa Kristy. Hikambana indray ny vatany sy ny fanahiny ka hitoetra ao amin’ny fanjakana telestialy izy ireo. Kanefa tsy ho tonga izany fitsanganana amin’ny maty izany raha tsy amin’ny faran’izao tontolo izao” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:298).

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:106–108 amin’ny alalan’ny fanazavana fa hijaly noho ny fahotany ireo ratsy fanahy ambara-pahatontosan’i Jesoa Kristy ny asany sy ambara-panomezany an’ny Rainy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Avy eo dia hosatrohina voninahitra i Kristy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:109–111. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady izay zavatra hitranga rehefa entina hotsaraina eo anatrehan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ireo izay handova ny fanjakana telestialy.

Hazavao fa na dia miresaka manokana mikasika ireo izay handova ny fanjakana telestialy aza ny andininy 111 dia mihatra amin’ny olona tsirairay ny fahamarinana ampianarina ao amin’io andininy io.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 111, dia inona no mamaritra ny fanjakam-boninahitra izay holovaintsika? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity: Ny asa ataontsika eto amin’ity fiainana ity sy ny fanirian’ny fontsika no hamaritra ny fanjakam-boninahitra izay holovaintsika. Azonao atao ny manoratra io fotopampianarana io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’io fotopampianarana io eo amin’ny safidinao?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:86–89, 98, 112 sady hitady ny teny sy andian-teny izay manoritsoritra ny mety ho endriky ny tsy fahafatesana ho an’ireo izay handova ny fanjakana telestialy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Ahoana no hanehoan’ireo teny sy andian-teny ireo ny fitiavana sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:91–98. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fampitahana ireo fanjakam-boninahitra.

  • Inona no mampiavaka ny voninahitry ny fanjakana selestialy amin’ny voninahitry ny fanjakana terestrialy sy telestialy? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony hita taratra ao kosa ity fahamarinana manaraka ity: Lehibe noho ny voninahitry ny fanjakana terestrialy sy telestialy ny voninahitry ny fanjakana selestialy.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 92–95, dia inona no fitahiana ho azon’ireo izay mandray ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy? Manao ahoana ireo fitahiana ireo raha oharina amin’ny fitahiana ho azon’ireo izay handova ny fanjakana telestialy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:113–119

Manazava ny fomba ahafahan’ny olona hafa mahazo ny fahalalana izay noraisiny i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:113–119 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe taorian’ny fanoritsoritany ilay fahitana dia nilaza i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon fa nodidian’ny Tompo izy ireo tsy hanoratra ny zava-drehetra naseho azy ireo. Nanazava ny zavatra tsy maintsy ataontsika ihany koa izy ireo mba hahafahana mahita sy mahatakatra ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:116–118. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hijery ny fomba ahafahantsika mahita sy mahatakatra ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahafahana mahita sy mahatakatra ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra? (Jereo koa ny F&F 76:5–10).

Mba hanampiana ny mpianatra hanazava sy hijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana izay vao avy nianarany tao amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia ampahatsiahivo azy ireo ilay fanontaniana izay nodinihiny tamin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana: “Inona no ampianarin’ny fivavahanao momba ny lanitra sy ny helo?” Zarao tsiroaroa ireo mpianatra, ka asaivo miara-miasa izy ireo mba hamorona hevi-dehibe momba ny fomba ahafahany mamaly io fanontaniana io. Ampahafantaro azy ireo fa rehefa afaka minitra vitsivitsy dia hanana fahafahana ny hizara ny valinteniny amin’ny ekipa iray hafa izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra amin’ny fiomanan’izy ireo dia zarao ny tahadikan’ireto fanontaniana manaraka ireto na soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo mialohan’ny fotoam-pianarana:

Inona no zavatra nambaran’ny Tompo hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 momba ny any an-danitra sy ny helo?

Inona no maha-samy hafa ny fanjakam-boninahitra tsirairay?

Inona no maha-samy hafa ireo safidy nataon’ireo izay handova ireo fanjakana ireo sy ireo izay tsy handova fanjakam-boninahitra?

Inona no fantatrao fa marina mikasika ny Mpamonjy sy ny andraikiny amin’ny famonjena antsika?

Tolory hevitra ny mpianatra mba handinika ireo fanontaniana ireo rehefa miomana ny hanazava ny zavatra ampianarin’ny Fiangonana momba ny lanitra sy ny helo izy ireo. Ankoatra izay, dia asao ny mpianatra hampiasa andinin-tsoratra masina roa farafahakeliny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ao anatin’ny fanazavany.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny ekipa tsirairay mba hiara-hiasa amin’ny ekipa iray hafa. Manasà ekipa iray hampianatra ny mpianatra roa hafa amin’ny alalan’ny fampiasany ny hevi-dehibeny. Rehefa avy nanana fahafahana hanazava ny fotopampianarana ny ekipa voalohany tamin’ireo mpianatra dia asao hampianatra ny ekipa faharoa. Rehefa avy nahavita ny fampianarany ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny mpianatra rehetra.

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany avy tamin’ny fandalinana momba ireo fanjakam-boninahitra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny misy banga manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hameno izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

Noho ny zavatra nianarako avy tamin’ny fandalinana ireo fanjakam-boninahitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia:

Fantatro …

Izaho dia maniry ny …

Izaho dia h …

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra mba hanatanterahana io asa atao io dia entano izy ireo handinika raha toa ka hahamendrika azy ireo amin’ny fandovana ny fanjakana selestialy ny safidy izay ataony na tsia. Entano koa izy ireo hikatsaka ny fanampian’ny Tompo hanao izay fanovana tsapany fa ilaina hatao. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nianaranao tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:84. Helo

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia manazava ny fampiasana ny teny hoe helo ao amin’ny soratra masina:

“Ny fanambaran’ny andro farany dia niteny momba ny helo amin’ny heviny roa farafahakeliny. Voalohany: izany dia fonenana tsy maharitra ao amin’ny tontolon’ny fanahy ho an’ireo izay tsy nankatò tety an-tany. Manam-piafarana ny helo amin’izay heviny izay. Hampianarina ny filazantsara ireo fanahy any ary amin’ny fotoana aorian’ny fibebahany, dia hatsangana amin’ny maty ho amin’ny ambaratongam-boninahitra mendrika azy izy ireo. Ireo izay tsy te hibebaka, kanefa tsy zanaky ny fahaverezana kosa, dia hitoetra ao amin’ny helo mandritra ny Arivotaona. Aorian’ireo arivo taona hijaliana ireo, dia hatsangana amin’ny maty ho amin’ny voninahitra telestialy izy ireo (F&F 76:81–86; 88:100–101).

“Faharoa: izany dia fonenana maharitra ho an’ireo izay tsy voavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Maharitra ny helo amin’izay heviny izay. Izany dia natao ho an’ireo izay mbola “hita maloto” (F&F 88:35, 102). Izany no toerana honenan’i Satana sy ny anjeliny ary ireo zanaky ny fahaverezana—ireo izay nandà ny Zanaka taorian’ny efa nanambaran’ny Ray azy—mandrakizay (F&F 76:43 46)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Helo,” scriptures.lds.org).

Toy izao manaraka izao no nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie mikasika ny helo:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Io faritry ny tontolon’ny fanahy izay onenan’ireo ratsy fanahy miandry ny andro farany hananganana azy ireo amin’ny maty io no antsoina hoe helo. Eo anelanelan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty dia hatsipy any amin’ny haizina ivelany, any amin’ny toerana maizin-kitroky ny Seola, any amin’ny hadesin’ny ratsy fanahy izay miandry, ho any amin’ny helo ny fanahin’ireo ratsy fanahy. Any izy ireo no hiaritra ny fijalian’ireo voaheloka. Any izy ireo no hitanty ny famalian’ny afo mandrakizay. Any no misy ny fitomaniana sy fidradradradrana ary fikitroha-nify. Any no androtsahana ny fahatezerana mirehitra sy ny fisafoahan’ Andriamanitra amin’ireo ratsy fanahy. (Almà 40:11–14; F. & F. 76:103–106.) …

“Aorian’ny fitsanganany amin’ ny maty, ny ankamaroan’ireo izay nijaly tany amin’ny helo dia hafindra mankamin’ny fanjakana telestialy. Ny sisa tavela kosa, dia ireo voaozona ho toy ny zanaky ny fahaverezana, dia horoahina mba hiaritra ny fahoriana tsisy fiafarany miaraka amin’ny devoly sy ny anjeliny. …

“Noho izany, misy fiafarany ny helo ho an’ireo mpandova ny famonjena sasany, izay ahitana ny olon-drehetra, afa-tsy ho an’ny zanaky ny fahaverezana (F. & F. 76:44), (Mormon Doctrine, boky navoaka faharoa [1966], 349, 350, 351; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky navoaka faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:85, 106. Ny fanavotana ireo ratsy fanahy

Ny Filoha Brigham Young dia nanazava ny zavatra nasetrin’ny olona sasany tamin’ny fotoan’androny an’ilay fahamarinana hoe: havotana ihany amin’ny farany ny ratsy fanahy fa tsy hijaly mandrakizay ao amin’ny helo:

Sary
Filoha Brigham Young

“Rehefa nanambara tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon Andriamanitra fa nisy toerana iray nomanina ho an’ny rehetra, arakaraka ny hazavana izay noraisiny sy ny fandavany ny ratsy ary ny fanaovany ny tsara, dia fitsapana lehibe ho an’ny maro izany. Ary nivadika ny sasany satria tsy nandefa ireo mpanompo sampy sy zazakely any amin’ny fanasaziana mandrakizay Andriamanitra, fa nanana toeram-pamonjena ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana mahamety izany, ka hitahy ny marin-toetra sy ny tsara toetra ary ny tia ny marina, na mpikambana ao amin’ny fiangonana iray izy na tsia. Fotopampianarana vaovao izany ho an’ity taranaka ity ka sahirana ny maro tamin’ny fanekena izany” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 292).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:92–95. “Ny voninahitry ny selestialy … manoatra ny zava-drehetra”

Ny Loholona Orson Pratt ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny maha-samy hafa ny hoe voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy sy ny fandovana ny fanjakam-boninahitra hafa:

Sary
Loholona Orson Pratt

“Somary misy maha-samy hafa azy ny hoe voavonjy ao amin’ny fanjakana sasany, izay misy voninahitra, misy fahasambarana, sy ny hoe voavonjy ao amin’ny fanjakana izay itoeran’ny Ray. …

“Ny Raintsika izay mitoetra any an-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia monina mandrakizay any amin’ny ambaratongam-boninahitra avo indrindra. Manana ny fahafenoan’ny voninahitra rehetra izy ireo. Manana ny fahafenoan’ny fahasambarana, ny fahafenoan’ny hery, ny fahafenoan’ny faharanitan-tsaina, ny hazavana sy ny fahamarinana izy ireo, ary manjaka amin’ny fanjakam-boninahitra ambany, amin’ny fahasambarana ambany sy amin’ny hery ambany hafa rehetra. … Ny filazantsara dia natao hanandratra ny zanak’olombelona amin’izany ambaratongam-boninahitra izany, izay itoeran’ny Raintsika sy ny Zanany” (Deseret News, Nov. 10, 1880, 642).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:99-101. “Fa ireny no ireo izay an’ i Paoly sy an’ i Apôlôsy ary an’ i Kefasy”

Ho fanamelohana ny tsy firaisan-kina dia nanoratra tamin’ireo Korintiana i Paoly:

“Fa efa voalaza … tamiko ny amin’ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.

“Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’i Paoly, na: Izaho an’i Apolosy, na: Izaho an’i Kefasy, na: Izaho an’i Kristy.

“Voazarazara va i Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ny hazofijaliana hamonjy anareo? sa ho amin’ny anaran’i Paoly no nanaovam-batisa anareo?” (1 Korintiana 1:11–13).

Teny sahala amin’izany no hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:99–101 izay entina hilazana ireo izay tsy mifanaraka amin’i Jesoa Kristy na ny mpaminaniny. Hilaza ny sasany fa manara-dia an’i Jesoa Kristy na ny mpaminany sasany, kanefa mitsipaka an-kitsirano ny Mpamonjy izy ireo ka mandà ny filazantsarany na mandà ny hanaraka ny mpaminaniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:113–116. Nahita misimisy kokoa i Joseph Smith tao anatin’io fahitana io mihoatra noho izay voasoratra

Raha ilay fahitana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 no asian-dresaka dia hoy ny Mpaminany Joseph Smith:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Afaka nazavaiko in-jato, eny mihoatra ny nataoko hatramin’izay ny voninahitry ny fanjakana izay naseho ahy tamin’ny fahitana, izay nahazoako lalana, ary izay nisian’ny olona vonona hihaino izany” (ao amin’ny History of the Church, 5:402).