Seminera
Lesona 121: Nifindra tany avaratr’i Missouri ny Fiangonana


Lesona 121

Nifindra tany avaratr’i Missouri ny Fiangonana

Fampidirana

Tamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nitarika ny Fiangonana tao anatin’ny vanim-potoan’ny fahasahirana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa. Vokatry ny fahasahiranana ara-toekarena, ny fimatimatesan-karena sy ny fifanomezan-tsiny ary ny fanenjehana dia nivadika ny 10 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio sy ny tao avaratr’i Missouri, ka anisan’izany ireo mpitarika lehibe tao amin’ny Fiangonana. Nanomboka nifindra monina ireo Olomasina mahatoky tany Ohio mba hanatevin-daharana ireo izay tany Missouri avaratra. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hianatra avy amin’ireo zava-niseho ara-tantara ary manome azy ireo hevi-baovao momba ireo fanambarana voaray nandritra io vanim-potoana io.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny apôstazia sy ny tanànan’i Far West

Nifindra tany Missouri avaratra ireo Olomasina mahatoky nandritra ny vanim-potoan’ny apôstazia sy ny fanenjehana

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Moa ve manampy ny finoantsika hatanjaka ireo zava-tsarotra sy fitsapana sa mahatonga ny finoantsika ho very? Azonao atao koa ny manao sarintanyeny amin’ny solaitrabe izay mampiseho ilay toerana misy an’i Kirtland, Ohio, sy ireo tanana hafa tao Missouri avaratra.

Sary
sarintany, Ohio ka hatrany Missouri

Atombohy izany amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hamaly ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nizara ny hevi-baovaony ireo mpianatra dia hazavao fa tamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nitarika an’ireo Olomasina maro hiatrika an’io fanontaniana io ny vanim-potoan’ny fitsapana iray. Hazavao fa ao anatin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hianatra momba an’ireo zava-tsarotra ireo sy ny fomba niatrehan’ireo Olomasina izany. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fitsapana mampatanjaka na mampihena ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Azonao atao ihany koa ny manazava amin’ireo mpianatra fa ity lesona ity dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny toerana ara-tantara nisehoan’ireo fanambarana izay hohalalininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113–123.

Tondroy ao amin’ilay sarintany i Missouri. Hazavao fa rehefa noroahina niala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina tamin’ny taona 1833 dia nandray ny ankamaroan’izy ireo ny mponina tao amin’ny Fivondronan’i Clay, mpifanolobodirindrina amin’izy ireo, izay nanampy azy ireo tamin’ny fahasahiranany, ary nanantena fa hijanona vetivety ihany ireo Olomasina. Rehefa nipetraka efa ho telo taona tao anefa ny Olomasina dia manomboka nanery azy ireo hiala tao amin’ilay fivondronana ireo mponina ireo.

Tondroy ao amin’ilay sarintany i Kirtland, Ohio. Hazavao fa tamin’ny taona 1837, herintaona taorian’ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia niatrika fitsapana izay nisedra ny finoany ireo Olomasina. Nivadika ny Olomasina maro ka nandao ny Fiangonana, anisan’izany ireo mpitarika lehibe tao amin’ny Fiangonana.

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Omeo ny iray amin’ ireto famintinana ara-tantara ireto ny vondrona tsirairay. (Raha betsaka ny mpianatrao dia azonao atao ny mizara an’ireo mpianatra ho vondrona efatra na enina ka manome ny tahadikan’ny iray amin’ireo famintinana ho an’ny vondrona tsirairay avy. Hahafahan’ireo mpianatra handray anjara amin’ilay fifanakalozan-kevitra izany.) Asao ny vondrona tsirairay hiara-hamaky an’ilay famintinana ka hiresaka an’ireo fanontaniana any amin’ny faran’ilay famintinana. Tendreo ny olona iray ao amin’ny vondrona tsirairay hitarika an’ilay fifanakalozan-kevitra ka hanampy an’ilay vondrona hanoratra fitsipika iray izay hozaraina amin’ny iray kilasy rehefa avy eo.

Famintinana ara-tantara 1—Apôstazia tao Kirtland

Tamin’ny taona 1837 dia nisedra olana ara-bola sasantsasany ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Mba hanampiana ireo Olomasina hahaleo tena bebe kokoa ara-bola dia nanangana orinasa iray mitovitovy amin’ny banky i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izay nantsoina hoe Kirtland Safety Society. Noho ny olana ara-toekarena niely patrana nandritra izany fotoana izany dia maro ireo banky no maty antoka nanerana ny firenena. Maty antoka ihany koa ny Kirtland Safety Society tamin’ny fararanon’ny taona 1837. Mpametra-bola miisa roanjato tao amin’ilay banky no efa saika namoy ny volany rehetra, ary i Joseph Smith no very vola betsaka indridra raha nitaha tamin’ny hafa. Na dia tsy tamin’ny volan’ny Fiangonana aza no namatsiana ny Kirtland Safety Society dia maro ireo Olomasina no nandray izany ho bankin’ny Fiangonana na ny bankin’ny Mpaminany ka nanome tsiny an’i Joseph Smith noho ny olany ara-bola. Nanomboka niantso azy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Na dia teo aza ny naha-bankirompitra an’ilay banky dia maro ireo olon-kafa izay nanary vola no nanohy to anatin’ny finoana ka nijanona ho mahatoky tamin’ny Mpaminany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 171–73.)

Nihanaka teo anivon’ireo Olomasina ny fanahin’ny apôstazia sy ny fifanomezan-tsiny. I Brigham Young dia nanoritsoritra fotoana iray izay nivorian’ireo sasantsasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ireo Olomasina mba handavana an’i Joseph Smith sy hanendrena mpaminany vaovao:

Sary
Filoha Brigham Young

“Maro tamin’ireo Roambinifololahy, ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna, ary ireo manampahefana hafa sasany tao amin’ny Fiangonana no nanao filankevitra tao amin’ny rihana tao amin’ny tempoly. Ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra dia mikasika ny fomba hanonganana ny Mpaminany Joseph sy ny fomba hanendrena an’i David Whitmer ho Filohan’ny Fiangonana. … Nitsangana aho ary nilaza tamin’izy ireo tamin-kery fa Mpaminany i Joseph, ary fantatro izany, ary izy ireo dia afaka ny mianiana sy mivazavaza araka izay mahafinaritra azy ireo; tsy afaka ny hamotika ny fanendren’ Andriamanitra izy ireo, ny hany azon’izy ireo atao dia ny mamotika ny fahefan’izy ireo manokana sy manapaka ny tady izay nampifamatotra azy ireo tamin’ny Mpaminany sy tamin’ Andriamanitra, ary mitsoraka any amin’ny helo” (Manuscript History of Brigham Young 1801–1844, ed. Elden Jay Watson [1968], 15–16).

Tamin’ny volana jona 1838 dia olona nihemotra tokotokony ho 200 na 300 teo no niala ny Fiangonana, ka anisan’izany ny Apôstôly efatra, ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna, ary mpikambana iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny Church History in the Fulness of Times, 177). Na izany aza dia naneho fihetsika mitovy be amin’izay nasehon’i Brigham Young teo anoloan’ity fotoana fisedrana ny finoana ity ny ankamaroan’ireo Olomasina. Nampatanjahin’ny Tompo izy ireo ka nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Maro tamin’ireo izay nandao ny Fiangonana nandritra io fotoan’ny fihemorana io no niverina taty aoriana ary nangataka ny hiara-hiangona indray tamin’ny Fiangonan’ny Tompo. Anisan’izy ireo i Oliver Cowdery, i Martin Harris, i Luke Johnson, ary i Frederick G. Williams.

Nandritra ireo fotoan-tsarotra tao Kirtland ireo dia nikatsaka ny hamono an’i Joseph Smith ny olona vitsivitsy izay nihemotra. Niala nandritra ny alin’ny 12 Janoary 1838 izy sy i Sidney Rigdon rehefa nampitandreman’ny Fanahy. Nanaraka azy ireo nandritra ny andro maromaro ireo fahavalony saingy niaro azy ireo ny Tompo. Tonga niaraka tamin’ny fianakaviany tao Far West, Missouri izy ireo tamin’ny 14 martsa 1838.

Ifanakalozy hevitra miaraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo zava-miseho ara-tantara ireo?

  • Inona no mety ho nataonao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny Mpaminany nandritra an’io fotoan’ny fifanomezan-tsiny ny hafa io?

  • Oviana no nanamafy orina ny finoanao ny Mpamonjy ny faharetana am-pinoana ny fitsapana ?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny fanarahana ny mpaminany ho fiarovana ara-panahy ho anao?

Famintinana ara-tantara 2—Ny fitarihana tao Missouri avaratra

Tamin’ny fotoam-pahavaratry ny taona 1836, rehefa noteren’ireo mponina tao amin’ny Fivondronan’i Clay, Missouri ireo Olomasina mba hitady toerana maharitra kokoa dia nampiasa ny volan’ny Fiangonana i John Whitmer sy i William W. Phelps mba hividianana tany tao amin’ny toerana iray izay fantatra amin’ny anarana hoe Far West tao avaratr’i Missouri. Kanefa, rehefa nanome ireo ampahan-tany ho an’ireo Olomasina mpiavy izy ireo dia namidiny niaraka tamin’ny tombom-barotra kely izany, izay notazoniny ho azy ireo. Noho ny hatezerana sy ny fanafintohinana hafa dia nesorin’ny mpanolotsaina avo tao Missouri teo amin’ny anjara fanompoana ny fiadidian’ny tsatòka.

Nanohana ny asa nataon’ilay filankevitra i Joseph Smith ka tafintohina i William W. Phelps. Tamin’ny Nôvambra 1838 dia nanao sonia fanambarana ombam-pianianana nanohitra ny Mpaminany ny Rahalahy Phelps. Io fanambarana ombam-pianianana io no anisan’ny nahatonga an’i Joseph Smith sy ireo hafa ho voasambotra sy nidina tao amin’ny Fonjan’i Liberty nandritra ny ririnina. Nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana fotoana fohy taorian’izay ny Rahalahy Phelps.

Nijaly fatratra tokoa i Joseph Smith sy ireo niaraka taminy tany am-ponja, tsy noho ny fomba fampidirana am-ponja mahery setra azy ireo ihany fa noho ny tatitra momba ireo Olomasina izay noroahina hiala ny tranony sy nohararaotina tamin’ny fomba maro isan-karazany. Ireo mpihetraketraka tao Missouri, izay tsy voafehin’ny governora, dia nanimba ny fananana sy ny fiainana ka tao anatin’izany ny famonoana olona miisa 17 tao amin’ny trano fitotoana koba an’ny lehilahy iray nantsoina hoe Jacob Haun.

Nijaly ara-panahy i William W. Phelps noho ny asa nataony, dia nanoratra taratasy tany amin’i Joseph Smith ka nangataka famelan-keloka herintaona taorian’izay. Nanoratra ny Mpaminany ho setrin’izany:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Marina tokoa fa tena nijaly izahay vokatry ny fihetsika nasehonao. …

“Na izany aza anefa dia efa nosotroina ilay kapoaka, natao ny sitrapon’ny Raintsika, ary mbola velon’aina ihany izahay, ka isaoranay ny Tompo noho izany. …

“Noho ny finoako fa tena marina ny fibabohanao, ary tena amin-kitsimpo ny fibebahanao dia tena mahafaly ahy tokoa ny mihavana aminao indray ary faly aho amin’ny fiverenan’ilay zanaka adala. …

“‘Avia ry rahalahy malala, satria efa tapitra ny ady,

“‘Fa lasa mpinamana ihany indray ireo mpinamana taloha’” (ao amin’ny History of the Church, 4:163, 164).

Ifanakalozy hevitra miaraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no manahirana ny mamela heloka ny namana iray izay namadika anao sy nampijaly anao?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy tamin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith?

  • Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’io traikefa io?

Rehefa nanam-potoana namakiana sy niresahana an’ireo famintinana ara-tantara ireo vondrona dia asao izy ireo hamerina hilaza amin’ny mpianatra ilay tantara izay nianarany sy ireo fitsipika izay hitany. Rehefa mampianatra izy ireo dia asao izy ireo hanoratra ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Mety ahitana ireto manaraka ireto izany fitsipika izany: Rehefa misafidy ny hiatrika amim-pinoana fa tsy am-pisalasalana ireo fitsapana isika dia afaka ny hankaherezina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Rehefa manohana ny mpaminany sy manaraka ny toroheviny isika dia hahazo fiarovana ara-panahy izay mampifandray antsika amin’ Andriamanitra (jereo ny famintinana ara-tantara 1). Rehefa mamela heloka ny hafa isika dia afaka manasitrana ny fifandraisantsika ny Tompo (jereo ny famintinana ara-tantara 2).

Rehefa fantatr’ireo mpianatra ireo fitsipika dia mametraha fanontaniana izay fanohizana andraikitra mba entina hanampiana azy ireo hahatakatra sy hahatsapa ny lanjan’ireo fahamarinana ireo. Mety ahitana ireto manaraka ireto izany fanontaniana izany:

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny fahatsiarovana an’io fitsipika io?

  • Ahoana no hanazavanao io fahamarinana io amin’ny namana iray?

  • Oviana ianao no niaina na nahita ohatra momba an’io fitsipika io?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana izay nianarany ireo dia asaivo misafidy fitsipika iray na roa izay hitan’ireo vondrona izy ireo. Asao izy ireo avy eo hanoratra ny valin’ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona no zavatra hovako noho ilay fitsipika na ireo fitsipika izay nianarako androany?

Ireo zava-nitranga izay nitarika ny fandroahana an’ireo Olomasina hiala tao avaratr’i Missouri

Asaivo manangana ny tanany ireo mpianatra raha efa nahita mpikamban’ny Fiangonana iray izay nanao safidy ka nahatonga ny olona hafa iray nanana fahatsapana ratsy momba ny Fiangonana. (Aza asaina mizara ilay zavatra niainany izy ireo.) Azonao atao koa ny mangataka an’ireo mpianatra hieritreritra ny fiantraikan’ireo asa nataony teo amin’ny fahatsapan’ny hafa momba ny Fiangonana.

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mieritreritra momba ny fiantraikan’ny asa ataontsika na teny ambarantsika eo amin’ny Fiangonana?

Hazavao fa tamin’ny taona 1838 ireo asa natao sy teny nambaran’ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana dia vao mainka nanampy trotraka ireo fahatsapana ratsy izay nananan’ireo mponina tao Missouri momba an’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Omeo tahadikan’ ity famintinana ara-tantara ity ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ireo zavatra izay nolazaina na nataon’ireo Olomasina sasantsasany izay nanimba ny Fiangonana sy ny mpikambana tao aminy. Eritrereto ny hanasana ireo mpianatra hiato kely aorian’ny andininy tsirairay. Mandritra ny fiatoana tsirairay dia apetraho amin’ireo mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no zavatra nolazaina na nataon’ny Olomasina vitsivitsy izay niteraka fiantraikany ratsy teo amin’ny Fiangonana?

Tamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nanomboka nitory ny Fiangonana sy ireo mpitarika tao aminy ireo mpikambana sasantsasany izay tsy faly sy nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana izay niaina teo anivon’ireo Olomasina tao Far West ka nanenjika ny Fiangonana. Nanomboka tsy nanam-paharetana tamin’ireo mpiendaka ireo ny Olomasina sasany. Tamin’ny volana Jona 1838, dia nanao lahateny nampientanentana tokoa izay lasa fantatra amin’ny hoe “Toriteny momba ny Fanasina” i Sydney Rigdon. Naka hevitra avy tamin’ny Matio 5:13 izy ary nilaza fa raha ny fanasina no tonga matsatso, dia tsy ho tsara na amin’ny inona na amin’ny inona izany ka tokony hariana, izay nidika fa tokony ho roahina hiala teo anivon’ny Olomasina ireo izay niala ny Fiangonana. Ankoatra izay dia nanasonia antontan-taratasy iray ny mpikambana miisa 84 tao amin’ny Fiangonana, izay mandidy ireo olona nihemotra hiala ilay faritany. Tapa-bolana taty aoriana, tamin’ny 4 jolay, dia nanao lahateny i Sidney Rigdon izay nampanantenany fa hiaro tena ny Olomasina na dia hiafara amin’ny “ady fandringanana” aza izany. Na dia nifanohitra tamin’ny fampianaran’ny Tompo amin’ny hoe “mamitràna fihavanana” (F&F 105:38) aza ireo lahateny roa ireo, dia navoaka avokoa ireo lahateny ireo ka niteraka fahatairana be teo amin’ireo tsy Olomasin’ny Andro Farany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 191–92.)

Tamin’ny 6 aogôsitra 1838, raha nanandrana nifidy tao Gallatin, Missouri ny vondrona Olomasina iray dia natosiky ny vondrona mponina tao Missouri izy ireo ka namely ny iray tamin’ireo Olomasina ny mponina iray. Namaly ireo Olomasina ka maro ireo lehilahy izay naratra tamin’ny andaniny sy ny ankilany. Io tranga io dia nitarika ho amin’ny ady fanampiny sy fandrahonana ary nampitombo ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mponina manodidina azy ireo tao Missouri.

Nandritra io fotoana io dia nisy olona vao niova fo nantsoina hoe Sampson Avard izay nanao fianianana miafina tamin’ireo izay hanaraka azy mba hamorona andian-jiolahy natao hoe Danita. Nanome torolalana azy ireo i Avard mba hangalatra ny fananan’ireo mponina avy ao Missouri, ary nilaza izy fa hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Nandresy lahatra ireo mpanaradia azy i Avard fa avy any amin’ny Fiadidiana Voalohany ireo torolalana nomeny. Nisy nahafantatra ny tena marina taty aoriana, ka dia nalàna tsy ho mpikambana i Avard. Niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ny fijerin’ny olona ny Fiangonana ny zavatra nataon’i Avard ary nitarika ny fampidirana am-ponja ny Mpaminany tao amin’ny Fonjan’i Liberty.

Ny volana ôktôbra 1838 dia nitarika fahafatesan’ny olona vitsivitsy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny ady teo amin’ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana sy ireo milisin’i Missouri. Tonga tany am-pototsofin’ny Governora Lilburn W. Boggs, governoran’i Missouri, ireo tatitra manao laza masaka momba ilay ady ary namoaka ilay didy izay fantatra amin’ny hoe didy fandripahana izy avy eo: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo ny Môrmôna ary tsy maintsy aringana na roahina hiala ny faritany, raha ilaina mba hitsinjovana izay mahasoa ny vahoaka” (voalaza ao amin’ny History of the Church, 3:175). Tsy ela dia voadidinin’ireo milisy izay maro an’isa lavitra, efa ho dimy avo heny noho ny herin’ny Olomasina ny tanànan’i Far West. Nampidirina am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, izay nijanona tany nandritra ny ririnina iray manontolo. Ireo Olomasina sisa ambiny kosa dia noterena handao an’ilay faritany.

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe ho antsika ny miaiky fa vokatry ny zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana no nahatonga an’ireo fanenjehana sasantsasany izay nanjo an’ireo Olomasina?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga ireo mikasika ny fomba fiantraikan’ny zavatra ataontsika sy ny teny ambarantsika amin’ny hafa? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia amafiso ity fitsipika manaraka ity: Mety misy fiantraikany amin’ny fomba fijeren’ny hafa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny zavatra ataontsika sy ny teny ambarantsika. Azonao atao ny mangataka an’ireo mpianatra hamaky ny Almà 39:11.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany rehefa nahita ny teny na ny zavatra nataon’ny olona iray hafa nisy fiantraikany tamin’ny fomba fijery tsaran’ny olona iray hafa momba ny Fiangonana izy ireo.

Farano izany amin’ny alalan’ny fijerena indray izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe talohan’ny fotoam-pianarana. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany androany mikasika ny hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fiatrehantsika ireo fanamby sy fitsapana hampatanjaka na hampihena ny finoantsika. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny herin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny filazantsara mandritra ny fotoan-tsarotra.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Famariparitana ny vanim-potoan’ny apôstazia tao Kirtland

Nandritra ny taona 1837 dia nampahory ny mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio ny fanahy ratsy iray:

“Tamin’io fotoana io dia niorim-paka lalina tao amin’ny Fiangonana ny fanahin’ny fanaovana tomba-maso eo amin’ny famarotana ny tany sy ny fananana maro isan-karazany, izay tena nihanaka nanerana ny firenena iray manontolo. Ary ny vokatr’io fanahy io dia nifanesisesy ny tombatombana ratsy, ny fifanomezan-tsiny, ny tsy firaisan-kina, ny fifandirana ary ny apôstazia, ary toa tahaka nanambatra ny heriny fitaomany ireo herin’ny tany sy ny helo rehetra mba hanonganana ny Fiangonana ao anatin’ny indray mandeha sy hampitsahatra tanteraka ny Fiangonana” (History of the Church, 2:487).

I Eliza R. Snow, izay nonina tao Kirtland tamin’io fotoana io sy nanompo holasa filoha faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana taty aoriana dia nitantara io vanim-potoana tao Kirtland io:

Sary
Eliza R. Snow

“Maro ireo nanetry tena sy nahatoky tamin’ny fanatanterahana ny adidy rehetra—vonona ny handeha sy ho tonga amin’ny antso tsirairay avy amin’ny Fisoronana no lasa nieboebo sy nanandran-tena tao amin’ny avonavon’ny fony. Rehefa nigoka ny fitiavana sy ny fanahin’izao tontolo izao ireo Olomasina dia niala tao am-pony ny Fanahin’ny Tompo ka feno avonavona sy fankahalana ireo izay nitazona ny fahitsim-pony izy ireo” (Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884], 20).

Nanoritsoritra ny zava-niseho tao anatin’ny Fiangonana nandritra ny taona 1837 i Brigham Young sy ny ezaka nataony hiarovana ny Mpaminany Joseph Smith:

Sary
Filoha Brigham Young

“Tamin’io fotoana io dia nanjaka mafy ny fanahin’ny tomba-maso amin’ny famarotana, ny tsy fitiavana ary ny apôstazia izay neken’ny ankamaroan’ny Roambinifololahy, ka nanenika an’ireo Kôlejin’ny Fiangonana rehetra hany ka sarotra ho an’ny rehetra ny mahita mazava tsara ny lalana aleha.

“… Olana izay nitambaran’ny tany sy ny helo izy io mba hanonganana ny Mpaminany sy ny Fiangonan’ Andriamanitra. Nihozongozona ny finoan’ireo lehilahy matanjaka indrindra tao amin’ny Fiangonana.

“Nandritra io fahirano nataon’ny haizina io dia nijoro teo anilan’i Joseph aho, ka nampiasa ny tanjako iray manontolo, niaraka tamin’ny fahendrena sy ny hery izay nomen’ Andriamanitra ahy, mba hanohanana ny mpanompon’ Andriamanitra sy hiraisana hina amin’ireo kôlejin’ny fiangonana” (Manuscript History of Brigham Young 1801–1844, ed. Elden Jay Watson [1968], 15, 16–17).

Ireo antony nahatonga ireo olana ara-bola tao Kirtland

Tamin’ny 1837 dia nahazo laka tao am-pon’ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana sy ireo mpitarika lehibe sasantsasany tao amin’ny Fiangonana tao Kirtland ny fanangonan-karena. Zara fa nisy ny vola vita volamena sy volafotsy. Nampiasa taratasim-bola avy amin’ny banky maromaro teo an-toerana ny olona. Mba hanampiana ireo Olomasina hizaka tena misimisy kokoa eo amin’ny fitantanam-bolany dia nanorina orinasa iray mitovy amin’ny banky i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ka niantso izany hoe Kirtland Safety Society. Maro ireo Olomasina no nanao petrabola tao amin’ilay banky vaovao. Tao anatin’ny volana vitsivitsy nisokafan’ilay orinasa dia nanomboka tany New York City ny krizy ara-bola iray, izay nantsoina taty aoriana hoe ahiahin’ny taona 1837, ka nizotra niakandrefana, ary niafara tamin’ny faha-bankirompitry ny banky an-jatony maro, anisan’izany ny Kirtland Safety Society.

Nisy antony hafa ihany koa nahatonga ny korontana tao amin’ny Kirtland Safety Society. Maro ireo banky hafa izay nandà ny volan’i Safety Society ho vola ara-dalana, ka nanambara ireo gazety mpanenjika Môrmôna fa tsy misy lanjany ilay vola. Ankoatra izay, ny tany no nandrafitra ny ankabeazan’ny renivolan’ilay orinasa. Tsy nanana vola, toy ny volamena sy volafotsy, izy io mba hatakalo ho sandan’ny ravim-bola taratasiny raha misy ny tinady lehibe. Nahazo ravim-bola taratasy betsaka ireo fahavalon’ny Fiangonana hany ka afaka nangataka vola tamin’ilay banky mihoatra noho izay nananany izy ireo, ka nahatonga ilay orinasa voatery nampiantona ny fandoavany ny mpanjifany tamin’ny volamena sy volafotsy herinandro vitsy monja taorian’ny namoahana ireo ravim-bola taratasy voalohany. Ny vokany dia nohampangaina ho nandika ny lalàn’ny banky tao Ohio i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ka nentina teo amin’ny fitsarana. Tratry ny nandoa lamandy 1.000 dôlara tsirairay i Joseph sy i Sidney.

Nanao izay azony natao i Joseph Smith mba handresena lahatra an’ireo mpampiasa vola mba hampiasa vola bebe kokoa hanohanana ilay banky, kanefa, nomeny ny olon-kafa ny fitantanana nony farany. Tsy namaha ilay olana anefa izany. Vao mainka nampihozongozona an’ilay banky ireo mpitantana tsy ampy traikefa sy tsy marin-toetra. Nangalatra vola maherin’ny 20.000 dôlara i Warren Parrish, ilay mpitahiry ny volan’ilay banky sy mpitantsoratra manokan’i Joseph.

Nanampy trotraka ny olana ara-toekaren’ny Fiangonana ihany koa ny fitomboan’ny fanahin’ny tomba-maso amin’ny varotra tao Kirtland. Nandeha nitrosa ny olona maro, niaraka tamin’ny vola izay noheverina ho nisy, izay nindraminy avy tamin’ilay banky, mba hividianana tany izay averina hamidy hahazoana tombom-barotra lehibe.

Tamin’ny fotoam-pararanon’ny 1837 dia voatery nanakatona ny varavarany ilay Safety Society tao Kirtland. An-jatony ireo olona izay nanary ny zava-drehetra izay nampiasainy, ka i Joseph Smith no anisan’ny nanana ny very be indrindra. Satria noheverin’ny maro ho bankin’ny Fiangonana na bankin’ny Mpaminany ilay Safety Society dia nanome tsiny an’i Joseph Smith ireo Olomasina sasantsasany noho ny olana ara-bolany ka nanomboka niantso azy hoe mpaminany lany hery. Ny hafa izay nanary vola ihany koa anefa dia nanohy tao anatin’ny finoana ary nijanona ho nahatoky tamin’ny Mpaminany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 171–73.)