Seminera
Lesona 126: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–:1–10; 122


Lesona 126

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10; 122

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 dia ahitana ireo fantina epistily na taratasy avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny Fiangonana, tamin’ny datin’ny 20 martsa 1839. Notononin’i Joseph Smith mba hosoratana ilay taratasy raha mbola voafonja tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy sy ireo namany vitsivitsy. Ao anatin’ilay taratasy dia natsofoky ny Mpaminany tao ny sasantsasany amin’ny vavaka nataony, nangatahana ny Tompo hitahy azy sy ireo namany ary ireo Olomasina rehetra izay nijaly noho ny asan’ny fahavalony. Nampidirina tao ihany koa ireo valinteny izay voarainy tamin’ireny vavaka ireny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6

Mivavaka ho an’ireo Olomasina nijaly i Joseph Smith

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe mandalo fahasahiranana lehibe ny namana iray na ny havan-tiana iray. Mamboraka aminao izy fa tsy takany ny antony mahatonga azy misedra fijaliana toy izao ary mahatsapa izy fa toa tahaka ny nahafoy azy Andriamanitra.

  • Inona no ho lazainao ilay namanao? Inona no ho ataonao raha sendra ianao no tojo an’ireo fijaliana ireo?

Hazavao fa nanoro hevitra sy nankahery an’i Joseph Smith ny Tompo nandritra ny toe-javatra izay tena sarotra tokoa. Entano ireo mpianatra hitady ireo fomba ahafahan’ireo torohevitra sy teny fankaherezan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 manampy azy ireo mandritra ny fitsapana lalovany.

Hazavao fa tamin’ny 31 ôktôbra 1838 dia namadika an’i Joseph Smith i George Hinkle izay mpikamban’ny Fiangonana sady kôlônely tao amin’ny milisin’ny fanjakan’i Missouri. Nilaza tamin’i Joseph Smith i Hinkle fa te hihaona aminy ireo mpikambana tao amin’ny milisin’i Missouri, izay nanafika an’ireo Olomasina tao Far West, Missouri mba hidinika amim-pahatoniana momba ny famitram-pihavanana. Rehefa tonga hanao ilay dinidinika i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nalain’ireo milisy an-keriny izy ireo ka nataon’izy ireo toy ny babo an’ady. Nandritra ny volana manaraka an’io dia nampijalina sy nompaina i Joseph Smith sy ireo namany satria nogadrain’ireo fahavalony ireo tao Independence, Missouri sy Richmond, Missouri izy ireo. Raha mbola teo am-piandrasana ny fitsarana azy ireo, izay nifototra tamin’ny fiampangana diso sy natao tsy nanaraka ny lalàna velona, i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nafindra tany amin’ny fonja tao Liberty, Missouri izy ireo, tamin’ny 1 desambra.

Nandritra ny efa-bolana nanaraka an’izay dia notanana tao amin’ny lakalin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany sy i Hyrum rahalahiny, Alexander McRae, Lyman Wight ary i Caleb Baldwin nandritra ny ririnina mamirifiry. Niaraka tamin’izy ireo ihany koa i Sidney Rigdon nandritra ny fotoana iray saingy nanome lalana ny fivoahany ny mpitsara iray tamin’ny faramparan’ny janoary 1839. Noho ny fatahorana an’ireo fandrahonana avy amin’ny fahavalo dia tsy niala ny fonja ny Rahalahy Rigdon raha tsy tamin’ny voalohandohan’ny volana febroary.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ireo toe-javatra mahonena nosedrain’ny Mpaminany sy ireo namany tao amin’ny Fonjan’i Liberty dia azonao atao ny mampiasa “ruban adhésif” na fitaovana hafa sasany mba hanaovana sarina efajoro iray eo amin’ny tany izay mirefy 4,3 metatra amin’ny 4,3 metatra.) Hazavao fa ireo no tombatomban’ny refin’ny gorodon’ilay fonja. Teo anelanelan’ny 1,8 metatra sy 2 metatra ny haavon’ilay valindrihana.

Azonao atao ihany koa ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hijery ny sarin’ny Fonjan’i Liberty ao amin’ny soratra masiny (jereo ny Sarin’ireo toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana, Sary 12, “Fonjan’i Liberty”). Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina ny hoe manao ahoana izany voagadra ao amin’ny toerana kely izay misy lehilahy 4 na 5 hafa izany mandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina maharitra efa-bolana. Zara raha nisy fahazavana kely dia kely avy teo amin’ireo varavarankely roa nisy anjaby, ary naneso sy nanompo ireo gadra ny olona avy any ivelan’ireo varavarankely ireo. Natory tamin’ny mololo maloto teo amin’ny tany ireo gadra. Ny fanaka kelin’izy ireo dia siny natao ho fanaovan’ny olona maloto. Nandritra ny fotoana maromaro i Joseph dia tsy nanana bodofotsy, izay hany fiarovana nananan’ireo gadra tamin’ny hatsiaka. Indraindray ny sakafo dia nasiana poizina, ary tamin’ny fotoana hafa dia tena nankandoa izany ka dia tsy nahahinana izany izy ireo raha tsy noho ny hanoanana mafy. Mahalana izy ireo vao navela hisy mpamangy ka feno fahoriana lalina tamin’ny fandrenesana ny fijalian’ireo Olomasina izay noroahina niala an’i Missouri tao anatin’ny fotoan-dririnina.

  • Inona no mety zavatra tsapanao sy eritreritrao raha teo amin’ny toeran’i Joseph ianao?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 dia ahitana fantina taratasy avy amin’ny Mpaminany ho an’ireo Olomasina, nosoratana tamin’ny fiafaran’ny fanagadrana azy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Nahitana ny sasantsasany tamin’ny vavaka fitalahoan’i Joseph tamin’ny Tompo ilay taratasy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6. Asao ny iray kilasy hitady ireo fanontaniana sy fitalahoana nataon’ny Mpaminany tamin’ny Tompo. (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny andininy 1 sy ny 4 dia azonao atao ny manazava fa ny hoe lay dia trano na rafitra hafa izay mandrakotra.)

  • Inona avy ireo fanontaniana sy fitalahoana izay hitanao? Inona koa no nanaitra anao tamin’ireo andininy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10; 122

Mankahery an’i Joseph Smith ny Tompo

Hazavao fa ny sasantsasany tamin’ireo valintenin’ny Tompo tamin’ireo vavaka nataon’i Joseph Smith dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–25 sy ny 122:1–9. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ireo fitsipika izay mety nanampy an’i Joseph Smith sy ireo namany nandritra ny fotoana nijanonany tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Asao ireo mpianatra mba hanoratra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianarany avy amin’ireo andininy ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny fotopampianarana sy fitsipika izay hitany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety hahita an’ireto fitsipika telo manaraka ireto izy ireo:

Rehefa miantso ny Tompo isika mandritra ny fotoan’ny fahasarotana sy fahoriana dia afaka mahazo ny fiadanany.

Raha miaritra tsara eto an-tany isika dia hitahy antsika amin’ity fiainana ity sy amin’ny mandrakizay Andriamanitra.

Mandritra ny fotoan’ny fitsapana dia afaka mahazo fankaherezana avy amin’ireo namana mahatoky isika.

Ampiaraho ho tsiroaroa ireo mpianatra, ka asao izy ireo hifanakalo hevitra momba an’ireto fanontaniana manaraka ireto. Apetraho tsirairay ireo fanontaniana ireo sady omeo fotoana sahaza hisian’ny fifanakalozan-kevitra.

  • Inona no maha-samy hafa ny hoe maharitra amin’ny fitsapana iray sy maharitra tsara amin’ny fitsapana iray?

  • Iza no fantatrao fa ohatra tsara maneho ny faharetana tsara amin’ny fitsapana?

Entano ny mpianatra vitsivitsy mba hizara amin’ny iray kilasy manontolo ny zavatra izay noresahany niaraka tamin’ny ekipa nisy azy ireo.

  • Nilaza ny Tompo fa ny fahoriana sy ny fijalian’i Joseph Smith dia tsy haharitra “afa-tsy fotoana fohy” (F&F 121:7). Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io fomba fijery io manampy antsika haharitra tsara amin’ny fitsapana manjo antsika?

Omeo fahafahana ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay niainany tamin’ny fotoana nandraisany ny fiadanan’ny Mpamonjy nandritra ny fotoan-tsarotra.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Iza no hikatsaka torohevitra sy fitahiana avy amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ireo mpianatra hitady ny valin’io fanontaniana io eo am-pamakiany amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–4. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hisaintsaina raha manoritsoritra azy ireo ny andininy 2–3 na tsia.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanohizantsika ny fandraisana torohevitra avy amin’i Joseph Smith? Amin’ny fomba ahoana no handraisantsika fahefana sy fitahiana noho ny aminy?

  • Inona ireo fampanantenana izay nataon’ny Tompo tamin’i Joseph Smith?

Manasà mpianatra telo mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fitsipika iray izay nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith momba ny fahasarotana izay natrehany sy natrehan’ireo hafa.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 7, dia inona no vokatra tsara azo avy amin’ny fahoriana sy ny fijaliana? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra io fanontaniana io dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny fahoriana dia afaka manome traikefa sy hahasoa antsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino ny fomba ahafahan’ny fahoriana hahasoa antsika.

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Mety hahatsapa manirery ianao rehefa miditra eo amin’ny fiainanao ny fahoriana. Manivingivina ny lohanao ianao ary manontany tena hoe: ‘Fa nahoana no mitranga amiko izao?’

“Kanefa ny fahoriana dia tonga amintsika tsirairay avy. Na rahoviana na rahoviana dia tsy maintsy handalo fahoriana ny olona rehetra. Tsy misy afaka miala amin’izany. …

“Ny fianarana miaritra ny fotoan’ny fahadisoam-panantenana, fijaliana, ary fahoriana dia anisan’ny zavatra miseho ianarantsika avy amin’ny fiainana. Ireny traikefa ireny, na dia matetika aza sarotra zakaina amin’izay fotoana izay, no ireo karazana traikefa izay mampivelatra ny fahatakarantsika, mamolavola ny toetrantsika, ary mampitombo ny indrafontsika amin’ny hafa”(Avelao ho avy izay ho avy dia tiavo izany,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 27).

  • Inona no zavatra nolazain’ny Loholona Wirthlin fa mety ho entin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika amintsika?

Asaivo soratan’ny mpianatra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny hoe ahoana no fomba nanomezan’ny fitsapana traikefa ho azy ireo sy nitondrany soa ho azy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny zavatra nosoratany.

Asao ny mpianatra iray mba handroso eny amin’ny solaitrabe ary ho mpanoratra ho an’ny kilasy. Asaivo manao tsipika mitsivalana iray tokony eo ho eo amin’ny iray ampahatelony miala avy eo ambanin’ny solaitrabe izy. Avy eo dia asaivo manao lisitr’ireo toe-javatra feno fanamby izay atrehan’ny olona ireo mpianatra. Asaivo manoratra ny valintenin’izy ireo eo ambonin’ilay tsipika ilay mpanoratra.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hanaovana an’ilay lisitra izy ireo dia anontanio raha efa nandre olona iray nilaza hoe: “Tsy misy olona mahatakatra ny zavatra iainako.” Asao izy ireo hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8 sady hitady ny zavatra izay mety holazain’ny Tompo ho setrin’io fanamarihana io. Rehefa manao tatitra ny valinteniny izy ireo dia asaivo manoratra ny hoe Jesoa Kristy eo ambanin’ilay tsipika eo amin’ny solaitrabe ilay mpanoratra.

  • Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe “nidina tambanin’izany rehetra izany” ny Mpamonjy? (Alohan’ny hamalian’ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny 2 Nefia 9:20–21, Almà 7:11, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:5–6. (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Niaritra ireo fanaintainana sy fahorian’ny olon-drehetra ny Mpamonjy.)

  • Manao ahoana hoy ianao no mety ho fiantraikan’io fahamarinana io teo amin’i Joseph Smith sy ireo namany tao amin’ny Fonjan’i Liberty?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fotopampianarana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Wirthlin ity:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Satria nijaly izaitsizy i Jesoa Kristy dia mahatakatra ny fijaliantsika Izy. Mahatakatra ny alahelontsika Izy. Misedra zava-tsarotra isika mba hahafahantsika manana fangorahana sy fahatakarana bebe kokoa ho an’ny hafa.

“Tsarovy ireo teny mamin’ny Mpamonjy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fony izy nijaly niaraka tamin’ireo namany tao anatin’ny haizim-piton’ny Fonjan’i Liberty. …

“ … Nahazo fankaherezana avy amin’ireo teny ireo i Joseph, dia afaka manao toraka izany koa isika” (“Avelao ho avy izay ho avy dia tiavo izany,” 27).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ny traikefanao momba ny “zava-tsarotra” ny fangorahanao sy fahatakaranao ny hafa?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9 sady hieritreritra ny fomba ifandraisan’io andininy io amin’ny fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fanompoany.

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nanoratana ity taratasy ity dia nanokatra làlana ho an’i Joseph sy ireo namany ny Tompo mba hihaonany indray amin’ireo Olomasina tao Illinois. Mijoroa ho vavolombelona fa niaraka tamin’i Joseph Smith mpanompony lalandava Andriamanitra nandritra ny androm-piainan’i Joseph. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa raha mijanona ho mahatoky isika mandritra ny fitsapana dia hiaraka amintsika ihany koa Andriamanitra. Eo am-pamaranana dia zarao ity fijoroana ho vavolombelona manaraka ity izay nataon’i Joseph Smith fony izy nadiva ho faty: “Andriamanitra Tsitoha no ampingako; ka inona no azon’ny olona atao raha Andriamanitra no namako?” (ao amin’ny History of the Church, 5:259).

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123. Fampahalalana ara-tantara

“Nijaly izaitsizy ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo namany (Hyrum Smith, Lyman Wight, Caleb Baldwin, Alexander McRae ary tamin’ny ampahany i Sidney Rigdon) raha voatazona tany am-ponja teo am-piandrasana ny fitsarana noho ny fiampangana diso: ‘Maro ireo habibiana natao tamin’izy ireo raha mbola tao izy ireo. Sakafo sady tsy ampy no tsizarizary no nohaniny isan’andro. Indraindray dia ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo no hany namonjy azy ireo tamin’ny voka-dratsin’ny sakafo voapoizina, izay tsy ny rehetra no afa-niala tamin’izany. [Alexander McRae dia nilaza hoe: “Tsy afaka nihinana an’izany izahay raha tsy efa noteren’ny hanoanana” (B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 1:521).]

“‘Tsy nisy toerana fatoriana ilay fonja, ka noho izany voatery nitady fakan’aina sy fahasitranana teny amin’ny fandriana vita amin’ny mololo izay napetraka teo amin’ny hazo fisaka mafy sy tamin’ny tany vato izy ireo. Zara raha [navela] hifandray tamin’ny tontolo tany ivelany izy ireo, indrindra nandritra ny volana voalohany tamin’ny fanagadrana azy ireo. Ary izany dia tamin’ny fotoana nahamafy indrindra ny fanenjehana ireo Olomasin’ny Andro Farany tao Missouri, sy nilàny mafy ny mpaminany-mpitarika azy ireo’ [Alvin R. Dyer, The Refiner’s Fire, ed. faharoa 1968, 276].

“Indraindray dia afaka namangy azy ireo tany am-ponja ihany ny namana ary navela handefa sy hahazo taratasy. Teo anelanelan’ny 20 martsa sy 25 martsa 1839 ny Mpaminany Joseph dia nanonona taratasy lava iray izay nosoniavin’ireo gadra rehetra (raha ny marina dia nisy taratasy roa, na dia noraisin’ny Mpaminany ho tohin’ilay voalohany aza ilay faharoa). Toy izao ny zavatra nosoratan’ny Filoha Joseph Fielding Smith momba an’io taratasy io: ‘Anisan’ireo taratasy manan-danja indrindra izay nosoratan’ny tànan’ny olona hatrizay io. Raha ny marina dia vokatry ny fitaomam-panahy feno fanetrentena izany. Izany dia vavaka sy faminaniana ary valin’ny fanambarana avy amin’ny Tompo. Tsy misy olona afaka nanoratra ny taratasy toy izany raha tsy fanahy henin-kaja feno ny fanahin’ny fitiavana an’i Kristy. Raha dinihina [ny fijalian’izy ireo] dia tsy mahagaga raha nitady famonjena ny Mpaminany tao anatin’ny fahorian’ny fanahiny. Kanefa, tao anatin’ny fitalahoany fatratra dia nisy fanahin’ny fandeferana sy fitiavana ho an’ny mpiara-belona taminy.’ (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 2:176.).

“Ny fizarana 121–23 dia nalaina avy tamin’io taratasy io ka natsofoka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, edisiona 1876. Ny edisiônan’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay nahitana an’ireo fizarana telo ireo dia notohanana ho soratra masina tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1880” (Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 295–96).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–3. “Mandra-pahoviana no hiaretany ireny hadisoana sy fampijaliana tsy ara-dalàna ireny?”

Talohan’ny nanagadrana an’i Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty dia nogadraina tsy ara-dalàna tao Richmond, Missouri izy sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, ka tao anatin’izany i Parley P. Pratt. Raha mbola tao am-ponja tany Richmond izy ireo dia nandre ireo mpiambina fonja nanoritsoritra tamin’ny fiteny maloto ireo halatra sy fanolanana ary famonoana olona mahatsiravina izay natao tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Nitantara i Parley P. Pratt fa rehefa avy nihaino izany nandritra ny fotoana maromaro dia namaly i Joseph hoe:

Sary
Parley P. Pratt

“Tampotampoka teo dia nitsangana izy [Joseph] ary niteny tamin’ny feo tena mafy dia mafy toy ny feon’ny liona mitrerona ary nilaza an’izao teny manaraka izao araka ny fitadidiako azy:

“‘MANGINA, ry devolin’ny lavaka tsy hita noanoa. Mandidy anareo amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy aho mba hangina. Tsy afaka ny hiaina minitra iray fanampiny intsony aho ary hihaino fiteny toy izany. Atsaharo ny firesahana toy izany raha tsy izany dia ho faty IZAO DIA IZAO na ianareo, na izaho!’”

“Nangataka ny famelany ireo mpiambina ka nijanona nangina ambara-piovan’ireo mpiambina.” Taty aoriana dia nahatsiaro an’io traikefa io i Parley: “Efa nahita ny ministry ny fitsarana aho … tany amin’ny Fitsaran’i Angletera; efa nahita maso ny Antenimiera iray tao anatin’ny fivoriana matotra mba hanomezana ny lalàna ho an’ireo firenena; … fa tsy mbola nahita ny haja sy ny fiandrianana aho raha tsy ity indray mandeha ity rehefa nitsangana voafatotra izy, tamin’ny misasakalina, tao amin’ny lakaly iray tao amin’ny tanàna kelin’i Missouri” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 211; jereo ihany koa ny pejy 210).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–7. Tanjon’ny fijaliana

Raha niresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–122 ny Loholona Orson F. Whitney ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny antony iray mahatonga antsika miaina fahoriana:

Sary
Loholona Orson F. Whitney

“Ho fampivelarana antsika, ho fanadiovana antsika, ho fampivoarana antsika, ho fianarana sy ho fampandrosoana antsika, no antony iadiantsika amin’ny alahelo sy ny fahoriana; ka hatanjaka sy ho tsaratsara kokoa isika rehefa avy miampita ilay safo-drano sy mijoro ery amin’ny sisin-drano ilany” (“A Lesson from the Book of Job,” Improvement Era, nôv 1918, 6).