Seminera
Lesona 34: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28


Lesona 34

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28

Fampidirana

Tamin’ny taona 1830 dia niatrika olana ny Mpaminany Joseph Smith satria tsy azon’ireo mpikambana ny fomba fandraisana fanambarana ao amin’ny Fiangonana. Nihambo ho nahazo fanambarana maro ho an’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny vato miavaka i Hiram Page ary nino azy ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana, anisan’izany i Oliver Cowdery. Fotoana fohy talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay natao tamin’ny 26 Septambra 1830 dia nanambara fahamarinana maro ny Tompo, izay nanampy an’i Oliver Cowdery sy ireo hafa hahatakatra ny fomba fahazoana fanambarana ao amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7

Manambara ny Tompo fa ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona afaka mandray fanambarana mba hitondrana ny Fiangonana

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: fakan-tahaka.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny zavatra izay nalaina tahaka fotsiny ? (Azonao atao mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity ny mampiseho zavatra iray azo avy amin’ny fakan-tahaka, toy ny zava-kanto nadika na vola kilalao na sarim-boankazo plastika.)

  • Nahoana no mety hanimba zavatra ny fieritreretana ny zavatra iray nalain-tahaka ho toy ny tena izy ?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fampitandremana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny devoly no rain’ny lainga ary maniry foana ny hanakana ny asan’ Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny fakan-tahaka ratsy ataony” (“Ireo lalam-pifandraisana roa,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 84).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fakan-tahaka izay nampiasain’i Satana hamitahana ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana.

  • Inona no fakan-tahaka nampiasain’i Satàna mba hamitahana ireo mpikamban’ny Fiangonana ? (Raha tsy milaza ny fitoviana eo amin’ny vaton’i Hiram amin’ny Orima sy ny Tomima izay nampiasain’i Joseph Smith indraindray ny mpianatra dia lazao aminy izany fitoviana izany.)

Hazavao fa ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nino ireo fanambarana sandoka nampitain’i Satana tamin’i Hiram Page. Rehefa mandalina sy mifanakalo hevitra mikasika ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hitady ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy tsy ho voafitak’ireo fakan-tahaka ataon’i Satana. Ampahafantaro ny mpianatra fa hosoratanao eo amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana ireo rehefa hitan’izy ireo mandritra ny lesona. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanoratra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–4 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny fahasamihafan’ny andraikitr’i Oliver Cowdery tamin’ny andraikitr’i Joseph Smith.

  • Inona no nahasamihafa ny andraikitr’i Oliver Cowdery tamin’ny an’i Joseph Smith? (I Joseph dia nanana andraikitra handray ireo didy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana. I Oliver dia nanana andraikitra ny hampianatra tamin’ny alalan’ny Mpampionona mikasika ireo didy sy fanambarana voarain’i Joseph.)

  • Inona no fahamarinana manan-danja mikasika ny Filohan’ny Fiangonana izay azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2? (Tokony hahita ity fotopampianaranna manaraka ity ny mpianatra: Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona afaka mahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahalalana an’io fahamarinana io antsika tsy ho voafitaka?

Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia azonao atao ny manome toky azy ireo fa afaka mitoky mandrakariva amin’ny fampianarana sy ny torohevitry ny Filohan’ny Fiangonana isika satria tsy hamela ny Filohan’ny Fiangonana hitarika antsika hania mihitsy ny Tompo. (Marihina fa ity fampanantenana ity dia hita ao amin’ny fanambarana iray nataon’ny Filoha Wilford Woodruff. Izany fanambarana izany dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ao amin’ny Filazana Ôfisialy 1.)

Hazavao fa tsy ela akory talohan’ny nanambaran’ny Tompo an’ireo fahamarinana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 dia nanao zavatra iray i Oliver Cowdery, izay maneho fa tsy mbola tena azony tsara ny mahasamihafa ny andraikiny ao amin’ny Fiangonana amin’ny andraikitr’i Joseph Smith amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy. Asao ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka ity:

Nipetraka tao Harmony, Pennsylvanie i Joseph Smith rehefa naharay taratasy iray avy amin’i Oliver Cowdery, izay nipetraka tao Fayette, New York, tany amin’ny 160 kilômetatra tany ho any miala eo amin’ny misy an’i Joseph. Nilaza i Oliver fa nahita zavatra diso izy tao amin’ilay fanambarana izay antsointsika hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 ankehitriny. Nanoratra i Oliver hoe: “Mandidy anao aho amin’ny anaran’ Andriamanitra mba hamafa ireo teny ireo.” Nandeha nankany Fayette i Joseph ary nahafantatra fa niombon-kevitra tamin’i Oliver ny fianakaviana Whitmer mikasika ilay noheverin’izy ireo fa fahadisoana tao amin’ilay fanambarana. Nanoratra i Joseph hoe: “Nila asa sy ezaka mafy ny fahafahako nandresy lahatra azy ireo mba hiresaka tamim-pahatoniana momba ilay zavatra.” Ary tamin’ny farany ny Mpaminany dia “nahomby tamin’ny fitondrana, tsy ny fianakaviana Whitmer ihany fa … i Oliver Cowdery ihany koa mba hanaiky fa diso hevitra izy ireo” (Histories, Volume 1: 1832–1844, boky 1 amin’ny andian’ireo Tantaran’ny The Joseph Smith Papers [2012], 426; jereo ihany koa ny pejy 424–25).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:6–7 mba hitady ny fampianarana nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery.

  • Inona no nampianarin’ny Tompo an’i Oliver Cowdery? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy mahazo fanambarana hitarika olona iray izay filohany ny olona tsirairay.)

  • Inona no ifandraisan’io fahamarinana io amin’ilay tantara vao novakintsika teo?

  • Ahoana no hanampian’io fahamarinana io antsika amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–10

Miantso an’i Oliver Cowdery hitory ny filazantsara amin’ny Lamanita ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–10 ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Oliver Cowdery mba hataony.

  • Nantsoin’ny Tompo hanao inona i Oliver? (Hitory ny filazantsara eo anivon’ny Lamanita.)

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mahazo fanambarana ho tombontsoantsika isika sy hanampy antsika amin’ireo antso sy asa izay ampanaovina antsika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra an’io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Manan-jo hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Kanefa, tsy afaka ny handray fanambarana mikasika ny zavatra tokony hataon’ny hafa isika, raha tsy hoe angamba, natokana tamin’ny anjara fanompoana mpiahy iray. …

“Ny zavatra niainana ara-panahy izay miavaka amin’ny mahazatra dia tsy tokony horaisina ho toy ny fiantsoana ny tena hitarika ny hafa. Resy lahatra aho fa ireo zavatra niainana izay manana toetra miavaka sy masina dia natao ho an’ny tsirairay ka tokony hotazonina ho an’ny tena samirery” (“Revelation in a Changing World,” Ensign, nôv. 1989, 14–15).

Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty amin’ny taratasy samy hafa ireto anjara asa sy antso manaraka ireto: ray na reny, Manampahefana Ambony, eveka, misiônera, mpampianatra Sekoly Alahady, filohan’ny Farimbona, mpampianatra isan-tokantrano, mpamangy isan-tokantrano. Ataovy ao anatin’ ny fitoeran-javatra iray ireo taratasy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifidy taratasy avy ao amin’ilay fitoeran-javatra ary hamaky izany tsirairay amin’ny mpianatra rehetra. Rehefa voavaky ny taratasy tsirairay dia angataho ny mpianatra hilaza ny karazana fanambarana afaka azon’ireo olona ireo mba hanampiana azy ireo hanatanteraka izany anjara asa na antso izany.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara zavatra niainana izay nahazoan’izy ireo fanambarana tamin’ny asa iray nampanaovina na andraikitra iray. Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa iray izay nahazoanao fanambarana mba hanampy anao tamin’ny antso na asa nampanaovina iray. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa saropady loatra na mikasika be loatra ny tena manokana ny zavatra niainana sasany ka tsy tsara raha zaraina.

Amporisiho ny mpianatra hivavaka hangataka fanambarana mba hanampy azy ireo eo amin’ny fiainany manokana sy amin’ny antso sy ny andraikitr’izy ireo ao am-piangonana. Amporisiho ihany koa izy ireo hivavaka mba hananan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fahasalamana sy hahazoan’izy ireo fiarovana ary hahazoan’izy ireo ny fitaomam-panahy ilainy hanatontosany ireo andraikiny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11–16

Nandidy an’i Oliver Cowdery ny Tompo mba hanitsy an’i Hiram Page sy hanampy amin’ny fananganana ny Fiangonana

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra ireo fanambarana sandoka izay nampahafantarin’i Hiram Page tamin’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11–14 mba hitady ny zavatra nandidian’ny Tompo an’i Oliver Cowdery mba hataony hoentina hamahana io olana io.

  • Inona no nandidian’ny Tompo an’i Oliver mba hataony hoentina mamaha ilay olana avy amin’i Hiram Page?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ireo andraikitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra saingy ataovy izay hanantitranterana izao manaraka izao: Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manana andraikitra ny hanitsy ireo izay mampivily lalana ny hafa. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13 mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Ny zavatra rehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Hazavao fa fomba iray hanaovantsika zavatra “amim-pilaminana sy amin’ny faneken’ny rehetra” ny fanohanantsika ampahibemaso ireo olona amin’ireo antso ao am-piangonana.

  • Nahoana aminao no zava-dehibe ny fanohanana ny olona ampahibemaso amin’ny antson’izy ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra rehetra hahatakatra ny fomba hitondran’ny faneken’ny rehetra filaminana sy fiarovana ho an’ny Fiangonana dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Packer ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fanambarana ao amin’ny Fiangonana dia tonga amin’ireo izay nantsoina sy notohanana ary natokana araka ny tokony ho izy. Ny eveka ohatra dia tsy handray fanambarana mihitsy mikasika ny paroasy iray eo akaikiny satria any ivelan’ny faritra ananany fahefana izany.

“Indraindray dia hisy olona iray hanambara fa nahazo fahefana hampianatra sy hitahy kanefa tsy nantsoina sy natokana. …

“Izay no antony hiarovana fatratra ao amin’ny Fiangonana ny dingan’ny fanohanana ireo izay antsoina ao amin’ny anjara fanompoana—mba hahafantaran’ny rehetra hoe izay no manana fahefana hampianatra sy hitahy” (“Revelation in a Changing World,” 15).

  • Araka ny nolazain’ny Filoha Packer dia nahoana isika no manohana ampahibemaso ireo izay mahazo antso ao amin’ny Fiangonana?

  • Rehefa avy manangana ny tanantsika isika mba hilaza fa manohana olona amin’ny antson’izy ireo dia inona no tokony hataontsika mba hanohanana azy ireo marina?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika nianarany tao amin’ny lesona androany dia vakio mafy ireto toe-javatra iainana manaraka ireto ary anontanio azy ireo ny fihetsika mety hasehony ao anatin’ny tsirairay avy amin’izany:

  1. Mahazo hafatra elektrônika ianao izay mitonona ho fanambarana vaovao. Mirakitra fampianarana tsy mifanaraka amin’ny soratra masina izany na amin’ny tenin’ireo mpaminany velona.

  2. Mahatsikaritra ianao fa milaza zavatra mivoy fotopampianarana diso ny mpikambana iray ao amin’ny paroasinao rehefa mijoro ho vavolombelona mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Manahy ianao hoe raha raisin’ny olona fa marina ilay hafatra dia mety hitondra fiantraikany manimba amin’ny hafa izany. Iza no tokony hanitsy ilay mpikambana izay nilaza zavatra diso ?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:15–16 ary asao ny mpianatra rehetra hamantatra ny torohevitra farany nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery ato anatin’ity fanambarana ity.

Hazavao fa taorian’ny nandraisan’i Joseph Smith ity fanambarana ity dia nikarakara fihaonambe izy ka nandamina ny Fiangonana. Tamin’ilay fihaonambe dia “nolavin-drahalahy Page sy ireo mpikambana rehetra izay nanatrika teo ilay vato sy ny zavatra rehetra nifandray tamin’izany” (Histories, Volume 1: 1832–1844, 452). Mba hamaranana ity lesona ity dia mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana izay noresahinao sy ny hasarobidin’izy ireo amin’ny fanampiana antsika tsy ho voafitaka.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–4. Ireo andraikitr’i Oliver Cowdery

Nomen’ny Tompo andraikitra ankoatra ireo izay voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–4 i Oliver Cowdery. I Oliver Cowdery sy i Joseph Smith dia nihazona ny fanalahidin’ny fanomezam-pahasoavana handika ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny F&F 6:25–28). I Oliver ihany koa dia nanompo tamin’ny maha “apostôlin’i Jesoa Kristy” sy ny maha “loholona faharoa an’ny fiangonana” (F&F 20:3) azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–2, 8. Fanambarana ho an’ny tena manokana sy fanambarana amin’ny alalan’ny mpaminanin’ny Tompo

Ao amin’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo fa ny Filohan’ny Fiangonana ihany no afaka “handray ireo didy sy fanambarana” ho an’ny Fiangonana manontolo (jereo ny F&F 28:1–2). Nilaza ihany koa ny Tompo fa i Oliver Cowdery dia “hahazo fanambarana” mikasika ny andraikiny manokana (jereo ny F&F 28:8). Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fifandanjana eo amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny fanambarana izay omena amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Nanome lalam-pifandraisana roa Aminy ho an’ireo Zanany ny Raintsika any An-danitra— izay azontsika antsoina hoe ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana sy ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana. Ny olona rehetra dia tokony hahatakatra sy ho voatarika amin’ny alalan’ireo lalam-pifandraisana manan-danja roa ireo. …

“… Ny lalam-pifandraisan’ny tena manokana dia misy iankinany ihany amin’ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana, raha jerena amin’ny endriny feno. Ny fanomezana ny Fanahy Masina—izay fitaovam-pifandraisana eo amin’ Andriamanitra sy ny olona—dia omena amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, izay ahazoana lalana avy amin’ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. …

“… Ny mampalahelo dia mazàna ireo olona izay tsy manaja ny didin’ Andriamanitra na tsy mankatò ny torohevitr’ireo mpitondra ao amin’ny fisoronana no manambara fa nandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra izy ireo izay milaza fa mamela azy ireo Andriamanitra tsy hanaraka ny didy sasany na tsy hanaraka ny torohevitra omena azy ireo. Mety mandray fanambarana na fitaomana tokoa ny olona ohatra izany, saingy tsy avy amin’ilay loharano heverin’izy ireo no hahazoany izany. Ny devoly no rain’ny lainga ary maniry foana ny hanakana ny asan’ Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny fakan-tahaka ratsy ataony” (“Ireo lalam-pifandraisana roa,” Ensign na Liahona,Nôv. 2010, 83–84).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2. Ny anjara asan’ny Filohan’ny Fiangonana

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Nohazavainy ny fomba hitondran’izany filaminana sy fiarovana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ny olona sasany dia mihambo ho nahazo zava-panahy na fahefana ambonimbony kokoa tany ivelan’ilay fahefan’ny fisoronana napetraka ao amin’ny Fiangonana. Milaza izy ireo fa mino ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara ary manaiky ny Filohan’ny Fiangonana ho mpitantana ara-dalàna, saingy manambara izy ireo fa manana lamina ambony kokoa izay tsy ananan’ny Filoha. Matetika izany no natao mba hanamarinana zavatra atao iray izay tsy mifanaraka amin’ireo fotopampianaran’ny Fiangonana. Tsy afaka ny hisy lamina ambony kokoa izany satria ny Filohan’ny Fiangonana dia sady mihazona no mampiasa ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra rehetra eto an-tany. Nilaza ny Tompo mikasika ny Filohan’ny Fiangonana ‘fa tsy misy olon-kafa hotendrena [handray didy sy fanambarana] raha tsy amin’ny alalany.’ [F&F 43:4]. …

“… Ny fanambarana mitohy sy ny fitarihana ny Fiangonana dia tonga amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiangonana, ary tsy hampivily lalana ny Olomasina mihitsy izy” (“The Prophetic Voice,” Ensign, mey 1996, 6–7).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:6. “Tsy handidy izay filohanao … ianao”

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa tsy mahazo fanambarana hitarihana olona iray izay filohan’izy ireo ny olona tsirairay ao amin’ny Fiangonana:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Mifanohitra amin’ny fomba fiasan’ Andriamanitra amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana izany, na amin’ny olona hafa na iza na iza, dia ny handray toromarika omena ireo izay manana fahefana ambony noho ny azy ireo” (Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], ).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–10. Ny Lamanita

Ny teny hoe Lamanita dia entina ilazana vondron’olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay maro tamin’izy ireo no taranak’i Lamàna izay zanak’i Lehia lahimatoa. Ny fampiasan’ny Tompo ilay teny hoe Lamanitaao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:9 dia maneho fa ny sasany amin’ireo taranak’i Lehia dia anisan’ireo Indiàna amerikana izay nipetraka teo amin’ny faritra izay noraisina ho toy ny hoe sisin-tany andrefan’i Etazonia tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny volana Mey 1830 dia namoaka ilay volavolan-dalàna Famindra-monina an’ireo Mena hoditra ny Antenimieram-pirenen’i Etazonia, izay nitaky ny hifindran’ireo Indiàna amerikana rehetra ao amin’ny fari-panjakana ho an’ny mena hoditra tao andrefan’ny fanjakan’i Missouri. Noho izany i Oliver Cowdery sy ireo mpiara-mitory taminy dia nandeha tany Missouri andrefana, “eo amin’ ny sisin-tany akaikin’ ny Lamanita” (F&F 28:9) mba hampianatra ny filazantsara tamin’ireo Indiàna amerikana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy milaza fa avy amin’ny fianakavian’i Lehia avokoa ireo taranaky ny Indiàna amerikana rehetra. Hoy ny Filoha Anthony W. Ivins tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Anthony W. Ivins

“Tokony hitandrina isika amin’ny tsaokevitra sintonintsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika ny tantaran’ny vahoaka telo samy hafa … izay samy niainga avy any amin’ny tontolo taloha (teny ilazana an’ireo kaontinanta Eorôpa sy Azia ary Afrika) nankaty amin’ity kaontinanta ity. Tsy milaza amintsika izany fa tsy nisy olona nipetraka mihitsy teto talohan’ireo olona ireo. Tsy milaza amintsika izy fa tsy nisy olona tonga taorian’izany. Koa raha misy zava-baovao hita izay milaza ny fisian’ny karazam-piaviana hafa dia azo hazavaina mora foana izany, ary azo inoana tsara, satria isika dia mino fa nisy olona hafa tonga teto amin’ity kaontinanta ity” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1929, 15).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11. “Ireo zavatra izay efa nosoratany avy amin’ ilay vato ireo dia tsy avy Amiko”

Nandritra ny fiandohan’ireo taona 1800, tao avaratra andrefan’i New York, dia marobe ny olona izay nino fa misy olona afaka mahazo fahalalana amin’ny fomba mahagaga amin’ny alalan’ny fitaovana toy ny vato na tehina fitadiavana loharano. Nanambara i Hiram Page fa nisy teny nipoitra teo amin’ilay vatony. Nilaza izy fa rehefa avy notononiny ireo teny ary voadika tamin’ny taratasy dia nanjavona teo amin’ilay vato izany teny izany, dia nisy hafa nipoitra indray (jereo ny Documents: Volume 1: July 1828-June 1831, boky 1 amin’ny andiana antontan-taratasy ao amin’ny The Joseph Smith Papers [2013], 184). Nokianin’ny Tompo ireo fanambarana sandoka azon’i Hiram Page. Ankoatra ny fampiasana ny Orima sy ny Tomima dia mety nampiasa vato mpahita iray izay hitany tamin’izy mbola kely i Joseph mba handikany ampahany tamin’ny Bokin’i Môrmôna. Maro ireo lafin-kevitra misy mikasika ny fomba nampiasan’ny Mpaminany ny Orima sy ny Tomima mba handikana ny Bokin’i Môrmôna sy mikasika ireo antsipiriany momba ny fizotry ny fandikana, saingy nilaza ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “tsy fantatsika tsotra izao ny antsipirian’izany” (““By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 39). Ny zavatra iray lehibe mampiavaka an’i Joseph Smith amin’i Hiram Page dia ny niantsoan’ Andriamanitra an’i Joseph Smith hanatanteraka ny asa fandikana sy handray fanambarana ho an’ny Fiangonana (jereo ny F&F 21:1–6). Mifanohitra amin’izany, dia nilaza mazava tsara ny Tompo fa namitaka an’i Hiram Page sy ireo izay nino ireo teny notononiny i Satana (jereo ny F&F 28:11).

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampitandrina antsika mba tsy hanao ireo zavatra izay mety hanasa ny fitaoman’i Satana hahazo toerana eo amin’ny fiainantsika:

Sary
Filoha James E. Faust

“Tsy mitondra fahazavan-tsaina i Satana. Raisiko ho ilay mpanao hosoka lehibe izy. …

“Tsy zavatra tsara hatao ny lasa liana amin’i Satana sy ireo zava-miafina momba azy. Tsy misy zavatra tsara mety ho azo avy amin’ny fanakaikezana ny faharatsiana. Tahaka an’ny hoe rehefa milalao afo dia mora ny ho may. … Ny hany lalana azo antoka dia ny mijanona lavitra dia lavitra azy sy ireo zavatra ratsy ataony na inona na inona, na ireo asa ratsiny. Tokony hosorohina hatrany ny fanaovana adalana amin’ny fanompoana ny devoly, ny sikidy, ny famosaviana, ny fanaovana ody, ny fahagagana iantsoana ny devoly, ary ireo endrika hafa rehetra hisehoan’ny asan’ny devoly” ( The Forces That Will Save Us,” Ensign, jan. 2007, 5).