Seminera
Lesona 93: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–117


Lesona 93

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–117.

Fampidirana

Ity no lesona fahatelo amin’ireo lesona efatra mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88. Nomena nandritra ny fihaonamben’ny mpisorona avo natao tamin’ny 27–28 Desambra 1832 ny ampahany tamin’ilay fanambarana izay hifantohana ato amin’ity lesona ity. Nanome toromarika ireo loholon’ny Fiangonana ny Tompo tao anatin’izany mba hifampianatra ka hiomana ho misiônera. Nampianatra mikasika ny famantarana ny Fiaviana Fanindroany sy ny laharana ankapobeny amin’ny fitsanganan’ny olon-drehetra amin’ny maty ary ny tranga sasany manodidina ny ady farany amin’i Satana ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–117

Nandidy ny loholon’ny Fiangonana ny Tompo mba hiomana amin’ny asa fanompoany ary nanambara ny tranga manodidina ny Fiaviany Fanindroany Izy

Asao ny mpianatra iray mba ho eny anoloana ka hampianatra ny mpianatra hafa iray ny fanaovana zavatra tsotra tahaka ny famatorana ny karavato (na zavatra hafa izay tsy hain’ilay mpianatra faharoa ny manao azy). Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha toa ka efa nampianatra lesona na fahaiza-manao iray tamin’ny hafa izy ireo tato ho ato. Angataho ny sasany mba hanoritsoritra ny zavatra nampianariny. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no nianaranao tamin’ny fiomananao hampianatra sy tamin’ny fampianaranao ny hafa?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao no mianatra bebe kokoa isika rehefa miomana ny hampianatra toy izay ampianarin’ny hafa?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Tompo dia nanome ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ho an’ny andiana mpihazona ny fisoronana izay nivavaka mba hahalalana ny sitrapon’ny Tompo momba ny fananganana an’i Ziona. Nantsoin’ny Tompo hoe “mpiasa voalohany ao amin’ ity fanjakana farany ity” (jereo ny F&F 88:70, 74) io andiana mpihazona ny fisoronana io ka nandidy azy ireo Izy mba hanangana sekoly iray sy hanatrika izany mba hiomanany hitory ny filazantsara any amin’ny firenena maneran-tany (jereo ny F&F 88:74, 84, 127).

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73–76. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo mpihazona ny fisoronana ireo mba hiomanana amin’ny fampianarana ny hafa.

  • Inona no zavatra nasain nataon’ireo “mpiasa voalohany” ireo mba hiomana hampianatra ny hafa amin’ny maha-misiônera azy ireo? (Azonao atao ny mangataka mpianatra iray ho mpandray an-tsoratra ka hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no afaka ataontsika mba “handaminana” sy “hiomanana” ary “hanamasinana” ny tenantsika mba hahomby kokoa amin’ny fizarana ny filazantsara isika?

  • Inona no fiantraikan’ny fahadiovana amin’ny fahotana eo amin’ny fahafahantsika mizara ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo mpihazona ny fisoronana ireo rehefa niara-mivory izy ireo. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ireo izay mampianatra amim-pahazotoana? (Homba azy ireo ny fahasoavany ary hampianarina azy ireo misimisy kokoa ny zava-drehetra ilainy mba hahatakarana ny fanjakan’ Andriamanitra.)

  • Inona no dikan’ny hoe “homba anareo ny fahasoava[n’ny]” Tompo (F&F 88:78)? (Hanampy antsika ny Tompo rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hampianatra sy hianatra ny filazantsara isika.)

  • Avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny andininy 77–78 dia ahoana no fomba hilazanao fitsipika iray momba ny fampianarana? (Mety hahita karazana fitsipika maro isan-karazany ny mpianatra, anisan’izany ity manaraka ity: Rehefa mifampianatra amim-pahazotoana isika dia hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fahamarinany ny Tompo. Afaka miomana ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fifampianarana. Azonao atao ny manoratra ireo fitsipika ireo eny amin’ny solaitrabe amin’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa anao hahatakatra bebe kokoa izany?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 79 dia inona koa ireo lohahevitra hafa izay manan-danja tokony ho takatsika? Ahoana no mety hanampiana antsika hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa rehefa mahazo fahalalana lehibe toy izany isika?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika izay hitany teo aloha sy hampihatra izany dia ampiaraho tsiefatrefatra ny mpianatra mba hanomana sy hampianatra ireto lesona kely manaraka ireto amin’ireo olona ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Asaivo miara-miasa ny mpianatra roa ao amin’ny vondrona tsirairay mba hanomana ny fampianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81–86 ary ny mpianatra roa hafa kosa hanomana ny fampianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:87–98. Manaova tahadikan’ ireto torolalana manaraka ireto ho an’ ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hamaky ny torolalana sy ny andinin-tsoratra masina ka hanapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarany ny lesona kely tsirairay. (Entano ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay ekipa mba samy handray anjara amin’ny fampianarana.) Hazavao fa hanana eo amin’ny dimy minitra eo ny vondrona tsirairay mba hiomanana ary fito minitra kosa hampianarana. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra mba hiomanana dia asao ny ekipa nomena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81–86 hampianatra ny mpianatra hafa ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Avy eo dia asaivo mifamadika ireo mpianatra ka asao ny mpiara-miasa nomena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:87–98 mba hampianatra. (Fanamarihana: Raha tianao dia afaka mifidy ny hampianatra ireo lesona kely ireo ianao toy izay mangataka ny mpianatra mba hifampianatra.)

Lesona kely 1: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81–86

Atombohy amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto ny lesonao:

  • Tamin’ny oviana ianao no efa feno fankasitrahana noho ny fampitandremana nataon’ny olona iray anao mikasika ny zavatra iray? (Azonao atao koa ny mizara traikefa.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81–83. Asaivo tadiavin’ny mpianatra hafa ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fampitandremana. Asao izy ireo hanao tatitra izay zavatra hitany. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no dikan’ny hoe nampitandremana isika? (Nampianarina ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny isika.)

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ireo izay ampianarinao an’izany kanefa tokony hahita fitsipika sahala amin’ity manaraka ity izy ireo: Satria nampitandremana tamin’ny alalan’ny hafatry ny filazantsara isika dia manantena antsika ny Tompo fa hampitandrina ny mpifanolobodirindrina amintsika isika. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny andininy 81.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:84–85 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampianatra ireo mpihazona ny fisoronana izay nanatrika teo tamin’ny fotoana nahazoan’i Joseph Smith ity fanambarana ity mba hiasa amin’ny zotom-po ka hanomana ny tenany sy ny Olomasina hiala amin’ny fitsarana hoavy izay miandry ny olon-dratsy.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:86 ny mpianatra iray. Asaivo tadiavin’ireo vondrona ny fomba tokony hiainantsika rehefa miomana ny hizara ny filazantsara isika. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo.

  • Inona no dikan’ny hoe “aza maningotra ny tenanareo amin’ny fahotana”? Ahoana no mety ho fomba hampiharana io torolalana io eo amin’ny fiainanao rehefa miomana handray ny ôrdônansin’ny tempoly na hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, na hanambady sy hanorina tokantrano ianao?

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra mikasika ny vokatry ny fisingoran’ny fahotana eo amin’ny fahafahantsika hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana dia vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Jeffrey R. Holland

“ Tsy misy misiônera afaka ny tsy hibebaka amin’ ireo fandikan-dalana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena nataony na ny fampiasana teny maniratsira na ny fironana amin’ ny pôrnôgrafia ary avy eo hanantena fa afaka ny hanentana ny hafa hibebaka amin’ ireo zavatra ireo! Tsy afaka manao izany ianareo. Tsy hiaraka aminareo ny Fanahy ary hanakenda anareo ireo teny eo am-pitenenanareo izany. Tsy afaka hidina any amin’izay nantsoin’i Lehia hoe ‘lalana voarara’ [1 Nefia 8:28] ianareo ka hanantena hitarika ny hafa ho any amin’ilay lalana ‘ety sy tery’ [2 Nefia 31:18] tsy azo atao izany” (Mpandray anjara avokoa isika,” Liahona, nôv. 2011, 45).

Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny mijanona ho madio mba hahomby amin’ny fizarana ny filazantsara. Entano ireo izay ampianarinao hikatsaka ny ho madio amin’ny fisingoran’ny fahotana.

Lesona kely 2: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:87–98

Anontanio ireo olona ampianarinao raha toa ka efa nandre olona iray nizara ny tenivavolombelona mahery vaika izy ireo. Asao izy ireo hanoritsoritra ilay tenivavolombelona sy ny fahatsapany tamin’ny fotoana nandrenesany izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:87–91. Asao ireo mpianatra izay ampianarinao mba hitady ohatra mikasika ny tenivavolombelona mahery vaika. Rehefa avy mamaky izy ireo dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Alohan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany dia karazana tenivavolombelona inona no hanaraka ny tenivavolombelon’ireo misiônera?

Asao ireo mpianatra izay ampianarinao mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:92 sady hitady ny zavatra holazain’ireo anjelin’ny lanitra mandritra io fotoana io alohan’ny Fiaviana Fanindroany. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo. Lazao azy ireo fa ny teny hoe Mpampakatra dia entina hilazana an’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana no zava-dehibe ny hiomanantsika amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:95–98. Asao ireo mpianatra izay ampianarinao mba hitady karazana vondron’olona roa izay hakarina mba hitsena ny Mpamonjy rehefa tonga Izy. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Iza no hakarina mba hitsena an’i Jesoa Kristy rehefa tonga Izy? (Ireo Olomasiny izay velona sy ireo Olomasiny izay efa maty. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra izay ampianarinao mba hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Hitsangana ka hitsena an’i Kristy ny olo-marina rehefa tonga Izy.)

Asao ireo izay ampianarinao mba hamerina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:98 sady hitady ireo teny na andian-teny izay manoritsoritra ny andian’ Olomasina izay handray anjara amin’ny fiavian’ny Tompo. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona ireo teny na andian-teny hitanao ? (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “voaloham-bokatra” dia entina hiantsoana ireo Olomasina marina izay hivoaka amin’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany.)

Zarao ny mety ho fieritreretanao ny zavatra tsapanao mikasika ny hoe mandray anjara amin’ny Fiaviana Fanindroany araka ny voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo.

Rehefa avy nifampianatra ireo vondrona mpianatra dia apetraho amin’ny mpianatra rehetra ity fanontaniana manaraka ity:

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:97–107 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanambara fa hitsangana arakaraka ny fahamarinany ny maty. Ireo izay mitsangana amin’ny maty voalohany no handova ny fanjakana selestialy (jereo ny F&F 88:97–98). Ireo izay mitsangana amin’ny maty faharoa no handova ny fanjakana terestrialy (jereo ny F&F 88:99). Ireo izay handova ny fanjakana telestialy dia hitsanga aorian’ny Arivotaona (jereo ny F&F 88:100–101). Ary ny farany, ireo izay “hitoetra maloto”—dia ireo izay niaina teto an-tany ka lasa zanaky ny fahaverezana—dia hitsangana amin’ny maty ka hatsipy any amin’ny haizina ivelany (jereo ny F&F 88:102). Amin’ny faran’ireo arivo taona hisian’ny fiadanana izay fantatra amin’ny hoe Arivotaona dia ho tonga hiady amin’ny vahoakan’ Andriamanitra izay hotarihan’i Mikaela (na antsoina koa hoe Adama) i Satana sy ny mpanara-dia azy. Ho resy ary hatsipy any amin’ny haizina ivelany i Satana sy ny mpanara-dia azy.

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: “Rehefa mifampianatra amim-pahazotoana isika dia hanampy antsika hahatakatra ny fahamarinany bebe kokoa ny Tompo.” Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

Amporisiho ny mpianatra hitady fahafahana hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fitahiana izay ho azony amin’ny fanaovana izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73–76 “Hohafainganiko ny asako”

Fotoana fohy taorian’ny nanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny volana Ôktôbra 2012 fa hampidinina ny taona hanaovan’ny zatovolahy sy zatovoavy ny asa fitoriana dia nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ohatra iray amin’ny fanafainganan’ Andriamanitra ny asany io filazana io:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Manafaingana ny asany ny Tompo Ary mila misiônera vonona sy mendrika bebe kokoa Izy mba hampiely ny fahazavana, ny fahamarinana, ny fanantenana ary ny famonjena avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eto amin’ity izao tontolo izao izay matetika maizina sy mampatahotra ity. …

“… Tsy mikasika anao … io filazana io. Fa mikasika ny hafatra madio sy mamy izay asaina entinao” (ao amin’ny “Church Lowers Age Requirement for Missionary Service,” Church News, Oct. 6, 2012, ldschurchnews.com).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81–82. Fampitandremana ny namantsika

Nanazava ny andraikitsika amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonana ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ny andraikitra mba hampitandrina ny namantsika dia mipetraka eo amintsika rehetra izay nanaiky ny fanekempihavanan’ny batisa. Mila miresaka momba ny filazantsara amin’ireo namana sy havana izay tsy mpikambana isika. Ny tanjontsika dia ny hanasa azy ireny mba hampianarin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno, izay voantso sy natokana hampianatra. …

“… Tsy maintsy … manasa omban’ny fijoroana ho vavolombelona isika. Hanokatra ny lalana ny fitiavana sy ny ohatra. Saingy mbola mila manokatra ny vavantsika sy mijoro ho vavolombelona isika. …

“Mety mahita angamba ny sasany amintsika fa sarotra ny mino hoe tena ampy ny fanehoantsika fitiavana na efa tena tsara ny fiainantsika na ampy ny herintsika ijoroana ho vavolombelona ka hahatonga ny namantsika hanaiky ny fanasantsika. Kanefa ny Tompo dia nahafantatra fa mety toy izany ny zavatra tsapantsika. Henoy ny Teniny feno famporisihana, izay nasainy napetraka ao amin’ny fiandohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, rehefa nanome ny andraikitsika Izy: “Hiantefa amin’ ny olon-drehetra ny feo fampitandremana amin’ ny alalan’ ny vavan’ ny mpianatro izay efa nofidiko amin’ izao andro farany izao” (F&F 1:4).

“Ary henoy ny Famaritany ny toetran’ireo mpanara-dia azy—sy ny toetrantsika: ‘Ny zava-malemy amin’ izao tontolo izao dia handroso sy handavo ireo zava-mahery sy matanjaka’ (F&F 1:19).

“Ary avy eo: ‘Ho azon’ ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao ny fahafenoan’ ny filazantsarako’ (F&F 1:23).

“Dia toy izao indray: ‘Ary raha nanetry tena izy ireo dia mba ho azo atanjahina sy tahina avy any ambony’ (F&F 1:28).

“Izany fanomezana antoka izany dia nomena an’ireo misiônera voalohan’ny Fiangonana sy ny misiônera amin’izao fotoana izao. Ary nomena ho antsika rehetra ihany koa anefa izany. Tsy maintsy manana finoana isika fa afaka maneho fitiavana ampy ary tsy maintsy manana finoana isika fa efa nahakasika ny fiainantsika tsara ny filazantsara, ka ny fanasantsika mba hisafidy dia azo raisina ho toy ny avy amin’ilay Mpampianatra izay tompon’ilay fanasana”(“A Voice of Warning,” Ensign, nôv. 1998, 33–35).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117. Fivoriana masina

Maro ireo fivoriana izay natao tany Kirtland teo anelanelan’ny volana Janoary sy Mey 1836. Masina ny sasany tamin’ireo fivoriana ireo. Ny fivoriana masina dia fivoriana manokana izay miavaka amin’ny fivoriana hafa ao amin’ny Fiangonana. Nandritra ny herinandron’ny 27 Martsa 1836 dia nisy ny fivoriana masina izay natao nandritra ny fitokanana ny Tempolin’i Kirtland, ary nisy fivoriana masina iray hafa koa natao telo andro taorian’izay, dia ny 30 Martsa 1836. Nisy fivoriana masina koa natao tokony ho herintaona taorian’io, tamin’ny 6 Aprily 1837.

Nampianatra ny Loholona David B. Haight ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David B. Haight

“Araka izany anarany izany, ny fivoriana masina dia entina hilazana fotoana masina, matotra ary feno fanajana izay hihaonan’ny Olomasina eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany. Tanjona telo no ampiasana ny fivoriana masina: ny fanokanana ny tempoly, torolalana manokana omena ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, ary fanohanana Filohan’ny Fiangonana vaovao” (“Solemn Assemblies,” Ensign, nôv. 1994, 14).

Nanazava i Robert J. Norman, izay talen’ny Institiota fianarana ny filazantsara tao Tucson hoe:

“Natao ireo fivoriana masina mba hampivoatra ny fiainam-panahin’ny Olomasina sy hanamafisana ny lanjan’ny zava-kinendrin’ilay fivoriana. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: -Tsy maintsy omanintsika ny zava-drehetra, ary atao ny fivoriantsika masina araka izay nandidian’ny Tompo antsika, mba hahafahantsika mahatontosa ny asany lehibe, ary tsy maintsy atao araka ny fomban’ Andriamanitra izany. Tsy maintsy omanina ny tranon’ny Tompo ka atao sy alamina ao ny fivoriana masina araka ny lamin’ny tranon’ Andriamanitra.- (Teachings of the Prophet Joseph Smith, nofantenan’i Joseph Fielding Smith, Salt Lake City: Deseret Book Co., 1938, p. 91.)

“Nirakitra an-tsoratra ireo torolalan’ny Mpaminany ho an’ireo loholona i Heber C. Kimball talohan’izany fivoriana masina izany: ‘Nodidiana hiomana ny amin’izany fivoriana masina izany isika. Nony farany dia tonga ihany ny fotoan’io fivoriana io; ary talohan’izay dia namporisika ireo loholona ny Mpaminany Joseph mba hanamasina ny sainy, amin’ny alalan’ny fanesorana ny ratsy rehetra hiala eo amin’izy ireo, na amin’ny eritreritra na amin’ny teny sy ny asa atao, ka hanamasina ny fony, satria tsy afaka hanantena fitahiana avy amin’ Andriamanitra izy ireo raha tsy efa niomana fatratra ny amin’izany, satria tsy hitoetra amin’ny tempoly tsy masina ny Fanahy Masina.’ (Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball, 3d ed., Salt Lake City: Bookcraft, 1967, p. 91.)

“Natao tao amin’ny Tempolin’i Kirtland io fivoriana masina izay nandrasana hatry ny ela io tamin’ ny 30 Martsa 1836, telo andro taorian’ny fitokanana azy. Rahalahy miisa telonjato no nihaona nandritra io fivoriana io ka nandray ny sasany tamin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara ary nandamina ireo kôlejy samihafa ao amin’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith. (Jereo ny History of the Church, 2:430–33; F&F 88:139–141; 109:35.) Herintaona taorian’izay, ny 6 Aprily 1837, dia nisy fivoriana masina iray natao mba hankalazana ny fitsanganan’ny Fiangonana sy handaminana bebe kokoa ny kôlejin’ny fisoronana” (Robert J. Norman, “I Have a Question,” Ensign, des. 1988, 53).