Seminera
Lesona 114: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108


Lesona 114

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108

Fampidirana

Tamin’ny 26 desambra 1835 dia nanao asa araka ny fahatsapana ara-panahy nananany i Lyman Sherman, izay mpikambana mahatoky tao amin’ny Tobin’i Ziona sy iray tamin’ireo Filohan’ny Kôlejin’ny Fitopololahy fito, mba hangataka fitarihana avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mahakasika ny adidiny. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108 dia ahitana ilay fanambarana izay nomena an’i Lyman tamin’ny alalan’ny Mpaminany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1–3

Mamela heloka an’i Lyman Sherman ny Tompo

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Efa nahatsapa ho nentanin’ny Fanahy mba hanao zavatra iray ve ianareo? Inona ireo fitahiana azonareo rehefa nankatò ireo bitsiky ny Fanahy ianareo?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny sasin-teny ho an’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108, ka hitady hoe iza no nanatona ny Mpaminany nangataka fanambarana iray.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fampahalalana manaraka izao momba an’i Lyman Sherman:

I Lyman Sherman dia mpikamban’ny Fiangonana nahatoky izay nanompo tao amin’ny Tobin’i Ziona ary nantsoina ho iray tamin’ireo Filohan’ny Kôlejin’ny Fitopololahy fito. Noraketin’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny diariny fa tamin’ny 26 desambra 1835 dia “Niditra ny Rahalahy Lyman ka nangataka ny hahazo ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalako; ‘satria’ hoy izy ‘nentanim-panahy aho mba hampahafantatra aminay ny fahatsapako sy ny faniriako, ary nampanantenaina aho fa tokony hahazo fanambaranan izay hampahafantatra ahy ny adidiko’” (ao amin’ny History of the Church, 2:345; jereo ihany koe ny Journals, Volume 1: 1832–1839, vol. 1 of the Journals series of The Joseph Smith Papers [2008], 137).

  • Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Lyman lazaina rehefa niteny izy hoe “nentanim-panahy” hiresaka amin’i Joseph Smith?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ilay fitahiana nomen’ny Tompo an’i Lyman Sherman satria nankatò ilay bitsika mba hiresaka amin’ny Mpaminany izy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Araka ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’i Lyman Sherman, inona no fitahiana asaintsika eo amin’ny fiainantsika rehefa mankatò ny feon’ny Tompo amin’ny zotom-po isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hamantatra izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Rehefa mankatò ny feon’ny Tompo isika dia manasa ny famelan-kelony. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manasa ny famelan-keloka ny fankatoavana ireo bitsika avy amin’ny Tompo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany fitsipika izany dia hazavao fa ny feon’ny Tompo dia afaka ny ho re amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ireo tenin’ireo mpaminaniny amin’ny andro farany, ary ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Ny fankatoavana an’ Andriamanitra dia ahitana ny famenoana ny fiainantsika amin’ireo asa atao amim-pahamarinana izay mitondra hery ara-panahy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao avy ao amin’ny Miorim-paka amin’ny finoana: “Ny fankatoavana feno dia mitondra ny hery tanteraky ny filazantsara ho ao amin’ny fiainanareo, anisan’izany ny tanjaka tsy mitsaha-mitombo mba handresena ireo fahalemenareo. Izany fankatoavana izany dia ahitana ireo fihetsika izay mety tsy neritreretinao tany am-boalohany fa tafiditra ao anatin’ny fibebahana, toy ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, fandoavana ny fahafolonkarena, fanaovana asa fanompoana ary famelana ny heloky ny hafa. Nampanantena ny Tompo hoe: ‘Izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia havela heloka’ (F&F 1:32)” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 135).

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:2 ka hitady ny torohevitry ny Tompo ho an’i Lyman Sherman rehefa nolazaina taminy fa voavela ny helony. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “hitony ny fanahinao raha ny amin’ny toeranao eo imason’ Andriamanitra”?

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no manampy ny olona iray hanana fanahy tony ilay torohevitra hoe “aza toherina intsony ny feo[n’ny Tompo]?

Angataho ny mpianatra mba hamantatra fitsipika iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1–2 momba ny zavatra entin’ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo. (Mety hahita fitsipika samihafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hanantitranterana izao manaraka izao: Mitondra fitoniana ho an’ny fanahintsika ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo.)

Mariho fa indraindray ny olona mibebaka dia manontany teny raha toa ka efa voavela tamin’ny fahotany izy ireo rehefa mbola mahatsapa ho tambesaran’izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto teny natao manaraka ireto. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny torohevitra ho an’ireo izay mety ho sahirana amin’ny fampitoniana ny fanahin’izy ireo.

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Mety tsy ho tonga indray mandeha [ilay] marain-dehiben’ny famelan-keloka. Aza milavo lefona raha toa ka tsy mahomby ianao amin’ny voalohany. Matetika ny famelana ny tenanao no ampahany sarotra indrindra amin’ny fibebahana. Ampahany amin’izany fitsapana izany ny fahakiviana. Aza milavo lefona. Ho tonga izany maraina mamirapiratra izany.

“Dia ho tonga eo amin’ny fiainanao indray ‘ilay fiadanan’ Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’. [Filip. 4:7.] Dia tsy hahatsiaro ireo fahotanao intsony ianao, tahaka Azy. Ahoana no hahafantaranao izany? Ho fantatrao izany! [Jereo ny Môsià 4:1–3.]” (“The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, nôv. 1995, 20).

  • Ahoana no hamaritanareo ny fahatsapana hoe mampitony ny fanahinareo?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3 ka hitady torohevitra hafa izay nomen’ny Tompo an’i Lyman Sherman.

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo an’ny Rahalahy Sherman? (Mba “hitsangana sy hitandrina bebe kokoa hatrizao ny fanefany ny voadi[ny].” Ny teny hoe fanefany eto dia mitovy amin’ny hoe manaiky na mankatò. Ny voady dia fampanantenana na fanekempihavanana iray.)

  • Inona ireo voady sasany izay ataontsika?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo “mitandrina bebe kokoa hatrizao” amin’ny fitandremany ny voady nataon’izy ireo. Raha ampy ny fotoana dia asao izy ireo mba hanoratra ny fomba ahafahan’izy ireo mitandrina bebe kokoa ny voady nataony.

Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hanazava ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana izay hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1–3 mamporisika azy ireo na ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hankatò ny feon’ny Tompo ka hahazo famelan-keloka.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo sy mahatsapa fitoniana mikasika ny toerana ara-panahin’izy ireo eo anoloan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:4–8

Nanome torohevitra sy fampanantenana fanampiny ho an’i Lyman Sherman ny Tompo

Anontanio ny mpianatra raha efa naheno ny atao hoe fivoriana masina. Raha misy efa naheno dia angataho izy ireo mba hanazava ny fahatakaran’izy ireo izany. Raha mila fanampiana izy ireo dia hazavao fa ny fivoriana masina iray dia fivoriana manokana ho “fanokanana ny tempoly, torolalana manokana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, ary fanohanana ny Filohan’ny Fiangonana vaovao” (David B. Haight, “Solemn Assemblies,” Ensign, nôv. 1994, 14). Tamin’ny volana desambra 1832 dia nampanantena ny Olomasina ny Tompo fa raha toa ka hanangana tempoly iray sy hanao fivoriana masina iray izy ireo dia handrotsaka fitahiana lehibe eo amin’ny Olomasina Izy (jereo ny F&F 88:70–75, 117–119). Tamin’ny volana desambra 1835, rehefa nomena an’i Lyman Sherman ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108 dia telo volana monja talohan’ny nanokanana ny tempolin’i Kirtland izany. Teo anelanelan’ny volana janoary sy mey 1836 dia nisy fivoriana maromaro natao tao Kirtland, ka ny sasany tamin’ireo dia nasongadina ho fivoriana masina. Nandritra ny herinandron’ny 27 martsa 1836, dia nisy fivoriana masina natao ho ampahany amin’ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland, anisan’izany ny fivoriana masina iray izay natao mba hanomezana torolalana manokana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay natao tamin’ny 30 martsa1836.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:4–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo tamin’i Lyman fa ho azony mandritra ilay fivoriana masina.

  • Inona no nolazain’ny Tompo tamin’i Lyman Sherman fa ho azony?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo torolalana nomen’ny Tompo an’ny Rahalahy Sherman. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Azonao atao ny manazava fa ny fampaherezana dia teny fanoroana na famporisihana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanirian’ny Tompo an’i Lyman Sherman mba hampaherezany ny rahalahiny?

Angataho ny mpianatra mba hamantatra ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8. Mety hahita fahamarinana samihafa izy ireo, ka anisan’izany izao manaraka izao: Isika dia tokony hampatanjaka ny hafa amin’ny resaka ataontsika sy ny asantsika rehetra. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny.

  • Ahoana no ahafahanareo mampatanjaka ireo izay manodidina anareo amin’ny resaka ataonao? Ahoana no ahafahanareo mampatanjaka ireo izay manodidina anareo amin’ny alalan’ny asa ataonareo?

Angataho ny mpianatra mba hamariparitra ny zavatra niainany iray rehefa nisy olona iray nampatanjaka azy ireo tamin’ny fomba izay naroson’ny Tompo tamin’i Lyman Sherman ao amin’ny andininy 7.

Asao ny mpianatra mba hieritrereitra momba ny olona iray izay azon’izy ireo ampatanjahana anio sy ny asa manokana izay ho ataon’izy ireo mba hanaovana izany.

Ampahafantaro ny mpianatra fa nijanona ho mahatoky mandra-pahafatiny i Lyman Sherman. Ny Mpaminany Joseph Smith, izay tany amin’ny fonjan’i Liberty, dia niantso sy nanendry an’i Lyman ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 16 janoary 1839, nodimandry talohan’ny nahazoany ilay taratasy avy tamin’ny Mpaminany mikasika ny antsony anefa i Lyman.

Farano amin’ny fizarana zavatra niainana iray rehefa nampatanjaka anao ny olona iray na rehefa nampatanjaka olona hafa ianao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1–2. “Voavela ny fahotanao … aoka hitony ny fanahinao”

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe:

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Rehefa tonga ny fotoana ka nanao izay rehetra azonao natao mba hibebahana amin’ny fahotanao ianao, na iza ianao na iza, na aiza misy anao na aiza, ary fanarenana sy fanonerana araka izay tsara indrindra vitanao ianao … , dia te hahao izany valinteny fanamafisana izany ianao raha toa ka nanaiky izay avy aminao ny Tompo na tsia. Mandritra ny fandinihanao ny feon’ny fieritreretanao, raha toa ianao ka mikatsaka ary mahita izany fiadanan-tsaina izany, dia amin’ny alalan’izany no ahafahanao mahafantatra fa nanaiky ny fibebahanao ny Tompo” (Stand Ye in Holy Places [1974], 185).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3. “Tandremo bebe kokoa hatrizao ny fanefanao ny voadinao”

Nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Rehefa mahatoky [ny Tompo] ianareo, mikatsaka sy manaraka ny sitrapony dia hahazo fitahiana izay tsy ho takatry ny sainareo izay misy fetra eto ambonin’ny tany. Ny Rainareo any An-danitra sy ny Zanany Masina dia mahafantatra bebe kokoa noho ianareo ny amin’izay mitondra fahasambarana. Nanome anareo ny drafitry ny fahasambarana izy ireo. Rehefa mahatakatra sy manaraka izany ianareo dia ny fahasambarana no ho fitahiana ho anareo. Rehefa mankatò an-tsitrapo sy mandray ary manaja ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’izany drafitra masina izany ianareo dia afaka manana fatra lehibe indrindra amin’ny fahafaham-po eto amin’ity fiainana ity. Eny, dia fotoan’ny fahasambarana izay mibahan-toerana aza. Hanomana ny tenanareo ho an’ny fiainana be voninahitra mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tianareo izay mendrika izany fanjakana izany ianareo” (“Trust in the Lord,” Ensign, nôv. 1995, 18).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:6. “Izay hanananao zo hitory ny filazantsarako, na aiza na aiza hanirahako anao hatrizao”

Iray tamin’ireo Filoha fiton’ny Kôlejin’ny Fitopololahy i Lyman Sherman. Rehefa nampianatra ny mpikambana ao amin’ny Fitopololahy mikasika ny antson’izy ireo mba hitory ny filazantsara ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 30 martsa 1836 dia hoy izy hoe:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Malalaka ireo Fitopololahy mba handeha any Ziona raha tiany izany na handeha na aiza na aiza halehany ka hitory ny filazantsara. Aoka ny fanavotana an’i Ziona no ho tanjontsika, ka hiezaka hanatanteraka izany amin’ny fampiakarana ny tanjaky ny tranon’ny Tompo rehetra na aiza na aiza ahitantsika izany” (Journals, Volume 1: 1832–1839, vol. 1 of the Journals series of The Joseph Smith Papers [2008], 215; ny fitsipi-panoratana sy ny mari-piatoana ary ny renintsoratra dia nampanarahana ny fenitry ny tsipelina; jereo ihany koa ny History of the Church, 2:432).