Seminera
Lesona 144: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, tapany voalohany


Lesona 144

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, Tapany 1

Fampidirana

Tamin’ny 27 jona, 1844, dia maty maritiora tao Carthage, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny, izay Filoha Mpanampy sy Patriarikin’ny Fiangonana. Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanaiky ny filazana ny fahafatesana ho maritiora mba ampidirina any amin’ny faran’ny edisiônan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny 1844 izay efa akaiky havoaka tamin’izany fotoana. Ny filazana dia niainga avy tamin’ny tantaran’ireo vavolombelona nahita maso, dia ny Loholona John Taylor sy i Willard Richards izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 izany amin’izao.

Fanamarihana: Tafiditra ao amin’ity lesona ity ny tantara maromaro izay azon’ny mpianatra vakina. Azonao atao ny manao tahadikan’ireo tantara ireo ary mizara izany amin’ny mpianatra rehefa manomboka ny fotoam-pampianarana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–7

Nampahafantarina ny famonoana an’i Joseph sy Hyrum Smith ho maritiora

Atomboy ny fotoam-pampianarana amin’ny fametrahana fanontaniana amin’ireo mpianatra raha toa tsaroan’izy ireo hoe taiza izy ireo tamin’ny nahare ny fahafatesanan’ny Filohan’ny Fiangonana na ny olona iray izay hankamamiana.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tao Nauvoo, Illinois tamin’ny taona 1844 izy ireo, ary nahare ny vaovao voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andininy ity.

  • Inona no mety ho tsapanao rehefa nahare izany tranga mampalahelo izany?

Hazavao fa maro tamin’ireo Olomasina no heniky alahelo rehefa nahare mikasika ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith. Amporisiho ireo mpianatra mba hieritreritra ireo zavatra tsapany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith rehefa mianatra momba ireo andro farany teo amin’ny fiainany izy ireo.

Ampahafantaro niaina tao anatin’ny fandriampahalemana i Joseph Smith sy ireo Olomasina nandritra ny telo taona teo ho eo tao Illinois. Na izany aza, dia nanomboka niaina fanoherana indray izy ireo rehefa tonga ny taona 1842. Nanambatra ny ezaka nataon’izy ireo hanohitra ny Mpaminany sy ny Fiangonana ireo mpiendaka avy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra tany ivelany Nanomboka natahotra sy nankahala ny tanjaka ara-pôlitikan’ny Olomasina ny olom-pirenena sasany tao Illinois. Ny sasany dia lasa nitsiriritra ny fivoarana ara-toekarenan’i Nauvoo ary lasa nitsikera fatratra ny herin’ny governemanta sy ny miaramila tao an-tananan’i Nauvoo. Nanomboka nankahala ny Olomasina ny sasany noho ny tsy fahatakarana ny momba ireo fotopampianarana sy fomba fanao miavaka ananan’ny Môrmôna, toy ny fanambadiana maro, izay nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nihemotra tamin’ny fomba ratsy ny sasany tamin’izany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha 2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 263–66, 270–71.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andiam-pehezan-teny manaraka ity:

Mpianatra 1

Tamin’ny volana jona 1844, dia nitombo izay tsy izy ny fankahalana ny Fiangonana. Nifanakalo hevitra momba ny handroahana ireo Olomasina avy tao amin’ny faritany ny olom-pirenena sasany tao Illinois, raha toa ka nanao tsikombakomba hamono an’i Joseph Smith ny sasany. Ny sasany tamin’ireo izay nioko tamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana dia mpikamban’ny Fiangonana teo aloha izay nihemotra. Tamin’ny 7 jona 1844, ireo olona nihemotra sy i William Law, izay efa mpanolotsaina faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanonta ny laharana an-gazety voalohany nantsoina hoe Nauvoo Expositor. Tamin’ny fikatsahana ny handrehitra ny hatezeran’ny vahoaka manoloana ny Mpaminany sy ny Fiangonana, no nampiasan’ireo lehilahy ireo ity gazety ity mba hanaratsiana an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. I Joseph Smith sy ny ankamaroan’ireo olona tao amin’ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo dia nahalala fa ilay gazety fandrehetana hatezerana dia hitarika herisetran’ny mpihetraketraka manoloana ny tanàna. Nanambara izy ireo fa sorisory ho an’ny vahoaka izany ka nandidy izy ireo ny handravana ny gazety Nauvoo Expositor.

Hazavao fa ny votoatin’ny Nauvoo Expositor,, miaraka amin’ny fandravana ny gazety, dia niteraka ny fitomboan’ny fankahalana ny Môrmôna. Ny tompon’ny trano printy dia nitondra fitoriana ara-panjakana manoloana an’i Joseph Smith sy ireo mpitariky ny tanàna sasany, manameloka azy ireo amin’ny fitarihana fikomiana. Afaka madiodio tamin’ilay fitoriana i Joseph Smith, fa ny fanafahana azy avy eo dia niteraka hatezerana teo amin’ny fahavalony. Rehefa niely ny tatitra fa nisy mpihetraketraka niangona mba hanafika ny tanànan’i Nauvoo dia nanambara i Joseph Smith, tamin’ny naha-ben’ny tanàna azy, fa teo ambanin’ny lalàna miaramila ny tanànan’i Nauvoo. Niaraka tamin’ny fitarihan’ny Governoran’ny Illinois Thomas Ford, dia nandidy ireo andian-tafik’i Nauvoo i Joseph mba hiaro ny tanàna.

Asao ny mpianatra iray hamaky ireto andiam-pehezan-teny roa ireto:

Mpianatra 2

Nitombo fatratra ny fihetsehana tao amin’ilay faritra ka nandeha nankany Carthage, izay ivontoeran’ny governemantan’ilay faritany, ny Governora Ford, mba hampitoniana ilay toe-draharaha nikorontana. Nanoratra tany amin’i Joseph Smith izy, izay nilazany fa ny fitsarana ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa eo anoloan’ny mpitsara tsy Môrmôna any Carthage ihany no hanome fahafaham-po ny vahoaka. Nampanantena azy ireo fiarovana tanteraka sy fitsarana ara-drariny ihany koa ny Governora Ford raha toa ka tonga an-tsitrapo izy ireo. Namaly i Joseph fa ho tandindomin-doza ny ainy mandritra izany dia izany ka tsy ho avy izy.

Rehefa nikaon-doha tamin’ireo rahalahiny momba ny zavatra hatao manaraka i Joseph Smith, dia tsapany fa raha toa ka mandao an’i Nauvoo izy sy i Hyrum ka handeha ho any Andrefana dia tsy haratra ny Olomasina tao Nauvoo. Nanaraka izany torohevitra izany, i Joseph sy i Hyrum ka niampita ny Renirano Mississipi mankany Iowa izy ireo. Na izany aza, dia nanana ahiahy mikasika ny drafitry ny Mpaminany ny sasany tamin’ireo mpikambana tao Nauvoo. Ny sasany dia nanatona azy ary nanameloka azy ho kanosa, ka nilaza hoe mandao ny Olomasina izy ary mamela azy ireo hiatrika samirery ny fanenjehana. Namaly ny Mpaminany hoe: “Raha tsy misy vidiny amin’ny namako ny aiko dia tsy misy vidiny amiko koa izany” (ao amin’ny History of the Church, 6:549). Rehefa avy nifanoro hevitra i Joseph sy i Hyrum, dia niverina tao Nauvoo izy ireo. Vao maraina ny 24 jona 1844, dia nandeha nankany Carthage izy ireo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany famakiana izany ny mpianatra, sy hikaroka ireo faminaniana nataon’i Joseph Smith teo akaikin’i Carthage.

  • Inona no zavatra nambaran’i Joseph fa hitranga aminy?

  • Inona araka ny hevitrao no mety ho tsapan’ny Mpaminany raha nandao ny fianakaviany izy, amin’ny fahafantarana fa tsy hiverina eo amin’izy ireo intsony?

  • Nahoana araka ny hevitrao i Joseph no “tony toy marainan-dohataona” raha fantany fa handeha “tahaka ny zanak’ondry ho any amin’ny mpamono azy izy”?

Hazavao fa ny Mpaminany dia nahafantatra fa ny fahafatesany dia hiaro ny ain’ireo Olomasina.

Raha niomana hoa any amin’ny fonjan’i Carthage i Hyrum Smith, dia namaky ny Etera 12: 36–38 tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ary namoritra ny sisin’ilay pejy avy eo. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany famakiana izany ny mpianatra ary hijery ny zavatra novakian’i Hyrum sy nasiany marika talohan’ny nandehanany tany amin’ny fonjan’i Carthage.

  • Nahoana ireo andininy tao amin’ny bokin’i Etera ireo araka ny hevitrao no nanan-danja tamin’i Hyrum ny namakiana izany tamin’izany fotoana?

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny andian-teny hoe “izay ahafantaran’ny olon-drehetra fa tsy voampentin’ny ranareo ny fitafiako” (F&F 135:5)?

Asao ireo mpianatra handinika ny hoe inona no fahatsapan’i Joseph sy i Hyrum raha nahafantatra izy ireo fa nanatanteraka ny antsony sy ny andraikiny tamin’ Andriamanitra araka ny fahafahany tsara indrindra.

  • Inona no zavatra afaka ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Joseph sy i Hyrum izay afaka manampy antsika amin’ny fanatanterahana ireo antso izay no raisintsika avy amin’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity famintinana ny zava-nitranga tamin’ny 25–27 jona 1844 ity:

Mpianatra 3

Tamin’ny faha 25 ny volana jona 1844, dia nandoa onitra tany Carthage i Joseph sy Hyrum Smith ary ireo mpitarika hafa ka nomena fahafahana vonjy maika mandrapanaovana fitsarana ara-dalàna hiresahana momba ny fiampangana ho nitarika fikomiana (mikasika ny fadravana ny Nauvoo Expositor). Tamin’io alina io anefa dia nosamborina sy naiditra tao amin’ny Fonjan’i Carthage i Joseph sy i Hyrum fa voampanga ho mpamadika, izay notoherin’i Joseph sy ireo mpisolovava azy fa tsy ara-dalàna satria tsy voatonona tamin’ny fotoana nandrenesana ny fandoavan’izy ireo onitra izany fiampangana izany. Tsy misy onitra azo aloha ho an’ny gadra izay voampanga fa namadika, ka noho izany dia tsy maintsy nijanona tao Carthage—izy ireo ary mbola notandidonin-doza.

Nihaona tamin’ny Governora Ford tao amin’ilay fonja i Joseph tamin’ny 26 jona 1844. Ny Governora Ford dia nieritreritra ny handeha any Nauvoo, ary i Joseph dia nangataka mba handeha koa, satria nahatsapa izy fa tsy voaro ny ainy tao Carthage. Nampanantena ny Governora Ford fa raha handao an’i Carthage izy dia hitondra an’i Joseph sy i Hyrum hiaraka aminy. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpiambina momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny Mpaminany tamin’izay hariva izay.

Tamin’ny marainan’ny 27 jona,1844, dia nanoratra taratasy ho an’i Emma i Joseph: “Tena manaiky tanteraka izao anjara izao aho, fantatro fa nohamarinina aho, ary nanao ny tsara indrindra azoko natao aho. Ilazao ny ankizy sy ireo namako fa tiako izy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 6:605). Taoriana kelin’io andro io ihany, dia nandao an’i Carthage mba hiresahana amin’ireo mponin’i Nauvoo ny Governora Ford, na dia nahafantatra ny drafitry ny mponina teo an-toerana ny hirongatra amin-kery ao amin’ny fonja sy hamono ireo voafonja aza izy. Tsy nitàna ny fampanantenany izy ary tsy nitondra an’i Joseph sy i Hyrum niaraka taminy. Talohan’ny nialany, dia nametraka ny Carthage Greys—izay milisy mpankahala mivantana indrindra niangona tao Carthage—mba hiambina ny fonja ny Governora Ford ary nandefa nody ireo milisy hafa koa izy.

Ampahafantaro ny mpianatra fa tamin’ny tolakandro mafanan’ny 27 jona, dia niaraka tamin’i Joseph sy i Hyrum tao amin’ny fonjan’i Carthage ny apôstôly John Taylor sy Willard Richards. Ny fahatsapana trotraka dia tonga tamin’ny mpaminany sy ireo izay niaraka taminy raha nipetraka tao amin’ny efitrin’ny fonja tao amin’ny rihana faharoa izy ireo. Nangataka an’i John Taylor mba hihira ny “Je rencontrais sur mon chemin” (jereo ny Cantiques, no. 17) i Hyrum Smith. Raha misy ao amin’ny fihirananao io hira io, dia asao ny mpianatra hihira andininy vitsivitsy. Rehefa mihira ny mpianatra, dia asao izy ireo hieritreritra mikasika ny mety ho dikan’io hira io tamin’i Joseph sy i Hyrum Smith tamin’izany fotoana izany .

Asao ny mpianatra telo hifandimby hamaky famintinana momba ny famonoana ho maritiora ireto. Asao ny iray mpianatra rehetra hanandrana haka sary an-tsaina ireo zava-nitranga ireo tahaka ny hoe niaraka tamin’ny Mpaminany tao amin’ny fonjan’i Carthage izy ireo.

Mpianatra 4

Fotoana fohy taorian’ny dimy ora hariva, ny 27 jona 1844, dia mpihetraketraka tokony ho sahabo 150–200 lahy teo, izay nandoko tarehy mba tsy hamantarana azy ireo, no nanodidina ny fonja. Ireo mpiambina dia tsy dia naneho fanoherana loatra raha nihanika ny tohatra izay mitondra mankany amin’ny efitra misy ny Mpaminany sy ireo namany ny sasany tamin’ireo mpihetraketraka.

I Joseph sy ireo hafa dia nanohana ny varavana mba hisorohana ireo mpihetraketraka hiditra an-keriny. Ny iray tamin’ireo mpihetraketraka dia nitifitra teo amin’ny faritra somary ambony kelin’ny tolanan’ny varavarana, ka nahavoa ny ilan’ny havia tamin’ny oron’i Hyrum. Nilofika izy, sady niteny hoe: “Maty aho!” (ao amin’ny History of the Church, 6:617). I John Taylor dia nilaza hoe: “Tsy hohadinoiko velively ilay fahatsapana fitserana sy fanajana lalina nisoritra teny amin’ny endrik’i Rahalahy Joseph rehefa nanatona akaiky an’i Hyrum ka niondrika teo aminy sy nihiaka hoe: ‘Andray! ry Hyrum rahalahiko malala!’” (ao amin’ny History of the Church, 7:102).

Mpianatra 5

Tamin’ny marainan’io andro io dia nisy vahiny iray izay nanome basy an’i Joseph. Raha niaro ireo rehetra izay tao amin’ny efitra i Joseph, dia nankeo amin’ny varavarana haingana izy ary nahazo ny sisim-baravarana mba hitifitra amin’ny basy ny tao an-dalantsara. Telo tamin’ireo bala enina ihany no nipoaka anefa, ary nandratra mpikambana maro tamin’ireo mpihetraketraka. Nampiditra an-keriny ny basiny teo amin’ilay varavarana nihilahila ireo mpihetraketraka, ary i John Taylor dia nanandrana nikapoka ireo loham-basy tamin’ny tehina.

Raha nihombo ny fifandonana teo amin’ny varavarana, dia nanandrana nitsoaka tamin’ny varavarankely iray i John Taylor. Raha niezaka ny hihoatra ny varavarankely izy, dia voatifitry avy teo amin’ny varavarana ny feny ary koa avy tany ivelany izy. Nianjera tamin’ny tany izy, ary raha nikatsaka ny handeha ao ambanin’ny fandriana akaikin’ny varavarankely izy, dia naratra mafin’ny tifitra telo hafa. Nandritra izany fotoana izany, raha nitsofoka teo amin’ny varavarana fidirana ireo basy, dia nanomboka namely azy ireo tamin’ny tehina i Willard Richards.

Mpianatra 6

Nanapa-kevitra i Joseph avy eo ny hitsoaka tamin’ny alalan’ny varavarankely, mba hiarovana ny ainy ary ny sasany dia nino hoe mba hiarovany ny ain’i Willard Richards sy i John Taylor. Raha mbola nanohy ny fanosehana ireo mpihetraketraka teo amin’ny varavarana i Willard Richards, dia nandady nankany amin’ny varavarankely nivoha ny Mpaminany. Raha nanao izany izy, dia tatran’ny bala sady avy ao anatiny no avy any ivelan’ny fonja. Nianjera avy teo amin’ny varavarankely izy, dia niteny hoe: “Ry Tompo, Andriamanitro ô!”, dia nianjera teo amin’ny teny teo ambany. Ireo mpihetraketraka tao anatin’ny fonja dia nivoaka faingana mba haka antoka ho an’ny tenany manokana fa maty i Joseph. Na dia tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana aza teo akaiky teo dia nisy olona nihiaka hoe: “Ireny ny Môrmôna!” dia lasa nitsoaka ireo mpihetraketraka rehetra. (Jereo ny History of the Church, 6:618, 620–21; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 283.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny iray kilasy ary hikaroka ny famariparitana ny anjara nahazo an’i John Taylor sy i Willard Richards. Ampahafantaro ny mpianatra fa ny sofin’i Willard Richards havia ihany no nandalovan’ny bala, izay nahatanteraka ny faminaniana iray izay nataon’i Joseph herintaona mahery talohan’izany fa “fa ho avy ny andro izay hisidinan’ny bala manodidina azy tahaka ny havandra, ary hahita ny namany hianjera eo ankavanana sy eo ankavia izy, fa tsy hisy loaka ny akanjony” (ao amin’ny History of the Church, 6:619).

Tariho any amin’ilay fehezan-teny voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1 ny sain’ireo mpianatra, ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no dikan’ny teny hoe “ho famehezana ny fijoroana ho vavolombelon’ity boky ity sy ny Bokin’ny Môrmôna” araka ny hevitrao? (Mety hanampy ny fanazavana fa amin’ity sahan-kevitra ity, ny mamehy dia fametrahana zavatra maharitra, tahaka ny fijoroana ho vavolombelona.)

Hazavao ny andian-teny hoe maty maritiora ao amin’ny andininy 1, dia manontania hoe:

  • Inona no atao hoe maritiora? (Ny olona iray izay nodimandry amin’ny maha vavolombelon’ny fahamarinanany fiainany sy ny finoany na ny tanjona hijoroany. Hazavao fa ny teny hoe maritiora dia avy amin’ny teny grika izay midika hoe vavolombelona [jereo Bible Dictionnary, “Martyr”].)

Asao ireo mpianatra hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:7, dia hikaroka ny hoe vavolombelon’ny inona ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith maritiora.

  • Tamin’ny alalan’ny fahafatesan’izy ireo ho maritiora, dia inona no fehezin’i Joseph sy i Hyrum Smith tamin’ny tenivavolombelony? (Mety ho amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka izy ireo: Namehy ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny ainy i Joseph sy i Hyrum Smith. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity sy hanoratra ny valintenin’izy ireo ao anatin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  • Ahoana no iantefan’ny fahafantaranao ny tenivavolombelon’i Joseph sy i Hyrum Smith sy ny fanirian’izy ireo ho faty ho an’ny fahamarinana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao i izay maniry ny hizara ny valinteniny mba hanao izany. Farano amin’ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelonao momba ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fandehanana mankany Carthage

Nitantara ny zavatra tsapany i Emma Smith rehefa niampita ny Reniranon’i Mississippi i Joseph vadiny mba hiverina tany Nauvoo: “Nanana ny fahatsapana ratsy indrindra teo amin’ny fiainako aho tamin’io fotoana io,” ho izy, “ary nanomboka tamin’izay fotoana izay dia fantatro mialoha fa ho faty izy” (ao amin’ny Edmund C. Briggs, “A Visit to Nauvoo in 1856,” Journal of History, ^kt. 1916, 454). Rehefa nandao ny tokantranony i Joseph mba hizotra ho any Carthage ny marainan’ny Alatsinainy 24 jona1844, dia nitodika tany amin’i Emma izy ary niteny hoe: “Emma, afaka hampianarinao hanaraka ny ohatrin’ny dadany ve ireo zanakolahy?” Namaly i Emma hoe: “Mbola hiverina ianao ry Joseph a!” Namerina fanindroany ilay fanontaniana i Joseph, ary valiny mitovy foana no nomen’i Emma. (Ao amin’ny” Edwin Rushton, Related by his son, “in Hyrum L. Andrus and Helen Mae Andrus, They Knew the Prophet [1974], 171.) Tamin’ny fotoan’ny fahafatesana ho maritiora, dia bevohoka efa-bolana i Emma. Izy sy i Joseph koa dia nanan-janaka efatra hafa izay tsy maty: Julia (13 taona), izay zaza natsangana, Joseph III (11 taona), Frederick (8 taona), ary Alexander (6 taona).

Ao ivelan’ny tranon’ny ben’ny tanàna, dia niresaka tamin’ny vahoaka izay niangona vao maraina i Joseph. Teo am-panaovana izany, dia nisitona ny akanjon’i Joseph ireo zanany lahy sady nitomany hoe: “Dada, ô, Dada aza mandeha any Carthage. Hovonoin’izy ireo any ianao.” Nanontany ny reniny raha afaka mampanantena izy fa hiverina. (Dan Jones, “The Martyrdom of Joseph and Hyrum Smith,” manuscript, 20 jan. 1855, Church History Library, Salt Lake City). Raha tsy namaly azy mivantana i Joseph dia niteny tamin’ireo Olomasina niangona hoe: “Raha tsy mandeha [any Carthage] aho, dia ny fandringanana ity tanàna ity sy ireo mponina misy eo aminy no ho vokany; ary tsy afaka mieritreritra an’ireo rahalahy sy rahavavy malalako sy ny zanak’izy ireo hiaritra ireo zava-nitranga tany Missouri ao Nauvoo indray aho. Tsia, tsaratsara ny hahafatesan’i Joseph rahalahinareo ho an’ireo rahalahiny sy anabaviny, satria vonona ny ho faty ho azy ireo aho. Vita ny asako” (ao amin’ny Dan Jones, “The Martyrdom of Joseph Smith and His Brother, Hyrum!” trans., Ronald D. Dennis, ao amin’ny Ronald D. Dennis, “The Martyrdom of Joseph Smith and His Brother Hyrum,” BYU Studies, vol. 24, no. 1 [Winter 1984], 85; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. Faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 277).

“Rehefa avy nanoroka ireo zanany kely izy izay namikitra tamin’ny akanjony ary rehefa avy nanolotra fanaovam-beloma feno fitiavana ho an’ny vadiny izay tiany indrindra, izay nitomany ihany koa, ary rehefa avy nanome fankaherezana farany ho an’ny reniny masina izay efa antitra, dia niresaka tamin’ny vahoaka rehetra izy tamim-pandresen-dahatra, nankahery azy ireo ny hahatokian’izy ireo ny amin’ny lalàna sy ny amin’ny fivavahana izay efa nampianariny azy ireo” (Ao amin’ny Dan Jones, “The Martyrdom of Joseph Smith and His Brother, Hyrum!” 85–86).

Raha nandeha nivoaka an’i Nauvoo i Joseph niaraka tamin’ireo izay nanaraka azy, dia nijanona kely teo amin’ny toerana nisy ny tempoly izy, “nijery ilay trano masina, avy eo nijery ny tanàna, ary nilaza hoe: ‘Inty no toerana tsara indrindra ary ny vahoaka maha te ho tia indrindra ambanin’ny lanitra. Kely ihany anefa no fantatr’izy ireo ny amin’ny fisedrana izay miandry azy ireo’” (History of the Church, 6:554; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 277).