Seminera
Lesona 116: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–46


Lesona 116

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–46

Fampidirana

Niasa efa ho telo taona ny Olomasina mba hananganana ny tempolin’i Kirtland. Rehefa tontosan’izy ireo izany dia nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ilay vavaka izay hatolotra tamin’ny fanokanana ny tempoly. Novakian’ny Mpaminany ho ampahany amin’ireo fotoam-bavaka fanokanana ilay vavaka tamin’ny 27 martsa 1836. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 ilay vavaka. Ity lesona ity dia miresaka momba ny ampahany voalohany amin’ilay vavaka, izay ahitana fitalahoana mba haneken’ny Tompo ny tempoly sy hanatanterahany ireo fampanantenana nataony mikasika izany, anisan’izany ny fiarovana sy ireo fitahiana ho an’ireo izay mitsaoka ao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–23

Nangataka ny Tompo i Joseph Smith mba hanaiky ny tempolin’i Kirtland sy hitahy ireo izay mitsaoka ao

Mampisehoa sarina tempoly vitsivitsy. Azonao atao ny manontany ny mpianatra raha toa ka fantatr’izy ireo ny toerana misy ny tempoly tsirairay.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana isika no manangana tempoly? Asao ny mpianatra mba hifampizara ho tsiroaroa ka hifanakalo hevitra momba ireo valin’ity fanontaniana ity. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia hazavao fa afaka mahita valiny ho an’io fanontaniana io isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109.

Sary
Tempolin’i Kirtland

Asehoy ny mpianatra ny sarin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 117; jereo koa ny LDS.org sy ny josephsmith.net). Hazavao fa niasa sy nanao fahafoizan-tena saika ho efa telo taona ireo Olomasina mba hananganana ny tempolin’i Kirtland. Hitan’izy ireo ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo fa raha mitandrina ny didiny izy ireo dia “hanan-kery hanorenana izany” (F&F 95:11). Tamin’ny 27 martsa 1836 dia nanatrika ny fotoam-bavaka fanokanana ny tempoly ireo Olomasina, ary nanolotra ny vavaka fanokanana i Joseph Smith. Nandray ireo teny tao amin’ilay vavaka tamin’ny alalan’ny fanambarana mialoha ilay fotoam-bavaka fanokanana izy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 ilay vavaka.

Sary
Ambany rihana ao amin’ny tempolin’i Kirtland

Rafitry ny rihana ambany ao amin’ny tempolin’i Kirtland jerena avy any ambony.

Hazavao fa efa ho 1.000 ireo Olomasin’ny Andro Farany nanatrika ny fotoam-bavaka fanokanana ny tempolin’i Kirtland. Mbola maro ireo naniry hanatrika, kanefa tsy tafiditra tao amin’ilay trano. Nalamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny handraisan’izy ireo anjara tamin’ny fivoriana tao amin’ny trano hafa, ary naverina tamin’izy ireo andro vitsy taty aoriana ilay fotoam-bavaka fanokanana.

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina ny fandraisana anjara tamin’ny fotoam-bavaka fanokanana ny tempolin’i Kirtland: Mahatsapa fientanentanana lehibe izy ireo mandritra ny hira fanokafana ataon’ny amboarampeo. Dia nanao lahateny i Sidney Rigdon avy eo. Aorian’ny teny fanelanelanana fohy dia manana fahafahana haneho ny fanohanana ireo mpitarika ny Fiangonana izy ireo. Dia nitsangana ny Mpaminany Joseph Smith avy eo ka namaky ilay vavaka fanokanana.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony voalohany nananganan’ny Olomasina ny Tempolin’i Kirtland.

  • Inona no antony voalohany nananganan’ny Olomasina ny tempolin’i Kirtland? (Tokony hahita ny mpianatra fa nanangana ny tempoly ny Olomasina satria nandidy ny hanaovana izany ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Mandidy antsika mba hanangana tempoly ny Tompo.)

Asao ny mpianatra iray hafa hitsangana dia hamaky ny mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo andian-teny izay mamaritra ny fahafoizan-tena nataon’ny Olomasina mba hananganana ny tempoly.

  • Inona avy ireo andian-teny tsikaritrareo? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe: “fahoriana be,” “avy amin’ny fahantranay,” ary “efa nanomezanay tamin’ny fanananay.”)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fahafoizan-tena nataon’ny Olomasina mba hananganana ny tempolin’i Kirtland dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky izao famintinana manaraka izao:

Teo anelanelan’ny volana jona 1833 sy martsa 1836 teo dia nahafoy fotoana, vola ary fananana mba hanampiana amin’ny fanorenana trano iray ho an’ny Tompo ireo mpikamban’ny Fiangonana. Natolotry ny lehilahy maimaim-poana ny asa tamin’ny fanorenana. Nanamboatra akanjo sy nanolotra toeram-ponenana ireo vehivavy. Rehefa lavitra tany amin’ny Tobin’i Ziona ny maro tamin’ireo lehilahy dia nanohy ny asa ho an’ny tempoly ireo vehivavy sasany. Ny Olomasin’ny Andro Farany sasany, toa n’i John Tanner sy i Vienna Jacques dia nanome betsaka tamin’ny hareny ho fanorenana ny tempoly. Nandray anjara tamin’ny asa vita tanana ny hafa. Ohatra, nanao batisa ny lehilahy iray izay nantsoina hoe Artemus Millet tany Kanadà i Brigham Young. Niala tamin’ny asany tamin’ny naha-mpanangana trano vato ho an’ny governemanta Kanadiana ny Rahalahy Millet ka nifindra tany Kirtland izy sy ny fianakaviany, ary nanompo tamin’ny naha-mpitari-draharaha azy tamin’ny fananganana ny tempoly izy. Nitentina teo amin’ny 60.000 dôlara amerikana teo ny tempoly—izay vola be tamin’izany fotoana izany, indrindra raha ny fahantran’ny Olomasina no jerena. Raha ampitahaina dia mitovy amin’ny 1.000.000 dôlara amerikana izany ankehitriny.

  • Inona no manaitra anareo momba ireo fahafoizan-tena nataon’ny Olomasina mba hananganana ny tempoly?

Asao ny mpianatra mba hamerina hamaky mangina ny andininy 5 ka hitady fahamarinana iray izay manazava ny antony nanaovan’ny Olomasina fahafoizan-tena be toy izany mba hanorenana ny tempoly.

  • Inona no fahamarinana hitanareo momba ny antony nanirian’ny Olomasina hanangana ny tempoly? (Ny mpianatra dia tokony hilaza fa afaka maneho ny Tenany amintsika ny Tompo ao anatin’ny tempoly. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:10–11 ka hitady izay nangatahan’i Joseph Smith mba ho ataon’ny Tompo mba hahafahan’ny olona mandray ireo fitahian’ny tempoly. Asao ilay antsasaky ny mpianatra iray hafa mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13 ka hikaroka ireo andian-teny izay manampy azy ireo hahatakatra ny fomba fanehoan’ny Tompo ny Tenany amintsika ao amin’ny tempoly. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia apetraho amin’ilay vondrona voalohany ireo fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nangatahin’i Joseph Smith mba ho ataon’ny Tompo mba hahafahan’ny olona mandray ireo fitahian’ny tempoly? (Mba hanampiana azy ireo amin’ny famindram-pony mba hahafahan’izy ireo ho mendrika eo imasony.)

  • Rehefa mikatsaka ny ho mendrika ny hiditra ny tempoly isika dia nahoana no mila ny famindram-pon’ny Tompo?

Apetraho amin’ilay vondrona faharoa izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona ireo andian-teny hitanareo fa manampy anareo hahatakatra ny fomba hanehoan’ny Tompo ny tenany amintsika ao anatin’ny tempoly? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay zarain’ny mpiara-mianatra aminy.)

Asao ny mpianatra mba hizara, tsiroaroa na amin’ny kilasy manontolo, izao zavatra niainana izay nolalovan’izy ireo ka nahatsapany ho akaikin’ny Tompo tao amin’ny tempoly. Ampahatsiahivo azy ireo fa tena masina sy natokana ho an’ny tena manokana ny zavatra niainana sasany ka tsy tokony hozaraina. Raha mety dia zarao ny zavatra niainanao manokana.

  • Inona no fiantraikan’ny fahatsapana ho akaiky ny Tompo ao anatin’ny tempoly eo amin’ny fiainanareo rehefa ety ivelan’ny tempoly?

Asao ny mpianatra mba hanohy hamaky samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:14–23 ka hikaroka ireo fitahiana fanampiny izay nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay mitsaoka azy any amin’ny tempoly.

  • Inona ireo fitahiana fanampiny izay nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay mitsaoka any amin’ny tempoly? (Tokony hahita fitahiana maro ny mpianatra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Afaka tanisainao eo amin’ny solaitrabe ireo fitahiana ireo.)

Raha miainga avy amin’ny andininy 22–23, dia inona avy ireo vokatra azo avy amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly? (Ampio ny mpianatra hahita ity fahamarinana manaraka izay mifandray amin’ny valinteny nomeny ity: ny fandraisana ireo fitahian’ny tempoly dia manome antsika hery sy fanampian’ny Tompo rehefa manompo Azy isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ny mpianatra mba hanoratra izany ao anatin’ny soratra masiny.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mitondra ny herin’ny Tompo ho fiadiana”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara ny dikan’ny hoe mitondra ny herin’ny Tompo ho fiadiana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Afaka ny hotafiana ‘amin’ny hery avy any ambony’ [F&F 95:8] ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny tranon’ny Tompo, hery izay hahafahantsika mandresy ny fakam-panahy, mankatò ireo didin’ny Tompo, ary mizara tenivavolombelona matanjaka sy tsy misy tahotra momba ny filazantsara amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ny mpifanolobodirindrina” (“Cultivating Divine Attributes,” Ensign, nôv. 1998, 27).

  • Ahoana no hahatonga izany karazana hery izany ho fitahiana ho anareo sy ny fianakavianareo? Ahoana no hahatonga izany karazana hery izany ho fitahiana ho an’ny misiônera amin’ny fotoana feno?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–46

Mangataka amin’ny Tompo mba hiaro sy hitahy ireo izay mitsaoka any amin’ny tempoly sy ireo izay mitory ny filazantsara i Joseph Smith

Manaova sarina sotron-tsokay sy sabatra eo amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny manazava fa ny sotron-tsokay dia ampiasaina mba hametahana feta eo anelanelan’ny biriky na vato. Anontanio ireo mpianatra ny mety hampiasana ny tsirairay amin’ireo fitaovana ireo amin’ny fananganana tempoly.

Sary
sotron-tsokay sy sabatra

Hazavao fa nandritra ny fananganana ny tempolin’i Kirtland dia nandrahona ny hanimba ny tempoly ireo mpihetraketraka. Ny Filoha Brigham Young dia niresaka momba ireo “mpiasa nanao rindrina, izay nihazona ny sabatra tamin’ny tanana ilany mba hiarovana azy ireo tamin’ny mpihetraketraka, raha toa ka ny tanana ilany kosa nametraka vato sy nandalorana” (Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe [1954], 415). Tamin’izany dia nila niambina ny tempoly nandritra ny alina ireo lehilahy izay niasa tamin’izany nandritra ny andro.

Hazavao fa ankoatra ny fiasana fatratra mba hiarovana ny tempoly sy ny tenan’izy ireo dia nangataka fiarovana avy tamin’ny Tompo ny Olomasina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28 ary angataho ny mpianatra rehetra hitady ilay karazana fiarovana nangatahan’i Joseph Smith tamin’ny Tompo rehefa voatsangana ny tempoly.

  • Inona no karazana fiarovana nangatahan’i Joseph?

  • Araka ny andininy 24, dia inona no azontsika atao mba handraisana izany karazana fiarovana izany?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fahazoana fiarovana amin’ny ratsy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha toa ka mendrika ny vahoakan’ny Tompo ka mitsaoka Azy any amin’ny tempoly dia tsy handresy azy ireo ny faharatsiana.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:29–46 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nivavaka ny Mpaminany mba hampangaihay ireo izay manely lainga momba ny Olomasina ary mba ho afaka hitsangana sy hanao ny asan’ny Tompo ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nangataka tamin’ny Tompo ihany koa izy mba hameno ny tempoly amin’ny voninahiny sy hanome amin’ny mpanompo ny tenivavolombelona sy hery izay ilain’izy ireo mba hitoriana ny filazantsara.

Ho famaranana dia amporisiho ny mpianatra mba hanana hatrany ny fahazoan-dalana manan-kery ho any amin’ny tempoly, na dia tsy mipetraka akaikin’ny tempoly aza izy ireo. Zarao izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Tena maniry marina ny olony ho lasa olona mazoto mankany amin’ny tempoly ny Tompo. Ny faniriana lalin’ny foko dia ny mba hahamendrika ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra handeha ho any amin’ny tempoly. … Aoka isika mba ho olona mpandeha any amin’ny tempoly sy ho olona tia ny tempoly. Aoka isika hihazakazaka ho any amin’ny tempoly matetika kokoa rehefa mamela antsika hanao izany ny fotoana sy ny fitaovana eo am-pelatanantsika ary ny toe-javatra iainantsika manokana” (“The Great Symbol of Our Membership,” Ensign, ôkt. 1994, 5).

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109. Rafitry ny tempolin’i Kirtland, rehefa jerena avy any ambony.

Ity fanehoana an-tsary ity dia mampiseho ny fandaminana ny rihana ambany tao amin’ny tempolin’i Kirtland rehefa nitranga ny fanokanana:

Sary
Ambany rihana ao amin’ny tempolin’i Kirtland

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:2–3. Ampaherezina amin’ny alalan’ny fanambarana sy didy

Teo ambany fitarihan’i Jesoa Kristy dia afaka nanatontosa zavatra lehibe kokoa noho izay ho afaka nataony tamin’ny tenany manokana ny Mpaminany Joseph Smith. Nanambara ny Filoha Brigham Young mikasika ny endrika sy ny fanorenana ny tempolin’i Kirtland nanao hoe:

Sary
Filoha Brigham Young

“Raha tsy nisy fanambarana dia tsy afaka nahafantatra araka izay niriana, mihoatra noho ny lehilahy hafa rehetra i Joseph; ary raha tsy nisy didy dia vitsy loatra ny olona tao amin’ny Fiangonana raha ny isa, zara raha nanam-pinoana, ary nahantra loatra teo amin’ny ara-bola mba hiezahana hanao asa fanorenana goavana toy izany” (Discourses of Brigham Young, nofantenan’i John A. Widtsoe 1954, 415).(Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe [1954], 415).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:5. “Avy amin’ny fahantranay no efa nanomezanay tamin’ny fanananay”

Niresaka momba ireo fahafoizan-tena izay mendrika ny ho atao mba hahazoana ireo fitahian’ny tempoly ny Filoha Thomas S. Monson:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Misy ambaratongam-pahafoizan-tena hatrany amin’ny fananganana tempoly sy ny fanatrehana tempoly. Tsy tambo isaina ireo mpikambana no niasa mafy sy sahirana mba hahafahan’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo mahazo ny fitahiana izay azo any amin’ny tempolin’ Andriamanitra.

“Nahoana no maro tahaka izany no nanome zavatra maro an-tsitrapo mba handraisany ny fitahiana avy amin’ny tempoly? Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay azo avy amin’ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo. Tsy misy halavirana be loatra handehana, na sakana betsaka loatra ho resena na fahoriana be loatra ho zakaina. Takatr’izy ireo fa ireo ôrdônansin’ny famonjena izay raisina any amin’ny tempoly no hanome antsika fahafahana indray andro any hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay ary ho tafiana amin’ireo fitahiana sy hery avy any ambony izay mendrika hanaovana ny fahafoizana sy ny ezaka rehetra” (Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 92).