Seminera
Lesona 25: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41


Lesona 25

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41

Fampidirana

Mba hanomezana ny karaman’i E. B. Grandin tamin’ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna dia nanao sonia fifanarahana momba ny fanaovana antoka ny taniny i Martin Harris tamin’ny aogositra 1829. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19, dia nandidy an’i Martin ny Tompo mba hanome malalaka ny fananany amin’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny F&F 19:26). Tamin’ny farany dia nivarotra 75,5 hektara tamin’ny taniny i Martin Harris mba hamenoana ny saran’ny fanontana printy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–24

Mijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy fa manao ny sitrapon’ny Ray Izy

Soraty eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana ity: Oviana ianao no tsy maintsy nanao zavatra iray izay fantatrao fa tsara kanefa tsy fantatrao na nampisavorovoro ny sainao izay mety ho fiafaran’izany?

Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io ny fotoam-pianarana. (Ampahatsiahivo azy ireo fa tena masina sy natokana ho an’ny tena manokana ny zavatra niainana sasany ka tsy tokony hozaraina.)

Rehefa nahazo fotoana ampy nizarana izany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto :

  • Raha toa ianao ka nampanaovina fanamby hanao zavatra iray izay tsara, kanefa tsy fantatrao izay mety ho fiafarany, dia inona no mety hanampy anao hanam-pinoana mba hanao ilay zavatra tsara na dia sarotra aza izany?

  • Mety hiova arakaraky ny olona mangataka anareo hanao ilay zavatra sarotra ve ny fihetsika asehonareo ? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Mba hampahatsiahivana amin’ny mpianatra ny sahan-kevitra ara-tantara ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia vakio mafy ny fampidirana ny lesona. Dia asao avy eo ny mpianatra hamaky mangina ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26 mba hitady hoe iza no nandidy an’i Martin Harris hanao antoka ny taniny.

  • Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Martin dia mety ho nanampy anao tamin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa avy amin’ Andriamanitra io didy io?

Hazavao fa fanapahan-kevitra sarotra ho an’i Martin Harris ilay fanapahan-kevitra mba hanome ny fananany mba hamatsiana vola ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Documents, Boky 1: Jolay 1828–Jona 1831, boky1 amin’ireo Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2013], 86, 88). Namaly ny tebitebin’i Martin ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanambarana zavatra vitsivitsy izay nilainy natao sy zavatra vitsivitsy nilainy nofantarina ny Tompo. Mamorona tsanganana roa eo amin’ny solaitrabe dia ampitondrao anarana izy ireo hoe Hatao sy Hofantarina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–24. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tian’ny Tompo hataon’i Martin sy hofantariny. Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eo amin’ny tsanganana sahaza izany eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Tokony ho hitovy amin’izao manaraka izao ilay lisitra :

Hatao

Hofantarina

Mianatra amin’i Jesoa Kristy

Mihaino ny tenin’i Jesoa Kristy

Mandeha amin’ny fahalemem-panahin’ny Fanahy

Avy amin’i Jesoa Kristy ity fanambarana ity

Nankatò ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy

Resaho amin’ny mpianatra ireo teny hoe mianatra, mihaino, ary mandeha ao amin’ilay tsanganana mitondra ny anarana hoe “Hatao.”

  • Inona no azontsika atao mba hianarana amin’i Kristy sy hihainoana ny teniny ary handehanana amin’ny fahalemem-panahiny ? (Azonao atao ny manazava fa ny halemem-panahy dia entina ilazana ny fanoavana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo an’i Martin handray ilay fanapahan-kevitra sarotra mba hanao antoka ny fananany mba hamatsiana vola ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra hamerina hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23 mba hitady ny fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Martin Harris.

  • Inona no fahamarinana nampianarin’ny Tompo an’i Martin Harris ka azontsika hampiharina eo amin’ny fiainantsika ihany koa ? (Rehefa mahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izany: Raha mianatra amin’i Kristy isika, sy mihaino ny teniny ary mandeha amin’ny fahalemem-panahiny dia hahazo fiadanana.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo na ny olona fantany ka nahazo hery mba handraisana fanapahan-kevitra sarotra satria nanome azy ireo fahatsapana fiadanana ny Fanahy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny mpianatra rehetra.

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahatsapana fiadanana anao hanao safidy tsara, na rehefa mitebiteby sy tsy milamin-tsaina aza ianao mikasika izay mety ho vokatr’izany ? (Alohan’ny hamalian’ny mpianatra io fanontaniana io dia azonao hazavaina fa “ao amin’ny soratra masina, ny fiadanana dia mety midika ho tsy fisian’ny fifandirana sy ny hotakotaka na ilay fahatoniana anaty sy fiononana ateraky ny Fanahy izay omen’ Andriamanitra ny Olomasiny mahatoky” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiadanana”scriptures.lds.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–35

Nandidy an’i Martin Harris hivarotra ny fananany ny Tompo mba ho an’ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna.

Lazao amin’ny mpianatra fa nomen’ny Tompo didy sy torohevitra fanampiny i Martin Harris. Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho ny mpianatra mandeha tsiroaroa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–35 mba hitady ireo didy sy torohevitra nomena an’i Martin. (Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hitady sy hanisy marika ny andian-teny hoe “mandidy anao Aho.”)

  • Inona no didy sy torohevitra nomen’ny Tompo an’i Martin Harris ?

Lazao amin’ny mpianatra fa nijery akaiky an’i Martin Harris ny Tompo ka dia nanome azy didy mifanaraka amin’ny toe-javatra niainany manokana. Tsy manana fampahalalana ampy isika mba hahatakarana ny antony nanomezan’ny Tompo didy manokana ho an’i Martin Harris. Kanefa nambaran’ny Tompo mazava tsara ny zavatra mety hitranga raha manao tsinontsinona ireo didy ireo i Martin.

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:33, dia inona no nolazain’ny Tompo fa hitranga raha toa i Martin ka “manao an-tsirambina” ireo didin’ Andriamanitra? (Hazavao fa eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe manao an-tsirambina dia midika hoe tsy miraharaha zavatra iray satria raisina toy ny tsy manan-danja izany.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny sasany amin’ireo didy azon’izy ireo avy amin’ny Tompo. Amporisiho izy ireo hampiditra ireo didy sy torohevitra noraisin’izy ireo manokana avy amin’ireo tsodranon’ny fisoronana sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

  • Ahoana no maha-porofon’ny fahafantaran’ny Tompo antsika sy ny fitiavany antsika an’ireo didy sy torohevitra azontsika ?

Asao ny mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay niainan’izy ireo na ny olona fantany fahoriana satria nanao tsinontsinona ny didin’ Andriamanitra izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ho voahodidin’ny olona izay mifidifidy izay didy hotandremany [ianao] ary tsy hiraharaha ireo didy hafa izay safidiany ho dikaina. Antsoiko hoe fankatoavana samy maka izay tiany izany. Ny fanaovana io fisafidifidianana io dia tsy mety. Hitarika any amin’ny fahoriana izany. Mba hiomananao hihaona amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didiny rehetra ianao” (“Hatreo am-pinoana ny ho avy,”Ensign na Liahona, mey 2011, 35).

  • Nahoana no mety ho porofo fa manao an-tsirambina ny didin’ny Tompo ny “fankatoavana samy maka izay tiany” izay nolazain’ny Loholona Nelson?

Ataovy izay hahazoan’izy ireo toky fa mahafantatra antsika tsirairay avy tahaka ny nahafantarany an’i Martin Harris ny Tompo. Ary tahaka ny nanomezany didy sy torohevitra an’i Martin mba hanampiana azy no hanomezan’ny Tompo didy sy torohevitra antsika mba hanampiana antsika. Asaivo mieritreritra ny mpianatra raha toa izy ireo ka somary manao an-tsirambina na tsy miraharaha na inona izany na inona amin’ireo didy nomen’ny Tompo azy ireo na tsia ary raha toa ka misy didy iray miavaka izay azon’izy ireo ankatoavina amin’ny fandavantena lehibe kokoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:36–41

Manoro hevitra an’i Martin Harris ny Tompo momba ny asa fanompoany

Hazavao fa tahaka an’i Martin Harris dia tsy maintsy manapa-kevitra ny hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray isika na tsia, na rehefa sarotra aza ny zavatra angatahiny. Asao ny mpianatra iray hamaky ny tapany voalohany amin’ity tantara manaraka notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson ity.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Niomana handray antso hanao asa fitoriana i Jose [Garcia] izay teraka tao anatin’ny fahantrana kanefa notezaina tao anatin’ny finoana. Teo aho tamin’ny andro izay nandraisana ny taratasy manolotra azy ho mendrika. Hita tao anatin’izany ny fanambarana hoe: ‘Ho fahafoizan-tena lehibe ho an’ny fianakaviany ny fanompoana ataon-dRahalahy Garcia satria fitaovana mamatsy ny ankabeazan’ny fanampiana ilain’ilay fianakaviana izy. Ny fananany dia zavatra iray ihany—fitambarana hajia isan-karany izay nangonina ho tahiry sarobidy—izay vonona izy ny hivarotra azy, raha ilaina, mba hanampiana ny vola amin’ny asa fitoriana hataony.’

“Nihaino tsara ny Filoha [Spencer W.] Kimball rehefa novakina taminy io filazana io, dia namaly izy avy eo hoe: ‘Asaivo amidiny ny tahirina hajiany. Ho fitahiana ho azy izany fahafoizana izany’” (“Profiles of Faith,” Ensign, nôv. 1978, 56).

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny fanapahan-kevitra sarotra toy ny an’i Jose ho mora kokoa raha toa isika ka efa nahatsapa fiadanana izay ateraky ny fankatoavana ireo didin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:36–41 mba hitady ireo fitsipika izay mety nandrisika an’i Martin Harris hankatò ny didin’ny Tompo. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Ampio ny mpianatra hitady ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38: Raha manao ny sitrapon’ny Tompo isika, dia hanome antsika fitahiana sarobidy kokoa noho ny rakitsoan’ny tany Izy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra io fahamarinana io eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38.

  • Inona no hifandraisan’io fitsipika io amin’ireo fahamarinana hafa nianaranao tato amin’ity lesona ity ?

Vakio ny famaranana ilay tantara notantarain’ny Filoha Monson ary asao ny mpianatra hihaino ny fomba nitahiana an’i Jose tamin’ny nivarotany ny tahirina hajiany:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Dia nipi-maso sy nitsiky ilay mpaminany be fitiavana sady niteny hoe: ‘Isam-bolana izahay aty amin’ny foiben’ny Fiangonana dia maharay taratasy an’arivony avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Alaivo sary an-tsaina hoe tehirizintsika ireo hajia ireo ary omentsika an’i Jose rehefa vita ny asa fitoriany. Hanana ny tahirina hajia tsara indrindra mihoatra ny tanora rehetra ao Mexique izy, kanefa tsy ho nila nividy akory’” (Profiles of Faith,” 56).

Nankatò ilay didy hanome ny fananany mba hamatsiana vola ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna i Martin Harris tamin’ny alalan’ny fanaovana antoka ary avy eo tamin’ny alalan’ny fivarotana ny 75,5 hektara tamin’ny taniny. Noho ny safidy nataon’i Martin dia fiainana an-tapitrisany no voatahy ary mbola ho voatahy hatrany.

Hamaranana ity lesona ity dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampifanarahana ny sitrapon’izy ireo amin’ny sitrapon’ny Ray.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19. Namatsy vola ny fanontana voalohany ny Bokin’i Môrmôna i Martin Harris

Nanantitrantitra ny anjara biriky manan-danja nentin’i Martin Harris tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, manao hoe:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Noho izaho manana fironam-po manokana amin’i Martin Harris dia nalahelo tokoa aho noho ny fomba hahatsiarovan’ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana azy. Mendrika zavatra tsara kokoa izy noho ny fahatsiarovana azy fotsiny ihany amin’ny hoe izy ilay lehilahy izay nahazo tamin’ny fomba tsy ara-drariny ary avy eo nanary an’ireo takila voalohany misy sora-tanana an’ny Bokin’i Môrmôna …

“Iray amin’ireo anjara biriky lehibe nentin’i Martin Harris ho an’ny Fiangonana, izay tokony hanomezam-boninahitra azy mandrakariva, ny famatsiany vola ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ny aogositra 1829 dia nataony antoka tamin’i Egbert B. Grandin ny tranony sy ny taniny mba hakana antoka fa ho voaloa ny saran’ny asa nifanarahana tamin’ilay mpanonta printy. Fito volana taty aoriana dia vita ny fanontana ireo boky 5.000 tamin’ny fanontana voalohany ny Bokin’i Môrmôna. Taoriana kelin’izay, rehefa tonga ny fetr’andron’ilay fiantohana, dia namidy 3.000 dôlara ilay trano sy ny ampahany tamin’ilay saha fambolena sy fiompiana. Araka izany dia nankatò ity fanambarana avy amin’ny Tompo ity i Martin Harris :

“‘Tsy hitsiriritanao ny fanananao ihany, fa ny hanomezanao izany malalaka ho fanontana ny Bokin’ i Môrmôna …

“‘Aloavy ny trosa izay efa nifanarahanao tamin’ ny mpanota printy. Afaho ny tenanao hiala amin’ny fatorana’ (F&F 19:26, 35)” (“The Witness: Martin Harris,” Ensign, May 1999, 36).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19. Nanatanteraka ny anjara asany tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny “tamin’ny fahafoizan-tena lehibe” i Martin Harris

“Tsy nisy tamin’ireo mponina voalohany tao Palmyra, afa-tsy ny fianakaviana Smith ihany, ka hoe ‘niharan’ny fanilikilihana’ sy niaritra ‘fanaratsiana’ avy amin’ireo mpifanolobodirindrina taminy tahaka izay nahazo an’i Martin. Tokony hotsaroantsika fa tsy nisy tamin’ireo olona voalohany izay nino ny Famerenana tamin’ny laoniny no nandray anjara biriky betsaka kokoa mihoatra an’i Martin teo amin’ny fanampiana ara-bola tamin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy nisy ny finiavany hanefa ny fitakiana ara-bola nataon’ilay mpamoaka boky dia mety ho taraiky na nahemotra ho amin’ny fotoana tsy voafetra ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna. … Ilay fanampiana ara-bola nomen’i Martin Harris, izay matetika no adino ao anatin’ireo tantara maro tsy hita isa, sy ny ady natrehan’ity lehilahy ity teo amin’ny fiainany manokana dia tena lehibe tokoa. Nobeazina mba hanampy mpaminanin’ Andriamanitra iray hiantoka ny famoahana boky voalohany tao anatin’ny Famerenana tamin’ny laoniny i Martin ary nanatanteraka io anjara asa manan-danja io tamin’ny fahafoizan-tena lehibe” (Susan Easton Black sy i Larry C. Porter, “For the Sum of Three Thousand Dollars,” Journal of Book of Mormon Studies, vol. 14, no. 2 [2005], 11).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:33. Aza manao an-tsirambina ny didin’ Andriamanitra

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe:

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Azo avy amin’ny fitandreman’ireo mpikambana ny didy ny fandriam-pahalemana iainan’ny Fiangonana. … Rehefa mitandrina ny didy izy ireo dia ho tonga ireo fitahiana” (Stephen W. Gibson, “Presidency Meets the Press,” Church News, 15 Jolay 1972, 3).

Nanazava ny Loholona Bruce A. Carlson ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Loholona Bruce A. Carlson

“Rehefa misafidy ny tsy hankatò didy iray isika, dia mazàna izany no mitranga satria (1) nandresy lahatra ny tenantsika isika fa tsy mihatra amintsika izany didy izany; (2) tsy mino isika fa manan-danja ilay didy, na (3) tena mihevitra isika fa sarotra ankatoavina loatra ilay didy” (“Rehefa mandidy ny Tompo,” Liahona, mey 2010, 38).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:34. “Omeo ny ampahany amin’ ny fanananao”

Nahatoky tamin’ilay toromarika nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 i Marti Harris ka nanome malalaka ny ampahany tamin’ny fananany mba hamatsiana ara-bola ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna. Nanana tany mamokatra tsara sahabo ho 115,5 hektara teo i Martin Harris. Efa nanome 40 hektara an’i Lucy Harris vadiny teo aloha izy ka teo amin’ny 75,5 hektara no tavela teo ambany fifehezany. Tamin’ny aogositra 1829 dia nataon’i Martin antoka no an’ilay mpanonta printy Egbert B. Grandin ireo tany 75,5 hektara ireo mba handoavana ilay 3.000 dôlara saran’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa voasonia ilay antoka dia nahatsapa ho efa nahazo ny karamany feno i E. B. Grandin, ka dia nanomboka avy hatrany ny asa fanontana ilay boky izy.

Araka ny andinindininy tao amin’ilay antoka 18 volana dia tsy notakina ny handoavan’i Martin Harris vola mitohitohy tsikelikely ary navela hijanona teo amin’ilay tany izy. Nekeny ihany koa ilay safidy iray mba hivarotra ilay tany amin’ny fotoana rehetra ka hampiasa ny vidin’izany mba handoavana ilay 3.00à dôlara nananan’i E. B. Grandin taminy. Nanana zo hivarotra ilay tany i E. B. Grandin na hanome ilay fifanarahana momba ny antoka tamin’ny olona hafa na oviana na oviana nandritra ny fe-potoan’ilay antoka. Tamin’ny ôktôbra 1830 dia namidin’i E. B. Grandin tamin’i Thomas Rogers ilay taratasy antoka, ary i Thomas Rogers io no nivarotra ilay tany tamin’i Thomas Lakey taty aoriana. Noho i E. B. Grandin nanana fahafahana hivarotra ilay antoka tamin’ny fotoana izay tiany dia voantoka ny fandaniana nataony hatramin’ny fotoana nanaovana sonia ilay taratasy momba ilay antoka. Araka izany dia nahaloa tanteraka ny vidin’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna hatrany am-piandohan’ny dingan’ny famoahana ilay boky ny antoka nataon’i Martin Harris. (Jereo ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 amin’ny Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2012], 86–89).