Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123; ny Fanorenana ny tanàn’i Nauvoo (Fizarana 26)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123; ny fanorenana ny tanàn’i Nauvoo (Fizarana 26)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 sy ny lesona mikasika “Ny Fanorenana ny tanàn’i Nauvoo” (fizarana 26) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10122)

Nahita ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny nampidirana ny Mpaminany Joseph Smith sy ny olona hafa am-ponja tao Liberty: Rehefa miantso ny Tompo isika mandritra ny fotoam-panoherana sy fijaliana dia afaka mandray ny fiadanany? Raha miaritra tsara eto an-tany isika dia hitahy antsika amin’ity fiainana ity sy amin’ny mandrakizay Andriamanitra. Ny fijaliana dia afaka manome traikefa ho antsika sy mitondra tsara ho antsika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa nijaly fanaintainana sy fijaliana ho an’ny olon-drehetra ny Mpamonjy.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33)

Rehefa nandalina momba ny fijalian’ny Olomasina sy ireo fanenjehan’ny fahavalo tany Missouri ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa mahita sy mahafantatra ny ataontsika rehetra ny Tompo ary ireo izay tsy manao ny tokony ho izy dia hizaka ny fitsaran’ Andriamanitra amin’ny fotoana mahamety izany. Nahita ihany koa izy ireo fa Andriamanitra dia hanambara fahalalana ho antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary ireo fitsapana dia afaka manampy ny fanadiovana antsika sy manomana antsika handray fanambarana.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46)

Tamin’ny alalan’ity ampahan’ny taratasy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fanentanan’ny Fanahy tao amin’ny Fonjan’i Liberty ity dia nianatra ireo mpianatra fa ny mpihazona ny fisoronana dia tsy afaka misintona ireo herin’ny lanitra raha tsy amin’ny fiainana ny fahamarinana. Ireo mpianatra dia nandinika ihany koa ireo zavatra fanao manokana izay mety hampihena na hankahery ny herin’ny mpihazona ny fisoronana.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123; ny Fanorenana ny tanàn’i Nauvoo)

Rehefa nandalina ny andraikitry ny Olomasina manoloana ny mpampijaly azy ireo ny mpianatra dia nianatra ireto fitsipika ireto izy ireo: Hanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo rehefa avy manao ny anjarantsika isika. Maro ireo tsy mahita ny fahamarinana satria tsy mahafantatra izay ahitany izany. Ny fanapahan-kevitsika hankatò na dia ny didin’ny Tompo heverina fa bitika indrindra aza dia mety hisy fiantraikany amin’ny hoavintsika. Nianatra ihany koa ny mpianatra mikasika ny nametrahana ny foiben’ny Fiangonana tany Nauvoo, Illinois ary nahita izy ireo fa ny Fikambanana Ifanampiana dia ampahany iray avy amin’ Andriamanitra tao amin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny.

Fampidirana

Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hanao famerenana ny sasantsasany tamin’ireo fampianarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–122 izay afaka manampy antsika rehefa miatrika ireo fahasarotan’ny fiainana isika. Hianatra ihany koa izy ireo fa ny fanenjehana dia afaka miantefa amin’ny fandrosoan’ny asan’ Andriamanitra fa tsy hanakana izany. Farany, dia nianatra ireo mpianatra momba ny nananganana ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo, Illinois ary nianatra ny fomba hitahian’ny Fikambanana Ifanampiana ny olona ankehitriny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–122

Ireo Olomasina dia nianatra lesona manan-danja avy tamin’ny fanenjehana azy ireo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Didy fandringanana, Fitotoam-barin’i Haun, ary Fonjan’i Liberty. Asao ireo mpianatra hampiasa ireo teny ireo mba hamintinana ny zavatra nianarany momba ny fanenjehana ny Olomasina tany Missouri ny taona 1838–39.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10; 122:7–9. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ireo andininy ireo ny Tompo no nanambara fitsipika tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mba hampiononana azy sy ny Olomasina nandritra ny fitsapana azy ireo. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ireo andininy ireo ary hijery ny fomba hanampian’ireo fampianarana ireo azy ireo mandritra ny fotoam-pitsapana. Asao hizara ny zavatra nosoratany ny vitsivitsy amin’ireo mpianatra.

Nandritra ny herinandro dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36, 41–42 izay soratra masina fehezina ny mpianatra. Azonao atao ny mangataka azy ireo hamerina izany amin’ny fanononana miaraka ny andininy 36. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo mba hanao lisitra ireo fihetsika feno fahamarinana nolazain’ny Tompo tao amin’ny andininy 41–42.

  • Iza no fantatrao fa maodely tsara mikasika ireo fitsipika feno fahamarinana ireo?

Zarao ny fankasitrahana tsapanao ho an’ny mpihazona ny fisoronana marina sy ny fitahiana afaka raisin’ny olona amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana.

Ny Fanorenana ny tanàn’i Nauvoo

Asao ny mpianatra mba hitanisa zavatra azo hamonoana afo. Avy eo dia asaivo mitanisa ireo zavatra mety hampitombo izany koa izy ireo. Hazavao fa nampitaha ny asan’ Andriamanitra amin’ny afo i Joseph Smith.

  • Mihevitra ve ianao fa ny fanenjehana ny Olomasina tany Missouri dia tahaka ny rano nanomboka namono ny asan’ Andriamanitra sa tahaka ny solika izay manampy izany hitombo? Nahoana?

Asao hamaky ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith manaraka ity ny mpianatra iray: Hazavao fa ny Mpaminany dia nanoratra ity fanambarana ity tao anatin’ny taratasy ho an’ny mpamoaka gazety iray nantsoina hoe John Wentworth ny 1 martsa 1842.

Sary
Joseph Smith Mpaminany

“Tsy nampitsahatra ny fandrosoan’ny fahamarinana ny fanenjehana fa vao mainka nanampy solika an’ilay afo. …

“ … Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afaka hanakana ny fandrosoan’ity asa ity. Handrovitsihy ny fanenjehana, hanao tambabe ny mpihetraketraka, hanambatra hery ny tafika, hitatatata ny fanaratsiana, kanefa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe fa vita ny asa” (ao amin’ny History of the Church, 4:540).

  • Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’io fanambarana io? (Mety hahita karazana fahamarinana maro samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hanamafisana ity manaraka ity: Tsy misy na inona na inona hanakana ny fandrosoan’ny asan’ Andriamanitra manerana ny tany.)

  • Inona no hitantsika ankehitriny izay maneho ity fitsipika ity?

  • Ahoana no hahafahantsika mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra?

Hazavao fa tamin’ny fotoana nanoratan’ny Mpaminany Joseph Smith ity faminaniana hita tao amin’ny taratasy nalefa tamin’i John Wentworth ity dia nanomboka niantso misiônera ny Tompo mba hitory ny filazantsara tany amin’ny firenena maro samihafa. Ilay faminaniana dia nanomboka nahitam-bokatra rehefa olona an’arivony—avy tany Grande Bretagne ny ankamaroany—no natao batisa. Nitondra hery lehibe ho an’ny Fiangonana ireo mpikambana vaovao ka maro ireo nandeha mba hitambatra tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo.

Ambarao amin’ny mpianatra fa ny vehivavin’ny Fiangonana tao Nauvoo, Illinois dia hery lehibe tamin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky ireto andiam-pehezan-teny roa ireto:

Tamin’ny taona 1842 dia niara-nivory ny vehivavy sasantsasany tao Nauvoo, Illinois mba handinika ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo. Nanangana fikambanana iray izy ireo ka nanontany ny hevitry ny Mpaminany Joseph Smith mikasika izany. Nankatoaviny izany saingy nentanim-panahy izy mba hanangana ny Fikambanana Ifanampiana “teo ambanin’ny fisoronana araka ny maodelin’ny fisoronana” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 451; jereo ihany koa ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society [2011], 12).

I Emma Smith no voantso ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany voalohany. Nampianatra ny Rahavavy Eliza R. Snow izay mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo sy filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa taty aoriana hoe: “Na dia manaraka ny toetr’andro aza ilay anarana [Fikambanana Ifanampiana] dia efa ela no niforonan’ny fikambanana. Nilaza taminay [ny Mpaminany Joseph Smith] fa nisy fikambanana sahala amin’io tao anatin’ny fiangonana fahiny” (“Female Relief Society,” Deseret News, Apr. 22, 1868, 1; jereo ihany koa ny Daughters in My Kingdom, 7).

  • Inona no zavatra azontsika ianarana mikasika ny Fikambanana Ifanampiana avy amin’ny fanambarana nataon’i Eliza R. Snow? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fikambanana Ifanampiana dia ampahany avy amin’ny fitaomam-panahy tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fahatakarana io fahamarinana io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka mikasika ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ity:

“Naorina ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampiana ireo zanakavavin’ Andriamanitra hiomana amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Ireo tanjona fototra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny mampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana, sy manamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary mitady sy manampy ireo izay sahirana” (Daughters in My Kingdom, xi).

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny zavatra nosoratany tao amin’ny diary fandalinany soratra masina ho an’ny andro faha 4, asa nampanaovina 7. (Nasaina izy ireo hiresaka amin’ny mpikamban’ny Fikambanana Ifanampiana iray ary hanoratra ny fomba sasany nitahian’ny Fikambanana Ifanampiana azy sy nanomezan’izany fahafahana azy handray anjara amin’ny asan’ny Tompo.) Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ity asa atao ity.

Farano ity lesona ity amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fanampian’ny ezaka ataon’ny lehilahy sy vehivavy mahatoky amin’ny fandrosoan’ny fiitaran’ny asan’ny Tompo maneran-tany. Asao ny mpianatra mba hiaina amim-pahatokiana mba hahafahany manohy ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–128)

Asaivo mandinika ireo fotoana izay nandraisany anjara tamin’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty izy ireo. Hazavao fa betsaka amin’ny fandalinana ho ataon’izy ireo amin’ny herinandro ambony no hikasika ny Tempolin’i Nauvoo sy ny namerenana ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty amin’ny laoniny.