Seminera
Lesona 63: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–33


Lesona 63

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–33

Fampidirana

Tamin’ny 1 Aogositra 1831, roa herinandro latsaka taorian’ny nanondroan’ny Tompo an’i Independence, Missouri ho toerana afovoan’i Ziona dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 i Joseph Smith. Ity fanambarana ity dia valinteny nomena ireo izay naniry mafy ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo teo amin’ity tany vaovao ity. Tao anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanoro hevitra ireo Olomasina mba hahatoky ao anatin’ny fahoriany sy nanazava ny antony nanirahany ny Olomasina ho any Ziona. Namporisika ireo Olomasina ihany koa ny Tompo hampiasa ny fahafahany misafidy mba hahatonga fahamarinana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–5

Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Tompo mba hahatoky ao amin’ny fahoriany

Alohan’ny hanombohan’ny fianarana dia soraty eny amin ny solaitrabe ny hoe: Ankehitriny sy ny hoe: Hoavy.

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra mba hieritreritra ny fanamby lehibe indrindra izay atrehany eo amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao.

  • Ahoana no mety hanampiana anao hiatrika ny fanamby izay iainanao amin’izao rehefa mieritreritra momba ny hoavinao, na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy ianao?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity andininy manaraka ity. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny fanamby izay niainan’ny Olomasina tao Missouri tamin’ny 1831 izay mety nitarika ny sasany tamin’izy ireo ho lasa kivy.

Tamin’ny volana Janoary1831 dia nahita andiana Indiana avy any Delaware izay nonina tany amin’ny Faritra Indiana tany ivelan’ny sisin-tany andrefan’i Missouri ny misiônera. Liana tamin’ny fianarana ny filazantsara tao amin’ny Bokin i Môrmôna ireo Indiana avy any Delaware ireo. Saingy noho ny tsy fahazoan-dalana hiditra ny Faritra Indiana sy hitory ny filazantsara ary noho ny fanoheran’ireo mpitan-draharaha niandraikitra ny Indiana teo an-toerana sy ireo mpitondra fivavahana dia voatery nandao ny faritany ny misiôneran’ny Fiangonana. Niezaka nampianatra ireo mpila ravinahitra fotsy hoditra tao Independence, Missouri sy ny manodidina ny misiônera saingy latsaky ny folo ireo olona niova fo izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny volana Jolay 1831. Rehefa nanomboka tonga tao Missouri ny loholon’ny Fiangonana avy any Ohio tamin’ny volana Jolay 1831 dia diso fanantenana tamin’ny zavatra hitany ny sasany tamin’izy ireo. Nanantena ny sasany tamin’izy ireo fa hahita fitomboana faingana eo amin’ny isan’ny mpino sy fiorem-ponenana izay voaomana handraisana ireo mpikamban’ny Fiangonana vao nifindra monina. Naneho fanahiana ny sasany satria tsy voajary ny tanin’i Independence. Ankoatra izay dia namporisihina ny sasany tamin’ireo rahalahy hijanona tao Missouri sy hividy tany mba hanomanana an’i Ziona ho an’ireo Olomasina izay ho avy any aoriana.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mety nahatonga an’io toe-javatra miseho io hahakivy ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–2. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo an’ireo loholona izay mety ho nanampy azy ireo hiatrika ny fanamby izay niainany.

  • Inona no nolazain’ny Tompo tamin’ireo loholona?

  • Ahoana no hamintinanao ny fahamarinana ao amin’ny andininy 2? (Tokony hamantatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra: Hotahiana isika raha mitandrina ny didin’ny Tompo. Ho lehibe kokoa ny valisoantsika mandrakizay raha toa isika ka mijanona ho mahatoky ao anatin’ny fahoriana. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny fehezan-teny izay mampianatra ireto fitsipika ao amin’ny andininy 2 ireto.)

Tondroy ireo teny hoe: Ankehitriny sy ny hoe: Hoavy eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3–5 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny zavatra nolazain’ny Tompo an’ireo loholona mikasika ny ankehitriny sy ny hoavin’ny Olony. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 3 , inona matetika no tsy hitantsika na takatsika rehefa miatrika fahoriana isika?

Asehoy fa toa mampiseho an-kolaka ireo andininy ireo fa tian’ny Tompo ireo loholona mba hijery lavitra mihoatra ny fitsapana izay niaretany ka hiompana kosa amin’ny hoavy be voninahitra izay hiainany raha nahatoky izy ireo. Ny hafatry ny Tompo ho an’ireo Olomasina tao Missouri dia afaka manampy antsika hiaritra ny fanamby amin’ny fitazomana antsika hifantoka amin’ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo izay maharitra am-pahatokiana ny fahoriana.

  • Ahoana no mety hanampiana anao hiaritra am-pahatokiana ny fahoriana rehefa matoky ianao fa hitahy anao ny Tompo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa voatahy rehefa nijanona ho mahatoky nandritra ny fahoriana?

Asao ny mpianatra hieritreritra indray ny fanamby lehibe indrindra izay iainany amin’izao. Amporisiho izy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny filazantsara na dia eo aza ny fanambiny mba ahafahany mahazo ny valisoa izay nomanin’ny Tompo ho azy ireo ankehitriny sy amin’ny fiainana mandrakizay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:6–13

Manazava ny antony nanirahany ny Olomasina tany Ziona ny Mpamonjy

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Efa nasaina nanao zavatra iray ve ianao nefa tsy takatrao ny antony nanirahana anao hanao izany? Nampaninona anao ilay izy?

  • Etsy ankilany, efa nisy olona ve nangataka anao hanao zavatra iray sy nanampy anao ihany koa hahatakatra ny antony hanaovana izany? Mampiova inona ny fahafantarana ny antony nanaovana izany?

Hazavao fa ny Tompo dia nanambara ny antony sasany nahatonga Azy naniraka ny olona handatsaka ny fototr’i Ziona. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:6–8 Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ary hitady ny antony nahatonga ny Tompo naniraka ny olona handatsaka ny fototr’i Ziona. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:9–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny antony iray nahatonga ny Tompo naniraka ny olona handatsaka ny fototr’i Ziona dia ny fanomanana ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia nilaza ny fanoharana iray tao amin’ny Testamenta Vaovao ny Tompo izay mampianatra fa hasaina handray ny fitahian’ny filazantsara ny vahoaka maneran-tany.

  • Ahoana no mety nanampiana ireo loholona hijanona ho mahatoky ao anatin’ny fahoriany rehefa nahafantatra izy ireo fa nasaina nanomana ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:14–23

Milaza ny andraikitry ny eveka ny Tompo ary mandidy ny Olomasina hitandrina ny lalàn’ny tany

Sary
Edward Partridge

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa niantso ny Eveka Edward Partridge ny Tompo mba hitarika ny ezaka fananganana ny tanànan’i Ziona. Nanome torolalana ny Eveka Partridge sy i Sidney Gilbert ny Tompo hijanona tao Missouri mba hitantana ny fananan’ny Fiangonana sy hividy tany tao Independence, Missouri sy ny manodidina (jereo ny F&F 57:7–8). Hazavao fa rehefa niomana nividy tany ny Olomasina dia nifanditra tamin’i Joseph Smith ny Eveka Partridge mikasika ny kalitaon’ny tany izay nofantenana. Nahatsapa izy fa ampahan-tany hafa no tokony novidiana. Nitarika fandevilevy avy amin’ny Tompo izany tsy fifankahazoan-kevitra izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:14–15. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Eveka Partridge. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Avereno jerena ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3. Ahoana no mety nanampian’ny fahamarinana nambara tao amin’io andininy io an’ny Eveka Partridge hisafidy ny hibebaka noho ny fifandirana tamin’ny Mpaminany momba ny ampahan-tany izay tokony novidiana?

Hazavao amin’ireo mpianatra fa nanaiky tamim-panentren-tena ny fandevilevin’ny Tompo ny Eveka Partridge ka voavela ny helony.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahamarinana izay nambara tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3 hanampy antsika hamaly amin’ny finoana ny didin’ny Tompo toy izay amin’ny tsy finoana sy fahajamban’ny fo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:16–20. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Eveka Partridge momba ny andraikiny amin’ny maha-eveka azy sy ny andraikiny amin’ny fanampiana amin’ny fananganana an’i Ziona.

  • Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, inona no andraikitry ny eveka?

  • Ahoana no fomba hitsaran’ny eveka ny vahoakan’ny Tompo amin’izao fotoana izao?

Fintino nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21–23 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia manantena antsika hitandrina ny lalàn’ny tany ambara-pahatongany sy ambara-panjakany mandritra ny Arivotaona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:24–33

Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Tompo hampiasa ny fahafahany misafidy mba hahatonga fahamarinana.

Lazao ireo mpianatra ity toe-javatra manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe mandeha eny an-dalana ianao ka mahita olona efa antitra mianjera amin’ny tany. Iza amin’ireto manaraka ireto no tokony hataonao?

  1. Miandry ny Fanahy hibitsika aminao fa tokony hanampy azy ianao.

  2. Miandry olon-kafa hilaza aminao ny zavatra tokony hataonao.

  3. Miandry raha misy olon-kafa hanampy.

  4. Manampy avy hatrany ilay olona nianjera tamin’ny tany.

Rehefa avy namaly ny mpianatra dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Nahoana no zava-dehibe no nanampy ilay olona fa tsy niandry toromarika avy any amin’ny olon-kafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny fitsipika izay nampianarin’ny Tompo ny Olomasina rehefa niatrika fanamby izy ireo tamin’ny fananganana ny tanànan’i Ziona. (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe: “fa izay terena amin’ny zava-drehetra” [&FF 58:26] dia entina ilazana olona izay tsy manao zavatra raha tsy takiana hanao izany.)

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanao tao amin’ny andininy 26–28? (Mety hamaly amin’ny fahamarinana tahaka ireto manaraka ireto ny mpianatra: Manana hery hisafidy ho an’ny tenantsika isika. Raha toa ka miandry ny Tompo isika hilaza amintsika ny zava-drehetra tokony hataontsika dia hamery ny valisoantsika isika. Raha toa ka mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika hanao zavatra izay mitondra fahamarinana dia hovaliana soa. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fahamarinana ireto amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)

  • Inona no “valisoa” izay lazain’ireto andinin-tsoratra masina ireto? Ahoana no mahatonga ny hoe ny fanaovantsika zavatra tsara amin’ny nahim-pontsika dia hisy fiantraikany amin’ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay na tsia?

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao hazoto hirotsaka hanao ny tsara ao an-tokantrano? Any an-tsekoly? Ao amin’ny paroasy na sampana misy anao?

Asao ny mpianatra mba hizara traikefa nananany rehefa voatahy izy ireo noho ny fampiasany ny fahafahany misafidy hanaovana ny tsara.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:29–33. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zava-mitranga amin’ireo izay tsy mampiasa ny fahafahany misafidy hanaovana ny tsara na misalasala amin’ny didin’ny Tompo.

  • Inona no zava-mitranga amin’ireo izay tsy mampiasa ny fahafahany misafidy hanaovana ny tsara na misalasala amin’ny didin’ny Tompo?

  • Ahoana no avalin’ny olona sasany rehefa tsy mandray fitahiana izy ireo noho ny hakamoany na ny tsy fankatoavany? Inona no fampitandremana izay nomen’ny Tompo ny olona tahaka izany ao amin’ny andininy 33

Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy hanao ny tsara. Asao ireo mpianatra hampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fanaovana zavatra tsara iray alohan’ny hihaonan’ny mpianatra amin’ny manaraka. Lazao ny mpianatra fa hanana fahafahana ny hizara ny zavatra nataony izy ireo ka ho tafiditra ao amin’ny lesona manaraka izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–4. “Ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be”

Ny Filoha Brigham Young dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fomba fijery mandrakizay sy ny voninahitra izay ho azon’ny olona mahatoky:

Sary
Filoha Brigham Young

“Miresaka momba ny fizahan-toetra sy ny olana mianjady amintsika eto amin’ity fiainana ity isika; nefa hevero kely hoe afaka mijery ny tenanareo ianareo afaka arivorivony na an-tapitrisa taona maro aorian’ny nanaporofoanareo fa mahatoky tamin’ny fivavahanareo ianareo nandritra ny fotoana fohy teto an-tany ka nahazo ny famonjena mandrakizay sy ny satroboninahitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Avy eo dia manao jery todika ny fiainanareo teto ka mahita ireo famoizana sy fahoriana ary fahadisoam-panantenana; … voatery hiaiky ianareo ka hilaza hoe: “Dia inona anefa ny dikan’izay? Niserana ihany ireny zavatra ireny, ary izao dia eto isika. Nahatoky isika nandritra ny fotoana fohy niainantsika teny an-tany ary izao isika dia mahazo ny fiainana mandrakizay sy ny voninahitra’” (“Remarks,” Deseret News, nôv. 9, 1859, 1). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 119–20.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3. “Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary … ny fikasan’ Andriamanitrareo”

Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nizara fanambarana nataon’i C. S. Lewis, izay nanazava fa tsy takatsika mandrakariva ny zavatra izay homanin’ Andriamanitra ho antsika:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“I C. S. Lewis, ao amin’ilay bokiny hoe Mere Christianity,Finoana Kristianina fotsiny) dia milaza amin’ny fomba miavaka ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra izay afaka manampy antsika hanombatombana ny hoe ny hany fomba hahafahan’ny fivoarana ara-panahy hiseho dia ny fanekentsika ny sitrapony:

“‘Eritrereto ho toy ny trano miaina iray ianao. Tonga Andriamanitra hanamboatra izany trano izany. Amin’ny voalohany dia mety takatrao ny zavatra ataony. Manamboatra ny tatatra Izy sy manampina ny loaka eo amin’ny tafon-trano sy ny sisa: fantatrao fa asa tsy maintsy atao ireo ka tsy mahagaga anao. Nefa izao dia manomboka ovainy amin’ny fomba izay mandratra mafy tokoa ilay trano ka toa tsy misy dikany mazava izany. Fa inona re izao ataony izao e? Ny fanazavana dia hoe manorina trano samy hafa tamin’izay nieritreretinao Izy—manitatra ny ilan’ny trano etsy, manisy rihana fanampiny eroa, mampiakatra ny tilikambo, manamboatra ny tokontany. Ianao nieritreritra fa hamboarina ho lasa trano bongokely tsotsotra kinanjo lapa no naoriny. …’ (New York: The Macmillan Company, 1952, p. 160.)” (“The Value of Home Life,” Ensign, feb. 1972, 5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:8–11 “Ny fanasan’ ny Tompo”

“Tandidon’ny fanasana roa tao amin’ny Testamenta Taloha no ampiharina amin’ny Fanasan’ny Tompo: ny ‘fanasana amin’ny zavatra matavy’ sy ny ‘divay miaraka amin’ny faikany nefa voadio tsara.’ Samy famantarana harena avokoa izy roa ireo, izay milaza fa tena zava-dehibe tokoa ny fanasana izay voalaza eto (jereo koa ny F&F 57:5–14; 65:3Matio 22:1–14; Apokalypsy 19:7–9)” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 120).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:14–15 Nibebaka tamin’ny fahotany ny Eveka Partridge

Nifanditra tamin’i Joseph Smith ny Eveka Partridge mikasika ny kalitaon’ny tany izay nofidiana tao Missouri. Nahatsapa izy fa ampahan-tany hafa no tokony novidiana. Nofaizin’ny Tompo ny Eveka Partridge noho ny fitondrantenany.

Nanaiky tamim-panetren-tena ny fandevilevin’ny Tompo ny Eveka Partridge tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58. Andro vitsy talohan’ny nanomezana ity fanambarana ity dia nanoratra tamin’ny vadiny izy: “Fantatrao fa mitana anjara andraikitra lehibe aho, ary satria faizina aho indraindray dia toa mahatsapa fa tsy hahomby, na dia tsy hamela ilay foto-kevitra aza, kanefa matahotra aho sao dia mihoatra noho ny zavatra mety ho vitako vao eken’ny Raiko any An-danitra ny andraikitro” (taratasy ho an’i Lydia Partridge, 5–7 aog. 1831, Tahirim-bokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City). Ireo tatitra momba ny fivoriana tao Ziona izay niresaka mikasika ny fifandirana teo amin’ny Mpaminany Joseph sy Eveka Partridge dia nilaza fa niteny i Partridge hoe:“miala tsiny ary tena miala tsiny foana izy” noho ilay fifandirana (Minute Book 2, 10 Mar. 1832, 23, Tahirim-bokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; jereo koa ny josephsmithpapers.org). Ny fanambarana nomena ny 11 Septambra 1831 dia nilaza fa voavela heloka i Partridge noho ny fitondrantenany (Documents, Boky 2: jolay 1831–janoary 1833, boky 2 amin’ireo Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2013], 62).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28 “Manao zavatra maro amin’ny nahim-pony”

Ny fanehoana ohatra tsara amin’ny fanarahana ny torohevitra hoe “hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara” (F&F 58:27 dia hita tao anatin’ny zavatra niainana nozarain’ny Loholona Vaughn J. Featherstone tao ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Vaughn J. Featherstone

“Fony aho tokony ho folo na iraika ambiny folo taona dia maro tamin’ny fianakavianay no tonga namangy anay. Mety efa nisy ho 35 na 40 izany. Nasain’i Neny nisakafo avokoa izy rehetra. Taorian’ny sakafo dia lasa nankany an’efitrano hafa ny olon-drehetra ary nipetraka mba hiresaka. Feno fitaovam-pisakafoana sy vilia maloto teny rehetra teny. Tsy nampirinina ny sakafo ary nisy vilany sy lapoaly maloto avy tamin’ny fikarakarana rehetra.

“Tadidiko aho nieritreritra hoe ho lasa avokoa ny olon-drehetra rehefa kelikely eo ary voatery hanao ny fanadiovana rehetra ny reniko. Nisy hevitra tonga tampoka tao anatiko. Nanomboka nanadio aho. Talohan’ny vanim-potoana nisian’ny fanasam-bilia mandeha amin’ny herinaratra izany. Tena madio mandrakariva i Neny ary nampianatra anay ny tena fomba fanasana sy famafana vilia marina. Nanomboka nanao ilay asa be aho. Farany, afaka adiny telo taty aoriana dia vitako ny nanamaina ny vilia farany. Nampirimiko avokoa ny sakafo rehetra, nodioviko ny latabatry ny lakozia sy ny koveta ary ny gorodona. Tsisy pentina ilay lakozia.

“Tsy ho adinoko mandrakizay ny endrik’i Neny nony alina rehefa lasa avokoa ireo vahiny ka tonga tao an-dakozia izy hanadio. Lena tanteraka avy eo amin’ny tratrako ka hatreny an-dohaliko aho. Ny fahitana ny endrik’i Neny fotsiny dia mendrika ny ezaka tsirairay izay nataoko. Nifangaro ny fihetseham-po sy ny fahamaivamaivanana ary ny fireharehana. Nanapa-kevitra aho hatreo fa hiezaka ny hamerina ombieny ombieny io fijery io eny amin’ny tarehiny” (“We Love Those We Serve,”New Era, mar. 1988, 19).