Seminera
Lesona 79: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–49


Lesona 79

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–49

Fampidirana

Nahita ny voninahitr’i Jesoa Kristy i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tao anatin’ilay tapany voalohany tamin’ny fahitana naseho azy ireo ny 16 Febroary 1832, ka nijoro ho vavolombelona momba Azy. Nahita an’i Satana noroahina niala teo anatrehan’ Andriamanitra noho ny fikomiana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana izy ireo. Naseho azy ireo ihany koa ireo zanaky ny fahaverezana ka nahalala ny vokatra mandrakizay ho azon’ireo izay misafidy ny hanara-dia an’i Satana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24

I Joseph Smith sy Sidney Rigdon dia nahita fahitana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

Ho an’ny hira mandritra ny vatsim-panahy dia asao ny iray kilasy hihira ny hoe “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana, pejy 76). Ny tonin’io hira io dia mety hanampy ireo mpianatra hahatsapa ny herin’ny fahamarinana izay hianarany anio.

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra ity toe-javatra miseho ity: Raha mbola tao an-dakilasy iray tany am-pianarana ianao dia manomboka miresaka mikasika ny fivavahana maneran-tany ny mpampianatrao. Mangataka ilay mpampianatra raha toa ka misy Kristianina ao an-dakilasy izay vonona ny hizara ny finoany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Raha toa ka ianao no tao anatin’io toe-javatra io dia inona no holazainao momba ny finoanao sy ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra hijery ilay kisary izay nomena azy ireo tamin’ny lesona teo aloha, izay manasongadina ny fahitana noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Hazavao fa mandritra ny lesona androany dia hianatra momba ny tapany telo voalohany tamin’ilay fahitana naseho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izy ireo. Ao amin’ny tapany voalohany dia nahita ny Ray sy ny Zanaka ao anatin’ny voninahiny izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny telo manaraka ireto:

Ny zavatra hitany Ny zavatra reny Ny zavatra nianarany

Asao ny mpianatra mba hanoratra ireo lohateny ireo ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Dia asao avy eo ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24 ary hanoratra ireo teny na andina-teny avy amin’ireo andinin-tsoratra masina eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray ho eny amin’ny solaitrabe mba ho mpanoratra. Angataho ny iray kilasy hizara ny teny na andian-teny izay hitany eo ambanin’ny lohateny roa voalohany eo am-panoratan’ilay mpianatra iray azy ireny eo ambanin’ny lohateny izay mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no fotopampianarana ampianarin’ireo andininy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy? (Asao ilay mpianatra mpanoratra mba hanoratra ny valintenin’ny iray kilasy eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe Ny zavatra nianarany.)

Mety hahita karazana fotopampianarana maro samihafa ny mpianatra, anisan’izany ity manaraka ity: Velona sy be voninahitra i Jesoa Kristy; olona roa miavaka tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy; i Jesoa Kristy irery ihany no Zanaka Lahitokan’ny Ray; Jesoa Kristy no Mpahary an’ity tontolo ity sy ny tontolo hafa; ary zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra isika.

Ampio ny mpianatra hiomanana hizara ny fahatsapany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny fahamarinana izay hitany ao amin’ny andininy 20–24 amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina (soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo):

Iza amin’ireo fahamarinana ireo no mahafeno fankasitrahana anao ary nahoana?

Iza amin’ireo fotopampianarana ireo no azonao hijoroana ho vavolombelona? Ahoana no ahafantaranao fa marina izany?

Fenoy ny banga amin’ity fehezan-teny ity: Raha ny mikasika an’i Jesoa Kristy dia fantatro fa …

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra mba hanoratany dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ao amin’ny F&F 76:22. Avy eo dia asao ny mpianatra izay vonona ny hizara ny fahatsapany sy ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty mba hanao izany. Zarao ihany koa ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–29

Mahita fahitana ny fahalavoan’i Losifera i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Omeo ny tahadikan’ity lalao marina sa diso manaraka ity ny mpianatra tsirairay, na ireo soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fehezan-teny ho an’ny lalao. Omeo torolalana ireo mpianatra hanoratra eo amin’ilay tahadika na amin’ny taratasy kely iray raha marina na diso ny filazana tsirairay.

  • ____1. Fantatra amin’ny anarana hoe Losifera i Satana.

  • ____2. Fanahy nanana fahefana teo anatrehan’ Andriamanitra i Satana.

  • ____3. Tsy nikasa ny tsy hankatò ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Satana.

  • ____4. Nisy firavoravoana tany an-danitra rehefa noroahina i Satana.

  • ____5. Niady tamin’ny Olomasin’ Andriamanitra i Satana.

Rehefa avy nameno io ankamantatra io ny mpianatra dia hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–29 dia milazalaza ny fahitana hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon momba ny fahalavoan’i Losifera. Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andininy ireo ka hanova izay mety ho diso tao amin’ny valinteniny miankina amin’ny zavatra izay novakiany. Rehefa avy nanitsy ny valinteniny ireo mpianatra dia avereno jerena miaraka ny filazana tsirairay ka asao ny mpianatra hanazava ny valinteniny amin’ny fampiasana ny zavatra nianarany. Marina ny fehezan-teny 1 (jereo ny F&F 76:26). Marina koa ny fehezan-teny 2 (jereo ny F&F 76:25–27). Azonao atao ny manazava amin’ny mpianatra fa ny anarana hoe Losiferadia midika hoe ilay mpitondra hazavana na ilay mamirapiratra. Fantatra amin’ny anarana hoe “zanaky ny maraina” ihany koa izy. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Losifera,” scriptures.lds.org.)

Rehefa manazava ny valinteniny momba ny fehezan-teny 3, izay diso (jereo ny F&F 76:25, 28) ny mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra fa nikomy i Satana. Nikasa ny hanongana ny Ray any An-danitra izy ka haka ny fahefany sy ny fanjakany ary ny voninahiny.

  • Araka ny andininy 25 dia inona no vokatry ny fikomian’i Losifera tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ity fotopampianarana manaraka ity eo amin’ny sisin’ny pejin-tsoratra masiny eo akaikin’nyandininy 25: Nikomy tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Losifera nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana ka noroahina.)

Rehefa avy nanazava ny valinteniny momba ny fehezan-teny 4, izay diso (jereo ny F&F 76:26) ny mpianatra, dia hazavao fa ny hoe Fahaverezana, izay anarana nomena an’i Losifera dia midika hoe famongorana na fanamelohana.

Rehefa avy manazava ny valinteniny momba ny fehezan-teny 5, izay marina (jereo ny F&F 76:29) ny mpianatra dia asao izy ireo hanisy marika ny andian-teny ao amin’ny andininy 29 izay mampianatra fa miady amin’ny Olomasin’ Andriamanitra i Satana.

  • Oviana no nanomboka io ady tamin’i Satana io? (Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.) Teny inona ao amin’ny andininy 29no manazava fa mitohy mandraka ankehitriny ny ady izay nanomboka tany an-danitra? (Ireo teny hoe miady sy manemitra dia samy mampiasa ny filazam-potoana ankehitriny avokoa. Mety ilainao ny manazava fa ny hoe manemitra dia midika hoe nodidinina tanteraka.)

  • Ahoana no fomba itarihan’i Satana ady amin’ny Olomasin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–49

Mahita ny fijalian’ireo zanaky ny fahaverezana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

  • Mandritra ny vanim-potoan’ny ady dia inona no atao hoe mpamadika?

Asao ireo mpianatra hanopy maso vetivety ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–32 sy hitady ireo mpamadika izay nasehon’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tao anatin’ny fahitana. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–35. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo safidy izay nitarika ny olona ho lasa zanaky ny fahaverezana.

  • Inona avy ireo safidy izay mitarika ny olona ho lasa zanaky ny fahaverezana? (Fisafidianana ny hanaraka an’i Satana, fandavana ny fahamarinana, ary ny fihantsiana ny herin’ Andriamanitra rehefa avy nahafantatra izany [jereo ny F&F 76:31]; fandavana ny Fanahy Masina taorian’ny nandraisana izany sy ny fandavana ny Mpamonjy [jereo ny F&F 76:35].)

Indraindray dia miahiahy ireo mpianatra fa zanaky ny fahaverezana ireo olon-tiany izay lasa malaindaina ao amin’ny filazantsara. Hazavao fa ny zanaky ny fahaverezana dia samy hafa amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izay nanana ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana tamin’ny fotoana iray kanefa lasa nangatsika ao amin’ny filazantsara. Ny zanaky ny fahaverezana dia mahavita ny fandavana ny Fanahy Masina, izay fahotana tsy azo ivalozana.

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Ny fahotana atao amin’ny Fanahy Masina dia mitaky fahalalana be hany ka tsy azo heverina mihitsy ny hahavitan’ny mpikambana tsotra ny fahotana toa izany” (Le Miracle du pardon [1969], 123).

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:36–49. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mikaroka ny toetry ny zanaky ny fahaverezana.

  • Ahoana no fomba hamaritanao ny fijaliana maharitra mandrakizay izay hanjò ireo zanaky ny fahaverezana ?

  • Araka ny andininy 37 dia inona no karazana fahafatesana izay ny zanaky ny fahaverezana ihany no hiaina izany?

Hazavao fa ny zanaky ny fahaverezana dia tsy ho voavotra amin’ny fahafatesana ara-panahy faharoa ary tsy handova ny fanjakam-boninahitra aorian’ny fitsanganany amin’ny maty. Fa ho solon’izay dia hijaly maharitra mandrakizay izy ireo.

Amafiso fa teo antenantenan’ilay fahitana momba ny zanaky ny fahaverezana dia nianatra fahamarinana feno fanantenana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra io fahamarinana io dia asaivo mitantara ny vaovao faran’izay tsara indrindra voarainy nandritra iny herinandro lasa iny izy ireo. (Azonao atao ny mitondra ohatra momba ny vaovao mahafaly avy ao amin’ireo gazety na loharano hafa.) Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39–43, ary angataho ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny dia hitady ireo vaovao mahafaly voarain’izao tontolo izao.

  • Inona avy ireo vaovao mahafaly noraisin’izao tontolo izao? (Azonao atao ny manazava fa ara-bakiteny, ny teny hoe filazantsara dia midika hoe vaovao mahafaly.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fotopampianarana izay nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39–43 dia asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina, lohateny fohy izay mamintina ireo “vaovao mahafaly” nampianarina ao amin’ireo andininy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny lohateniny amin’ny iray kilasy. Rehefa avy namaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ny andininy 39–43 zay mampianatra ity fotopampianarana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia handova toerana iray ao amin’ny fanjakam-boninahitra ny zanak’ Andriamanitra rehetra afa-tsy ireo zanaky ny fahaverezana.

  • Nahoana no “vaovao mahafaly” ny Sorompanavotan i Jesoa Kristy ho anao?

Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny fizarana ny valinteninao mikasika ity fanontaniana ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 Nandray ilay fahitana

Nanatrika teo i Philo Dibble rehefa nandray ilay fahitany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nilazalaza ny traikefan’i Joseph sy Sidney izy:

“Ny fahitana izay noraketina ao amin’ny Bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nomena tao an-tranon’i ‘Johnson Rainy,’ tao [Hiram], Ohio, ka nandritra ny fotoana izay nanindrian’ny fanahy an’i Joseph sy Sidney ka nisokafan’ny lanitra dia nisy lehilahy hafa tao amin’ilay efitrano, mety ho roambinifolo, ary anisan’izany aho nandritra ny ampahany tamin’ilay fotoana … Hitako ilay voninahitra ary tsapako ilay hery fa tsy nahita ilay fahitana aho. …

“Dia hiteny i Joseph, eny antsefantsefany eny hoe: ‘Inona no hitako?’ tahaka izay mety holazain’ny olona rehefa mijery eo am-baravarankely sy mahatazana ny zavatra izay tsy afaka hitan’ny olon-drehetra tao amin’ilay efitrano. Avy eo dia hitantara ny zavatra efa hitany na ny zavatra mbola jereny izy. Avy eo dia namaly i Sidney hoe: “Izaho koa mahita mitovy amin’izany.” Raha raisina toy ny hoe tamin’ilay fotoana nitrangan’ilay zavatra mihitsy dia hiteny i Sidney hoe ‘Inona no hitako?’ dia hamerina hilaza ny zavatra efa hitany na mbola nojereny, ary hamaly i Joseph hoe: “Izaho koa mahita mitovy amin’izany.”

“Io fomba fifampiresahana io dia niverimberina matetitetika mandra-pahatapitr’ilay fahitana. …

“Nipetraka mahitsy sy tony tsara i Joseph nandritra ilay voninahitra mahafinaritra, fa nalemy sy nivaloarika kosa i Sidney, toa tahaka ny torovana fatratra. Rehefa tsikariny dia nanamarika tamim-pitsikiana i Joseph hoe: “Tsy dia zatra izany tahaka ahy i Sidney’” (ao amin’ny “Fahatsiarovana ny Mpaminany Joseph Smith,” The Juvenile Instructor,15 mey 1892, 303–4).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22 “Inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra”

Ny tenivavolombelon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22 no fanambarana maoderina momba ny fisian’ny Ray sy ny Zanaka. Tsy vitan’ny hoe nahita fotsiny i Joseph sy Sidney fa nandre ihany koa ka mijoro ho toy ny vavolombelona amin’ny olon-drehetra ny tenivavolombelony. Toy izao manaraka izao no fanazavan’i Hyrum M. Smith sy Janne M. Sjodahl ilay andian-teny hoe “ny farany amin’ny rehetra”: “Io no tenivavolombelona farany momba ilay hoe velona Izy, nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra; ka tsy faran’ny fijoroana ho vavolombelona akory fa fiafarany tamin’ilay andron’io fahitana io” (Doctrine and Covenants Commentary [1972], 448). Rehefa nilaza i Joseph sy Sidney hoe “farany amin’ny rehetra” dia tsy nilaza akory izy ireo hoe izy ireo no farany handray ny tenivavolombelona na vavolombelona farany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:26 “Zanaky ny maraina iray”

Nanao fanamarihana mikasika ny anaran’i Satana hoe “zanaky ny maraina” ny Filoha George Q. Cannon tao amin ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha George Q. Cannon

“Ny sasany niantso azy hoe ilayzanaky ny maraina, kanefa eto dia hoe zanaky ny maraina iraytsy isalasalana fa iray amin’ireo maro hafa. Tena tsy isalasalana fa olona matanjaka tokoa io anjely io. Ny rakitsoratra nomena antsika dia mampiseho mazava tsara fa nanana toerana avo dia avo izy; ka noraisina ho nanana ny maha-izy azy sady natanjaka teo amin’ny tontolo nisy azy” (“Lahateny nataon’ny Filoha George Q. Cannon,” Latter-day Saints’ Millennial Star,5 Sept. 1895, 563–64).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:32–35. Lasa zanaky ny fahaverezana sy mandà ny Fanahy Masina

Nampianatra izao manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith momba ny iray amin’ireo fitondran-tena izay mahatonga ny olona iray ho zanaky ny fahaverezana—ny fandavana ny Fanahy Masina:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Inona no tsy maintsy ataon’ny olona mba hanaovana ilay fahotana tsy azo ivalozana? Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina izy, nisokatra taminy ny lanitra ary mahafantatra an’ Andriamanitra izy, ary avy eo dia nanota Taminy taty aoriana. Tsy misy fibebahana ho an’ny olona iray rehefa avy nanota tamin’ny Fanahy Masina izy. Mila milaza izy fa tsy mamiratra ny masoandro kanefa mahita izany izy, mila mandà an’i Jesoa Kristy izy rehefa avy nosokafana taminy ny lanitra ary mandà ny drafitry ny famonjena kanefa mahita ny fahamarinan’izany ny masony” (ao amin’ny History of the Church, 6:314).

Toy izao no nanazavan’ny Filoha Spencer W. Kimball azy:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Tena latsaka ambany tokoa izy ireo hany ka very ny fironana sy ny fahafahana hibebaka” (The Miracle of Forgiveness [1969], 125).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:35. “Efa nanombo Azy ary namela Azy halam-baraka mibaribary”

Nilaza ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny fanaovana ny fahotana tsy hahazoana famelan-keloka dia ahitana ny fanomboan’ny tena ny Zanakalahin’ Andriamanitra indray sy ny fanalam-baraka Azy mibaribary. (Heb. 6:4–8; F. & F. 76:34–35.) … Mamono olona izy noho izany amin’ny alalan’ny fanekena ny fahafatesan’ny Tompo. Izany hoe, manana fahalalana tomombana momba ny fahamarinana izy, kanefa sahy mikomy ampahibemaso sy mametraka ny tenany eo amin’ny toerana iray izay hanomboany an’i Kristy, na dia fantany tsara aza fa Zanakalahin’ Andriamanitra izy. Dia toy izany no anomboana indray sy amelana an’i Kristy halam-baraka ampahibemaso. (F. & F. 132:27.)” (Mormon Doctrine, Edisiôna faha-2. [1966], 816–17).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:44. “Koa mamonjy ny rehetra Izy afa-tsy ireo”

Nanazava ny dikany anankiroa samihafa mikasika ny hoe voavonjy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny hoe ‘voavonjy’ dia mety hidika koa hoe voavonjy na nafahana tamin’ny fahafatesana faharoa (izany hoe ny fahafatesana ara-panahy farany) amin’ny alalan’ny fahatokiana fa hahazo ny fanjakam-boninahitra amin’ny fiainana ho avy (jereo ny1 Kor. 15:40–42). Toy ny maha ho an’ny olon-drehetra ny Fitsanganana amin’ny maty no anamafisanay fa ny olona tsirairay izay niaina teto an-tany—afa-tsy ny olona vitsy dia vitsy—dia azo antoka fa hahazo ny famonjena amin’izay lafiny izay. …

“Nampianatra io fotopampianarana io ny mpaminany Brigham Young rehefa nilaza izy hoe: ‘ny olona tsirairay izay tsy manota amin’ny androm-pankasitrahana sy tsy lasa anjelin’ny Devoly dia havoaka mba handova ny fanjakam-boninahitra’ (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 288). Io dikan’ny hoe voavonjy io dia manome voninahitra ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika. …

“… Araka ny fampiasana iray hafa, izay mahazatra sy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany irery ihany, ny teny hoe voavonjy sy famonjena dia entina hilazana ny fisandratana na ny fiainana mandrakizay (jereo ny Abr. 2:11). Indraindray dia antsoina hoe “fahafenoan’ny famonjena” izany (Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 1:242). Mitaky mihoatra noho ny fibebahana sy fanaovana batisa amin’ny alalan’ny fahefam-pisoronana mifanaraka amin’izany io famonjena io. Izy io ihany koa dia mitaky ny fanaovana fanekempihavanana masina, izay ahitana ny fanambadiana maharitra mandrakizay any amin’ny tempolin’ Andriamanitra sy ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana ireo amin’ny faharetana hatramin’ny farany” (“Have You Been Saved?” Ensign, mey 1998, 56–57).