Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76


Fizarana 76

Fahitana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Hiram, Ohio, ny 16 febroary 1832. Ho sasin-tenin’ny fitantarana ity fahitana ity dia izao no voalazan’ny tantaran’i Joseph Smith: “Rehefa niverina avy tany amin’ny fihaonamben’i Amherst aho dia nanohy ny fandikana ny Soratra Masina. Niharihary tamin’ireo fanambarana efa voaray fa lafiny manan-danja maro momba ny famonjena ny olona no efa nesorina tao amin’ny Baiboly na very talohan’ny nanangonana azy. Miharihary ho azy avy amin’ireo fahamarinana izay tavela, fa raha mamaly ny tsirairay araka ny asa vita tao amin’ny vatana Andriamanitra, ny teny hoe ‘Lanitra,’ izay noheverina ho fonenana mandrakizay ho an’ny Olomasina, dia tsy maintsy ahitana fanjakana mihoatra ny anankiray. Araka izany … raha teo am-pandikana ny Filazantsaran’i Jaona izaho sy ny Loholona Rigdon dia nahita izao fahitana manaraka izao.” Teo am-pandikana ny Jaona 5:29 ny Mpaminany tamin’ny fotoana nanomezana ity fahitana ity.

1–4, Ny Tompo no Andriamanitra; 5–10, Hambara amin’ny mahatoky rehetra ireo misterin’ny fanjakana; 11–17, Hitsangana ny rehetra amin’ny fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina amin’ny maty; 18–24, Ny mponin’ireo tontolo maro dia zanakalahy sy zanakavavy nateraka ho an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; 25–29, Lavo ny anjelin’ Andriamanitra iray ary nanjary devoly; 30–49, Miaritra ny fanamelohana mandrakizay ireo zanaky ny fahaverezana; mahazo ambaratongam-pamonjena ny hafa rehetra; 50–70, Filazalazana ny voninahitra sy ny valisoan’ireo olona tafasandratra ao amin’ny fanjakana selestialy; 71–80, Filazalazana ny amin’ireo izay handova ny fanjakana terestrialy; 81–113, Fanazavana ny toetr’ireo izay ao amin’ny voninahitra telestialy, terestrialy ary selestialy; 114–119, Mety hahita sy hahatakatra ireo misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny olo-mahatoky amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

1 aMandrenesa ianareo, ô ry lanitra, ary mampandria sofina, ô ry tany, ary mifalia ianareo ry mponina eo aminy fa ny Tompo no bAndriamanitra, ary ankoatra Azy dia dtsy misy eMpamonjy.

2 aLehibe ny fahendreny, bmahatalanjona ny lalany ary ny fivelaran’ny ataony dia tsy misy mahafantatra.

3 Tsy mivaona ny atanjony, sady tsy misy izay afaka misakana ny tanany.

4 Mandrakizay mandrakizay dia atsy miova Izy, ary tsy bmifarana na oviana na oviana ny taonany.

5 Fa izao no lazain’ny Tompo—Izaho Tompo dia amamindra fo sy miantra ireo izay bmatahotra Ahy ary finaritra ny hankalaza ireo izay dmanompo Ahy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany.

6 Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny avoninahiny.

7 Ary amin’ireo no ahambarako ny bmistery rehetra, eny, ny mistery miafina rehetra momba ny fanjakako hatramin’ny andro fahiny sy ho an’ny taona ho avy, hampahafantariko azy ireo ny safidin’ny sitrapoko momba ny zava-drehetra mikasika ny fanjakako.

8 Eny, ireo zava-mahatalanjon’ny mandrakizay dia ho fantatr’izy ireo ary ny zavatra ho avy dia hasehoko azy ireo, dia ny zavatr’ireo taranaka maro.

9 Ary ho lehibe ny afahendreny ary ny bfahatakarany hahatratra ny lanitra; ary eo anoloany ny fahendren’ny hendry dia ho dfoana ary ny fahatakaran’ny manam-pahalalana dia hanjary ho tsinontsinona.

10 Fa amin’ny aFanahiko no bhanazavako azy ireo ary amin’ny dheriko no hampahafantarako azy ireo ny tsiambaratelon’ny sitrapoko—eny, dia ireo zavatra izay tsy mbola hitan’ny emaso, na ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona.

11 Izahay Joseph Smith zanany sy Sidney Rigdon dia anotsindrian’ny Fanahy tamin’ny andro fahenina ambin’ny folon’ny volana febroary, tamin’ny taonan’ny Tompo roa amby telopolo sy valonjato sy arivo—

12 Noho ny herin’ny aFanahy dia nosokafana ny bmasonay ary nohazavaina ny fahatakaranay mba hahita sy hahatakatra ny zavatra momba an’ Andriamanitra—

13 Dia ireo zavatra izay hatrany am-piandohana, talohan’ny nisian’izao tontolo izao, izay voatendrin’ny Ray tamin’ny alalan’ny zanany Lahitokana izay tao an-tratran’ny Ray hatrany aam-piandohana;

14 Izay momba Azy no anaovanay fanambaràna; ary ny fanambaràna izay ataonay dia ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia ny Zanaka izay hitanay, ary Taminy no aniresahanay tao amin’ny bfahitana avy any an-danitra.

15 Fa raha mbola nanao ny asa afandikan-teny izahay, izay efa notendren’ny Tompo ho anay dia tonga teo amin’ny andininy fahasivy amby roapolon’ny Jaona toko fahadimy, izay nomena anay araka izao manaraka izao—

16 Izay miresaka ny amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, momba ireo izay ahandre ny feon’ny bZanak’Olona:

17 Ary hivoaka ireo izay efa nanao ny atsara, amin’ny bfitsanganan’ny dmarina amin’ny maty; sy ireo izay efa nanao ny ratsy, amin’ny fitsanganan’ny tsy marina amin’ny maty.

18 Ankehitriny izany dia nahatonga anay hitalanjona, satria nomen’ny Fanahy anay izany.

19 Ary raha mbola anisaintsaina ireo zavatra ireo izahay, dia nikasika ny mason’ny fahatakaranay ny Tompo ary nosokafana ireo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratra nanodidina.

20 Ary tazanay ny avoninahitry ny Zanaka eo an-tanana bankavanan’ny dRay ary nandray avy tamin’ny fahafenoany izahay;

21 Ary nahita ireo aanjely masina sy ireo izay bnohamasinina eo anoloan’ny seza fiandrianany, nidera an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry izay dmidera Azy mandrakizay mandrakizay.

22 Ary ankehitriny, aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny atenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa bvelona Izy!

23 Fa ahitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ bAndriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka dLahitokan’ny Ray—

24 Fa tamin’ny aalalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo btontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho dzanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra.

25 Ary nahita izao koa izahay, ary vavolombelona manambara, fa ny aanjelin’ Andriamanitra iray izay nanana fahefana teo anatrehan’ Andriamanitra, izay nikomy tamin’ny Zanaka Lahitokana izay tian’ny Ray ary tao an-tratran’ny Ray, dia nazera avy teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Zanaka,

26 Ary natao hoe Fahaverezana izy fa nitomany azy ny lanitra—Izy no aLosifera, zanaky ny maraina.

27 Ary nahita izahay, ary indro, alavo izy! lavo, dia ilay zanaky ny maraina!

28 Ary raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay, dia nandidy anay ny Tompo hanoratanay ilay fahitana; fa nahatazana an’i Satana izahay, ilay amenarana ela, dia ny bdevoly izay dnikomy tamin’ Andriamanitra ary nikatsaka ny haka ny fanjakan’ Andriamanitsika sy i Kristiny—

29 Koa amiady amin’ny olomasin’ Andriamanitra izy ary manemitra azy manodidina.

30 Ary hitanay ny fahitana ny fijalian’ireo izay niadiany ary resiny, fa tonga toy izao taminy ny feon’ny Tompo:

31 Toy izao no lazain’ny Tompo momba ireo rehetra izay mahafantatra ny heriko sy efa natao mpandray anjara tamin’izany, saingy namela ny tenany ho aresin’ny herin’ny devoly ka handà ny fahamarinana ary hiantsy ny heriko—

32 Izy ireo no ireo izay azanaky ny bfahaverezana, izay lazaiko fa tsaratsara kokoa ho azy ireo ny tsy ho nateraka na oviana na oviana;

33 Fa izy ireo no fanaky ny fisafoahana voaozona hiaritra ny fisafoahan’ Andriamanitra miaraka amin’ny devoly sy ny anjeliny ao amin’ny mandrakizay;

34 Ny amin’izy ireo no efa nilazako fa tsy misy afamelana na eo amin’izao tontolo izao na any amin’ny tontolo ho avy—

35 Satria efa anandà ny Fanahy Masina izy ireo rehefa avy nandray izany ary efa nandà ny Zanaka Lahitokan’ny Ray sady efa bnanombo Azy ary namela Azy halam-baraka mibaribary.

36 Ireny no ireo izay handeha ho any amin’ny afarihy afo sy solifara miaraka amin’ny devoly sy ny anjeliny—

37 Ary ireo no hany hananan’ny afahafatesana faharoa hery;

38 Eny marina tokoa, ireo no ahany tsy ho voavotra amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo, aorian’ny fiaretana ny fisafoahany.

39 Fa ny sisa rehetra dia ahoentina hivoaka amin’ny bfitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, amin’ny alalan’ny fandresena sy ny voninahitry ny dZanakondry izay voavono, izay tao an-tratran’ny Ray talohan’ny nanaovana ireo tontolo.

40 Ary izao no afilazantsara, ny vaovao mahafaly izay nambaran’ny feo avy any an-danitra taminy—

41 Fa tonga teo amin’izao tontolo izao Izy, dia i Jesoa, mba ahohomboana ho an’izao tontolo izao sy bhitondra ny dfahotan’izao tontolo izao, ary mba ehanamasina izao tontolo izao sy fhanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra;

42 Mba ho amin’ny alalany no hahazoana amamonjy ny rehetra izay efa napetraky ny Ray ho eo ambany heriny sy efa nohariany;

43 Izy izay mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra afa-tsy ireo zanaky ny fahaverezana izay mandà ny Zanaka taorian’ny efa nanambaran’ny Ray Azy.

44 Koa mamonjy ny rehetra Izy afa-tsy ireo—ireo dia handeha ho any amin’ny afamaizana bmaharitra mandrakizay izay famaizana tsisy fiafarana, izay famaizana mandrakizay, ka hiara-hanjaka amin’ny ddevoly sy ny anjeliny any amin’ny mandrakizay any amin’izay tsy mahafaty ny ekankany ary tsy voavono ny afo, izany no fijaliany—

45 Ary na ny afiafarany, na ny toerany, na ny fijaliany dia tsy misy olona mahafantatra;

46 Sady tsy nambara izany, no tsy ambara ary tsy hambara amin’olona afa-tsy amin’ireo izay atao mpandray anjara amin’izany;

47 Kanefa Izaho Tompo dia mampiseho izany amin’ny maro amin’ny alalan’ny fahitana saingy manakatona izany avy hatrany indray;

48 Koa ny fiafarany, ny sakany, ny haavony, ny ahalaliny ary ny fahoriany dia tsy azony sady tsy misy olona mahazo izany afa-tsy ireo izay bvoatendry ho amin’izany dfanamelohana izany.

49 Ary renay ny feo, nanao hoe: Soraty ny fahitana fa indro izao no fiafaran’ny fahitana momba ny fijalian’ireo izay olon-dratsy.

50 Ary ankoatra izany, dia vavolombelona manambara izahay—satria nahita sy nandre izahay, ary izao no atenivavolombelon’ny filazantsaran’i Kristy momba ireo izay hivoaka amin’ny bfitsanganan’ny marina amin’ny maty—

51 Izy ireo no ireo izay nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa sy anino ny anarany ary bnatao batisa araka ny dfomban’ny fandevenana Azy, rehefa enalevina tao anaty rano tamin’ny anarany, ary izany dia araka ny didy izay efa nomeny—

52 Mba ho amin’ny fitandremana ny didiny no hahazoana amanasa sy bmanadio azy ireo amin’ny fahotany rehetra, ka handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-dtanan’ilay eatokana sy fehezina ho amin’izany fhery izany;

53 Ary izay mandresy amin’ny finoana sy afehezin’ny bFanahy Masin’ny fampanantenana izay alatsaky ny Ray amin’ireo rehetra izay mahitsy sy marina.

54 Dia izy ireo no ireo izay fiangonan’ny aLahimatoa.

55 Izy ireo no ireo izay eo an-tanany no efa nanomezan’ny Ray ny azava-drehetra.

56 Izy ireo no ireo izay ampisorona sy mpanjaka, izay efa nandray avy amin’ny fahafenoany sy avy amin’ny voninahiny;

57 Ary ampisoron’ny Avo Indrindra, araka ny lamin’i Melkizedeka, izay araka ny lamin’i bEnoka, izay araka ny dlamin’ny Zanaka Lahitokana.

58 Koa, toy izay voasoratra, dia aandriamanitra izy ireo, dia bzanakalahin’ dAndriamanitra

59 Koa ny azava-drehetra dia azy ireo, na fiainana, na fahafatesana, na ireo zavatra ankehitriny, na ireo zavatra ho avy, ny rehetra dia azy ireo ary izy ireo dia an’i Kristy ary i Kristy dia an’ Andriamanitra.

60 Ary ahandresy ny zava-drehetra izy ireo.

61 Koa aoka tsy hisy olona hanao olona ho areharehany, fa aoka kosa izy hanao an’ Andriamanitra ho breharehany, izay dhampanaiky ny fahavalo rehetra ho eo ambanin’ny tongony.

62 Ireny no ahitoetra eo banatrehan’ Andriamanitra sy i Kristiny mandrakizay mandrakizay.

63 Ireny no aireo izay hoentiny hiaraka Aminy, rehefa ho bavy eny amin’ny rahona Izy mba dhanjaka amin’ny olony ety an-tany.

64 Ireny no ireo izay hanana anjara amin’ny afitsanganana voalohany amin’ny maty.

65 Ireny no ireo izay hivoaka amin’ny afitsanganan’ny marina amin’ny maty.

66 Ireny no ireo izay efa mby eo aan-tendrombohitr’i bZiona sy ao an-tanànan’ilay Andriamanitra velona, ilay toeran-danitra, ny masina indrindra amin’ny rehetra.

67 Ireny no ireo izay efa lasa naman’ireo anjely tsy omby alinalina, ao amin’ny fihaonambe sy ny fiangonan’i aEnoka, ary ny an’ny bLahimatoa.

68 Ireny no ireo izay avoasoratra any an-danitra ny anarany, izay Andriamanitra sy i Kristy no bmpitsaran’ny rehetra.

69 Ireny no ireo izay olona amarina natao bfanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny dfanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity esorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny frany ihany.

70 Ireny no ireo izay aselestialy ny vatany, izay ny an’ny bmasoandro ny dvoninahiny, dia ny voninahitr’ Andriamanitra, ny avo indrindra amin’ny rehetra, voninahitra izay voasoratra fa toy ny masoandron’ny habakabaka ny karazany.

71 Ary ankoatra izany, dia nahita ny tontolo aterestrialy izahay, ary indro ka jereo, ireo no ireo izay anisan’ny terestrialy, ka ny voninahiny dia samy hafa amin’ny an’ny fiangonan’ny Lahimatoa izay efa nandray ny fahafenoan’ny Ray, dia tahaka ny an’ny bvolana izay samy hafa amin’ny an’ny masoandro eny amin’ny habakabaka.

72 Indro, ireo no ireo izay maty atsy nisy blalàna;

73 Ary koa ireo izay afanahin’ny olona notanana ban-tranomaizina, izay novangian’ny Zanaka, ka dnitoriany ny efilazantsara mba ho azo tsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy ireo;

74 Izay tsy nandray ny atenivavolombelon’i Jesoa tao amin’ny nofo, saingy nandray izany taty aoriana.

75 Ireo no ireo izay olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ny famitahan’ny olona.

76 Ireo no ireo izay mandray amin’ny voninahiny saingy tsy mandray amin’ny fahafenoany.

77 Ireo no ireo izay mandray amin’ny maha-eo ny Zanaka, saingy tsy mandray amin’ny fahafenoan’ny Ray.

78 Koa avatana terestrialy ireo fa tsy vatana selestialy, ary hafa ny voninahiny, tahaka ny maha-hafa ny volana amin’ny masoandro.

79 Ireo no ireo izay tsy amaherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa; koa tsy mahazo ny satroboninahitry ny fanjakan’ Andriamanitsika ireo.

80 Ary ankehitriny dia izany no fiafaran’ny fahitana izay hitanay momba ny terestrialy izay nandidian’ny Tompo anay hosoratana, raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay.

81 Ary ankoatra izany dia nahita ny voninahitry ny atelestialy izahay, dia voninahitra izay ambany, dia tahaka ny maha-hafa ny voninahitr’ireo kintana amin’ny voninahitry ny volana eny amin’ny habakabaka.

82 Ireo no ireo izay tsy nandray ny filazantsaran’i Kristy sy ny atenivavolombelon’i Jesoa.

83 Ireo no ireo izay tsy nandà ny Fanahy Masina.

84 Ireo no ireo izay atsipy any amin’ny ahelo.

85 Ireo no ireo izay tsy havotana amin’ny adevoly mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty bfarany, mandra-pahavitan’ny Tompo, dia i Kristy ilay dZanakondry ny asany.

86 Ireo no ireo izay tsy mandray ny amin’ny fahafenoany any amin’ny tontolon’ny mandrakizay, fa mandray ny amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanompoan’ny terestrialy;

87 Ary ny terestrialy amin’ny alalan’ny afanompoan’ny selestialy.

88 Ary ny telestialy koa dia mandray izany amin’ny alalan’ny fanompoan’ny anjely izay voatendry hiahy azy ireo, na izay voatendry ho fanahy mpiahy azy ireo; fa izy ireo dia ho mpandova ny famonjena.

89 Ary dia toy izany no nahitanay, tao amin’ny fahitana avy any an-danitra, ny voninahitry ny telestialy izay manoatra noho ny fahatakaran’ny saina rehetra;

90 Ary tsy misy olona mahafantatra izany afa-tsy izay nanambaran’ Andriamanitra izany.

91 Ary dia toy izany no nahitanay ny voninahitry ny terestrialy izay manoatra noho ny voninahitry ny telestialy amin’ny zava-drehetra, dia amin’ny voninahitra sy amin-kery ary amin’ny tanjaka sy amin’ny fanapahana.

92 Ary dia toy izany no nahitanay ny voninahitry ny selestialy izay manoatra noho ny zava-drehetra—izay anjakan’ Andriamanitra, dia ny Ray, eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay mandrakizay;

93 Eo anoloan’ny seza fiandrianany izay iankohofan’ny zava-drehetra amin’ny afanajana feno fanetrentena, ary anomezany voninahitra Azy mandrakizay mandrakizay.

94 Ireo izay mitoetra eo aanatrehany no fiangonan’ny bLahimatoa; ary mahita izy ireo tahaka ny ahitana azy ireo, ary dmahafantatra izy ireo tahaka ny ahafantarana azy ireo rehefa nandray tamin’ny fahafenoany sy tamin’ny efahasoavany;

95 Ary ataony amitovy izy ireo amin-kery sy amin’ny tanjaka ary amin’ny fanapahana.

96 Ary iray ny voninahitry ny selestialy dia tahaka ny maha-iray ny voninahitry ny amasoandro.

97 Ary iray ny voninahitry ny terestrialy, tahaka ny maha-iray ny voninahitry ny volana.

98 Ary iray ny voninahitry ny telestialy, tahaka ny maha-iray ny voninahitry ny kintana; fa tahaka ny kintana anankiray hafa voninahitra noho ny kintana anankiray, dia hafa voninahitra ny anankiray noho ny anankiray ao amin’ny tontolo telestialy;

99 Fa ireny no ireo izay an’i aPaoly sy an’i Apôlôsy ary an’i Kefasy.

100 Ireny no ireo izay milaza fa izy ireo dia an’ny anankiray ary ny sasany dia an’ny iray hafa—ny sasany an’i Kristy ary ny sasany an’i Jaona, ary ny sasany an’i Mosesy, ary ny sasany an’i Elià, ary ny sasany an’i Esaia, ary ny sasany an’i Isaia, ary ny sasany an’i Enoka;

101 Nefa tsy noraisiny ny filazantsara, na ny tenivavolombelon’i Jesoa, na ireo mpaminany, na ny afanekempihavanana maharitra mandrakizay.

102 Farany indrindra, dia ireny no ireo izay tsy hiara-hangonina amin’ny olomasina mba ahakarina ho ao amin’ny bfiangonan’ny Lahimatoa ary horaisina eny amin’ny habakabaka.

103 Ireny no aireo izay bmpandainga sy mpanompo sampy sy dmpanitsakitsa-bady sy mpijangajanga ary izay rehetra tia sy manao lainga.

104 Ireny no ireo izay miaritra ny afisafoahan’ Andriamanitra ety an-tany.

105 Ireny no ireo izay miaritra ny afamalian’ny afo mandrakizay.

106 Ireny no ireo izay atsipy any amin’ny ahelo sy bmiaritra ny fisafoahan’ Andriamanitra dTsitoha ambara-pahatongan’ny efotoam-pahafenoana, rehefa avy fmampanaiky ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony i Kristy ary gnanatanteraka ny asany;

107 Rehefa hanolotra ny fanjakana Izy ary hanome ny Ray izany, tsisy pentina, hanao hoe: Efa nandresy Aho ary efa ananosihosy irery ny bfamiazam-boaloboka, dia ny famiazam-boaloboky ny firehetan’ny fisafoahan’ Andriamanitra Tsitoha.

108 Amin’izay dia hosatrohina ny satroboninahitry ny voninahiny Izy ka hipetraka eo amin’ny aseza fiandrianan’ny heriny mba hanjaka mandrakizay mandrakizay.

109 Nefa indro, ka jereo, nahita ny voninahitry ny mponin’ny tontolo telestialy izahay, fa izy ireo dia tsy omby alinalina tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaky ny lanitra na tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina;

110 Ary nandre ny feon’ny Tompo nanao hoe: Ireo rehetra ireo dia hampilefitra ny lohaliny, ary ny lela rehetra dia ahanaiky ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay mandrakizay;

111 Fa izy ireo dia hotsaraina araka ny asany, ary ny olona tsirairay dia handray araka ny aasany avy, ny fanapahany ao amin’ireo bfitoerana izay efa voaomana;

112 Ary ho mpanompon’ny Avo Indrindra izy ireo; saingy any aamin’izay bitoeran’ Andriamanitra sy i Kristy dia tsy azony aleha, tontolo tsisy fiafarana.

113 Izay no fiafaran’ny fahitana izay hitanay, izay nandidiana anay hosoratana raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay.

114 Saingy alehibe sy mahatalanjona ny asan’ny Tompo, mbamin’ireo bmisterin’ny fanjakany izay nasehony anay, izay manoatra noho ny fahatakarana rehetra amin’ny voninahitra sy amin’ny hery ary amin’ny fanapahana;

115 Izay nandidiany anay tsy hosoratana raha mbola notsindrian’ny Fanahy izahay, ary tsy aazon’ny olona tenenina;

116 Sady tsy avitan’ny olona ny mampahafantatra azy ireny, satria izy ireny dia tsy natao ho hita sy bhotakarina afa-tsy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izay atolotr’ Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy ary manadio ny tenany eo anoloany;

117 Izay omeny izany tombontsoa hahita sy hahafantatra ho an’ny tenan’izy ireo izany;

118 Mba ho amin’ny alalan’ny hery sy ny fanehoana ny Fanahy, raha mbola ao amin’ny nofo izy ireo, no hahatantesan’izy ireo ny fanatrehana Azy ao amin’ny tontolon’ny voninahitra.

119 Ary ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry anie ny voninahitra, ny laza ary ny fanapahana mandrakizay mandrakizay. Amena.