Seminera
Lesona 15: Joseph Smith—Tantara 1:66–67; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7


Lesona 15

Joseph Smith—Tantara 1:66–67; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7

Fampidirana

Tamin’ny lohataonan’ny 1829 dia nahatsapa fahamehana lehibe amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith. Hitany fa tena voafetra be ny fotoana handikany noho ny filàna miasa mba hamelomana ny fianakaviany. I Emma sy i Samuel rahalahin’i Joseph no nanampy ho mpitantsoratra, kanefa tsy afaka nanao izany tamin’ny fotoana feno izy ireo. Efa herintaona sy tapany mahery no tany amin’i Joseph ireo takelaka ary noho ny fahaverezan’ireo takila 116 natao sora-tanana dia takila voadika vitsivitsy no nananany. Nivavaka i Joseph mba handefasan’ny Tompo olona iray izay afaka manampy azy tamin’ny asa fandikan-teny. Ho valin’ny vavak’i Joseph dia nandefa an’i Oliver Cowdery mba ho mpitantsoratra ny Tompo.

Nomena fotoana fohy taorian’ny fahatongavan’i Oliver ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6 sy 7. Ahitana ny toromarika ho an’i Oliver mikasika ny anjara asany amin’ny asan’ Andriamanitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7 dia ahitana ny dikantenin’ny asa soratra sasantsasany nataon’i Jaona ilay Lalaina, izay mampianatra fa ny Tompo dia nanaiky ny fanirian’i Jaona hiaina sy hitondra fanahy eo amin’i Jesoa Kristy ambara-pahatongan’ny Fiavian’i Jesoa Fanindroany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:66–67; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:1–9

Lasa mpitantsoratr’i Joseph Smith i Oliver Cowdery

Manaova sarina takamoa sy masoandro miposaka eo amin’ny solaitrabe.

Sary
sarina takamoa
Sary
sarina masoandro miposaka
  • Inona ny fahasamihafana misy eo amin’ny fandefasana takamoa iray sy ny fijerena fiposahan’ny masoandro iray? (Mety hilaza fahasamihafana maro ny mpianatra kanefa hazavao fa mahita fahazavana eo no ho eo ianao amin’ny anankiray, ary mahita izany tsikelikely ianao amin’ilay iray hafa.)

Hazavao fa nampiasa io fifanahafana io ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hampianarana momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Nampianatra izy fa indraindray ny fanambarana dia tonga “amin’ny fomba haingana sy feno, ary indray mandeha miaraka [tahaka ny fandefasana jiro iray ao anatin’ny efitra maizina iray]. … [Kanefa], ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana” (“Ny Fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88). Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo fotoana namalian’ny Tompo teo no ho eo ny vavak’izy ireo sy ireo fotoana namaliany izany tsikelikely. Eo am-pandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6 anio, dia amporisihio izy ireo mba hitady ireo fahamarinana izay hanampy azy hahafantatra ny fotoana hanomezan’ Andriamanitra fanambarana azy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ara-tantara ho an’ity fanambarana ity dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezanteny voalohany ao amin’ny fampidirana ity lesona ity. Avy eo dia asao ny mpianatra rehetra hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:66–67 ka hamantatra ny fomba nanampian’ny Ray any An-danitra an’i Joseph tamin’ny ezaka nataony handika haingana kokoa.

  • Inona no nataon’ny Tompo ho valin’ny fangatahan’i Joseph olona iray hanampy azy handika teny?

Rehefa avy manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia hazavao fa niainga avy tany Palmyra, New York, izay mihoatra ny 225 kilaometatra i Oliver Cowdery mba hijery an’i Joseph tany Harmony, Pennsylvanie (jereo ny Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Sarintany 1, “Etazonia Avaratra Atsinanana”), ary tonga andro vitsy monja taorian’ny nangatahan’i Joseph fanampiana izy.

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nanombohan’i Oliver nanompo tho mpitantsoratr’i Joseph dia nahazo fanambarana i Joseph izay ahitana ny firesahan’ny Tompo tamin’i Oliver. Milaza momba ireo fanirian’i Oliver ity fanambarana ity ary toa mamaly ireo fanontaniana napetrany tamin’ny alalan’ny vavaka kanefa tsy naborany an’i Joseph. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5–6, 8 ary hitady zavatra izay maneho fa nahafantatra ny fanirian’i Oliver ny Tompo.

  • Inona momba an’i Oliver no ambaran’ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ny ezaka nataon’i Oliver hanao dia 225 kilaometatra mba hanampy an’i Joseph amintsika?

Fanamarihana: Ny andininy 1–9 dia miverina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, izay fanambarana iray ho an’i Hyrum Smith, ary horesahina bebe kokoa ao anatin’izany lesona izany ao aoriana ao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–24

Nanome toky an’i Oliver Cowdery ny Tompo ny amin’ny fahamarinan’ilay asa

Asaivo mandinika ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra:

  • Efa nandray valinteny avy amin’ Andriamanitra ve ianareo ka niahiahy na nikorontan-tsaina mikasika ilay valinteny taty aoriana? (Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Afaka mizara zavatra iray niainanao ihany koa ianao. Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa saropady na mikasika be loatra ny tena manokana ny zavatra niainana sasany ka tsy tokony hozaraina.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niteny tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo fa nanana ny fanahin’ny fanambarana izy. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–17, 20, hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Oliver momba ny fahazoana sy famantarana fanambarana.

  • Inona ireo fahamarinana nampianarin’ny Tompo an’i Oliver momba ny fahazoana sy famantarana fanambarana?

Mety hilaza ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra. Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe rehefa mamantatra izany ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Rehefa mikatsaka valinteny avy amin’ny Ray any An-danitra isika dia hanome toromarika ho antsika Izy.

Hanazava ny saintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo.

Fantatr’ Andriamanitra ny eriteritsika sy ny fanirian’ny fontsika.

Rehefa nandray fanambarana isika dia tokony hirakitra izany ao am-pontsika.

  • Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahafantatra fa maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Tompo?

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “hanazava” ny saintsika ny Tompo? (Azonao atao ny manazava fa hanome sosokevitra sy fahatakarana ho antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo.)

  • Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny eritreritsika sy ny fisaintsainan’ny fontsika?

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “mirakitra” ny tenin’ny Tompo? (Mandalina, misaintsaina, ary manao asa araka ireo zavatra nambaran’ny Tompo sy mahatoky ilay fanambarana raisintsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:21–24 ary angataho ny mpianatra mba hitady fomba iray hafa hiresahan’ny Tompo amintsika.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba iray hafa hiresahan’ny Tompo amintsika? (Milaza fiadanana amin’ny saintsika ho vavolombelon’ny fahamarinana ny Tompo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny hoe “fiadanana tamin’ny sainao” F&F 6:23.)

  • Raha avy tamin’ny zavatra niainanao manokana, dia ahoana izany hoe manana ny Tompo milaza fiadanana amin’ny saintsika izany?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba hahatongavan’ny fanambarana eo amin’izy ireo dia tsindrio fa mety ho sarotra indraindray ny fahafantarana ny fotoana hiresahan’ny Tompo amintsika. Hazavao fa nanazava bebe kokoa ilay fifanahafana amin’ny fiposahan’ny masoandro ny Loholona Bednar mba hanazavana ny fomba fahatongavan’ny fifandraisana amin’ny Tompo matetika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Indraindray ny masoandro dia miposaka amin’ny maraina feno rahona na zavona. Noho ny fisian’ny rahona dia sarotra kokoa ny mahita ny fahazavana, ary ny famantarana ny fotoana marina iposahan’ny masoandro eny amin’ny faravodilanitra dia tsy hay fantarina. …

“Torak’izany koa isika matetika dia mandray fanambarana imbetsaka fa tsy mahafantatra mazava ny fomba na ny fotoana andraisantsika fanambarana” (“Ny Fanahin’ny Fanambarana ,” 89).

  • Ahoana no mety hahatonga antsika tsy hahatsikaritra na tsy hiraharaha firy ny valintenin’ny Tompo amin’ny vavaka ataontsika?

  • Inona ny torohevitra omenao ny olona iray izay te hianatra ny fomba hamantarana bebe kokoa ny fotoana hiresahan’ny Tompo aminy?

Hazavao fa taorian’ny nandraisana an’io fanambarana io vao niteny tamin’i Joseph i Oliver momba “ilay alina” izay noresahin’ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny zavatra fantatry ny Mpaminany Joseph taorian’ny nahazoana ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Taorian’ny nandraisanay ity fanambarana ity dia niteny tamiko i Oliver Cowdery fa taorian’ny nandehanany tany amin-draiko mba hiara-hipetraka vetivety amin’izy ireo, sy taorian’ny nilazan’ny fianakaviana taminy mikasika ny nahazoako ireo takelaka, dia raha handeha hatory izy indray alina dia nivavaka tamin’ny Tompo mba hahafantarana raha toa ka nitranga tokoa ireo zavatra ireo, ary nilaza taminy ny Tompo fa marina izany, saingy nohazoniny ho tsiambaratelo izany zava-nitranga izany, ka tsy nambarany na tamin’iza na tamin’iza; koa taorian’ny nanomezana ity fanambarana ity dia fantany fa marina ilay asa, satria tsy nisy olombelona nahafantatra ny zavatra voalaza tao anatin’ilay fanambarana ankoatra an’ Andriamanitra sy ny tenany ihany” (History of the Church,1:35).

Asao ny mpianatra mba hitadidy ireo fotoana nanazavan’ Andriamanitra ny sainy sy nanomezany fiadanana azy ireo. Saintsaino ny hanasa azy ireo hanoratra ny sasany amin’ireo fahatsiarovana ireo. Amporisiho izy ireo mba hatoky ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay noraisiny tany aloha tany. Hazavao fa ireo lesona roa manaraka dia hanampy azy ireo hianatra hamantatra ireo valin’ny vavaka ataony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:25–37

Nanoro hevitra an’i Joseph sy i Oliver mba handika teny fa tsy hiahiahy na hatahotra ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:25–31 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niteny tamin’i Oliver ny Tompo fa raha maniry izany izy dia afaka hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny ka hijoro hiaraka amin’i Joseph ho vavolombelona faharoan’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Raha toa ka teo amin’ny toeran’i Oliver ianao, inona no mety ho tsapanao raha naheno ilay andraikitra napetraky ny Tompo teo aminao ianao?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana nahatsapany ho be ahiahy na natahotra momba ny zavatra iray izay tian’ny Tompo hataony. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:32–37 ka hitady ny fomba nanoroan’ny Tompo hevitra an’i Joseph sy i Oliver mba handreseny ny ahiahy sy ny tahotra rehefa nanohy ny asany izy ireo.

  • Fahamarinana na fitsipika inona avy amin’ity toromarika ity no azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika? (Mety hilaza karazana fitsipika maro ny mpianatra kanefa ataovy izay hanamafisana fa rehefa mitodika amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandresy ny ahiahy sy ny tahotra isika.

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’ny fomba mety hibanjinan’ny olona iray an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo zavatra niainan’izy ireo rehefa nanampy azy ireo handresy ny ahiahy sy ny tahotra ny fahafantarany ny Mpamonjy? Azonao atao ny mizara ny traikefanao manokana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7

Nampanantenaina tamin’i Jaona ilay Lalaina fa ho velona izy ary hitondra fanahy ho any amin’i Kristy mandra-pahatongan’ny Fiaviana Fanindroany

Fanamarihana: Tsy misy na inona na inona nambara momba ny antsipirian’ny asa fanompoan’i Jaona amin’ny maha-olona tsy niharan’ny fahafatesana azy. Aza mandefa eritreritra lavitra mikasika ny hoe aiza i Jaona na inona no nataony.

Hazavao fa nisy fotoana tao anatin’ny volana Aprily 1829, raha nanampy an’i Joseph tamin’ny fandikan-teny i Oliver dia “nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy sy i Joseph … momba ny tantaran’i Jaona ilay Apôstôly, izay voatonona ao amin’ny Testamenta Vaovao [jereo ny Jaona 21:20–23 … , raha toa ka maty izy, na nanohy [niaina]” (Histories, Volume 1: 1832–1844, vol. 1 of Histories tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2012], 284).

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1–3 hahitana ny valin’ny fanontanian’i Joseph sy i Oliver. (Raha manana olana amin’ny famantarana ny valinteny ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny famintinana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1–3.)

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15. Mamantatra ireo valim-bavaka

Namaritra ny filàna mivavaka sy ny fomba hamantarana ireo valinteny avy amin’ Andriamanitra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlekin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Sarotra ny fahatsapana ny valim-bavaka indraindray. Indraindray isika dia manandrana tsy am-piheverana miatrika ny fiainana amin’ ny alalan’ ny fianteherana amin’ ny traikefantsika sy ny fahaiza-manaontsika manokana. Fahendrena kokoa ho antsika ny mikatsaka amin’ ny alalan’ ny vavaka sy ny fitaomam-panahy masina ny fahafantarana ny tokony hatao. Ny fankatoavantsika dia manome antoka fa afaka mahazo ny hery masina hanatanterahana tanjona tena tsara iray isika rehefa ilaina izany.

“I Oliver Cowdery, toy ny maro amintsika, dia tsy nahafantatra ny fisian’ ny valim-bavaka izay efa nomen’ ny Tompo. …

“Raha mahatsapa ianao fa tsy namaly ny vavaka nataonao Andriamanitra dia saintsaino ireo andinin-tsoratra masina ireo [F&F 6:14–15]—dia mitadiava tsara porofo eo amin’ ny fiainanao manokana fa mety efa namaly ny vavaka nataonao Izy,” (Ahoana no Fomba Ahafahana Mahazo Fanambarana sy Fitaomam-panahy ho an’ ny Fiainanao Manokana,” Liahona, mey 2012, 47).

Nizara hevi-baovao mikasika ny fomba hamantarana ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlekin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mety tsy mahita anjely isika na mandre feo avy any an-danitra, na mandray fahatsapana ara-panahy goavana. … Saingy rehefa manaja ny fanekempihavanantsika sy mitandrina ny didy isika, rehefa miezaka tsy tapaka bebe kokoa hanao ny soa sy ho tonga tsaratsara kokoa dia afaka mandeha amim-pahatokiana isika fa Andriamanitra dia hitarika ny diantsika. …

“… Indraindray ny fanahin’ ny fanambarana dia hiasa eo no ho eo sy amin’ ny fomba mahery vaika, ary amin’ ny fotoana hafa dia amin’ ny fomba malefaka sy mandeha miandalana no hitrangan’ izany, ary matetika dia amin’ ny fomba tena malefaka hany ka mety tsy ho hainareo ny mamantatra azy. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana ny fomba andraisana io fitahiana io dia hanazava sy hampivelatra ny fanahinareo ny fahazavana izay entiny, ary hanazava ny fahatakaran’ny sainareo (jereo ny Almà 5:7; 32:28), ary hitarika sy hiaro anareo sy ny fianakavianareo.” (“Ny Fanahin’ny Fanambarana,” Liahona, mey 2011, 90).