Seminera
Lesona 75: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69–71


Lesona 75

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69–71

Fampidirana

Tamin’ny faramparan’ny volana Ôktôbra na voalohandohan’ny volana Nôvambra 1831 dia nahazo andraikitra hitondra ireo sora-tanana momba ny Bokin’ ireo Didy niainga avy any Ohio ho any Missouri i Oliver Cowdery. Any Missouri no hanontan’i William W. Phelps ny boky ao amin’ny trano printiny. Ny 11 Nôvambra 1831 dia notendren’ny Tompo i John Whitmer mba ho mpiara-dia amin’i Oliver ka nandidy azy hanohy ny andraikiny amin’ny maha-Mpanoratra ny Tantaran’ny Fiangonana azy (jereo nyF&F 69). Ny ampitson’io dia nanendry lehilahy enina ny Tompo mba ho mpitantan-draharaha hiandraikitra ireo fanambarana (jereo ny F&F 70). Ny volana Desambra 1831 dia nandidy an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo hanao asa fitoriana mba hampisava ny rivo-pankahalana izay nanohitra ny Fiangonana sy hanomana ny làlana ho amin’ny famoahana ireo fanambarana sy didy (jereo ny F&F 71).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69

Manambara ny maha-zava-dehibe ny fandraketana ny tantara ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Efa nisy olona ve nanankina zava-tsarobidy taminao?

Eo am-piatombohan’ny fotoam-pianarana dia omeo fotoana hieritreretana momba ny fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no zavatra nankinina taminao? Ahoana no fiantraikan’izany fitokiana izany tamin’ny fikarakaranao ilay zava-tsarobidy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny fanolorana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nankinina tamin’i Oliver Cowdery.

  • Inona no nankinina tamin’i Oliver Cowdery?

  • Raha toa ka ianao no nanankinana ireo zava-tsarobidy ireo, ahoana no fomba hikolokoloana azy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:1–2 Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny torohevitra izay nomen’ny Tompo momba ireo zava-tsarobidy ireo.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no fahendrena ny miantso olona mihoatra ny iray hitondra ireo zava-tsarobidy ireo?

Hazavao fa ny Tompo dia nanankina andraikitra manan-danja iray hafa tamin’i John Whitmer, ankoatra ny fanampiana an’i Oliver hitondra ireo fanambarana sy vola tany Missouri. Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:3–8ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra hafa izay nankinin’ny Tompo tamin’i John Whitmer. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa nantsoina ho Mpanoratra ny tantaran’ny Fiangonana sy ny firaketana i John Whitmer tamin’ny voalohandohan’ny taona 1831 (jereo ny F&F 47).

Hazavao fa efa hatramin’ny andron’i Joseph Smith no efa nikatsahan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny hanaraka amim-pahazotoana ny torolalan’ny Tompo momba ny firaketana “ireo zavatra manan-danja … momba [ny] fiangonana” (F&F 69:3). Nifantina “ny zava-drehetra izay ho tombontsoan’ny fiangonana” izy ireo (F&F 69:8), eny fa na dia ireo zavatra mety hiteraka fahamenarana aza. Ohatra, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana ireo fanambarana sasany izay namaizan’ny Tompo ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fahiny (jereo ny F&F 3:5–9; 93:41–50). Ankehitriny, ireo Mpanoratra ny Tantaran’ny Fiangonana dia miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany ka mitarika ny asa ataon’ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny Tantara mba hitanana ny tantara marina momba “ireo zavatra manan-danja.”

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:3, 8 dia soraty eny amin ny solaitrabe ity fanambarana misy banga manaraka ity: Ny Tompo dia manantena fa hotehirizina ny tantara mba ho tombontsoan’ny …

Anontanio ny mpianatra ny fomba hamenoany io fanambarana io miainga avy amin’ny andininy 3 sy 8. Rehefa mamaly izy ireo dia fenoy ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe: Ny Tompo dia manantena fa hotehirizina ny tantara mba ho tombontsoan’ny Fiangonana sy ireo taranaka vao misondrotra. Makà antoka fa takatry ny mpianatra fa ilay andian-teny hoe “taranaka vao misondrotra” dia manondro azy ireo, dia ny tanoran’ny Fiangonana.

  • Araka ny hevitrao, ahoana no mety hahazoan’ny Fiangonana tombontsoa amin’ny tantaran’ny Fiangonana sy ny tantaran’ny tena manokana? Ahoana no mety hanomezany tombontsoa ireo taranaka vao misondrotra?

Angataho ny mpianatra hieritreritra tantara iray avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na tantaram-pianakaviany izay nanampy azy ireo. Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ka angataho izy ireo hifampizara ny tantarany. Asao ihany koa izy ireo hiresaka momba ny fiantraikan’ireo tantara ireo teo aminy. Na azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny tantarany amin’ny iray kilasy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70

Manendry mpitantan-draharaha hiandraikitra ny fanambarany ny Mpamonjy

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny teny fanolorana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70 sy hitady ny zavatra lazain’ny tantaran’i Joseph Smith momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (izay nantsoina tany am-boalohany hoe ny Bokin’ireo Didy).

  • Ahoana no nanoritsoritan’ny Mpaminany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:1, ary angataho ny iray kilasy hitady ny anaran’ireo mpitarika enina tao amin’ny Fiangonana. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:2–4. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo andraikitra izay nomen’ny Tompo ireo lehilahy enina ireo.

  • Inona no andraikitra nomen’ny Tompo ireo lehilahy enina ireo? (Nasaina ho mpitantan-draharaha hiandraikitra ny fanambarana sy didy izy ireo.)

  • Araka nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:4 dia inona no zavatra takian’ny Tompo amin’ireo lehilahy ireo amin’ny andro fitsarana? (Hitaky tatitra momba ny fitantanan-draharahan’izy ireo Izy. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe hangataka tatitra momba ny fanompoany Izy.)

  • Inona no hevitra aroson’izany momba ny zavatra hotakian’ny Tompo amintsika amin’ny andro fitsarana? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Ho raisin’ny Tompo ho tompon’andraikitra amin’ireo adidy izay nankininy tamintsika isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Inona no mety ho fiantraikan’io fahamarinana io amin’ny fihetsika asehontsika manoloana ny antso sy ny andraikitra ao am-piangonana?

Fintino nyFotopampianarana sy Fanekempihavanan 70:5–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo lehilahy enina ireo ny Tompo mba hanao ny fitantanan-draharahany hiandraikitra ireo fanambarana ho “raharahany ao amin’ny fiangonan’ Andriamanitra, mba hitantana izany sy ny momba izany, eny, ny tombontsoan’izany” (F&F 70:5). Araka ny lalàn ny fanokanana, ny fidiram-bola rehetra voarainy ka mihoatra izay ilainy dia nasaina nomena ho ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo mba ho fikarakarana ny mahantra (jereo ny F&F 70:7).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71

Mampianatra an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny fomba famaliana ny fitsikerana momba ny Fiangonana ny Tompo

Anontanio ny mpianatra raha toa ka efa nandre fitsikerana momba ny Fiangonana izy ireo. Azona atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

  • Inona no fihetsika tokony haseho amin’ny fitsikerana ny Fiangonana?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zava-miseho tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fampahalalana manaraka ity (na ianao ihany no mamaky ilay andinin-tsoratra). Asao ny iray kilasy hihaino ny fitsikerana nanjo ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity.

Mpitory Metôdista teo aloha i Ezra Booth izay lasa mpikamban’ny Fiangonana taorian’ny namakiany ny Bokin’i Môrmôna sy niresahany tamin’i Joseph Smith ary nahitany fanasitranana iray. Nandeha nankany Missouri hitory ny filazantsara izy saingy diso fanantenana rehefa tsy afaka nanatanteraka fahagagana mba handresena lahatra ny hafa amin’ny fahamarinana. Ankoatra izay dia tsy nino i Booth fa mendrika ny atao hoe mpaminany na mpitarika ara-panahy ny fitondrantenan’i Joseph Smith. Lasa nitsikera mafy an’i Joseph Smith izy ka nandao ny Fiangonana ary nanoratra taratasy hitsikerana ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy. Ireo taratasy ireo izay navoaka tamin’ny gazety iray antsoina hoe Ohio Star,dia nitarika ny olona sasany hampitombo ny rivom-pankahalana tamin’ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy. Ny Mpaminany Joseph Smith dia niantso ny asa soratr’i Ezra Booth ho toy ny “andian-taratasy izay nampiseho ny fahalemeny [ny an’i Booth], amin’ny alalan’ny faharatsiany ary ny fahadalany noho ny fitongilanany, ny fahadisoany ary ny hevi-draviny handrodana ny asan’ny Tompo, ka lasa fampatsiahivana ny henatra ho an’ny tenany izay hampitolagaga an’izao tontolo izao” (History of the Church,1:216–17). I Symonds Ryder, izay mpikambana mpivadika iray hafa dia nanome ny tahadikan’ny fanambarana sasany tamin’ny gazety iray, ka niezaka ny hanakivy ny olona mba tsy hiditra ao amin’ny Fiangonana.

Hazavao fa lasa niteraka olana goavana ny fanakorontanana nentin’i Ezra Booth sy i Symonds Ryder. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:1–4, ka asaivo tadiavin’iray kilasy ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony hataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hampitoniana ny rivom-pankahalana nisy vokatry ny lahatsoratra tao amin’ny gazety.

  • Araka ny andininy 1, inona no nasain’ny Tompo hataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hampitoniana ny rivom-pankahalan’ny olona momba ny Fiangonana? (Tokony hampiasa ny soratra masina sy ny herin’ny Fanahy izay homen’ny Tompo azy izy ireo.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ity toromarika ity momba ny famaliana ny fitsikerana ny Fiangonana? (Na dia mety manome valinteny marina maro be aza ireo mpianatra dia ataovy izay hamantarany ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mitsikera ny Fiangonana ny olona dia afaka mamaly izany amin’ny alalan’ny fizarana ny fahamarinana ao amin’ny soratra masina sy ny fanarahana ny Fanahy isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona no azontsika atao izao mba hiomanana amin’ny famaliana ny fitsikerana manjo ny Fiangonana na ny mpitarika ao aminy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananana ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mamaly ireo fitsikerana manohitra ny Fiangonana dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba ahafahan’ny Fanahy manampy antsika hamaly ny fitsikerana ny Fiangonana.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Rehefa mamaly ny hafa isika dia ho samy hafa ny toe-javatra miseho tsirairay. Soa ihany fa fantatry ny Tompo ny fon’ireo mpanameloka antsika sy ny fomba mahomby indrindra ahafahantsika mamaly azy ireny. Rehefa mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy ireo tena mpanara-dia marina an’i Kristy dia mandray fitaomam-panahy izay mifanentana tsara amin’izay mifanehatra aminy izy ireo. Ary amin’ny fifanatrehana rehetra dia mamaly amin’ny fomba izay manasa ny Fanahin’ny Tompo ireo tena mpanara-dia marina” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,”Ensign or Liahona, nôv. 2008, 73).

Vakio mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:5–11. Asaivo tadiavin’ny mpianatra ny torohevitra sy ny fankaherezana nomen’ny Tompo ireo izay mamaly ny fitsikerana ny Fiangonana.

Hazavao fa nankatò ny torohevitry ny Tompo i Sidney Rigdon ka nanasa an’i Ezra Booth mba hihaona aminy ao an-tanànan’i Ravenna izay hiresahany ampahibemaso ireo taratasy nalefan’i Ezra tany amin’ny gazety. Nasain’i Sidney ihany koa i Symonds Ryder mba hanao resaka ampahibemaso momba ny Bokin’i Môrmôna. Samy nandà ilay fanasana avokoa ireo lehilahy ireo. Mbola nanambara ny fahamarinana ihany i Sidney tao Ravenna sy tany amin’ny toeran-kafa.

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra hataony mba hiomanany tsara kokoa amin’ny famaliana ny fitsikerana manohitra ny Fiangonana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Fiangonana sy ny mpitarika ao aminy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 69:3, 8 “Hanohy ny fanoratana sy ny fanaovana ny tantara”

Nanambara ny maha-zava-dehibe ny fanoratana ny tantaran’ny tena manokana ny Filoha Spencer W. Kimball:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Tantaram-piainan’ny tenanao manokana ny diarinao ka tokony hotehirizina tsara izany. Miavaka ny olona tsirairay ary mety misy ireo zava-niseho tamin’ny zavatra niainanao izay manan-kaja sy mendrim-piderana kokoa eo amin’ny endriny noho ireo izay voarakitra any amin’ny fiainana hafa. Mety misy fahazavana kely etsy ary tantara mikasika ny fahatokiana eroa. …

“Tokony hosoratana ny tantaranao dieny mbola mafana sy dieny mbola tadidinao ny antsipiriany marina. …

“Inona no zavatra afaka ataonao tsara kokoa ho an’ny zanakao sy ny zanaky ny zanakao mihoatra noho ny fandraketana ny tantaran’ny fiainanao, ny fandresenao ny fizahan-toetra, ny fitsangananao rehefa avy nianjera, ny fivoaranao raha toa tahaka ny maizina ny zava-drehetra, ny fifalianao rehefa nahomby ianao nony farany? …

“Makà kahie iray, … diary iray izay haharitra aman-taona: mety hitanisa mandrakizay ny zavatra ao ireo anjely. Atombohy androany ary soraty ao ny fivezivezenao, ny eritreritrao lalina, ny fahombiazanao sy ny tsy fahombiazanao, ny fifandraisanao sy ny fandresenao, ny fahatsapanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona” (“The Angels May Quote from It,” New Era, ôkt 1975, 5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71 Ny asa nanirahana an’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon tany Ohio

Ny tantaran’i Joseph Smith dia ahitana ny fanoritsoritana ny fomba nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ho fanatanterahana ny didin’ny Tompo hampitoniana ny rivom-pankahalana izay nitombo nanohitra ny Fiangonana noho ireo lahatsoratra an-gazety izay nosoratan’i Ezra Booth:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Nanomboka hatreo ka hatramin’ny 8 na 10 Janoary 1832 dia nanohy nitory tao Shalersville, Ravenna, sy tamin’ny toeran-kafa izaho sy ny Loholona Rigdon, namelabelatra ny fahamarinana; niaro ny foto-kevitry ny Mpanavotra; nampiseho fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andro famaliana. Nampiseho ihany koa izahay fa nameno ny ankamaroan’ny sain’ny maro ny fitongilanana sy ny fahajambana ary ny haizina ka nahatonga azy ireo nanenjika ny Fiangonana marina ary nandà ny fahamarinana. Ary izany no nataonay mba hampitoniana ny rivom-pankahalana izay efa nitombo noho ny taratasy manala baraka navoakan’i Ezra Booth, ilay mpivadika izay voalaza teo aloha tao amin’ny Ohio Star,tao Ravenna” (ao amin’ny History of the Church,1:241).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71. Symonds Ryder

Fony vao nahalala ny Fiangonana i Symonds Ryder dia nisalasala nandritra ny fotoana fohy mikasika ny tokony hanaovana batisa azy na tsia. Kanefa, tamin’ny taona 1831 dia namaky tantara tao amin’ny gazety iray momba ny faharavan’i Pekin, tany Sina izy ary nahatsiaro fa nilaza mialoha ny faharavan’io tanana io ny zazavavy Môrmôna iray, enina herinandro talohan’izay. Nitarika azy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana io traikefa io.

Fotoana fohy taorian’ny nahavitany batisa sy nandraisana azy ho mpikambana dia notendrena ho loholona i Symonds. Nandray taratasy nosoniavin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izy, nilaza taminy fa ny sitrapon’ny Tompo, izay naseho tamin’ny alalan’ny Fanahy, dia hoe tokony hitory ny filazantsara izy. Tao amin’ny taratasy noraisiny sy tao amin’ny fanambarana ôfisialy hitory, anefa, dia lasa voasoratra hoe Rider ny anarany fa tsy Ryder. Noho ny hadisoan-tsipelina teo amin’ny anarany dia nanomboka nisalasala momba ny fanambarana azon’i Joseph Smith sy ny antsony amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy i Symonds. Nony farany dia nandao ny Fiangonana i Symonds. Na dia tsy io fihetsika nasehoany nanoloana ny hadisoan-tsipelina teo amin’ny anarany io ihany aza no anton’ny fihemorany dia anisan’ny nahatonga izany izy io. Taorian’ny fihemorany dia lasa iray tamin’ireo mpikambana tao amin’ireo mpihetraketraka izay nanisy tara sy volom-borona an’i Joseph Smith tao ivelan’ny tranon’i John sy Elsa Johnson i Symonds Ryder ny alin’ny 24-25 Martsa 1832.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:7 Manampy ny hafa hahatakatra ny fahamarinana

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity torohevitra manaraka momba ny fomba famaliana ny olona izay mitsikera ny Fiangonana ity:

Sary
Loholona Robert D. Hales

Amin’ny maha mpianatr’i Kristy marina antsika, dia ny mahasoa ny hafa no tokony ho raharahiantsika fa tsy ny fanehoana fa marina isika. Ny fanontaniana sy ny fitsikerana dia manome fahafahana antsika hanampy ny hafa ary hampiseho aminy fa misy lanjany izy ireo eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy eo anatrehantsika. Ny tanjona tokony imasoantsika dia ny hanampy azy ireny hahatakatra ny fahamarinana fa tsy hiaro ny voninahitry ny tenantsika na hampitombo ny isa azo amin’ny ady hevitra teôlôjika. Ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny fo no tena valinteny mahery vaika azontsika omena ireo mpiampanga antsika. Ary izany fijoroana ho vavolombelona izany dia tsy azo zaraina raha tsy amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 73–74).

Nanoro hevitra ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Mety tsy ho afaka na oviana na oviana amin’ireo mpanenjika ampahibemaso ny Môrmôna isika. Noho izany, mamporisika ny mpikambana rehetra isika mba handà tsy ho lasa mpanenjika ny mpanenjika ny Môrmôna” (“Pure Religion,” Ensign, nôv. 1982, 63).