Seminera
Lesona 133: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145; 125–26


Lesona 133

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145; 125–126

Fampidirana

Ity no lesona farany amin’ireo lesona telo izay iresahana mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124. Resahana ao anatin’io ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 sy 126. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145 ny Tompo dia manome torohevitra ho an’ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana ka nanondro ireo izay nasaina nanompo ho eo amin’ny toeran’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana. Tamin’ny martsa 1841 ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 izay nanambaran’ny Tompo ny sitrapony momba ny fanangonana ireo Olomasina tao amin’ny Faritanin’i Iowa. Tamin’ny 9 jolay 1841 dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 izy ka tao anatin’izany no nilazan’ny Tompo an’i Brigham Young fa tsy takina aminy intsony ny handao ny fianakaviany mba hanao asa fitoriana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–122

Nanome torohevitra ny olona tsirairay manokana ny Tompo

Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny taratasy kely iray ity fitsipika manaraka ity: Raha mihaino ny torohevitr’ireo mpaminany isika dia ho soa ho antsika izany. Ataovy ao anaty valopy ilay taratasy ka soraty eo ivelan’ilay valopy Ny fomba ahafahantsika ho voatahy ankehitriny sy mandrakariva.

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fampisehoana ilay valopy amin’ny mpianatra. Lazao izy ireo fa izany dia ahitana torolalana momba ny fomba ahafahan’izy ireo ho faly ankehitriny sy ialany amin’ireo fanamby tsy ilaina eo amin’ny fiainany ary andraisany ireo fitahiana hafa. Hazavao fa mihatra amin’izy ireo tsirairay avy ireo torolalana ireo, na inona na inona toe-javatra manokana misy azy ireo. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety maha-zava-dehibe ny fahazoana ireo torolalana ao amin’ilay valopy ho anao?

  • Raha afaka mahazo ireo torolalana ianao dia ahoana no fomba hanarahanao azy ireo vantany vao anananao izy ireo?

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity tabilao nampiarahana eto ity alohan’ny fiantombohan’ny kilasy. Asaivo jeren’ny mpianatra ilay sary ka hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–118 ny Tompo dia nanome toromarika manokana ho an’ny mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana izay, raha arahana dia nampanantena fitahiana lehibe. Asao ny mpianatra tsirairay mba hamaky amim-pahanginana ny soratra masina roa farafahakeliny eny amin’ny solaitrabe. Angataho izy ireo mba hitady ny fitoviana misy eo amin’ireo toromarika nomena ho an’ny olona tsirairay izay vakiny.

William Law (F&F 89–90)

Hyrum Smith (F&F 94–96)

Amos Davies (F&F 111–114)

Robert Foster (F&F 115–118)

Rehefa avy nomena fotoana ampy hamakiana ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitoviana tsikaritrao ao amin’ny toromarika nomena an’ireo lehilahy ireo? (Ny andininy tsirairay dia ahitana ny toromarika mba hanarahana ny torohevitry ny Mpaminany Joseph Smith.)

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ireo andininy izay novakiny sy hitady ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo raha narahan’izy ireo ny torohevitra izay nomeny azy ireo. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana no hamintinanao ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ireo lehilahy ireo raha toa ka mihaino ny Mpaminany izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hanokatra ilay valopy ka hamaky mafy ilay fitsipika nosoratana amin’ny taratasy.

  • Inona no ifandraisan’ireo fitahiana nampanantenaina tsirairay izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe amin’ilay andian-teny hoe “ho soa ho antsika izany”?

Asao ireo mpianatra hanao lisitry ny torohevitra izay nomen’ny Filohan’ny Fiangonana tao anatin’ny taona vitsy lasa ka asao ny mpianatra iray hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.

  • Oviana ianao no voatahy tamin’ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminany? (Azonao atao koa ny mizara traikefa iray.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84 ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana iray nantsoina hoe Almon Babbitt raha tokony ho nanaraka ny torohevitry ny Fiadidiana Voalohany izy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 84, dia inona no zavatra nataon’i Almon Babbitt ho solon’ny fanarahana ny torohevitry ny Fiadidiana Voalohany? (Nikendry ny hampanjaka ny toroheviny izy. Azonao atao ny manazava fa toa niezaka ny nandresy lahatra ny olona sasany izy mba “hampitsahatra” ny fifindra-monina mankany Nauvoo fa hiorim-ponenana kosa tao Kirtland [jereo ny History of the Church, 4:476].)

  • Inona ireo ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety ataon’ny olona hampanjakana ny toroheviny amin’izao androntsika izao?

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny valinteny nasetriny an’ireo fanotaniana izay nosaintsaininy teo aloha tao anatin’ny lesona momba ny faniriany hahazo sy hanaraka ireo toromarika tao anatin’ilay valopy. Asaivo manoratra tanjona manokana izy ireo mba hanatsarana ny ezaka ataony amin’ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminany velona mba hahafahany mahazo ireo fitahiana nampanantenaina.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:119–122 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanome toromarika fanampiny an’ny Fiangonana mahakasika ny fanorenana ny Tranon’i Nauvoo, izay natao ho hôtely an’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:123–145

Mitanisa ny anaran’ireo izay natao hanompo ao amin’ny toerana isan-karazany ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ny Tompo

Asaivo tanisain’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe ny sasantsasany amin’ireo toeran’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana.

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:123–145 ny Tompo dia nanondro olona manokana mba hanompo ao amin’ireo toerana isan-karazany ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana. Asao ny antsasaky ny kilasy hijery ny andininy 123–132 ary ny antsasany iray kosa hijery ny andininy 133–142 sady hitady ireo toeran’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nolazain’ny Tompo. Asaivo manao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra ary mitanisa ireo toeran’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eny amin’ny solaitrabe izay tsy voatanisa teo aloha.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:143. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny antony iantsoan’ny Tompo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy anomezany ireo fanalahidin’ny fisoronana.

  • Nahoana no miantso mpitarika ao amin’ny fisoronana sy manome ireo fanalahidin’ny fisoronana ny Tompo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny Tompo dia miantso mpitarika ao amin’ny fisoronana mba ho fitondrana ho an’ny asa fanompoana sy ny fandavorariana ireo Olomasina.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba nanampian’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana azy ireo tamin’ny ezaka nataony mba hahatsara kokoa ny fanarahany an’i Jesoa Kristy sy ho lasa tahaka azy bebe kokoa. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra niainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125

Nanome torolalana an’ireo Olomasina ny Tompo mba hiangona ao amin’ireo toerana izay notondroiny

Hazavao fa taorian’ny fandroahana an’ireo Olomasina hiala an’i Missouri tamin’ny ririnin’ny taona 1838–39 dia nandeha nankany Illinois sy Iowa izy ireo ka nanorim-ponenana teo amin’ny sisiny roa tamin’ny Reniranon’i Mississippi. Fintino ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 amin’ny alalan’ny fanazavana fa tamin’ny martsa 1841 izany no voaray ka nanambara ny sitrapon’ny Tompo mahakasika ireo Olomasina izay nonina tany amin’ny Faritanin’i Iowa sy ireo nikasa ny handeha ho any. Ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia nitarika an’ireo Olomasina hiangona sy hanangana ireo toerana izay notendren’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, ka anisan’izany ny tanàna iray tao Iowa izay nasaina antsoina hoe Zarahemlà. Nividy tany bebe kokoa tao Iowa ny Fiangonana noho ny tao Illinois, izay toa maneho fa tsy fikasan’ireo mpitarika ny Fiangonana ny honenan’ireo Olomasina rehetra tao Nauvoo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126

Tsy takina amin’i Brigham Young intsony ny handaozany ny fianakaviany mba hanao asa fitoriana fanampiny

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe manao ahoana izany mandao ny fianakaviany mba hanao asa fitoriana ho an’ny Tompo mandritra ny fahavaratra dimy manaraka izany ka avy eo antsoina hanao asa fitoriana any amin’ny firenena ivelany mandritra ny roa taona eo ho eo.

  • Inona no mety ho tsapanao mikasika ny fandaozana imbetsaka ny fianakavianao?

  • Inona no mety ho tsapanao mikasika izany raha toa ka tompon’andraikitra amin’ny famelomana ny fianakavianao ianao?

Ampahafantaro an’ireo mpianatra fa taorian’ny nidiran’i Brigham Young ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny aprily 1832 dia nanao asa fitoriana maromaro izy nandritra ny sivy taona manaraka. Nandritra ny ririnina taorian’ny nanaovana batisa azy ny asa fitoriana nataony voalohany. Ny dimy hafa, ka anisan’izany ny fandraisany anjara tao amin’ny Tobin’i Ziona dia natao isaky ny fotoam-pahavaratra nanomboka tamin’ny 1833 ka hatramin’ny 1837. Naharitra telo ka hatramin’ny dimy volana ireo asa fitoriana ireo. Tamin’ny 8 jolay 1838 dia nantsoina hanao asa fitoriana tany amin’ny Firenena Britanika i Brigham Young niaraka tamin’ny Apôstôly hafa. Nanaraka ny toromariky ny Tompo izy ireo ny handeha hanainga hanao izany asa fitoriana izany avy ao Far West, Missouri, tamin’ny 26 aprily 1839 (jereo ny F&F 118). Nipetraka tao Iowa sy Illinois i Brigham Young sy ireo Apôstôly hafa nandritra ny volana vitsivitsy manaraka sady nanao fanomanana bebe kokoa amin’ny fandehanana mankany amin’ny Firenena Britanika. Namely ilay faritra ny valanaretin’ny tazo mahery tamin’ny fahavaratry ny taona 1839 ka dia voan’izany ihany koa izy ireo.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’i Brigham Young ity. Asaivo henoin’ny iray kilasy ny fihetsika nasehony mikasika ny fanompoana ny Tompo, eny fa na dia tena narary be aza izy hany ka tsy afaka nankao anatin’ilay kalesy raha tsy nisy fanampiana teo am-pandehanany.

Sary
Filoha Brigham Young

“Tena vonona aho ny handeha ho any Angletera na ho faty eo am-piezahana ny hanao izany. Tena tapa-kevitra aho fa hanao ny zavatra izay takina hataoko ao amin’ny Filazantsaran’ny fiainana sy ny famonjena na ho faty aho amin’ny fiezahana hanao izany” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 5).

Hazavao fa nitaky fahafoizan-tena avy amin’ny fianakaviany ihany koa ny asa fitoriana nataon’i Brigham Young. Asao ny mpianatra iray hamaky ity famintinana manaraka momba ny toe-javatra nahazo ny fianakavian’i Brigham Young ity fony izy nandeha nanao ny asa fitoriany tany amin’ny Firenena Britanika:

Nandao an’i Montrose, Iowa hihazo ny Firenena Britanika i Brigham Young tamin’ny 14 septambra 1839, 10 andro monja taorian’ny niterahan’i Mary Ann, vadiny, ny zanany fahefatra. Tratry ny tazo ihany koa i Mary Ann. Fanindiminy izao no nandefasany an’i Brigham hanao asa fitoriana hatramin’ny fotoana nivadian’izy ireo. Rehefa avy noroahina hiala ny tranony sy nanary ny ankamaroan’ny fananany tao Missouri izy ireo herintaona tao alohan’io dia tena nianjadian’ny fahantrana lalina. Tsy afaka nametraka tamin’i Mary Ann afa-tsy 2,72 dôlara ho an’ny fianakaviany i Brigham. Natoky i Brigham sy i Mary Ann fa hamelona azy ireo ny Tompo ary niankina tamin’ny fampanantenana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith fa horaisina an-tanana ny zavatra ilain’ny fianakavian’ireo Apôstôly raha mbola any am-panaovana ny asa fitoriany izy ireo. (Jereo ny Leonard J. Arrington, Brigham Young: American Moses [1985], 74–75, 413, 420.)

Hazavao fa taorian’ny fitarihana ny asa fitorian’ny Fiangonana tany amin’ny Firenena Britanika dia tonga tao Nauvoo, Illinois i Brigham Young tamin’ny 1 jolay 1841. Nandray ny fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 ny Mpaminany Joseph Smith valo andro taorian’izay.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i Brigham momba ny asa fanompoany. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra. (Mety ilainao ny manazava fa ny teny hoe fikelezana dia entina hilazana ny asa tsara vita nandritra ny vanim-potoana ela.)

Hazavao fa na dia tsy notakian’ny Tompo intsony aza ny handaozan’i Brigham Young ny fianakaviany dia nanatanteraka asa fitoriana vitsivitsy sy fohifohy izy taty aoriana. Asao ireo mpianatra mba hamantatra fitsipika iray avy amin’ny andininy 1–2 izay mampianatra ny zavatra hitranga raha toa ka milofo am-pahazotoana ho an’ny Tompo isika. (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha milofo am-pahazotoana ho an’ny Tompo isika dia ho ankasitrahany ny fanatitra amim-pahamarinana atolotsika. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nankasitrahan’ny Tompo ny asa fanompoanao?

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ny fotoana izay nananany nentina nanompoana ny Tompo. Entano izy ireo hanaraka ny ohatra asehon’ireo mpitarika toa an’i Brigham Young mba hilofo am-pahazotoana mandritra ireny fotoana ireny. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny hoe ho ankasitrahan’ny Tompo ireo fanatitra amim-pahamarinana amin’ny ezaka tsara ataon’izy ireo ao amin’ny asany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–86. Almon Babbitt

Mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona i Almon Babbitt ka notendrena ho mpikambana tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy tamin’ny 28 febroary 1835. Nahazatra an’i Almon ny tsy niraharaha ny torohevitr’ireo mpitarika ny Fiangonana sy ny nitarika ny hafa hanaraka ny fanapahan-keviny manokana.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84 ny Tompo dia nampiasa ny fampitahana momba ny ombilahikely volamena (jereo ny Eksodosy 32) mba hanoritsoritana ny fitondran-tenan’i Almon Babbitt. Nametraka ny toroheviny mba ho zavatra tokony harahin’ireo Olomasina i Almon fa tsy ny torohevitry ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:1. Ny asa nanirahana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tany amin’ny Firenena Britanika

“Tamin’ny volana aprily 1840, rehefa tonga tany amin’ireo Nosy Britanika ireo Apôstôly hafa dia niantso an’ireo rahalahy nankany Preston i Brigham Young, izay niantsoroka ny fitarihana ny Fiangonana tao amin’ny misiôna Britanika mba hanao fihaonamben’ny Fiangonana. … Ny raharaha voalohany dia ny fanendrena an’i Willard Richards [izay nanompo tao amin’ny fiadidian’ny misiôna] ho lasa apôstôly araka ny fanambarana tamin’ny 1838 [jereo ny F&F 118:6]. … Nisy valo ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy tao amin’ireo Nosy Britanika tamin’izany, dia ireto avy izany: Brigham Young, Heber C. Kimball, Parley P. Pratt, Orson Pratt, John Taylor, Wilford Woodruff, George A. Smith ary Willard Richards. Nisy roa hafa, i William Smith sy i John E. Page, tsy nanao ny asa fitoriana tany amin’ny Firenena Britanika. Taty aoriana vao tonga i Orson Hyde, niara-niasa tamin’ireo rahalahiny nandritra ny volana maromaro tao Angletera, ary avy eo nanohy ny diany tany Palestina ho fanokanana izany tany izany ho amin’ny fiverenan’ireo Jiosy. Toerana banga iray tao amin’ny Roambinifololahy no mbola nijanona tsy nisy tompony tamin’izany fotoana izany” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 231).

Fony i Brigham Young nitarika ny fanitarana ny asa fitoriana nanerana an’ireo Nosy Britanika dia nampiseho fahaiza-manao ara-panahy sy ara-pitantanana lehibe izy. Nahita fitomboana izaitsizy ny Fiangonana tany amin’ny Firenena Britanika teo ambany fitarihan’i Brigham Young sy ireo Apôstôly hafa. Tamin’ny fotoana izay nandaozan’ny ankamaroan’ireo Apôstôly an’i Angletera tamin’ny faramparan’ny volana aprily 1841 dia olona teo ho eo amin’ny 7.000 ka hatramin’ny 8.000 no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, ka sahabo ho 1.000 tamin’ireo no nifindra monina tany Nauvoo volana vitsivitsy talohan’izay.

“Fotoana lehibe nanofanana sy nahamatotra ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io asa fitoriana io. Afaka nanamafy ny fahaiza-mitarika izay notakina ho ampiharina tsy ho ela tao Nauvoo i Brigham Young. … Tamin’ny alalan’ny fitsapana sy fahafoizan-tena tany amin’ny Firenena Britanika, niaraka tamin’ny filofosana ho an’ny tanjona iraisana dia niray hina ny Roambinifololahy izay nanome antoka ny fitarihana matanjaka tao amin’ny Fiangonana ho an’ireo taona ho avy” (Church History in the Fulness of Times, 234).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:3. Fikarakaran’i Brigham Young ny fianakaviany

Taorian’ny fiverenany avy tany amin’ny Firenena Britanika dia nanaraka ny didin’ny Tompo i Brigham Young mba “hikarakara manokana ny fianakaviany” (F&F 126:3). Nanokana fotoana isan’andro izy mba hampianarana sy hivavahana miaraka amin’ny zanany izay nahatsiaro azy ho ray malemy fanahy sy be fitiavana.

40 taona i Brigham Young tamin’ny fotoana nandraisana ny fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126, saingy ity tantara manaraka ity dia maneho ny fanohanany lalandava ny fianakaviany:

“Tamin’ny faha 23 taonany dia nanambady an’i Miriam Angeline Works izy. Nanana zanakavavy roa ireo mpivady vao herotrerony. Tamin’ny alalan’ny fanaovana sy fanamboarana seza, latabatra ary lalimoara, ary fametrahana varavarankely, varavarana, tohatra sy lafaoro no nameloman’i Brigham ny fianakaviany. …

“Rehefa tratran’ny raboka i Miriam dia i Brigham no nisahana ny ankamaroan’ny raharahany ankoatra ny azy. Rehefa lasa tsy afa-nihetsika teo ambony fandriana tsikelikely ny vadiny dia izy no nikarakara ny sakafo maraina ho an’ny fianakaviana, nampiakanjo ireo zanany vavy, nanadio ny trano ary ‘nitondra ny vadiny teo amin’ilay sezabe akaikin’ny lafaoro ka namela azy teo ambara-pahafahany niverina ny hariva,’ izay fotoana nandrahoany ny sakafo hariva, nampatoriany ny fianakaviany ary namitany ireo raharaha tao an-tokantrano [Susa Young Gates and Leah D. Widtsoe, The Life Story of Brigham Young (1930), 5]. Nampianatra azy bebe kokoa momba ny fiaraha-miasan’ny fianakaviana sy ny fanaovan-draharaha ny traikefany tamin’ny fahatanorany sy ny fanambadiana aloha tamin’ny fikarakarana ankizy sy fitantanana tokantrano. Taona maro taty aoriana dia nanoro hevitra an’ireo Olomasina momba an’ireo zavatra ireo izy ka nirehareha ho fihanihaniana fa afaka mandresy ‘ny ankamaroan’ireo vehivavy ao [amin’ny] fiarahamonina izy amin’ny fanaovan-draharaha’ [Deseret News, 12 aog 1857, 4]” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 2).

“Ankoatra ny fahafahan’i Brigham Young niaraka bebe kokoa tamin’ny fianakaviany taorian’io fanambarana io [F&F 126] mihoatra noho ny fahafahany taona maro lasa talohan’izay dia nanakaiky bebe kokoa ny Mpaminany Joseph Smith izy ny ankabeazan’ny fotoana (valo amby roapolo volana tamin’ireo enina amby telopolo volana farany teo amin’ny fiainan’i Joseph).

“Toa hita miharihary fa notazonin’ny Tompo teo akaikin’i Joseph i Brigham, noho ny fahafantarany ny hoavin’i Brigham Young sy ny hoavin’ny Fiangonana, mba hahafahany mianatra ny zavatra izay hilainy ho fantatra mba hitarihana ny Fiangonana aorian’ny fahafatesan’i Joseph” (Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 313).

Na dia tsy notakina tamin’i Brigham intsony aza ny handaozany ny fianakaviany mba hanao asa fitoriana fanampiny dia mbola nanao asa fitoriana fohifohy ihany izy talohan’ny fahafatesan’ny Mpaminany.