Seminera
Lesona 17: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9


Lesona 17

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9

Fampidirana

Tamin’ny volana aprily 1829 dia nahazo fampanantenana koa i Oliver Cowdery fa afaka manana ny fanomezam-pahasoavana handika teny izy (jereo ny F&F 6:25–29). Nampianarina ny fomba fandraisana fanambarana ao amin’ny dingan’ny fandikan-teny i Oliver taty aoriana (jereo ny F&F 8:1–4), ary nanandrana nandika izy. Na dia nanomboka tsara izany aza izy raha ny fijery azy dia tsy “nanohy toy ny nanombohany” [izy] (F&F 9:5). Nahazo fanambarana iray ny amin’ny antony tsy nampahomby ny ezaka nataon’i Oliver mba handika teny ny Mpaminany Joseph Smith. Niteny ny Tompo tao anatin’ilay fanambarana fa tsy nilaina intsony ny handikan’i Oliver teny. Nanome toromarika fanampiny momba ny fandraisana fanambarana ihany koa ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:1–6, 11

Nanazava ny antony nahatonga an’i Oliver Cowdery ho sahirana tamin’ny fandikan-teny ny Tompo

Angataho ny mpianatra mba hitanisa ny sasany amin’ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay horaisiny amin’ny taona manaraka. Dia asaivo mitanisa ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay horaisiny ao anatin’ny 5 ka hatramin’ny 10 taona manaraka izy ireo. Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Asaivo mieritreritra momba ny iray amin’ireo fanapahan-kevitra ireo ny mpianatra raha ampifandraisina amin’ity fanontaniana manaraka ity izany.

  • Ahoana no hanampian’ny fikatsahana fitarihana avy amin’ny Tompo anao handray io fanapahan-kevitra io?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra iray na roa dia ampahafantaro ny mpianatra fa izy ireo dia hianatra zavatra iray nainanan’i Oliver Cowdery raha niezaka nandika teny izy. Amporisiho ny mpianatra mba hitady fotopampianarana sy fitsipika eo am-pandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9 izay afaka manampy azy hahazo sy hahafantatra ny fitarihan’ny Tompo rehefa mandray fanapahan-kevitra manan-danja izy ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Tompo dia nanome an’i Oliver ny fanomezam-pahasoavana sy fanomezan-dalana handika teny raha toa ka naniry ny hanao izany izy (jereo ny F&F 6:25–28). Niteny tamin’i Oliver ny Tompo fa ho tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ity fanomezam-pahasoavana handika teny ity (jereo ny F&F 8:1–2). Nanomboka tsara ny fanandraman’i Oliver mba handika teny, saingy tsy nahomby izany taty aoriana. Taorian’ny fanandraman’i Oliver mba handika teny dia nahazo ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9 ankehitriny i Joseph Smith.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:1–4 ary asaivo mitady ilay asa nasain’ny Tompo hataon’i Oliver teo amin’ny toeran’ny fandikan-teny ny mpianatra.

  • Inona no asa nangatahin’ny Tompo mba hataon’i Oliver?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:5–6, 11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony tsy nampahomby an’i Oliver rehefa nanandrana nandika teny izy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay andian-teny hoe “tsy nanohy toy ny nanombohanao ianao”(F&F 9:5) dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tonga ny tsy fahombiazan’i Oliver satria tsy nanohy toy ny nanombohany izy, ary satria asa sarotra ilay asa dia nandao azy ny finoany” (Church History and Modern Revelation [1953], 1:51).

  • Araka ny Filoha Smith, nahoana no tsy afaka nanohy toy ny nanombohany i Oliver? (Nihozongozona ny finoany.)

  • Inona no sasany amin’ireo fomba ahafahan’ny tahotra na ny tsy fahampiam-pinoana manakana antsika tsy hahazo fanambarana avy amin’ny Tompo na hanao asa mifanaraka amin’izany?

  • Inona no azon’ny zavatra niainan’i Oliver ampianarina antsika momba ny fomba fandraisana fanambarana avy amin’ny Tompo? (Anisan’ny fitsipika mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe tsy maintsy manao asa amim-pinoana isika mba hahazoana fanambarana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ity fitsipika ity dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ao anatin’ny dingan’ny fanambarana sy fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja dia manana anjara asa mandringana ary matetika mampalemy tsy afa-mihetsika izay ny tahotra. Ho an’i Oliver Cowdery, izay tsy nanararaotra ilay fahafahana tokana teo amin’ny fiainany, satria izy tsy nanao izany tamin’ny fotoana nampety izany, dia hoy ny Tompo, ‘Tsy nanohy tamin’ny nanombohanao ianao.’ Moa ve izany tsy mahazatra an’ireo izay nisy fotoana nomena fahazavana, ary avy eo nilavo lefona noho ny fiovan-kevitra sy ny ahiahy? …

“… Rehefa avy nandray ilay hafatra ianao, rehefa avy nanefa ny sarany mba hahatsapana ny Fitiavany sy hahenoana ny tenin’ny Tompo, dia mirosoa. Aza matahotra, aza miahiahy, aza mifantoka amin’ireo tanjona madinika, aza mitaraina. … Reseo ny tahotrareo ka mandraisa andraikitra amim-pahasahiana sy amim-panolorantena eo anatrehan’ny fanambarana nomena anareo” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, Mar. 2000, 10).

  • Oviana ianareo no nahazo valinteny avy tamin’ny Tompo ka nandray andraikitra tamim-pahasiahana teo anatrehan’izany? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra niainana izay tena natokana ho an’ny tenany ihany na tsiambaratelo izy ireo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–10

Nanambara fitsipika hitantanana ny fanambarana ny Tompo

Hazavao fa nanambara fitsipika manan-danja iray mikasika ny fomba fikatsahana ny fitarihany ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady antony iray hafa nahatonga an’i Oliver ho sahirana nandray ny fanampian’ny Tompo tamin’ny ezaka nataony mba handika teny.

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7, inona no noheverin’i Oliver fa zavatra hany nilainy mba hahazoana fanambarana rehefa nandika teny izy?

  • Inona no nampianarin’ny Tompo an’i Oliver fa tokony hataony alohan’ny fangatahana fitarihana?

Eo am-pamalian’ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny toromariky ny Tompo ao anatin’ny soratra masiny. Mba hanampiana ny mpianatra hamakafaka ny hevitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “handinika izany ao an-tsainao”? (Misaintsaina ireo fanapahan-kevitra sy zavatra isafidianana, mandanjalanja amim-pitandremana ireo zavatra samihafa isafidianana.) Ahoana no nanaovanao izany rehefa nila nandray fanapahan-kevitra ianao?

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8, inona no ilaintsika atao aorian’ny nandalinantsika ilay zavatra hodinihintsika? (Manapa-kevitra izay safidy inoantsika fa tsara dia mitondra ny fanapahan-kevitsika amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka avy eo.)

  • Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8 momba ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika rehefa mikatsaka ny fitarihany sy ny torolalany isika? (Mety hamaly toy izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Mitaky ezaka avy amintsika ny fandraisana sy famantarana fanambarana. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinana ity dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahan’ny fandinihana ny zavatra ao an-tsainareo manampy anareo handray fanambarana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ifandraisan’ity fahamarinana ity amin’ireo toe-javatra miseho eo amin’ny fiainan’izy ireo dia vakio ireto ohatra manaraka ireto. Aorian’ny tsirairay amin’izany dia asao ny mpianatra hanazava ny fomba ahafahan’ny olona tsirairay mampiasa ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8 mba hahazoana fanambarana.

  1. Nahazo tolotr’asa tsara ny zatovolahy iray saingy mitaky azy hiasa amin’ny alahady izany. Miezaka manapa-kevitra izy raha toa ka hanaiky ilay asa na tsia.

  2. Nieritreritra momba ireo namana izay mifandray aminy sy ny fitaoman-dratsy entin’izy ireo aminy ny zatovovavy iray. Te hijanona tsy hiaraka amin’izy ireo intsony izy saingy tsy fantany ny fomba tsara indrindra hialana amin’izy ireo.

  3. Mieritreritra ny zavatra tokony hataony aorian’ny fahavitany ny lycée ny zatovovavy iray. Fantany fa te hanohy ny fianarany izy saingy misalasala hoe fianarana aiza no tokony halehany.

Aorian’ny firesahana ireo ohatra ireo amin’ny mpianatra dia avelao handinika ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ity fitsipika ity ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana izao fanontaniana manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Oviana no nahatsapanareo fa nanampy anareo hahazo fanambarana avy amin’ny Tompo ny ezaka nataonareo?

Asao ny mpianatra hisaintsaina izany fanontaniana izany mandritra ny fotoana fohy. Dia angataho ny mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny mpianatra ambiny.

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8, ka hitady ny fomba nahafahan’i Oliver nahafantatra raha toa ka tsara ny fehin-keviny na ny fanapahan-kevitra noraisiny.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 8 momba ny fomba hamalian’ny Tompo ireo fanontaniantsika? (Afaka ho tonga amin’ny alalan’ireo fahatsapantsika ny fanambarana rehefa mangataka fitarihana amin’ny Tompo isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Azonao atao ny manazava fa ilay hafanana ao an-tratra izay nampanantenaina tamin’i Oliver no hany fomba hanamafisan’ny Fanahy ny safidy tsara iray. Mety ho tonga amin’ny fomba maro samihafa izay an’ny tena manokana sy lalim-paka ny fanamafisan’ny Fanahy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba mety hanaovan’ny Tompo izay “hahatsapa[ntsika] fa marina ny [fanapahan-kevitra iray]” (F&F 9:8) dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny fahatsapana fiadanana no vavolombelona manamafy mahazatra indrindra izay niainako manokana. Rehefa sahiran-tsaina be momba ny olana manan-danja iray aho, sahirana namaha izany nefa tsy mahita fahombiazana dia nanohy ireo ezaka ireo tamim-pinoana aho. Taty aoriana dia nisy fiadanana nanenika ny tena tanteraka, namaha ny olako, araka ny nampanantenainy” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign or Liahona, May 2007, 10).

  • Oviana no nahatsapanao fa nanamafy ny fanapahan-kevitra iray izay noraisinao ny Tompo? Ahoana no nahatsapanao izany fanamafisana izany? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hizara zavatra mahakasika be loatra ny tenany manokana na tsiambaratelo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:9. Angataho ny mpianatra mba hitady andian-teny izay mamaritra ny fomba ahafahantsika mahafantatra raha toa ka tsy mety ny fanapahan-kevitra iray izay noraisintsika. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay andian-teny hoe “fahadontoan’ny saina” dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott manaraka izao, izay hanazavany ny fomba iray mety iainana izany hoe fahadontoan’ny saina izany:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Izany [fahadontoan’ny saina] izany ho ahy dia fahatsapana ho toy ny mihotakotaka sy tsy mahazo aina” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” 10).

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra nianarany momba ny fandraisana fanambarana izay afaka manampy azy ireo handray fanapahan-kevitra manan-danja.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:12–14

Namporisika an’i Oliver mba hanohy ny asa izay niantsoana azy ny Tompo

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mpitantsoratry ny mpaminany no antson’i Oliver (jereo ny F&F 9:1, 4). Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:12–14, hitady ireo teny na andian-teny izay mety ho nankahery an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’io fotoana io. Asao ny mpianatra mba hizara ireo teny na andian-teny izay hitan’izy ireo fa manan-danja ary hanazava ny anton’izany.

Hamaranana ity lesona ity dia azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona fa afaka mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana isika rehefa manaraka ireo fitsipika voasoritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9 Mamantatra ireo valim-bavaka

Nanome torohevitra momba ny antony hahatsapantsika indraindray hoe tsy nahazo valinteny teo no ho eo amin’ny vavaka nataontsika ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Inona no ataonao rehefa niomana tsara ianao, nivavaka mafy, niandry valinteny nandritra ny fotoana naharitra, ka tsy mbola nahatsapa valinteny ihany? Azonao atao ny maneho fisaorana rehefa mitranga izany, satria porofon’ny fahatokiany izany. Rehefa miaina amim-pahamendrehana ianao ka mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny safidinao ary mila manao asa ianao dia tohizo amim-pahatokiana izany. Rehefa mihaino tsara ny bitsiky ny Fanahy ianao dia tsy maintsy hitranga amin’ny fotoana maha-mety izany ny iray amin’ireo zavatra anankiroa: na tsy misy zavatra tonga mihitsy ao an-tsaina, izay maneho ny safidy tsy tsara iray, na ho tsapa ilay fiadanana na hafanana ao an-tratra, izay manamafy fa tsara ny safidinao. Rehefa miaina amim-pahamarinana ianao ka manao asa amim-pahatokiana dia tsy hamela anao hanohy lavitra izany Andriamanitra ka hoe tsy hanome fampitandremana iray raha toa ka nandray fanapahan-kevitra diso ianao” (“Using the Supernal Gift of Prayer,”Ensign na Liahona, mey 2007, 10).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9 Inona no atao hoe hafanana ao an-tratra?

Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks hoe:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Efa nihaona tamin’ny olona izay nilaza tamiko aho fa tsy nanana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina mihitsy izy ireo satria tsy mbola tsapan’izy ireo hoe ‘nahamay’ ny tratrany.

“Inona no dikan’ny hoe ‘mahamay ao an-tratra’? Moa ve izany midika hoe fahatsapana hafanana ivelany, tahaka ny hafanana ateraky ny afo? Raha izay no dikany dia tsy mbola nahamay mihitsy ny tao an-tratrako. Mazava ho azy, fa ny dikan’ny teny hoe ‘mahamay’ ao amin’ity soratra masina ity dia midika ho fahatsapana fampaherezana sy fahatoniana. Izany ilay vavolombelona azon’ny maro. Izany no fomba fiasan’ny fanambarana.

“Izany tsotra izao tokoa ilay feo tony sy malefaka, ‘tony’ sy ‘malefaka’ (“Teaching and Learning by the Spirit,” Ensign, mar. 1997, 13).